Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha ho Matotra fa “Akaiky ny Andro Lehiben’i Jehovah”

Miezaha ho Matotra fa “Akaiky ny Andro Lehiben’i Jehovah”

Miezaha ho Matotra fa “Akaiky ny Andro Lehiben’i Jehovah”

“Aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamatorana.”—HEB. 6:1.

1, 2. Ahoana no nahafahan’ny Kristianina tao Jerosalema sy Jodia ‘nandositra tany an-tendrombohitra’?

NANONTANY an’i Jesosy ny mpianany hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” Nilaza faminaniana i Jesosy tamin’izay, ary tanteraka voalohany izany tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza izy fa hisy zava-mitranga hafakely ho famantarana fa akaiky ny farany, ka tokony “handositra any an-tendrombohitra” ny olona any Jodia rehefa mahita izany. (Mat. 24:1-3, 15-22) Hahafantatra an’ilay famantarana ve ny mpianatr’i Jesosy ka hanaraka ny toromariny?

2 Efa ho 30 taona taorian’izay, izany hoe tamin’ny taona 61, dia nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo tao Jerosalema sy ny manodidina, ny apostoly Paoly. Mirakitra hafatra mafonja sy mampieritreritra ilay taratasiny. Tsy fantatr’i Paoly sy ny mpiray finoana taminy anefa fa hiseho dimy taona teo ho eo taorian’izay, ilay famantarana ny fiandohan’ny “fahoriana lehibe” ho an’ny Jiosy. (Mat. 24:21) Nanafika an’i Jerosalema tokoa ny Romanina notarihin’i Cestius Gallus, tamin’ny taona 66. Efa handresy an’ilay tanàna izy ireo no niala tampoka, ka afa-nandositra ny Kristianina tao.

3. Inona no fampirisihan’i Paoly, ary nahoana izy no nanome izany?

3 Nilain’ireo Kristianina ireo ny ho mailo sy hahay hanavaka ny zava-mitranga, mba hahafahany handositra. Nisy tamin’izy ireo anefa nanjary ‘tsy nazoto nihaino’, fa toy ny hoe mbola zaza foana ka nila “ronono.” (Vakio ny Hebreo 5:11-13.) Nisy koa aza efa ela tao amin’ny fahamarinana, nefa nanomboka ‘niala tamin’ilay Andriamanitra velona.’ (Heb. 3:12) Ny hafa indray “zatra” tsy nivory, na dia ‘nanakaiky [aza] ny andro’ hahatongavan’ilay loza. (Heb. 10:24, 25) Tena nilain’izy ireo àry ilay fampirisihan’i Paoly hoe: “Koa satria efa nialantsika ny fampianarana fototra momba an’i Kristy, dia aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamatorana.”—Heb. 6:1.

4. Nahoana no zava-dehibe ny ho mailo foana, ary inona no ezaka tokony hataontsika?

4 Amin’izao androntsika izao no tanteraka farany ilay faminanian’i Jesosy. Efa “akaiky ny andro lehiben’i Jehovah”, dia ilay andro handravana ny tontolon’i Satana. (Zef. 1:14) Tokony ho mailo sy hifandray akaiky amin’i Jehovah foana àry isika. (1 Pet. 5:8) Izany tokoa ve no ataontsika? Raha miezaka ny ho matotra isika, dia ho tadidintsika foana fa tena akaiky ny farany.

Ny atao hoe Kristianina matotra

5, 6. a) Inona no dikan’ny hoe matotra? b) Inona avy ireo lafiny roa tokony hanaovantsika ezaka?

5 Tsy vitan’ny hoe nampirisika an’ireo Kristianina hebreo handroso haingana ho amin’ny fahamatorana i Paoly, fa nanazava koa ny atao hoe matotra. (Vakio ny Hebreo 5:14.) Tsy mianina amin’ny “ronono” fotsiny ny “olona matotra”, fa mihinana “ventin-kanina” koa. Fantany tsara àry “ny fampianarana fototra” sy ny ‘zava-dalina’ momba ny fahamarinana. (1 Kor. 2:10) Zariny ampiasaina ny fahaizany misaina satria ampihariny izay fantany, ka lasa mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy izy. Rehefa hanapa-kevitra àry izy, dia fantany hoe inona no toro lalan’ny Baiboly tokony hampihariny, ary ahoana no hampiharana izany.

6 Hoy i Paoly: “Ilaintsika hotandremana mafimafy kokoa noho ny hatramin’izay ny zavatra efa rentsika, mba tsy ho voatarika hiala mihitsy isika.” (Heb. 2:1) Mety tsy ho tsapantsika akory hoe efa voatarika hiala isika. Noho izany, dia ilaintsika ny ‘mitandrina mafimafy kokoa noho ny hatramin’izay’ rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika. Tokony hanontany tena àry isika tsirairay hoe: ‘Mianina amin’ny fampianarana fototra fotsiny ve aho? Fahazarana fotsiny ve no anarahako ny fahamarinana, fa tsy amin’ny foko manontolo? Ahoana no hampisehoako fa tena mandroso aho?’ Tokony hanao ezaka amin’ireto lafiny roa ireto isika, fara fahakeliny, raha te ho matotra: Mila mahay tsara ny Tenin’Andriamanitra isika, ary mila mianatra mankatò.

Miezaha hahay tsara ny Tenin’Andriamanitra

7. Inona no soa azontsika rehefa mahay tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra isika?

7 Hoy i Paoly: “Izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy mahay tsara ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza.” (Heb. 5:13) Tsy maintsy mahay tsara izay voalazan’Andriamanitra àry isika, raha te ho matotra. Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika izany, ka tokony hazoto hianatra azy io sy ny boky avoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” isika. (Mat. 24:45-47) Hahafantatra ny fomba fihevitr’Andriamanitra isika amin’izay, ka ho afaka hanazatra ny fahaizantsika misaina. Diniho ny ohatr’i Onja. * Hoy io anabavy io: “Ampahatsiahivina foana isika mba hamaky Baiboly tsy tapaka, ary tena nisy vokany lehibe tamiko izany. Roa taona teo ho eo vao voavakiko ny Baiboly manontolo, nefa toy ny hoe sambany aho vao nahalala ny Mpamorona. Nanjary fantatro ny lalany sy ny zavatra tiany sy tsy tiany. Lasa fantatro koa hoe tena mahery sy tena hendry izy. Nanampy ahy tamin’ny fotoana sarotra indrindra teo amin’ny fiainako ny famakiana Baiboly isan’andro.”

8. Inona no herin’ny Tenin’Andriamanitra eo amintsika?

8 Misy heriny eo amintsika ny Tenin’Andriamanitra rehefa vakintsika tsy tapaka. (Vakio ny Hebreo 4:12.) Mamolavola ny tena maha isika antsika izany, ka lasa hankasitrahan’i Jehovah kokoa isika. Ary ahoana ny aminao? Mila manokana fotoana bebe kokoa hamakiana sy hisaintsainana ny Baiboly ve ianao?

9, 10. Inona no dikan’ny hoe mahay tsara ny Tenin’Andriamanitra? Manomeza ohatra.

9 Tsy ampy anefa ny mahalala izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra. Nahalala izany ihany mantsy ireo Kristianina nolazaina fa mbola zaza, tamin’ny andron’i Paoly. Tsy nampihatra izay fantany anefa izy ireo ka tsy nandray soa. Tsy nanaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra koa izy ireo rehefa nanapa-kevitra.

10 Ny olona mahay tsara ny Tenin’Andriamanitra àry dia sady mahalala izay voalaza ao no mampihatra izany. Diniho izay nataon’i Kanto. Nifamaly io anabavy io sy ny mpiara-miasa taminy, indray andro. Inona no nataon’i Kanto mba hamahana ilay olana? Hoy izy: “Tsaroako avy hatrany ny Romanina 12:18, manao hoe: ‘Raha mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.’ Koa nanontany azy aho raha afaka miresaka aminy rehefa mirava.” Nifampiresaka tsara izy mirahavavy tamin’izay, ary nampiaiky volana an’ilay vehivavy ny ezaka nataon’i Kanto. “Hitako fa tena tsara foana ny mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly”, hoy i Kanto.

Mianara mankatò

11. Milazà ohatra mampiseho fa mety ho sarotra ny mankatò rehefa miatrika zava-tsarotra.

11 Mety ho sarotra ny mampihatra izay nianarana, indrindra rehefa miatrika zava-tsarotra. “Nila ady tamin’i Mosesy”, ohatra, ny zanak’Israely ary ‘tsy nitsahatra nitsapa toetra an’i Jehovah’, tsy ela taorian’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta. Fa nahoana? Satria tsy nisy rano hosotroina. (Eks. 17:1-4) Nanao fifanekena tamin’i Jehovah sy nanaiky ‘hanao izay rehetra nolazainy’ izy ireo tatỳ aoriana. Tsy ampy roa volana taorian’izay anefa dia nandika ny lalàn’i Jehovah izy ireo, ka nanompo sampy. (Eks. 24:3, 12-18; 32:1, 2, 7-9) Ela loatra ve i Mosesy tany an-tendrombohitra Horeba, ka natahotra izy ireo sao ho resy raha manafika indray ny Amalekita? Noho i Mosesy teo mantsy no nandresen’izy ireo ny Amalekita taloha kelin’izay. (Eks. 17:8-16) Na ahoana na ahoana, dia “tsy nety nankatò” ny Israelita, fa natahotra ny hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Asa. 7:39-41) Nampirisihin’i Paoly àry ny Kristianina mba ‘hanao izay rehetra azony atao, sao ho latsaka ao amin’ny tsy fankatoavana mitovy amin’izany.’—Heb. 4:3, 11.

12. Ahoana no nianaran’i Jesosy nankatò, ary inona no soa azony?

12 Raha te ho matotra isika, dia tokony hanao izay rehetra azontsika atao mba hankatoavana an’i Jehovah. Matetika no mianatra mankatò avy amin’ny zavatra iaretany ny olona iray. Izany no nitranga tamin’i Jesosy Kristy. (Vakio ny Hebreo 5:8, 9.) Efa nankatò an-dRainy izy talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Niatrika adin-tsaina sy fijaliana anefa izy rehefa nanao ny sitrapon’ny Rainy, teto an-tany. Nankatò foana izy na dia tao anatin’ny mafy indrindra aza. “Natao lavorary” àry izy mba ho afaka hiantsoroka ny andraikitra vaovao nomen’Andriamanitra azy, dia ny ho Mpanjaka sy Mpisoronabe.

13. Ahoana no ampisehoantsika fa mianatra mankatò isika?

13 Ahoana ny amintsika? Tapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah ve isika na dia rehefa miatrika olana lehibe aza? (Vakio ny 1 Petera 1:6, 7.) Mazava ny torohevitr’Andriamanitra hoe tokony hadio fitondran-tena isika, hanao sy hilaza ny marina, tsy hiteny ratsy, hamaky sy hianatra samirery ny Baiboly, hanatrika fivoriana kristianina, ary hitory. (Josoa 1:8; Mat. 28:19, 20; Efes. 4:25, 28, 29; 5:3-5; Heb. 10:24, 25) Mankatò an’i Jehovah amin’ireo lafiny ireo ve isika na dia miatrika zava-tsarotra aza? Porofo izany fa mihamatotra isika.

Mahasoa ny fiezahana ho matotra

14. Milazà ohatra mampiseho fa voaro isika rehefa miezaka ny ho matotra.

14 Miaina eo anivon’ny tontolo “tsy mahalala menatra intsony” ny Kristianina. Ho voaro anefa izy ireo raha manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy. (Efes. 4:19) Mamaky tsy tapaka an’ireo boky sy gazety ara-baiboly, ohatra, i Jery, ary tena mankamamy izany. Nahita asa izy, ary vehivavy daholo ny mpiara-miasa taminy. Hoy izy: “Tsy dia tsara fitondran-tena ny ankamaroan’ireo vehivavy ireo, fa ny iray kosa toa mba tsara toetra ihany sady liana tamin’ny fahamarinana. Rehefa izaho sy izy irery anefa no tao amin’ny efitra iray, dia nitady hamihina sy hanoroka ahy izy. Noheveriko hoe sangisangy ilay izy, kanefa nisisika ihany izy ka saika tsy voatohitro. Tamin’izay indrindra no tsaroako ny fitantarana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, momba ny rahalahy iray tojo fakam-panahy toy izany tany am-piasany. Noresahin’ilay gazety koa ny nandavan’i Josefa ny vadin’i Potifara. * Natosiko avy hatrany àry ilay tovovavy ka lasa nandositra.” (Gen. 39:7-12) Faly i Jery fa nifarana teo iny zava-nitranga iny, ka madio ny feon’ny fieritreretany.—1 Tim. 1:5.

15. Nahoana no mihamatanjaka ny fontsika, rehefa mihamatotra isika?

15 Mihamatanjaka koa ny fontsika rehefa miezaka ny ho matotra isika, ka tsy “ho voataonan’ny fampianarana maro samihafa sy ny fampianarana hafahafa” isika. (Vakio ny Hebreo 13:9.) Mifantoka amin’izay “zava-dehibe kokoa” mantsy ny saintsika, rehefa miezaka handroso isika. (Fil. 1:9, 10) Ankasitrahantsika kokoa àry Andriamanitra sy izay rehetra nomeny mba hahasoa antsika. (Rom. 3:24) Lasa “olon-dehibe” isika “raha ny amin’ny fahaiza-misaina”, ka manjary akaiky kokoa an’i Jehovah.—1 Kor. 14:20.

16. Inona no nanampy ny anabavy iray ‘hanatanjaka ny fony’?

16 Nilaza ny anabavy iray atao hoe Lisy fa ny hahazo sitraka tamin’olona fotsiny no tena zava-dehibe taminy, rehefa vita batisa izy. Hoy izy: “Tsy nanao ratsy aho, saingy tsy niredareda tato am-poko ny faniriana hanompo an’i Jehovah. Tsapako fa tsy maintsy niova aho raha te hanao izay rehetra azoko atao eo amin’ny fanompoana azy. Koa nanao araka izay fara heriko aho mba hanompoana azy amin’ny foko manontolo.” Nanjary ‘natanjaka’ àry ny fon’i Lisy, ka tena nanampy azy izany rehefa narary mafy izy. (Jak. 5:8) Hoy izy: “Tsy mora ny niatrika ilay aretina, kanefa tena lasa akaiky kokoa an’i Jehovah aho.”

Fankatoavana avy amin’ny fo

17. Nahoana no tena nila nankatò ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

17 Namonjy ny ain’ireo Kristianina tany Jerosalema sy Jodia ny fanarahana ilay torohevitr’i Paoly hoe: “Aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamatorana.” Hain’izy ireo ny namantatra an’ilay famantarana nolazain’i Jesosy. Hitan’izy ireo ‘nitsangana tao amin’ny toerana masina’ mantsy “ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana”, dia ny tafika romanina niditra tao Jerosalema. Koa fantany fa tonga ny fotoana tokony ‘handosirana any an-tendrombohitra.’ (Mat. 24:15, 16) Nanaraka ny fampitandreman’i Jesosy ireo Kristianina ka niala tao Jerosalema, talohan’ny nandravana azy io. Nankany Pela, tanàna iray tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada, izy ireo, araka ny filazan’i Eusèbe, mpahay tantara. Tsy tratran’ilay loza nahatsiravina indrindra tao Jerosalema àry izy ireo.

18, 19. a) Nahoana no tena ilaina ny mankatò ankehitriny? b) Inona no hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Hamonjy ny aintsika koa ny fiezahana ho matotra sy hankatò, rehefa ho tanteraka ilay faminanian’i Jesosy momba ny “fahoriana lehibe” mbola tsy nisy toa azy. (Mat. 24:21) Hankatò ve isika na inona na inona toromarika maika homen’ny “mpanompo mendri-pitokisana” antsika? (Lioka 12:42) Mila mianatra ‘mankatò amin’ny fo’ àry isika dieny izao!—Rom. 6:17.

19 Mila manazatra ny fahaizantsika misaina isika, raha te ho matotra. Tokony hiezaka hahay tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra sy hianatra hankatò àry isika. Hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa afaka ny ho matotra koa ny tanora, na dia mety ho sarotra aminy aza izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 14 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mahazo Hery Hilazana hoe Tsia Raha ny Amin’ny Fanaovan-dratsy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1999.

Inona no Nianaranao?

• Inona no atao hoe Kristianina matotra, ary inona no tokony hataontsika mba ho toy izany?

• Nahoana no manampy antsika ho matotra ny fiezahana hahay tsara ny Tenin’Andriamanitra?

• Ahoana no ianarantsika mankatò?

• Inona avy no soa raisintsika rehefa mihamatotra isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Hahay hiatrika olana isika raha mampihatra ny torohevitry ny Baiboly

[Sary, pejy 12, 13]

Namonjy ny ain’ireo Kristianina voalohany ny fanarahana ny torohevitr’i Jesosy