Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra ve i Jesosy?

Andriamanitra ve i Jesosy?

MARO no mihevitra fa “fampianarana fototra ao amin’ny fivavahana kristianina” ny hoe telo izay iray Andriamanitra. Araka io fampianarana io, dia tokana Andriamanitra saingy misy olona telo, dia ny Ray sy Zanaka ary fanahy masina. Hoy ny Kardinaly John O’Connor: “Mistery lehibe izy io, ary mbola tsy azontsika hatramin’izao.” Nahoana no tena sarotra ny mahazo ny atao hoe Andriamanitra telo izay iray?

Milaza antony iray Ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary (anglisy). Izao no lazain’izy io: “Tsy mifototra amin’ny Baiboly io fampianarana io. Tsy misy andinin-teny manazava an’izany ao.” Koa satria “tsy mifototra amin’ny Baiboly” ny hoe telo izay iray Andriamanitra, dia nikaroka andinin-teny manohana an’io fampianarana io ireo mino izany. Naolan’izy ireo mihitsy aza ny hevitry ny andinin-teny sasany.

Manohana izany ve ny Jaona 1:1?

Misy manazava amin’ny fomba diso matetika ny Jaona 1:1. Izao no voalaza ao, araka ny Fandikan-teny Protestanta: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra [grika: tôn teôn], ary ny Teny dia Andriamanitra [teôs].” Miseho amin’ny endriny roa ilay teny grika hoe teôs (andriamanitra) eto. Misy mpanoritra voafaritra hoe tôn ilay voalohany. Midika izany fa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no tiany holazaina amin’ny hoe teôn. Tsy misy mpanoritra voafaritra anefa ilay teôs faharoa. Hadino ve ny nametraka an’ilay mpanoritra?

Nahoana no tena sarotra ny mahazo ny atao hoe Andriamanitra telo izay iray?

Nosoratana tamin’ny fiteny grika tsotra, antsoina hoe koine, ny Filazantsaran’i Jaona. Manana fitsipika manokana momba ny fampiasana mpanoritra io fiteny io. Nilaza i A. Robertson, manam-pahaizana momba ny Baiboly, fa raha samy misy mpanoritra ny enti-milaza sy ny lazaina dia “samy voafaritra izy ireo, mitovy ny zavatra resahiny, ary azo ampifamadihina.” Nalain’i Robertson ho ohatra ny Matio 13:38, izay milaza hoe: “Ny tanimbary [grika: hô agrôs] dia izao tontolo izao [grika: hô kôsmôs].” Hita amin’ny fitsipi-pitenenana ampiasaina eto fa azo atao koa ny milaza hoe izao tontolo izao no tanimbary.

Ahoana anefa raha ny lazaina ihany no misy mpanoritra voafaritra fa tsy misy mpanoritra ny enti-milaza, toy ny ao amin’ny Jaona 1:1? Nanazava i James Hewett, manam-pahaizana momba ny Baiboly hoe: “Raha izany no mitranga dia tsy mitovy ilay resahin’ny enti-milaza sy ny lazaina.”

Nampiasain’i Hewett mba hanazavana izany ny 1 Jaona 1:5, izay milaza hoe: “Andriamanitra dia fahazavana.” Avy amin’ny teny grika hoe hô teôs ilay hoe “Andriamanitra” eto, ary misy mpanoritra voafaritra. Tsy misy mpanoritra anefa eo alohan’ilay teny grika hoe fôs na “fahazavana.” Hoy i Hewett: “Afaka milaza isika ... fa mampiavaka an’Andriamanitra ny fahazavana. Tsy afaka milaza anefa isika hoe Andriamanitra ny fahazavana.” Misy ohatra mitovy amin’izany koa ao amin’ny Jaona 4:24 manao hoe: “Andriamanitra dia Fanahy”, sy ao amin’ny 1 Jaona 4:16 manao hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” Misy mpanoritra voafaritra ny lazaina ao amin’ireo andinin-teny ireo. Tsy misy mpanoritra voafaritra kosa ny enti-milaza (“Fanahy” sy “fitiavana”). Tsy azo ampifamadihina àry ny enti-milaza sy ny lazaina eo. Tsy te hilaza ireo andinin-teny ireo hoe: “Andriamanitra ny Fanahy” na koa hoe “Andriamanitra ny fitiavana.”

Iza moa “ny Teny”?

Manasongadina ny lafiny mampiavaka “ny Teny” ny Jaona 1:1 fa tsy milaza hoe iza izy. Miaiky ny amin’izany ny manam-pahaizana momba ny teny grika sy mpandika Baiboly maro. Hoy i William Barclay, mpandika Baiboly: “Tsy mampiasa mpanoritra voafaritra [ny apostoly Jaona] eo alohan’ny teôs. Ny lafiny mampiavaka [ny Teny] àry no resahiny. ... Tsy nilaza izy fa Andriamanitra ihany no Teny. Raha tsorina, dia tsy nilaza izy hoe i Jesosy no Andriamanitra.” Hoy koa ilay manam-pahaizana atao hoe Jason BeDuhn: “Amin’ny teny grika, rehefa tsy misy mpanoritra voafaritra eo alohan’ny teôs, toy ny hita eo amin’ny tapany farany amin’ny Jaona 1:1, dia takatry ny mpamaky fa ‘andriamanitra iray’ no tiana holazaina. ... Samy hafa tanteraka ny dikan’ny teôs [tsy misy mpanoritra] sy ny hô teôs [misy mpanoritra].” Hoy koa i BeDuhn: “Tsy ilay Andriamanitra tokana ilay antsoina hoe ny Teny ao amin’ny Jaona 1:1. Fanahy tahaka an’Andriamanitra kosa izy.” Hoy koa i Joseph Thayer, anisan’ny manam-pahaizana nandika ny Baiboly Dikan-teny Amerikanina Mahazatra: “Fanahy tahaka an’Andriamanitra ny [Teny], fa tsy izy akory ilay Andriamanitra.”

Nasehon’i Jesosy tsara fa samy hafa izy sy ny Rainy

“Mistery lehibe” ve ny momba an’Andriamanitra? Toa tsy toy izany ilay izy tamin’i Jesosy. Rehefa nivavaka tamin’ny Rainy izy, dia nasehony tsara fa samy hafa izy sy ny Rainy. Hoy izy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Zanak’Andriamanitra àry i Jesosy. Hanaiky izany isika ary hanompo an’ilay “hany tena Andriamanitra”, raha mino an’i Jesosy sy mahazo tsara ny fampianarana tsotra ao amin’ny Baiboly.