Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Voalahatra ve ny Fiainantsika?

Efa Voalahatra ve ny Fiainantsika?

Manontany ny Mpamaky

Efa Voalahatra ve ny Fiainantsika?

Misy milaza fa efa voalahatra ny andro hahafatesantsika. Ny hafa indray manizingizina hoe Andriamanitra no mamaritra izany. Mino koa ireo olona ireo fa tsy azo ihodivirana ireo zava-mitranga lehibe eo amin’ny fiainana. Mitovy hevitra amin’izy ireo ve ianao?

Mety hieritreritra toy izao ianao: ‘Raha tsy azo ovana ny zavatra hitranga eo amin’ny fiainantsika, ary raha efa nofaritan’Andriamanitra mialoha izay hiafarantsika, nahoana isika no mbola ampirisihina hivavaka? Raha efa voalahatra ny fiainantsika, nahoana isika no mbola miaro tena amin’ny loza? Inona intsony no ilana fehikibo miaro amin’ny loza rehefa mandeha fiara? Nahoana no tsy avela hitondra fiara ny olona nisotro toaka?’

Manameloka ny tsy fitandremana toy izany ny Baiboly. Tsy voalaza ao mihitsy mantsy hoe voalahatra ny fiainantsika. Nandidy ny Israelita kosa Andriamanitra mba hiaro tena amin’ny loza. Tsy maintsy nasiana arofanina, ohatra, ny tampon-tranon’izy ireo. Natao izany sao sanatria hisy olona hianjera avy eny ambony eny. Raha efa voalahatra anefa fa hianjera avy eny an-tampon-trano ny olona iray ka ho faty, nahoana Andriamanitra no mbola nanome an’io didy io?—Deoteronomia 22:8.

Ahoana indray ny amin’ireo matin’ny loza voajanahary na loza hafa tsy azo ihodivirana? Efa voalahatra ve fa ho faty izy ireny? Tsia. Milaza i Solomona Mpanjaka, mpanoratra Baiboly, fa “mety ho azon-tsampona [isika] rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” (Mpitoriteny 9:11) Tsy voalahatra mialoha àry ny loza mitranga, na dia tena hafahafa sy tsy mampino aza.

Misy anefa mihevitra fa mifanohitra amin’io tenin’i Solomona io ny teniny ao amin’ny Mpitoriteny 3:1, 2, manao hoe: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, eny, misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra: Misy fotoana ahaterahana ary misy fotoana ahafatesana.” Te hilaza ve i Solomona hoe efa voalahatra ny fiainana? Andeha hodinihintsika akaiky ireo teniny ireo.

Tsy nilaza i Solomona hoe efa voalahatra ny fotoana ahaterahana sy ny fotoana ahafatesana. Te hilaza kosa izy fa fahita eo amin’ny fiainana ireo, toy ny zavatra maro hafa. Hifamahofaho eo amin’ny fiainana foana ny soa sy ny ratsy. Hoy mantsy ny Baiboly: “Misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana.” Nasehon’i Solomona fa fahita eo amin’ny fiainana, izany hoe amin’ny “raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra”, ireo zavatra mifamahofaho ireo sy ny loza tsy ampoizina. (Mpitoriteny 3:1-8; 9:11, 12) Ny tiany holazaina àry dia hoe tsy tokony ho variana loatra amin’ny fiainantsika andavanandro isika, ka hanadino ny Mpamorona.—Mpitoriteny 12:1, 13.

Tsy mandahatra ny fiainantsika ny Mpamorona, na dia fantany tsara aza ny zava-drehetra momba ny fiainana sy ny fahafatesana. Milaza ny Baiboly fa mampanantena fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra manao ny sitrapony izy. Tsy tereny hanao izany anefa isika. Hoy kosa ny Teniny: “Izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”—Apokalypsy 22:17.

Isika àry no tokony haniry ‘hisotro amin’ny ranon’aina.’ Hita avy amin’izany fa tsy voalahatra ny hoavintsika. Miankina amin’ny fanapahan-kevitsika sy ny toe-tsaintsika ary izay ataontsika kosa izany.