Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Aoka Ianareo ho Mailo’

‘Aoka Ianareo ho Mailo’

‘Aoka Ianareo ho Mailo’

‘Efa manakaiky ny faran’ny zava-drehetra. Aoka ianareo ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.’—1 PET. 4:7.

1. Inona no foto-kevitry ny fampianaran’i Jesosy?

NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA no foto-kevitry ny fampianaran’i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Amin’ny alalan’io Fanjakana io i Jehovah no hanamarina ny zony ho mpanjakan’izao rehetra izao sy hanamasina ny anarany. Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao àry i Jesosy: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mat. 4:17; 6:9, 10) Tsy ho ela dia hamarana ny tontolon’i Satana io Fanjakana io, ary ataony izay hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eran-tany. Efa nilaza i Daniela fa “hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra [ankehitriny], fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Dan. 2:44.

2. a) Ahoana no hahafantaran’ireo mpanara-dia an’i Jesosy fa manomboka manjaka izy? b) Hanondro inona koa ilay famantarana?

2 Tena zava-dehibe tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nanontany izy ireo hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Mat. 24:3) Nanome famantarana hita maso i Jesosy, satria tsy ho hita maso ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka azy. Misy lafiny samihafa ilay famantarana, ary efa voalaza ao amin’ny Soratra Masina izy ireo. Ho takatr’ireo mpanara-dia an’i Jesosy izay ho velona amin’izany fotoana izany àry, fa manomboka manjaka any an-danitra i Kristy. Ilay famantarana koa no hanondro fa manomboka ilay fotoana antsoin’ny Baiboly hoe ‘andro faran’ity’ tontolo ratsy ankehitriny ity.—2 Tim. 3:1-5, 13; Mat. 24:7-14.

Aoka ianareo ho mailo mandritra ny andro farany

3. Nahoana no tokony ho mailo ny Kristianina?

3 Hoy ny apostoly Petera: ‘Efa manakaiky ny faran’ny zava-drehetra. Aoka àry ianareo hisaina tsara, ary aoka ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.’ (1 Pet. 4:7) Tokony ho mailo àry ny mpanara-dia an’i Jesosy, ka handinika tsara ny zava-mitranga eran-tany, izay manondro fa manomboka manjaka izy. Vao mainka tokony ho mailo izy ireo, rehefa mihamanakaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Miambena hatrany àry, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana no ho avy [handrava ny tontolon’i Satana] ny tompon-trano.”—Mar. 13:35, 36.

4. Inona no tsy mampitovy ny olona eo amin’ny tontolon’i Satana sy ny mpanompon’i Jehovah? (Jereo koa ny efajoro.)

4 Fehezin’i Satana ny ankamaroan’ny olona, ka tsy mandinika tsara ny dikan’ireo zava-mitranga eran-tany. Tsy takatr’izy ireo fa efa nanomboka nanjaka i Kristy. Mailo kosa ny tena mpianatr’i Kristy, ka nahatakatra ny tena dikan’izay nitranga nandritra ny zato taona lasa. Nanomboka tamin’ny 1925 no tena neken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Ady Lehibe I sy ny zava-nitranga taorian’izay, dia porofo azo antoka fa nanomboka nanjaka tany an-danitra i Kristy tamin’ny 1914. Efa nanomboka koa àry ny andro faran’ity tontolo ratsin’i Satana ity. Maro no nahamarika fa niova tanteraka ny fiainana taorian’ny Ady Lehibe I. Tsy fantatr’izy ireo anefa ny dikan’izany.—Jereo ilay efajoro hoe “Vanim-potoana Mikorontana.”

5. Nahoana isika no tena mila miambina hatrany?

5 Mahatsiravina ny zava-mitranga eran-tany, efa ho zato taona izao. Porofo izany fa miaina amin’ny andro farany isika. Tsy ho ela intsony i Jehovah dia hanome baiko an’i Kristy mba hitarika an’ireo tafik’anjely, ka hamely ny tontolon’i Satana. (Apok. 19:11-21) Asaina miambina hatrany ny tena Kristianina. Tena mila manao izany foana isika, eo am-piandrasana ny faran’ity tontolo ity. (Mat. 24:42) Tsy maintsy miambina hatrany àry isika, sady mamita ny asa maneran-tany nampanaovina antsika, eo ambany fitarihan’i Kristy.

Asa maneran-tany

6, 7. Manao ahoana ny fandrosoan’ny asa fitoriana, amin’ny andro farany?

6 Efa voalaza mialoha fa anisan’ny famantarana ny andro farany ilay asa ataon’ny mpanompon’i Jehovah. Niresaka momba an’io asa maneran-tany io i Jesosy, rehefa nitanisa an’ireo zavatra hitranga amin’ny andro farany. Anisan’ilay faminaniany ireto teny ireto: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Mat. 24:14.

7 Ireto misy zavatra sasany mifandray amin’izany: Tena vitsy ny mpitory ny vaovao tsara, raha vao niandoha ny andro farany, tamin’ny 1914. Mitombo be anefa izao ny isan’izy ireo. Fito tapitrisa mahery ny Vavolombelon’i Jehovah mitory eran-tany. Voalamina ho fiangonana iray hetsy mahery izy ireo. Tamin’ny 2008, dia nisy olona folo tapitrisa tonga nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy fitomboana be izany raha oharina amin’ny isan’ny mpanatrika tamin’ny 2007.

8. Nahoana no tsy voasakan’i Satana ny asa fitoriantsika?

8 Fitoriana miezinezina tokoa no atao any amin’ny firenena rehetra, alohan’ny hahatongavan’ny farany! Tsy voasakan’i Satana izany, na dia izy aza no “andriamanitr’ity tontolo ity.” (2 Kor. 4:4) Feheziny avokoa ny rafitra ara-politika sy ara-pivavahana ary ara-barotra eto amin’ity tontolo ity, ary indrindra fa ireo fampitam-baovao. Nahoana anefa no mbola miroborobo ny asa fitoriana? Satria manampy i Jehovah. Mandroso tsara àry ilay asa, na dia miezaka misakana izany aza i Satana.

9. Nahoana no azo lazaina fa fahagagana ny fitahiana ara-panahy azontsika?

9 Azo lazaina hoe fahagagana ny fandrosoan’ny asa fitoriana sy ny fitomboan’ny isan’ny vahoakan’i Jehovah ary ny fitahiana ara-panahy azon’izy ireo. Tsy ho vita ny asa fitoriana, raha tsy manampy ny vahoakany Andriamanitra, ka mitari-dalana sy miaro azy ireo. (Vakio ny Matio 19:26.) Miasa ao amin’ireo mailo sy vonona hanompo azy ny fanahy masina. Azo antoka àry fa ho vita tsara hatramin’ny farany ny asa fitoriana, “vao ho tonga ny farany.” Mihamanatona haingana io fotoana io.

“Ny fahoriana lehibe”

10. Ahoana no nilazan’i Jesosy an’ilay fahoriana lehibe ho avy?

10 Ao amin’ilay antsoina hoe “fahoriana lehibe” no hifarana ny rafitr’ity tontolo ity. (Apok. 7:14) Tsy lazain’ny Baiboly ny faharetan’io fahoriana lehibe io. Hoy kosa i Jesosy: “Amin’izany fotoana izany, dia hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Mat. 24:21) Diniho fotsiny ny fahoriana efa niainan’ity tontolo ity hatramin’izay. Olona 50 ka hatramin’ny 60 tapitrisa teo ho eo, ohatra, no maty tamin’ny Ady Lehibe II. Mbola ho mafy kokoa noho izany anefa ilay fahoriana lehibe ho avy! Ny ady Hara-magedona no hamarana azy io. Handefa ny tafiny any an-danitra i Jehovah amin’izay, mba handringana ny sisa amin’ny tontolon’i Satana eto an-tany.—Apok. 16:14, 16.

11, 12. Inona no famantarana ny fanombohan’ny fahoriana lehibe?

11 Tsy omen’ny Baiboly ny daty hanombohan’ny fahoriana lehibe. Lazainy amintsika kosa fa hisy zavatra hafakely hitranga, mba hamantarana ny fanombohan’izy io. Tsy inona izany fa ny fandravana ny fivavahan-diso rehetra, amin’ny alalan’ireo fitondrana ara-politika. Mampitaha ny fivavahan-diso amin’ny mpivaro-tena nijangajanga tamin’ireo fitondrana ara-politika eto an-tany ny Apokalypsy toko 17 sy 18. Resahin’ny Apokalypsy 17:16 fa tsy ho ela ny fitondrana ara-politika, dia “hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy, ary hanapitra ny nofony sy handoro azy tanteraka amin’ny afo.”

12 Rehefa tonga izany, dia ‘hataon’Andriamanitra ao [am-pon’ireo mpitondra fanjakana] ny hanatanteraka ny heviny’ handringana ny fivavahan-diso rehetra. (Apok. 17:17) Azo lazaina àry hoe avy amin’Andriamanitra ilay fandringanana. Izany no didim-pitsarany ho an’ny fivavahana mpihatsaravelatsihy. Efa hatramin’ny ela mantsy izy ireny no nampianatra zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra, sy nanenjika ny vahoakany. Izao tontolo izao mihitsy no tsy hanampo an’ilay fandringanana ny fivavahan-diso. Efa manampo izany kosa ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Torin’izy ireo amin’ny olona izany, mandritra ny andro farany.

13. Inona no mampiseho fa ho haingana ny fandringanana ny fivavahan-diso?

13 Hanaitra ny olona ny fandringanana ny fivavahan-diso. Lazain’ny faminanian’ny Baiboly fa hilaza mihitsy aza ny sasany amin’ny “mpanjakan’ny tany” hoe: “Indrisy! Indrisy, ... Fa tao anatin’ny adiny iray monja no nampiharana ny fanamelohana anao!” (Apok. 18:9, 10, 16, 19) Asehon’ilay teny hoe “adiny iray” fa ho haingana ilay fandringanana.

14. Inona no hataon’i Jehovah rehefa hanafika ny mpanompony ireo fahavalony?

14 Fantatsika fa hotafihina ireo mpanompon’i Jehovah manambara ny didim-pitsarany, rehefa rava ny fivavahan-diso. (Ezek. 38:14-16) Rehefa hanomboka ilay fanafihana, dia hiady amin’ireo mpanafika i Jehovah. Mampanantena mantsy izy fa hiaro an’ireo mpanompony tsy mivadika. Hoy izy: “Hiteny amin-kafanam-po sy amin-katezerana mafy aho ... Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.” (Vakio ny Ezekiela 38:18-23.) Hoy Andriamanitra: “Izay mikasika anareo [izany hoe ny mpanompony tsy mivadika] dia mikasika ny anakandriamasoko.” (Zak. 2:8) Hanao zavatra àry izy raha vao manafika an’ireo mpanompony eran-tany ny fahavalony. Izany no hitarika ho amin’ny Hara-magedona, izay hamarana ny fahoriana lehibe. Hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny tontolon’i Satana ireo tafik’anjely mahery tarihin’i Kristy.

Inona no vokatr’izany eo amintsika?

15. Inona no tokony hataontsika rehefa fantatsika fa akaiky ny faran’ity tontolo ity?

15 Inona no tokony hataontsika rehefa fantatsika fa akaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity? Hoy ny apostoly Petera: “Koa satria ho levona ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra!” (2 Pet. 3:11) Vao mainka àry ilaina ny miambina hatrany, mba ho azo antoka fa mifanaraka amin’izay takin’Andriamanitra ny fitondran-tenantsika. Tokony hasehontsika eo amin’ny fiainantsika koa fa tia an’i Jehovah isika, ka mahafoy tena ho azy. Manao izay fara herintsika àry isika mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, alohan’ny hahatongavan’ny farany. Hoy koa i Petera: ‘Efa manakaiky ny faran’ny zava-drehetra. Aoka àry ianareo ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.’ (1 Pet. 4:7) Manatona an’i Jehovah isika sady maneho ny fitiavantsika azy, rehefa mivavaka tsy tapaka aminy, mba homeny tari-dalana amin’ny alalan’ny fanahiny masina sy ny fiangonany maneran-tany.

16. Nahoana isika no mila mankatò ny torohevitr’Andriamanitra?

16 Mampidi-doza izao fotoana izao, ka mila mankatò an’ity torohevitry ny Tenin’Andriamanitra ity isika: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.” (Efes. 5:15, 16) Mbola tsy nisy faharatsiana be toy izao mihitsy. Ataon’i Satana izay tsy hanaovan’ny olona ny sitrapon’i Jehovah, na izay hahavariana azy ireo. Fantatsika izany, ka tsy tokony hisy havelantsika hampivadika antsika amin’Andriamanitra. Fantatsika koa izay hitranga tsy ho ela, ka matoky an’i Jehovah sy ny fikasany isika.—Vakio ny 1 Jaona 2:15-17.

17. Inona no ho tsapan’ireo ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona, rehefa hatsangana ny maty?

17 Ho tanteraka ilay fampanantenan’Andriamanitra hanangana ny maty, satria “hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asa. 24:15) Mariho ilay hoe “Hisy fitsanganan’ny” maty! Azo antoka àry ilay fampanantenana, satria i Jehovah no efa niteny! Hoy ny Isaia 26:19: “Ho velona ny olonao izay efa maty. ... Mifohaza ka mihobia ianareo izay mitoetra ao amin’ny vovoka! ... Havelan’ny tany hateraka ny maty tsy mahefa na inona na inona.” Tanteraka izany rehefa naverina tany amin’ny taniny ny vahoakan’Andriamanitra fahiny, ka toy ny hoe natsangana tamin’ny maty. Matoky koa isika fa mbola ho tanteraka izany, rehefa hatsangana ara-bakiteny ny maty ao amin’ny tontolo vaovao. Hisy fifaliana be tokoa rehefa hihaona amin’ny havany sy ny namany indray ireo hatsangana amin’ny maty! Efa akaiky ny faran’ity tontolon’i Satana ity, ary tsy ho ela intsony ny tontolo vaovao. Tokony ho mailo foana àry isika!

Tadidinao Ve?

• Inona no foto-kevitry ny fampianaran’i Jesosy?

• Manao ahoana ny fandrosoan’ny asa fitoriana ankehitriny?

• Nahoana isika no tokony ho mailo?

• Inona no mampahery anao momba ilay fampanantenana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 16, 17]

VANIM-POTOANA MIKORONTANA

Vanim-potoana Mikorontana: Zava-tsarotra ao Amin’ny Tontolo Hafa Tanteraka (anglisy). Io no lohatenin’ny boky nosoratan’i Alan Greenspan, tamin’ny 2007. Nandritra ny 20 taona latsaka, dia izy no mpitari-draharaha tao amin’ny Birao Mpitahiry ny Volam-panjakana Amerikanina, izay miandraikitra ny fifanakalozana ara-bolan’ilay firenena manontolo. Resahin’i Greenspan fa tsy toy ny zava-nitranga talohan’ny 1914 ny taorian’izay:

“Lazain’ny tatitra rehetra fa talohan’ny 1914, dia nifanaja ny olona, ary nihatsara ny fiainany. Nantenaina ho tonga lafatra ny fiaraha-monina. Foana tamin’ny taonjato faha-19 ny fivarotana andevo. Toa nihena ny herisetra feno habibiana. ... Nandroso be koa ny teknolojia nandritra ny taonjato faha-19. Nanjary nisy ny lalamby, telefaonina, jiro mandeha herinaratra, sinema, fiara, ary ireo fitaovana ilaina ao an-tokantrano. Nanjary afaka niaina elaela kokoa ny olona, satria nandroso ny fitsaboana, nihatsara ny sakafo, ary maro no nahazo rano fisotro madio ... Nanantena ny rehetra fa hitohy foana izany fandrosoana izany.”

Indrisy anefa... “Nanimba ny toe-tsaina sy ny fiainan’ny olona kokoa ny Ady Lehibe I raha oharina amin’ny Ady Lehibe II, izay nandravarava kokoa. Tsy afaka ato an-tsaiko mihitsy ny zava-nisy talohan’ny Ady Lehibe I. Toa tsara erỳ ny hoavin’ny olona tamin’izany. Hafa tanteraka noho ny tamin’ny taonjato lasa anefa izao ny fahitana ny hoavy, saingy mifanaraka kokoa amin’ny tena zava-misy. Hanova zavatra be, toy ny Ady Lehibe I koa ve ny fampihorohoroana sy ny fiakaran’ny mari-pana ary ny fitomboan’ny fahefam-bahoaka? Tsy misy mahalala ny valin’izany.”

Tamin’i Greenspan nianatra tany amin’ny oniversite, dia tsaroany niteny toy izao i Benjamin Anderson, mpampianatra toe-karena (1886-1949): “Manembona ny zava-nisy talohan’ny Ady Lehibe I, ireo efa lehibe tamin’izany ka mahatsiaro hoe nanao ahoana ny fiainana. Mbola tsy nisy fiainana nilamina toy izany mihitsy.”—Toe-karena sy Tombontsoan’ny Besinimaro (anglisy).

Misy hevitra mitovy amin’izany koa ao amin’ilay boky hoe Ilay Tontolo Rava (anglisy), nataon’i G. Meyer, tamin’ny 2006. Hoy izy: “Lazaina fa ‘manova ny zava-drehetra’ ny zava-mitranga manan-tantara. Marina izany raha ny Ady Lehibe [1914-1918] no resahina. Nanova ny zava-drehetra tokoa izy io: Niova ny sisin-tany sy ny fitondram-panjakana ary ny zavatra hanjo an’ireo firenena. Niova koa anefa ny fomba fahitan’ny olona an’izao tontolo izao, sy ny fiheverany ny tenany nanomboka teo. Toa nisy hantsana be nanasaraka ilay tontolo taorian’ny ady sy ilay talohan’izy io.”

[Sary, pejy 18]

Handefa tafik’anjely mahery i Jehovah amin’ny Hara-magedona