Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maka Ankizikely ve Andriamanitra mba Hatao Anjely any An-danitra?

Maka Ankizikely ve Andriamanitra mba Hatao Anjely any An-danitra?

Manontany ny Mpamaky

Maka Ankizikely ve Andriamanitra mba Hatao Anjely any An-danitra?

“Nalain’Andriamanitra ho anjely any an-danitra izy.” Izany no ampiononan’ny olona ny fianakaviana nidonam-pahoriana, rehefa misy ankizikely maty. Mitombina ve izany, araka ny hevitrao?

Raha tena vonoin’Andriamanitra tokoa ny ankizy satria izy mila anjely fanampiny, dia hidika izany fa mafy fo sy lozabe izy. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly. (Joba 34:10) Tsy hisy mihitsy ray tsara fanahy haka zanak’olona an-keriny, satria fotsiny hoe tiany hampitomboina ny isan’ny zanany. I Jehovah anefa no tsara fanahy indrindra, satria Andriamanitra fitiavana izy. (1 Jaona 4:8) Tsy hanao izay hampalahelo ny olona mihitsy izy.

Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Mila anjely fanampiny ve Andriamanitra any an-danitra?’ Lazain’ny Baiboly fa tsara sy tonga lafatra avokoa ny asan’Andriamanitra. (Deoteronomia 32:4) Tsy misy hokianina ny namoronany an’ireo anjely an-tapitrisany ary ampy tsara ny isan’izy ireny. (Daniela 7:10) Sao dia mba diso anefa izy ka tsy ampy ireo anjely efa noforoniny? Tsy azo inoana izany! Tsy hanao fahadisoana toy izany mihitsy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Marina fa nifidy olombelona sasany izy mba ho lasa anjely hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Efa lehibe anefa izy ireo vao maty fa tsy zazakely intsony.—Apokalypsy 5:9, 10.

Tsy mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany koa ilay hoe alainy ho anjely any an-danitra ny ankizy. Hoy izy tamin’i Adama sy Eva, tao amin’ny zaridainan’i Edena: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Genesisy 1:28) Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny ankizy, sady tena ilaina mba hahatanteraka an’ilay fikasany hoe ho feno olo-marina ny tany. Tsy fikasany mihitsy àry ny hahafaty ny ankizy sy ny hanovana azy ireny ho anjely. Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa “lova avy amin’i Jehovah” ny ankizy. (Salamo 127:3) Andriamanitra fitiavana ve dia haka ny fanomezana efa nomeny ny ray aman-dreny? Azo antoka fa tsia.

Inona no fanantenana ho an’ireo ray aman-dreny malahelo mafy sy mijaly satria maty zanaka? Mampanantena ny Baiboly fa hanangana olona an-tapitrisany ao amin’ny paradisa eto an-tany Andriamanitra, anisan’izany ny ankizy. Eritrereto ange e! Hiaraka indray amin’ny olona tiany ireny ankizy ireny sady ho salama tsara. (Jaona 5:28, 29) Tian’Andriamanitra hihalehibe ny ankizy, hankafy fiainana, ary hahafantatra azy sy ny fikasany momba ny tany. Tsy lasa anjely any an-danitra àry ny ankizy rehefa maty, fa miandry ny hananganana azy ao amin’ny paradisa an-tany. Ho faly hanompo an’i Jehovah Andriamanitra isika amin’izay, na ankizy na lehibe, ary hikarakara antsika amim-pitiavana ilay Mpamorona antsika.