Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Banjino Foana Ilay Loka!

Banjino Foana Ilay Loka!

Banjino Foana Ilay Loka!

‘Miezaka ho tonga amin’ny tanjona aho, mba hahazoako ny loka.’—FIL. 3:14.

1. Inona no loka natolotra ny apostoly Paoly?

OLONA ambony ny fianakavian’ny apostoly Paoly na i Saoly avy any Tarsosy. I Gamaliela mpampianatra lalàna no nampianatra an’i Paoly ny fivavahan’ny razany. (Asa. 22:3) Afaka nanana asa tena tsara àry izy. Nandao ny fivavahany anefa izy, ary lasa Kristianina. Naleony niandrandra ilay lokan’ny fiainana mandrakizay natolotra azy, dia ny ho mpanjaka sady mpisorona tsy mety maty ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Hitondra ny tany lasa paradisa io Fanjakana io.—Mat. 6:10; Apok. 7:4; 20:6.

2, 3. Porofoy fa tena sarobidy tamin’i Paoly ny lokany any an-danitra.

2 Hita amin’ireto tenin’i Paoly ireto, fa tena sarobidy taminy ilay loka: “Izay nataoko ho tombony anefa dia heveriko kosa ho fatiantoka noho ny amin’i Kristy. Eny, tena heveriko ho fatiantoka koa ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Fa noho ny aminy no nidirako fatiantoka ny amin’ny zava-drehetra ary heveriko ho fako miavosa ireny.” (Fil. 3:7, 8) Heverin’ny ankamaroan’ny olona fa zava-dehibe ny toerana ambony, harena, asa tsara, ary voninahitra. Nihevitra an’ireo ho toy ny fatiantoka anefa i Paoly, rehefa nahalala ny fahamarinana, ka nianatra ny fikasan’i Jehovah momba ny olombelona.

3 Ny fahalalana sarobidy momba an’i Jehovah sy Kristy no zava-dehibe indrindra tamin’i Paoly nanomboka teo. Hoy mantsy i Jesosy rehefa nivavaka: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Tena naniry hahazo fiainana mandrakizay i Paoly, satria hoy izy ao amin’ny Filipianina 3:14: “Miezaka ho tonga amin’ny tanjona aho, mba hahazoako ny lokan’ny fiantsoana avy any ambony, izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” Hita tokoa fa nobanjininy foana ny lokany, dia ny hiaina mandrakizay any an-danitra sy ny ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Fiainana mandrakizay eto an-tany

4, 5. Inona no loka ho azon’ny ankamaroan’ireo manao ny sitrapon’Andriamanitra?

4 Inona kosa no loka tokony hiezahantsika ho azo? Ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao. Izany no antenain’ny ankamaroan’ireo manao ny sitrapon’Andriamanitra. (Sal. 37:11, 29) Nohamafisin’i Jesosy fa azo antoka izany fanantenana izany. Hoy izy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Mat. 5:5) I Jesosy no voalohany hahazo ny tany ho lovany, araka ny Salamo 2:8, ary hisy 144 000 hiara-manjaka aminy any an-danitra. (Dan. 7:13, 14, 22, 27) ‘Handova’ ny tany koa ny ondry hafa, rehefa hitondra ny tany ilay ‘fanjakana izay nomanina ho azy ireo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.’ (Mat. 25:34, 46) Tsy maintsy hitranga izany, satria “tsy mahay mandainga” Andriamanitra. (Tit. 1:2) Afaka matoky toa an’i Josoa isika fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Hoy mantsy izy tamin’ny Israelita: “Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.”—Josoa 23:14.

5 Tsy hahakivy toy ny ankehitriny ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Ho hafa mihitsy amin’izay, satria tsy hisy intsony ny ady, heloka bevava, fahantrana, tsy rariny, aretina, ary fahafatesana. Ho salama tsara ny olona ary hiaina eto an-tany lasa paradisa. Hahafa-po lavitra noho ireo nofinofintsika tsara indrindra ny fiainana amin’izany. Tena ho finaritra isan’andro ny olona. Loka lehibe tokoa izany!

6, 7. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy an’ireo zavatra hitranga ao amin’ny tontolo vaovao? b) Ahoana no hanomezana fiaingana vaovao an’ireo maty?

6 Nomen’Andriamanitra hery avy tamin’ny fanahy masina i Jesosy tamin’izy teto an-tany, mba hampiseho ireo zavatra hitranga ao amin’ny tontolo vaovao. Nasain’i Jesosy nandeha, ohatra, ny lehilahy iray nalemy nandritra ny 38 taona, ka afaka nandeha tokoa. (Vakio ny Jaona 5:5-9.) Nanasitrana “lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny” koa i Jesosy, indray mandeha. Hoy ilay lehilahy, rehefa nanontaniana momba an’ilay nanasitrana azy: “Mbola tsy re mihitsy hatrizay hatrizay hoe nisy nampahiratra mason’olona jamba hatrany an-kibon-dreniny. Koa tsy mahavita na inona na inona mihitsy izany lehilahy izany raha tsy avy amin’Andriamanitra.” (Jaona 9:1, 6, 7, 32, 33) Hery avy amin’Andriamanitra no nahavitan’i Jesosy an’izany fahagagana rehetra izany. “Nanasitrana an’ireo nila fanasitranana” izy, na taiza na taiza nalehany.—Lioka 9:11.

7 Afaka nanasitrana ny marary sy ny kilemaina i Jesosy sady afaka nanangana ny maty. Maty, ohatra, ny zazavavy iray 12 taona, ka nalahelo mafy ny ray aman-dreniny. Hoy anefa i Jesosy: “Ry zazavavy, hoy aho aminao: Miarena!” Dia niarina ilay zazavavy! Azonao sary an-tsaina ve ny hafalian’ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa nahita izany? (Vakio ny Marka 5:38-42.) Ho ‘faly tsy misy hoatr’izany’ koa ny olona ao amin’ny tontolo vaovao, rehefa hatsangana ireo maty an-tapitrisany. “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina” mantsy. (Asa. 24:15; Jaona 5:28, 29) Homena fiaingana vaovao àry ny maty, mba ho afaka hiaina mandrakizay.

8, 9. a) Inona no soa horaisin’ireo olona mankatò, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy? b) Ahoana no hitsarana ny maty?

8 Ho afaka hahazo fiainana ireo hatsangana amin’ny maty. Tsy homelohina noho ny fahotana vitany talohan’ny nahafatesany izy ireo. (Rom. 6:7) Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia handray soa avy amin’ny sorom-panavotana ireo olona mankatò. Ho lasa lavorary tsikelikely izy ireo ka tsy hisy vokany eo aminy intsony ny fahotan’i Adama, amin’ny farany. (Rom. 8:21) ‘Hofoanan’i Jehovah Tompo Fara Tampony tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafany ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.’ (Isaia 25:8) Milaza koa ny Tenin’Andriamanitra fa ‘hisy horonam-boky hovelarina.’ (Apok. 20:12) Midika izany fa hiana-java-baovao ireo hiaina amin’izany fotoana izany. “Hianatra fahamarinana ny mponina eto an-tany” mandritra ny fanovana azy io ho paradisa.—Isaia 26:9.

9 Hotsaraina ireo hatsangana amin’ny maty, nefa tsy noho ny ota nolovany tamin’i Adama, fa noho izay hofidiny hatao. Hoy ny Apokalypsy 20:12: “Ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo”, izany hoe izay nataony taorian’ny nananganana azy. Tia rariny sy mamindra fo ary be fitiavana tokoa i Jehovah! ‘Tsy hotsaroan’ireo’ hatsangana intsony, na ‘hitamberina ao am-pony’ ireo zavatra nampalahelo tamin’ny fiainany taloha. (Isaia 65:17) Noho ireo fanazavana vaovao, sy noho ilay fiainana feno zava-tsoa, dia tsy hampahory azy ireo intsony ireo zava-dratsy niainany tamin’ny lasa. Tsy hotsaroany intsony izy ireny. (Apok. 21:4) Izany koa no hitranga amin’ny “vahoaka be” izay ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona.—Apok. 7:9, 10, 14.

10. a) Hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao? b) Inona no hanampy anao hibanjina foana an’ilay loka?

10 Tsy harary na ho faty intsony ny olona ao amin’ny tontolo vaovao. “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ” (Isaia 33:24) Ho salama tsara foana izy ireo isaky ny mifoha isan’andro, ary hiandrandra andro vaovao tena tsara. Tsy andrin’izy ireo izay hanaovana asa mahafa-po, sy hiarahana amin’ireo olona tia azy. Loka tena tsara tokoa izany! Vakio ny Isaia 33:24 sy 35:5-7, dia eritrereto hoe eo ianao! Hibanjina foana an’ilay loka ianao, raha manao izany.

Tsy nibanjina ny loka izy ireo

11. Inona no porofo fa tsara fiandohana ny fitondran’i Solomona?

11 Rehefa fantatsika ilay loka, dia tsy maintsy miady mafy isika mba hibanjina azy io foana, sao manadino azy. Diniho izay nitranga, rehefa lasa mpanjakan’ny Israely fahiny i Solomona. Nivavaka tamim-panetren-tena izy, ary nangataka fahiratan-tsaina sy fahaiza-manavaka tamin’Andriamanitra, mba hahaizany mitsara ny vahoakany. (Vakio ny 1 Mpanjaka 3:6-12.) “Nomen’Andriamanitra fahendrena sy fahiratan-tsaina tsy nisy hoatr’izany [àry] i Solomona”, ka ny ‘fahendreny dia nihoatra noho ny fahendren’ny Tatsinanana rehetra sy ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina.’—1 Mpanj. 4:29-32.

12. Inona no fampitandremana nomen’i Jehovah an’ireo ho lasa mpanjakan’ny Israely?

12 Efa nampitandrina an’ireo ho lasa mpanjaka anefa i Jehovah, fa tsy tokony “hampitombo ny isan’ny soavaliny” izy ireo na “hampitombo ny isan’ny vadiny, sao hivily ny fony.” (Deot. 17:14-17) Raha mampitombo ny isan’ny soavaliny ny mpanjaka, dia ny herin’ny tafika no ianteherany hiaro an’ilay firenena, fa tsy i Jehovah izay antsoina hoe Mpiaro. Hidiran-doza koa ny mpanjaka raha mampitombo ny isan’ny vadiny. Mety ho avy amin’ny firenena mpanompo sampy mantsy ny sasany amin’izy ireny, ka manaraka fivavahan-diso. Mety hitaona ny mpanjaka hiala amin’ny fivavahana marina izy ireny.

13. Nahoana i Solomona no nanadino an’izay nomena azy?

13 Tsy nihaino fampitandremana i Solomona. Izay nandraran’i Jehovah an’ireo mpanjaka mihitsy no nataony. Nanana soavaly sy mpitaingin-tsoavaly an’aliny izy. (1 Mpanj. 4:26) Nanana vady 700 sy vadikely 300 koa izy. Avy tamin’ny firenena mpanompo sampy ny maro tamin’ireny. “Voatarik’ireny vadiny ireny hanaraka andriamani-kafa ny fony. Ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony.” Lasa nanaraka ny fivavahan-dison’ireo vadiny tsy Jiosy i Solomona. Nilaza taminy àry i Jehovah hoe: “Hesoriko aminao tokoa ny fanjakana.”—1 Mpanj. 11:1-6, 11.

14. Inona no vokany rehefa tsy nankatò i Solomona sy ny firenen’ny Israely?

14 Hadinon’i Solomona fa nanana voninahitra hisolo tena an’ilay tena Andriamanitra izy. Revo tanteraka tamin’ny fivavahan-diso izy. Ny Israely manontolo mihitsy no nivadi-pinoana tamin’ny farany, ka noravana ilay firenena tamin’ny 607 T.K. Niezaka namerina ny fivavahana marina ihany ny Jiosy. Hoy anefa i Jesosy, taonjato maro tatỳ aoriana: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” Izany tokoa no nitranga, satria hoy i Jesosy: “Hilaozana ny tranonareo ka havela ho anareo.” (Mat. 21:43; 23:37, 38) Nanana voninahitra lehibe hisolo tena an’ilay tena Andriamanitra ny Israely. Nafoiny anefa izany, noho izy nivadika. Nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoly ny tafika romanina tamin’ny taona 70. Maro tamin’ireo Jiosy sisa tavela koa no lasa andevo.

15. Milazà ohatra ny amin’ireo nanadino hoe inona no tena zava-dehibe.

15 Anisan’ny apostolin’i Jesosy i Jodasy Iskariota. Nahare an’ireo zava-mahatalanjona nampianarin’i Jesosy izy. Hitany koa ny fahagagana nataon’i Jesosy noho ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra. Tsy nitandrina ny fony anefa izy. Nampiandraiketina azy ny boaty nisy ny volan’i Jesosy sy ny apostoly 12. “Mpangalatra” anefa izy, ka “nakany ny tao anatiny.” (Jaona 12:6) Tia vola loatra izy ka niray tetika tamin’ireo lehiben’ny mpisorona, mba hamadika an’i Jesosy tamin’ny farantsa volafotsy 30. (Mat. 26:14-16) Ohatra ratsy koa i Demasy mpiara-dia tamin’i Paoly. Tsy nitandrina ny fony izy. Hoy i Paoly: ‘Efa nandao ahy i Demasy satria tia an’ity tontolo ity izy.’—2 Tim. 4:10; vakio ny Ohabolana 4:23.

Lesona ho antsika

16, 17. a) Manao ahoana ny herin’ilay manohitra antsika? b) Inona no hanampy antsika hiatrika an’izay rehetra hamelezan’i Satana antsika?

16 Tokony hampisaintsaina ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ireo ohatra ireo, satria “nanjo azy ireny izany mba ho anatra, ary nosoratana ho fampitandremana ho antsika, dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.” (1 Kor. 10:11) Miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ratsy ity isika izao.—2 Tim. 3:1, 13.

17 Fantatr’i Satana Devoly, “andriamanitr’ity tontolo ity”, fa “fohy ny fotoana ananany.” (2 Kor. 4:4; Apok. 12:12) Manao izay fara heriny izy, mba hahatonga ny mpanompon’i Jehovah hivadika. Izy no mifehy an’ity tontolo ity, anisan’izany ireo fampitam-baovao. Mahazo hery matanjaka kokoa noho ny azy anefa ny vahoakan’i Jehovah. Tsy inona izany fa ny “hery fanampiny” avy amin’Andriamanitra. (2 Kor. 4:7) Afaka miantehitra amin’io hery io isika, mba hanampy antsika hiatrika an’izay rehetra hamelezan’i Satana antsika. Ampirisihina hivavaka tsy tapaka àry isika. Matoky isika fa “hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy” i Jehovah.—Lioka 11:13.

18. Ahoana no tokony hiheverantsika an’ity tontolo ity?

18 Mampahery antsika koa ny mahalala fa ho ringana tsy ho ela i Satana sy ny tontolony. Ho tafavoaka velona kosa ny tena Kristianina. “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Tena tsy hendry àry ny mpanompon’Andriamanitra, raha mihevitra fa misy zava-dehibe mitondra soa maharitra kokoa, noho ny fifandraisany amin’Andriamanitra! Toy ny sambo madiva ho rendrika ity tontolon’i Satana ity. Nanome “lakan’aina” anefa i Jehovah mba hiarovana ny mpanompony tsy mivadika. Tsy inona izany fa ny fiangonana kristianina. Mahazo matoky an’izao fampanantenana izao izy ireo, raha mbola miandry ny tontolo vaovao: “Ny mpanao ratsy horinganina, fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany.” (Sal. 37:9) Banjino foana àry ny lokanao!

Tadidinao Ve?

• Ahoana no niheveran’i Paoly ilay loka natolotra azy?

• Ahoana no hitsarana an’ireo hiaina mandrakizay eto an-tany?

• Inona no tokony hataonao dieny izao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Maka sary an-tsaina ny tenanao mahazo an’ilay loka ve ianao, rehefa mamaky Baiboly?