Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mendrika Hoderaina i Jehovah

Mendrika Hoderaina i Jehovah

Mendrika Hoderaina i Jehovah

“Miderà an’i Jah!”—SAL. 111:1.

1, 2. Inona no dikan’ny hoe “Haleloia”, ary aiza no ahitana azy io ao amin’ny Soratra Grika?

FANDRE any amin’ny fivavahana maro ny hoe “Haleloia!” Vitsy ihany anefa no mahay ny dikany. Misy koa manonontonona azy io, nefa manala baraka an’Andriamanitra ny zavatra ataony. (Tit. 1:16) Hoy ny diksionera iray: “Ny Haleloia dia teny nentin’ireo mpanao salamo hanasana ny olona hiara-midera an’i Jehovah.” Misy manam-pahaizana momba ny Baiboly milaza fa “ ‘Miderà an’i Jah’ [na] Jehovah” no dikan’ny hoe “Haleloia.”

2 Izany no nahatonga ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao handika azy io hoe “Miderà an’i Jah!”, ao amin’ny Salamo 111:1. Miverina inefatra ao amin’ny Apokalypsy 19:1-6 ny hoe “Miderà an’i Jah!” Hiara-miredona azy io amim-panajana ny mpanompon’i Jehovah, rehefa rava ny fivavahan-diso.

Ny asa lehiben’i Jehovah

3. Inona no tena antony ivoriantsika tsy tapaka?

3 Milaza antony maro tokony hiderantsika an’i Jehovah ny mpanoratra ny Salamo 111. Hoy izy eo amin’ny andininy voalohany: “Hankalaza an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho, eo anivon’ireo olo-mahitsy mpinamana akaiky sy vahoaka tafavory.” Manao izany isika Vavolombelon’i Jehovah. Ny hidera azy no tena antony hanatrehantsika tsy tapaka ireo fivoriana sy fivoriambe.

4. Inona no tokony hodinihintsika?

4 “Lehibe ny asan’i Jehovah, izay dinihin’ireo rehetra tia an’ireny.” (Sal. 111:2) Milaza ny boky iray fa tokony ‘hazoto handinika sy hamakafaka lalina’ ny asan’Andriamanitra isika. Misy antony daholo ny zavatra nataon’i Jehovah, ary mampitolagaga izany. Nataony nety tsara, ohatra, ny toeran’ny masoandro sy ny tany ary ny volana, mba hahazo hafanana sy hazavana ny tany. Nataony koa izany mba hisy foana ny andro sy alina, ny fizaran-taona, ary ny fisondrotan’ny ranomasina sy ny fisintonany.

5. Efa betsaka ny zavatra fantatra momba izao rehetra izao. Inona no vokatr’izany?

5 Efa mahalala zavatra betsaka momba ny tany ny mpahay siansa. Tsy lavitra loatra sady tsy akaiky loatra azy io ny masoandro sy ireo planeta miaraka aminy. Mety tsara koa ny haben’ny volana sy ny fihodinany amin’ny tany. Raha tsy teo izany rehetra izany, dia tsy ho nisy ny fizaran-taona, nefa mahafinaritra erỳ izy ireny. Efa betsaka koa ny zavatra fantatra momba ny hery misintona sy ny hery voajanahary hafa. Tsy mafy loatra izy ireny, nefa koa tsy maivana loatra ka tsy mampidi-doza. Hoy àry ny mpahay siansa iray: ‘Maro be ny mpahay siansa niova hevitra tato anatin’ny 30 taona, ka nilaza fa sarotra inoana hoe nisy ho azy teo izao rehetra izao. Tsy mahagaga izany satria mihamaro foana ny porofo tsy azo lavina, fa misy mpamorona faran’izay mahay nanao ny tany.’

6. Inona no tsapanao rehefa mijery ny fomba nanaovan’Andriamanitra ny olombelona ianao?

6 Anisan’ny asa lehibe nataon’Andriamanitra koa isika. (Sal. 139:14) Nomeny atidoha, ohatra, isika. Ampy tsara koa ny taova ao anatintsika ary ilaina avokoa. Mahay zavatra maro ny ankamaroantsika, toy ny miteny, mihaino, manoratra, ary mamaky teny. Tena mahavariana izany. Mahavita mijoro tsara koa isika, ka azo lazaina hoe sangan’asa miavaka. Mahagaga ny fomba nanaovana ny vatantsika, ny zavatra hainy, ary ny fiasan’ireo taova sy zavatra simika ao aminy. Eo koa ny rafi-pitatitra, izay mampita any amin’ny atidoha ny zava-mitranga amin’ny vatana. Tsinontsinona ny zava-bitan’ny mpahay siansa raha oharina amin’ny rafi-pitatitra. Raha tsy teo mantsy izy io, dia tsy ho niasa ny atidoha sy ny vavahadin-tsaina, toy ny maso sy ny tanana, ka tsy ho nahavita na inona na inona isika. Efa niezaka nanao fitaovana mitovy amin’ny tanana koa ny injeniera. Hafakely sy mahay zavatra maro anefa ny tanana, ka tsy hahatoraka azy io, na ny fitaovana vitan’ny injeniera mahay indrindra aza. Mba eritrereto ange e! Ho nahavita zavakanto sy trano ary fitaovana mampitolagaga ve ny olona raha tsy nisy tanana?

Ny asany lehibe hafa sy ny toetrany

7. Nahoana ny Baiboly no anisan’ny sangan’asa miavaka nataon’Andriamanitra?

7 Mbola misy asa lehibe hafa nataon’i Jehovah ho an’ny olona. Hita ao amin’ny Baiboly izany. Anisan’ny sangan’asa miavaka nataony ny Baiboly, satria tsy misy zavatra mifanohitra ao. Tsy toy ny boky hafa izy io, fa tena “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana.” (2 Tim. 3:16) Resahin’ny Genesisy, ohatra, fa nandringana ny ratsy fanahy Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa. Hita ao amin’ny Eksodosy koa fa nanafaka ny Israelita tany Ejipta izy, mba hanaporofoana fa izy no tena Andriamanitra. Ireo angamba no tao an-tsain’ilay mpanao salamo, tamin’izy niteny hoe: ‘Heni-kaja amam-boninahitra ny zavatra nataon’i Jehovah, ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Nataony izay hahatsiarovana ny asany mahatalanjona. Tsara fanahy sy mamindra fo izy.’ (Sal. 111:3, 4) Efa maro ny zavatra nataon’i Jehovah, ary angamba efa nahita vitsivitsy ianao. Tsy miaiky ve ianao fa tena ahatsiarovana ny ‘haja amam-boninahiny’ ireny?

8, 9. a) Inona no tsy mampitovy an’Andriamanitra sy ny olombelona? b) Inona no toetran’Andriamanitra tena tianao?

8 Nasongadin’ilay mpanao salamo koa ny toetran’i Jehovah, toy ny fahamarinana sy hatsaram-panahy ary famindram-po. Fantatsika fa tsy dia manao ny marina ny olona. Matetika izy ireo no tia vola na mitsiriritra na manambony tena. Misy, ohatra, te hahazo vola be na te hanapoaka ady, ka manao fitaovam-piadiana mahery vaika. Tsy manan-tsiny an-tapitrisany àry no mijaly sy mihorohoro. Etsy an-danin’izany, dia maro no manararaotra ny mahantra. Efa ela izany no nisy. Nandevozina, ohatra, ny olona sasany tany Ejipta, ka nasaina nanorina ny fasan’ireo Farao nanambony tena. Mbola maro ankehitriny no mampahory ny hafa, ary tsy vitan’izay fa “manimba ny tany” koa.—Vakio ny Apokalypsy 11:18.

9 Tsy mba toy izany kosa i Jehovah, fa manao ny marina foana. ‘Naneho ny fahamarinany’ izy, rehefa namindra fo tamintsika, ka nanome ny vidim-panavotana mba hamonjena antsika amin’ny ota. (Rom. 3:25, 26) ‘Maharitra mandrakizay tokoa ny fahamarinany!’ Tsara fanahy koa izy, satria nandefitra tamin’ny olona foana, na dia mpanota aza izy ireo. Niteny hoe “azafady” mihitsy aza izy indraindray, rehefa niangavy azy ireo hibebaka ka hanao ny tsara.—Vakio ny Ezekiela 18:25.

Manatanteraka ny fampanantenany

10. Inona no porofo fa nitana ny fifanekeny tamin’i Abrahama i Jehovah?

10 “Nomeny hanina ireo matahotra azy. Hotsaroany mandritra ny fotoana tsy voafetra ilay fifanekena nataony.” (Sal. 111:5) Ilay fifaneken’i Jehovah tamin’i Abrahama angamba io. Nampanantena izy fa hotahiny ny taranak’i Abrahama, ary homeny azy ny tanin’ny fahavalony. (Gen. 22:17, 18; Sal. 105:8, 9) Tanteraka izany, satria lasa firenena nantsoina hoe Israely ny taranak’i Abrahama. Nandevozin’ny Ejipsianina an-taonany maro izy ireo. ‘Nahatsiaro ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama’ anefa Andriamanitra, ka nanafaka azy ireo. (Eks. 2:24) Tena nalala-tanana tamin’izy ireo izy avy eo, ka nanome azy sakafo sy didy ary fitsipika. (Deot. 6:1-3; 8:4; Neh. 9:21) Tsy nankatò an’Andriamanitra imbetsaka anefa ny Israelita, na dia naniraka mpaminany hananatra azy ireo aza izy. Mbola nirahiny ho etỳ an-tany koa ny Zanany lahitokana, 1 500 taona mahery taorian’ny nanafahany ny Israelita. Tsy niraharaha an’io Zanany io anefa ny ankamaroan’izy ireo, ary nampamono azy. Namorona firenena vaovao atao hoe “Israelin’Andriamanitra” àry i Jehovah. Taranaka ara-panahin’i Abrahama izy io, ary anisany i Kristy. Amin’ny alalan’io firenena io no hitahian’i Jehovah ny olombelona.—Gal. 3:16, 29; 6:16.

11. Inona no porofo fa mbola tsaroan’i Jehovah foana ilay fifanekeny tamin’i Abrahama?

11 Mbola tsaroan’i Jehovah foana ilay fifanekena nataony sy ny fitahiana nampanantenainy. Manome sakafo ara-panahy be dia be amin’ny fiteny 400 mahery àry izy. Mbola valiany koa ilay vavaka ataontsika hoe: “Omeo anay anio izay hanina ilainay anio.”—Lioka 11:3; Sal. 72:16, 17; Isaia 25:6-8.

Tena mahery i Jehovah!

12. Inona no dikan’ny hoe nomena ny “lovan’ireo firenena” ny Israelita?

12 “Ny heriny, izay hita taratra eo amin’ny zavatra nataony, no nambarany tamin’ny olony, rehefa nomeny azy ireo ny lovan’ireo firenena.” (Sal. 111:6) Mbola te hiresaka momba ilay nanafahana ny Israelita angamba ilay mpanao salamo. Fahagagana tokoa ilay izy! Nomen’i Jehovah ny Tany Nampanantenaina izy ireo avy eo, ary nandresy firenena maro tany atsinanana sy andrefan’ny Reniranon’i Jordana. (Vakio ny Nehemia 9:22-25.) Nomen’i Jehovah azy ireo àry ny “lovan’ireo firenena.” Nasehony fa tena mahery izy!

13, 14. a) Inona no nataon’Andriamanitra mba hampisehoana ny heriny? b) Inona koa no nataony mba hanafahana ny olona?

13 Maro tokoa ny zavatra nataon’i Jehovah ho an’ny Israelita. Tsy nohajain’izy ireo anefa, na izy na i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razamben’izy ireo. Nikomy foana izy ireo, ka naniraka ny Babylonianina i Jehovah mba hanala azy ao amin’ny lovany, ary hitondra azy ho babo. (2 Tant. 36:15-17; Neh. 9:28-30) Mbola te hitana ilay fifanekena nataony anefa izy, ka nampiasa ny heriny hanafahana azy ireo. Voalaza fa nahita ny nanafahana ny Israelita ny mpanoratra ny Salamo 111. Raha marina izany, dia rariny raha voatosika hidera an’i Jehovah izy. Vitan’i Jehovah mantsy ny nanafaka ny Israelita, nefa nalaza ho tsy namotsotra babo mihitsy ny Babylonianina.—Isaia 14:4, 17.

14 Vao mainka nasehon’i Jehovah ny heriny, 500 taona teo ho eo tatỳ aoriana, satria nafahany tamin’ny ota sy ny fahafatesana ny olona. (Rom. 5:12) Inona no vokany? Olona 144 000, ohatra, no lasa Kristianina voahosotra. Nisy tamin’izy ireo nafahan’i Jehovah avy tao amin’ny fivavahan-diso, tamin’ny 1919. Manao asa miavaka ny voahosotra ankehitriny. Tsy ho nahavita izany izy ireo raha tsy teo ny herin’Andriamanitra. Raha tsy mivadika mihitsy izy ireo, dia hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra, ka hanampy ny olona mibebaka eran-tany. (Apok. 2:26, 27; 5:9, 10) Hahazo tombony kokoa noho ny Israelita àry ny voahosotra, satria ny tany manontolo no ho lovany.—Mat. 5:5.

Mbola azo ampiharina sy mendri-pitokisana

15, 16. a) Inona no anisan’ny asan’ny tanan’Andriamanitra? b) Inona no didy nomeny ny Israelita?

15 “Marina sy ara-drariny ny asan’ny tanany. Mendri-pitokisana ny didiny rehetra, sady tsara fototra mandrakizay, eny, mandritra ny fotoana tsy voafetra, ary natao araka ny fahamarinana sy ny fahitsiana.” (Sal. 111:7, 8) Anisan’ny ‘asan’ny tanan’i Jehovah’ ireo takela-bato roa nisy ny didy lehibe folo ho an’ny Israelita. (Eks. 31:18) Mbola nisy didy hafa koa tatỳ aoriana. Nantsoina hoe Lalàn’i Mosesy ireo rehetra ireo. Mbola azo ampiharina sy mendri-pitokisana ny toro lalana avy amin’izy ireo.

16 Voasoratra teo amin’ireo takela-bato, ohatra, ireto: ‘Izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany. Izay tia ahy sy mitandrina ny didiko dia hanehoako hatsaram-panahy feno fitiavana, na dia hatramin’ny taranaka faharivo aza.’ Nisy fitsipika tsy mety lany andro sy tena mahasoa koa teo amin’izy ireo, toy ny hoe “hajao ny rainao sy ny reninao”, “aza mangalatra”, ary “aza mitsiriritra.”—Eks. 20:5, 6, 12, 15, 17.

Masina sy mendrika hatahorana ilay Mpanavotra antsika

17. Nahoana ny Israelita no tokony ho nanamasina ny anaran’Andriamanitra?

17 “Nanavotra ny olony izy, ary nandidy mba haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ilay fifanekena nataony. Masina sy mendrika hatahorana ny anarany.” (Sal. 111:9) Mbola ilay fifaneken’i Jehovah tamin’i Abrahama ihany angamba no tiana holazaina eo. Nitana azy io tokoa i Jehovah satria navotany avy tany Ejipta sy Babylona ny vahoakany. Tokony ho nanamasina ny anarany àry izy ireo, na dia noho izay ihany aza.—Vakio ny Eksodosy 20:7; Romanina 2:23, 24.

18. Voninahitra lehibe ve aminao ny mitondra ny anaran’Andriamanitra? Nahoana?

18 Nanavotra antsika tamin’ny ota sy ny fahafatesana i Jehovah, ka tokony hiezaka mafy hanamasina ny anarany koa isika Kristianina. Nampianarin’i Jesosy hivavaka toy izao mantsy isika: “Hohamasinina anie ny anaranao!” (Mat. 6:9) Tokony hosaintsainintsika koa ny dikan’ny anarany satria miavaka izy io. Hatahotra azy isika amin’izay. Nohazavain’ilay mpanao salamo fa tsy ratsy io tahotra io. Hoy izy: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena. Tena lalin-tsaina izay rehetra mankatò ny didiny.”Sal. 111:10.

19. Inona no hianarantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Hankahala ny ratsy isika raha matahotra an’Andriamanitra. Hanahaka ireo toetrany hita ao amin’ny Salamo 112 koa isika. Hiresaka azy io ny lahatsoratra manaraka. Ho hitantsika hoe inona no azontsika atao, mba ho anisan’ireo olona an-tapitrisany hidera an’i Jehovah mandrakizay. Mendrika hoderaina mantsy izy, ary ‘haharitra mandrakizay ny fiderana azy.’Sal. 111:10.

Fanontaniana Hosaintsainina

• Nahoana isika no tokony hidera an’i Jehovah?

• Inona no toetran’i Jehovah hitantsika rehefa mijery ny zavatra nataony isika?

• Voninahitra lehibe ve aminao ny mitondra ny anaran’Andriamanitra? Nahoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 20]

Ny hidera an’i Jehovah no tena antony hiarahantsika mivory tsy tapaka

[Sary, pejy 23]

Mbola azo ampiharina sy mendri-pitokisana ny toro lalana avy amin’ny didin’i Jehovah