Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1 Miezaha Hatoky ny Baiboly

1 Miezaha Hatoky ny Baiboly

1 Miezaha Hatoky ny Baiboly

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.”—2 Timoty 3:16.

OLANA: Maro no mihevitra fa bokim-pahendrena nataon’ny olombelona ny Baiboly. Misy tsy mino hoe tena nisy ny zavatra voalaza ao. Ny sasany indray manizingizina fa lany andro sy tsy mandaitra ny torohevitra ao anatiny.

VAHAOLANA: Matetika no mamerina fotsiny izay nolazaina taminy ny olona toy ireny, fa tsy hoe izy mihitsy no nandinika. Mampitandrina anefa ny Baiboly hoe: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”—Ohabolana 14:15.

Tsy mety àry ny mino an-jambany izay lazain’ny olona. Tsara kokoa ny manahaka ny Kristianina tany Beria (faritra avaratr’i Gresy ankehitriny). Tsy nanaiky befahatany izay nolazaina taminy izy ireo, fa “nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro” mba “hahitana” raha marina ny nolazaina taminy. (Asan’ny Apostoly 17:11) Diniho àry ireto hevitra roa ireto, izay hahatonga anao hatoky fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.

Tena nisy ny zavatra voalazan’ny Baiboly. Nilaza ny olona sasany fa tsy tena nisy ny olona sy ny toerana voaresaka ao. Voaporofo foana anefa hoe diso izany, ary azo itokisana izay voalazan’ny Baiboly.

Nampisalasala ny manam-pahaizana sasany, ohatra, raha tena nisy i Sargona, ilay mpanjaka asyrianina resahin’ny Isaia 20:1. Hita tamin’ny 1840 tany ho any anefa ny lapan’izy io, rehefa natao ny fikarohana ambanin’ny tany. Lasa anisan’ny mpanjaka asyrianina malaza indrindra i Sargona izao.

Nilaza koa ireo mpitsikera fa tsy tena nisy i Pontio Pilato, ilay governora romanina nampamono an’i Jesosy. (Matio 27:1, 22-24) Nahitana vato iray nisy ny anarany sy ny toerana notanany anefa tany akaikin’i Kaisaria, any Israely, tamin’ny 1961.

Hoy ny Vaovaon’i Etazonia sy Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao (anglisy), tamin’ny 25 Oktobra 1999: “Mahavariana fa voamarina tamin’ny fikarohana ambanin’ny tany ireo zava-dehibe voalazan’ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Anisan’izany ny tantaran’ny razamben’ny Israelita, ny fifindran’izy ireo avy tany Ejipta, ny fitondran’ireo mpanjaka taranak’i Davida, ary ny fiainana tamin’ny andron’i Jesosy.” Marina fa tsy miankina amin’ny voka-pikarohana toy ireny ny finoana ny Baiboly. Zavatra tena nisy toy izany anefa no antenaina horesahin’ny boky avy amin’Andriamanitra.

Mahasoa ny olona rehetra ny torohevitry ny Baiboly. Mandaitra hatramin’izao, ohatra, ny toroheviny momba ny fahadiovana, na dia efa ela be aza no nanomezany azy, ary mbola tsy fantatra akory ny bibikely mpamindra aretina tamin’izany. (Levitikosy 11:32-40; Deoteronomia 23:12, 13) Ireto koa ny soa azo rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly: Ny mpianakavy lasa sambatra kokoa (Efesianina 5:28–6:4), ny mpiasa lasa miezaka hiasa tsara kokoa, ary ny mpampiasa manjary mahay mandanjalanja kokoa (Efesianina 4:28; 6:5-9). Mihatsara koa ny toe-pon’ny olona iray, rehefa manaraka ny torohevitry ny Baiboly izy. (Ohabolana 14:30; Efesianina 4:31, 32; Kolosianina 3:8-10) Torohevitra mahasoa toy izany no antenaintsika homen’ny Mpamorona.

VALISOA: Mampahendry ny olona mbola tsy dia nandia fiainana ny fahendrena raketin’ny Baiboly. (Salamo 19:7) Ankoatra izany, dia ny Baiboly ihany no ahafahantsika mamantatra ny marina momba an’Andriamanitra. Izany no dingana manaraka hanampy antsika hanana finoana matanjaka kokoa.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, * ao amin’ny toko faha-2 hoe “Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.