Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Asehoy fa Mandroso Ianareo

Ry Tanora, Asehoy fa Mandroso Ianareo

Ry Tanora, Asehoy fa Mandroso Ianareo

“Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.”—1 TIM. 4:15.

1. Inona no irin’Andriamanitra ho an’ny tanora?

“MIFALIA ry tanora dieny mbola tanora ianao, ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao.” (Mpito. 11:9) I Jehovah Andriamanitra no nampanoratra an’ireo teny ireo an’i Solomona, mpanjaka hendry teo amin’ny Israely. Iriny ho sambatra ianareo tanora mandritra ny fahatanoranareo, ary mbola tiany ho sambatra koa rehefa lehibe. Matetika anefa ny tanora no manao fahadisoana lehibe, izay mety hanimba ny hoaviny. Lehilahy tsy nivadika i Joba, kanefa na izy aza tsy maintsy nizaka ‘ny vokatry ny fahadisoana’ vitany tamin’izy tanora. (Joba 13:26) Matetika no tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra lehibe ny tanora kristianina. Raha ratsy anefa ilay fanapahan-kevitra, dia mety hiteraka ratram-po lalina sy voka-dratsy hozakaina mandritra ny androm-piainana izany.—Mpito. 11:10.

2. Inona no torohevitry ny Baiboly hanampy ny tanora tsy hanao fahadisoana lehibe?

2 Mila mahay manapa-kevitra àry ny tanora. Mariho ity torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ity: ‘Aoka ianareo tsy ho zaza raha ny amin’ny fahaiza-misaina, fa aoka kosa ho olon-dehibe raha ny amin’ny fahaiza-misaina.’ (1 Kor. 14:20) Tsy hanao fahadisoana lehibe ny tanora raha manaraka an’io torohevitra io, ka misaina sy mandinika tsara toy ny olon-dehibe.

3. Inona no tokony hataonao raha tianao ny ho matotra?

3 Tadidio anefa ry tanora, fa mila miezaka ianao raha te ho matotra. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao noho ny fahatanoranao, fa aoka kosa ianao ho modely ho an’ny olona tsy mivadika, eo amin’ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovam-pitondran-tena. ... Miezaha mafy amin’ny vakiteny ampahibemaso sy amin’ny fananarana ary ny fampianarana. ... Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.” (1 Tim. 4:12-15) Mila mandroso àry ny tanora kristianina, ary tokony hiseho amin’ny hafa izany.

Inona no dikan’ny hoe mandroso?

4. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe mandroso?

4 Ny hoe mandroso dia midika hoe “mihamahay, mihatsara.” Nampirisihin’i Paoly i Timoty mba hiezaka handroso eo amin’ny fahaizana miteny, eo amin’ny fitondran-tena, fitiavana, finoana, ary fahadiovam-pitondran-tena. Nampirisihiny koa izy hanatsara ny fanompoany. Tokony hiezaka mafy izy mba ho fakan-tahaka ny fomba fiainany. Nila nandroso foana àry i Timoty.

5, 6. a) Oviana no nanomboka niseho tamin’ny hafa ny fandrosoan’i Timoty? b) Ahoana no anahafan’ny tanora ankehitriny an’i Timoty?

5 Teo anelanelan’ny taona 61 sy 64 i Paoly no nanoratra an’ilay torohevitra ho an’i Timoty. Efa anti-panahy za-draharaha i Timoty tamin’izay, fa tsy hoe vao nanomboka nandroso akory. Tamin’ny taona 49 na 50 tany ho any mantsy i Timoty, izay 20 taona teo ho eo angamba, dia efa “tsara laza teo amin’ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma”, satria hitan’izy ireo fa nandroso tsara. (Asa. 16:1-5) Nentin’i Paoly niara-nanao dia misionera taminy àry izy. Hitan’i Paoly fa nandroso tsara foana izy tao anatin’ny volana vitsivitsy niarahan’izy ireo, ka nirahiny hampahery sy hanatanjaka an’ireo Kristianina tany Tesalonika. (Vakio ny 1 Tesalonianina 3:1-3, 6.) Mbola tanora àry i Timoty dia efa niseho tamin’ny hafa ny fandrosoany.

6 Ry tanora, miezaha dieny izao hanana ireo toetra ilaina, mba hiharihary fa mandroso ianareo eo amin’ny fomba fiainanareo sy ny fahaizanareo mampianatra ny fahamarinana. Vao 12 taona, ohatra, i Jesosy dia efa “nihanitombo fahendrena.” (Lioka 2:52) Andao àry hodinihintsika ny lafiny telo mety hahitana ny fandrosoanareo: 1) Rehefa tojo olana, 2) rehefa mieritreritra ny hanambady, ary 3) rehefa miezaka ny ho “mpanompo tsaran’i Kristy.”—1 Tim. 4:6.

Manehoa “fahaiza-misaina” rehefa miatrika olana

7. Inona no mety ho tsapan’ny tanora miatrika olana?

7 Hoy i Carol, tovovavy kristianina iray 17 taona: “Nisy fotoana aho tsy te hiala teo am-pandriana mihitsy rehefa maraina, satria reraka ny saiko sy ny foko ary ny vatako.” * Fa inona no nahakivy azy toy izany? Nisaraka ny ray aman-dreniny tamin’izy folo taona, ka tsy maintsy niara-nipetraka tamin-dreniny izy. Tsy niraharaha ny fitsipiky ny Baiboly anefa ny reniny. Ianao koa angamba miatrika toe-javatra mahakivy, izay tsy antenaina loatra hisy vahaolana.

8. Inona avy no zava-tsarotra natrehin’i Timoty?

8 Tsy mora tamin’i Timoty ny nandroso, satria niatrika zava-tsarotra koa izy. ‘Tsy salama matetika’ izy, ohatra, fa narary vavony. (1 Tim. 5:23) Saro-kenatra koa angamba izy, na tsy natoky tena firy. Izany no nahatonga an’i Paoly hampirisika ny fiangonana tany Korinto hiara-miasa taminy, mba “tsy hatahotra” izy rehefa eo amin’izy ireo. Nirahin’i Paoly tany mantsy izy mba handamina olana, satria nanohitra ny fahefan’ilay apostoly ny olona sasany tany.—1 Kor. 4:17; 16:10, 11.

9. Inona no dikan’ny hoe mahay misaina? Nahoana ny olona kanosa no tsy toy izany?

9 Mba hanampiana an’i Timoty, dia nampahatsiahy azy i Paoly tatỳ aoriana hoe: “Andriamanitra tsy nanome antsika toe-tsaina kanosa, fa toe-tsaina feno hery sy fitiavana ary fahaiza-misaina.” (2 Tim. 1:7) Azo lazaina hoe ‘mahay misaina’ ny olona iray mieritreritra sy mandinika tsara. Hainy koa ny miatrika ny tena zava-misy, na dia tsy araka ny itiavany azy aza ilay izy. Kanosa kosa anefa ny tanora tsy matotra. Tsy te hieritreritra ireo olana mahazo azy izy ireo, ka tsy manao afa-tsy ny matory na mijery tele fotsiny. Misy koa miboboka toaka, midoroka zava-mahadomelina, manao fety foana, na maloto fitondran-tena. Ny Kristianina kosa anefa ampirisihina ‘handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao, ary hisaina tsara sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany, eto amin’ity tontolo ankehitriny ity.’—Tit. 2:12.

10, 11. Ahoana no ampisehoan’ny tanora fa misaina tsara izy?

10 Ampirisihin’ny Baiboly ny ‘tanora mba hisaina tsara.’ (Tit. 2:6) Manaraka an’io torohevitra io ianao, raha mivavaka sy miantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra rehefa manana olana. (Vakio ny 1 Petera 4:7.) Hanjary hitoky tanteraka amin’ny ‘hery omeny’ ianao amin’izay.—1 Pet. 4:11.

11 Ny fahaiza-misaina sy ny vavaka no nanampy an’i Carol. Hoy izy: “Mafy be tamiko ny nampiseho tamin’i Neny fa tsy tiako ny fitondran-tena ratsiny. Tena nanampy ahy anefa ny vavaka. Fantatro fa eo anilako i Jehovah, ka tsy matahotra intsony aho.” Tadidio àry fa afaka manatsara ny toetranao sy manatanjaka anao ny olana mahazo anao. (Sal. 105:17-19; Fitom. 3:27) Tsy hahafoy anao mihitsy Andriamanitra fa “hanampy anao” foana, na inona na inona manjo anao.—Isaia 41:10.

Raha te hanorina tokantrano sambatra

12. Nahoana ny Kristianina iray te hanambady no tokony handinika tsara ny Ohabolana 20:25?

12 Misy tanora tsy sambatra, manirery, sorisorena lava, ary miatrika olana maro ao an-tranony. Maimay hanambady àry izy ireo, satria heveriny fa ny fanambadiana no vahaolana amin’izany. Tsy kilalao anefa ny voadim-panambadiana. Nisy olona tamin’ny andro fahiny maika erỳ hanao voady masina, nefa mbola tsy nandinika tsara akory. (Vakio ny Ohabolana 20:25.) Misy tanora koa tsy mandinika tsara hoe inona avy ny andraikitry ny olona manambady. Atỳ aoriana vao hitany fa be lavitra tsy araka ny nieritreretany azy izany.

13. Fanontaniana inona avy no tokony hosaintsainin’ny tanora alohan’ny hiarahany amin’ny olona iray? Ary aiza no ahitan’izy ireo torohevitra mahasoa?

13 Alohan’ny hiarahana amin’ny olona iray àry, dia tsara raha manontany tena ianao hoe: ‘Nahoana aho no te hanambady? Inona no antenaiko avy amin’ilay olona kasaiko hovadina? Mety amiko ve izy? Tena vonona hiantsoroka ny andraikitro ve aho?’ Namoaka lahatsoratra momba izany ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, mba hanampiana anao handini-tena tsara. * (Mat. 24:45-47) Raiso ho toy ny torohevitra avy amin’i Jehovah ireny. Diniho tsara izay voalaza ao ary ampiharo. “Aza manao toy ny soavaly na ny ramole tsisy saina.” (Sal. 32:8, 9) Aoka ianao ho olon-dehibe raha ny amin’ny fahaiza-misaina, ka fantaro tsara ny andraikitry ny olona manambady. Raha hitanao fa efa vonona hiaraka amin’ilay olona ianao, dia tadidio foana fa tokony “ho modely” ianao ‘eo amin’ny fahadiovam-pitondran-tena.’—1 Tim. 4:12.

14. Nahoana no mahasoa anao ny manahaka ny toetran’i Kristy raha manambady ianao?

14 Mandray soa ny Kristianina matotra, na dia aorian’ny fanambadiana aza. Miezaka mafy izy ‘hahatratra ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy’, izany hoe hanahaka ny toetrany. (Efes. 4:11-14) “Tsy nanao izay nahafaly ny tenany”, ohatra, i Kristy ilay Modelintsika. (Rom. 15:3) Rehefa mitady izay hahasoa ny vadiny koa ny olona iray fa tsy izay hahasoa ny tenany fotsiny, dia ho finaritra sy sambatra ny tokantranony. (1 Kor. 10:24) Hampiseho fitiavana sy hahafoy tena ralehilahy, ary ravehivavy kosa ho tapa-kevitra hanaiky ny vadiny toy ny aneken’i Jesosy an’Andriamanitra, izay lohany.—1 Kor. 11:3; Efes. 5:25.

“Tanteraho tsara ny fanompoanao”

15, 16. Inona no tokony hataonao raha te handroso eo amin’ny fanompoana ianao?

15 Hoy i Paoly momba ny andraikitra lehibe nankinina tamin’i Timoty: ‘Izao no ananarako mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy: Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany.’ Hoy koa izy: “Ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.” (2 Tim. 4:1, 2, 5) Tsy maintsy ‘nivelona tamin’ny tenin’ny finoana’ i Timoty, mba hanatanterahany izany.—Vakio ny 1 Timoty 4:6.

16 Ahoana koa no ‘ivelomanao amin’ny tenin’ny finoana?’ Hoy i Paoly: “Miezaha mafy amin’ny vakiteny ampahibemaso sy amin’ny fananarana ary ny fampianarana. Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany.” (1 Tim. 4:13, 15) Ilaina ny mazoto mianatra samirery raha tiana ny handroso. Ny hoe “mifantoka” dia midika hoe revo tanteraka amin’ny fanaovan-javatra iray. Ahoana àry no ataonao rehefa mianatra samirery? Mifantoka amin’ny “zava-dalin’Andriamanitra” ve ianao? (1 Kor. 2:10) Sa zara raha mifantoka? Hanjary te handroso ianao raha misaintsaina an’izay ianaranao.—Vakio ny Ohabolana 2:1-5.

17, 18. a) Inona no tokony hiezahanao? b) Nahoana no hihatsara ny fanompoanao raha manahaka ny toe-tsain’i Timoty ianao?

17 Hoy i Mirindra, tanora mpisava lalana: “Mba hahafahako mahita vokatra eny amin’ny fanompoana, dia efa misy fotoana atokako hianarana samirery ary mivory tsy tapaka koa aho. Manjary afaka mandroso foana àry aho.” Hahay hampiasa kokoa ny Baiboly ianao ka handroso, raha manao mpisava lalana. Miezaha hanatsara ny vakiteninao sy ny valin-teninao any am-pivoriana. Omano tsara koa ny anjaranao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ary izay voalaza ao amin’ilay loharanon-kevitra ihany velabelarina.

18 ‘Manao ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara’ ny tanora kristianina, rehefa manatsara ny fanompoany sy manampy olona hahazo famonjena. Ilana ‘fahaiza-mampianatra’ izany. (2 Tim. 4:2) Azonao atao, ohatra, ny miaraka amin’ireo mpitory efa za-draharaha ka mianatra ny fomba fampianatr’izy ireo, toy ny nataon’i Timoty tamin’izy niara-niasa tamin’i Paoly. (1 Kor. 4:17) Nilaza i Paoly fa tsy ny vaovao tsara ihany no nomeny an’ireo olona nampiany, fa ny ‘ainy’ koa. Natokany hanampiana azy ireo mantsy ny fiainany, satria malalany izy ireo. (1 Tes. 2:8) Tianao ve ny hanahaka an’i Paoly? Manàna àry toe-tsaina toy ny an’i Timoty, izay tena nikarakara ny hafa sady ‘nanompo teo amin’ny fampandrosoana ny vaovao tsara.’ (Vakio ny Filipianina 2:19-23.) Mahafoy tena toy izany koa ve ianao eo amin’ny fanompoana?

Tena ho afa-po ianao raha mandroso

19, 20. Nahoana no mahafaly ny hoe mandroso?

19 Mila miezaka ianao raha te handroso. Raha tsy mora kivy anefa ianao, fa miezaka foana hahay hampianatra, dia ‘hampanan-karena’ olona eo amin’ny lafiny ara-panahy. Ho lasa ‘fifalianao na satroboninahitra iravoravoanao’ izy ireny. (2 Kor. 6:10; 1 Tes. 2:19) Hoy i Fredy, izay mpanompo manontolo andro: “Mandany fotoana bebe kokoa aho izao hanampiana ny hafa. Marina mihitsy ilay hoe mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”

20 Faly sy afa-po ny tanora iray mpisava lalana atao hoe Dina, noho izy mandroso tsara. Hoy izy: “Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah aho, rehefa nahalala azy bebe kokoa. Afa-po erỳ ny tena rehefa manao araka izay fara hery mba hampifaliana an’i Jehovah!” Mety tsy ho hitan’ny olona ny fandrosoana ataonao. I Jehovah kosa anefa mahita sy mankasitraka izany. (Heb. 4:13) Afaka manome voninahitra sy dera ho an’ilay Raintsika any an-danitra tokoa ianareo, ry tanora kristianina! Ampifalio foana àry ny fony, ka asehoy fa mandroso ianareo.—Ohab. 27:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 13 “Mety Amiko ve Izy?” ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, Boky Faha-2; “Fifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’Andriamanitra”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2001; ary “Vonona ho Amin’ny Fanambadiana ve Aho?” ao amin’ny boky Manontany ny Tanora, Boky 1.

Inona no Nianaranao?

• Inona no tafiditra amin’ny hoe mandroso?

• Ahoana no ahitana fa mandroso ianao...

rehefa tojo olana?

rehefa mieritreritra ny hanambady?

eo amin’ny fanompoana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Manampy anao hiatrika zava-tsarotra ny vavaka

[Sary, pejy 16]

Ahoana no anatsaran’ny mpitory tanora ny fahaizany mampianatra?