Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana i Jesosy no niantso an’i Jehovah hoe “Aba, Ray” rehefa nivavaka?

Mety hidika hoe “ny ray” na “Ray ô” ilay teny aramianina hoe aba. Miverina intelo izy io ao amin’ny Baiboly, ary samy ao anatina vavaka. Manondro an’i Jehovah, ilay Ray any an-danitra foana izy io. Inona no dikan’ilay teny hoe aba?

Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy): “Fomban’ny ankizy tamin’ny andron’i Jesosy ny niantso ny rainy hoe ‘Aba.’ Mampiseho izany fa nanaja ny rainy ilay zanaka, ary nifandray tsara taminy.” Io no anisan’ny teny voalohany hain’ny zaza vao miana-miteny. Hita amin’izany fa mifankatia ilay zaza sy ny rainy. Io teny io indrindra no nampiasain’i Jesosy tamin’izy nitalaho mafy tamin’i Jehovah. Tao Getsemane izy tamin’izay, ora vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, ary nivavaka toy izao: “Aba, Ray ô.”—Marka 14:36.

Hoy ihany ilay rakipahalalana: ‘Tsy fahita firy ao amin’ny asa soratra jiosy tamin’ny andron’ny Grika sy Romanina, ilay teny hoe aba mba hiantsoana an’Andriamanitra. Azo antoka mantsy fa nieritreritra ny Jiosy hoe tsy manaja izany. Nampiasa ilay teny anefa i Jesosy rehefa nivavaka, mba hanamafisana fa Zanak’Andriamanitra izy.’ Asehon’ireo andinin-teny roa hafa misy an’ilay hoe “Aba” fa nampiasa azy io koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany rehefa nivavaka. Ao amin’ny boky nosoratan’ny apostoly Paoly no misy azy ireo.—Romanina 8:15; Galatianina 4:6.

Nahoana ny ampahany amin’ny Baiboly no nosoratana tamin’ny teny grika?

Nankinina tamin’ny Jiosy “ny fanambarana masin’Andriamanitra”, hoy ny apostoly Paoly. (Romanina 3:1, 2) Nosoratana tamin’ny teny hebreo àry ny tapany voalohany amin’ny Baiboly amin’ny ankapobeny, satria io no fitenin’ny Jiosy. Nosoratana tamin’ny teny grika kosa ny Soratra Kristianina. a Nahoana?

Maromaro ny fitenim-paritra grika tranainy nampiasain’ny miaramilan’i Aleksandra Lehibe, tamin’ny taonjato fahefatra Talohan’i Kristy (T.K.). Nifangaro izy ireny rehefa nandeha ny fotoana, ka niforona ny Koine, na ny teny grika tsotra. Nandresy firenena maro i Aleksandra, ka lasa fiteny iraisam-pirenena ny Koine. Efa niparitaka be koa ny Jiosy. Natao sesitany tany Babylona izy ireo tamin’ny 607 T.K., nefa maro no tsy niverina tany Palestina rehefa nafahana. Be dia be àry ny Jiosy tsy nahay teny hebreo intsony, fa lasa niteny grika. (Asan’ny Apostoly 6:1) Natao ho azy ireo indrindra ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Ny Soratra Hebreo nadika ho amin’ny teny grika tsotra izy io.

Milaza ny diksionera iray fa niavaka io teny grika io. Nanana voambolana maro sady voafaritra tsara mantsy izy io, feno tsipiriany ny fitsipi-pitenenany ary nahafahana nilaza zavatra marina tsara ireo endrika nisehoan’ny matoanteniny. Nety tamin’ny olona avy tamin’ny fiaviana rehetra izy io. Io àry no fiteny be mpampiasa indrindra tamin’izany fotoana izany, ary nety tsara mba hampitana hevitra. Fiteny toy izany indrindra no nilain’ny Fivavahana Kristianina. Mety tsara àry raha nosoratana tamin’ny teny grika ny hafatra ho an’ny Kristianina.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Misy ampahany kely amin’ny Soratra Hebreo nosoratana tamin’ny teny aramianina. Toa nosoratan’i Matio tamin’ny teny hebreo ny Filazantsarany, ary mety ho nadikany tamin’ny teny grika avy eo.

[Sary, pejy 13]

Sombina sora-tanana avy tamin’ny fandikan-teny grikan’ny fitopolo

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of Israel Antiquities Authority