Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fanahy Manao Fanompoana ho An’ny Besinimaro” ny Anjely

“Fanahy Manao Fanompoana ho An’ny Besinimaro” ny Anjely

“Fanahy Manao Fanompoana ho An’ny Besinimaro” ny Anjely

“Tsy fanahy manao fanompoana ho an’ny besinimaro ve izy rehetra, ka irahina hikarakara an’ireo handova famonjena?”—HEB. 1:14.

1. Inona no fampaherezana hitantsika ao amin’ny Matio 18:10 sy ny Hebreo 1:14?

HOY i Jesosy Kristy tamin’izay nitady hanafintohina ny mpanara-dia azy: “Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo any an-danitra, dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko any an-danitra.” (Mat. 18:10) Hoy koa ny apostoly Paoly momba an’ireo anjely tsy mivadika: “Tsy fanahy manao fanompoana ho an’ny besinimaro ve izy rehetra, ka irahina hikarakara an’ireo handova famonjena?” (Heb. 1:14) Manome toky antsika izany fa ampiasain’Andriamanitra mba hanampy ny olona ny anjely. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny anjely? Ahoana no anampian’izy ireny antsika? Inona no ianarantsika avy amin’izy ireny?

2, 3. Lazao ny fanompoana ataon’ny anjely.

2 Misy anjely tsy mivadika an-tapitrisany any an-danitra. “Mahery dia mahery” izy rehetra, ary ‘manatanteraka ny baikon’i Jehovah.’ (Sal. 103:20; vakio ny Apokalypsy 5:11.) Manana ny maha izy azy izy ireny, maneho ny toetran’Andriamanitra, ary manana fahafahana hisafidy. Voalamina tsara izy ireny ary manana toerana ambony, fa i Mikaela (anaran’i Jesosy any an-danitra) no ambony indrindra. Arkanjely izy. (Dan. 10:13; Joda 9) Io “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” io no “Teny”, na Mpitondra Tenin’Andriamanitra, ary nampiasain’i Jehovah tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra.—Kol. 1:15-17; Jaona 1:1-3.

3 Manarakaraka ny arkanjely ny serafima, izay manambara ny fahamasinan’i Jehovah sy manampy ny vahoakany hadio hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Eo koa ny kerobima, izay manohana ny zony hitondra. (Gen. 3:24; Isaia 6:1-3, 6, 7) Manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fomba samihafa kosa ireo anjely hafa, na mpitondra hafatra.—Heb. 12:22, 23.

4. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ny anjely rehefa naorina ny tany? Ho nanao ahoana ny fiainan’ny olona raha nampiasa tsara ny safidiny i Adama sy Eva?

4 Nihoby avokoa ny anjely tamin’ny ‘nanorenana ny tany’, ary faly nanao ny anjara asany izy ireo rehefa namboarina ho lasa fonenana tsara tarehy ho an’ny olombelona izy io. (Joba 38:4, 7) Nataon’i Jehovah “ambany kely noho ny anjely” ny olona, nefa koa araka ny ‘endriny’, ka afaka maneho ny toetrany. (Heb. 2:7; Gen. 1:26) Raha nampiasa tsara ny safidiny i Adama sy Eva, dia ho afaka niaina tao amin’ny paradisa izy sy ny taranany, ka ho anisan’ny fianakaviamben’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao.

5, 6. Inona ilay fikomiana tany an-danitra, ary ahoana no nataon’Andriamanitra?

5 Azo antoka fa tafintohina ireo anjely masina rehefa nahita ny niandohan’ny fikomiana tany an-danitra. Naniry ny hivavahana mantsy ny anjely iray, fa tsy afa-po intsony tamin’ny fiderana an’i Jehovah. Nanao ny tenany ho Satana (na “Mpanohitra”) izy rehefa nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra. Niana-kendry nanorina fitondrana hanoherana an’i Jehovah koa izy. Nandainga izy mba hitarihana an’i Adama sy Eva, hanaraka azy hikomy amin’ilay Mpamorona be fitiavana.—Gen. 3:4, 5; Jaona 8:44.

6 Namoaka didim-pitsarana momba an’i Satana i Jehovah. Hoy izy ao amin’ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly: “Hataoko mifandrafy ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io, ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.” (Gen. 3:15) Hifandrafy foana i Satana sy ilay “vehivavy” vadin’Andriamanitra, dia ny fandaminany any an-danitra misy an’ireo anjely tsy mivadika. Nanome fanantenana azo antoka io faminaniana io, na dia mbola “zava-miafina masina” aza ny tsipiriany, ka tsy nambara avy hatrany. Izao no nokasain’Andriamanitra hatao: Hisy anjeliny iray hanorotoro ny mpikomy rehetra, ary amin’ny alalan’izy io no hanangonany ‘ny zavatra any an-danitra sy ny zavatra eto an-tany.’—Efes. 1:8-10.

7. Inona no nataon’ny anjely sasany tamin’ny andron’i Noa, ary nataon’i Jehovah ahoana izy ireo?

7 Tamin’ny andron’i Noa, dia nisy anjely maro nandao ny “fonenana sahaza azy” ka nitafy nofo, mba hikatsahana fahafinaretana tetỳ an-tany. (Joda 6; Gen. 6:1-4) Natsipin’i Jehovah any amin’ny haizim-be ireo mpikomy ireo mba hiaraka amin’i Satana, ary lasa “fanahy ratsy” sy fahavalo mampidi-doza ho an’ny mpanompon’Andriamanitra.—Efes. 6:11-13; 2 Pet. 2:4.

Ahoana no anampian’ny anjely antsika?

8, 9. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny anjely hanampiana ny olombelona?

8 Anisan’ireo nokarakarain’ny anjely i Abrahama, Jakoba, Mosesy, Josoa, Isaia, Daniela, Jesosy, Petera, Jaona, ary Paoly. Nampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra ny anjely tsy mivadika, ary nampita faminaniana sy toromarika, anisan’izany ny Lalàn’i Mosesy. (2 Mpanj. 19:35; Dan. 10:5, 11, 14; Asa. 7:53; Apok. 1:1) Efa manana ny Tenin’Andriamanitra manontolo isika izao, ka tsy voatery hampita hafatra amintsika ny anjely. (2 Tim. 3:16, 17) Miasa mafy anefa izy ireo, satria manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra sy manohana ny mpanompony.

9 Manome toky ny Baiboly hoe: “Ny anjelin’i Jehovah dia mitoby manodidina an’izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.” (Sal. 34:7; 91:11) Noho ilay adihevitra momba ny tsy fivadihan’ny olombelona amin’i Jehovah, dia avelany hampihatra fitsapana isan-karazany amintsika i Satana. (Lioka 21:16-19) Tsy avelany hitohy ela be anefa izany rehefa hitany fa tsy hivadika mihitsy isika. (Vakio ny 1 Korintianina 10:13.) Tena vonona hanampy antsika ny anjely, rehefa sitrapon’Andriamanitra ny hanaovany izany. Nanafaka an’i Sadraka sy Mesaka sy Abednego mbamin-dry Daniela sy Petera, ohatra, izy ireo, nefa tsy nisakana ny fahavalo tsy hamono an’i Stefana sy Jakoba. (Dan. 3:17, 18, 28; 6:22; Asa. 7:59, 60; 12:1-3, 7, 11) Tsy nitovy ny toe-javatra nisy azy ireo sy ny raharaha nahakasika azy. Toy izany koa fa novonoina ny sasany tamin’ireo rahalahintsika tany amin’ireo tobin’ny Nazia, fa narovan’i Jehovah tsy ho faty kosa ny ankamaroany.

10. Inona no fanampiana mety ho azontsika, ankoatra ny fanampian’ny anjely?

10 Tsy ampianarin’ny Baiboly ny hoe manana anjely mpiambina ny olona tsirairay. Mivavaka kosa isika ary matoky fa “na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapon[’Andriamanitra], dia mihaino antsika izy.” (1 Jaona 5:14) Afaka maniraka anjely hanampy antsika i Jehovah, nefa koa mety ho amin’ny fomba hafa no hanampiany antsika. Mety hatosiky ny fony hanampy sy hampahery antsika, ohatra, ny Kristianina hafa. Mety homen’Andriamanitra fahendrena sy hery koa isika mba hiaretana “tsilo ao amin’ny nofo”, izay toy ny kapoka avy amin’ny “anjelin’i Satana.”—2 Kor. 12:7-10; 1 Tes. 5:14.

Tahafo i Jesosy

11. Ahoana no nanampian’ny anjely an’i Jesosy? Inona no noporofoiny rehefa tsy nivadika mihitsy izy?

11 Diniho ny fomba nampiasan’i Jehovah anjely mba hanampiana an’i Jesosy. Nanambara ny nahaterahany sy ny nitsanganany tamin’ny maty izy ireo, ary nikarakara azy tamin’izy tetỳ an-tany. Afaka nisakana azy tsy ho voasambotra sy tsy hovonoina ho faty izy ireo. Tsy izany anefa no nitranga, fa nirahina hampahery azy fotsiny ny iray tamin’izy ireo. (Mat. 28:5, 6; Lioka 2:8-11; 22:43) Maty ho sorona i Jesosy, araka ny nikasan’i Jehovah azy, ary nanome porofo fa azon’ny olona lavorary atao ny tsy mivadika ao anatin’ny fitsapana mivaivay. Natsangan’i Jehovah tamin’ny maty àry i Jesosy, ka tsy mety maty intsony izy any an-danitra. Nomeny azy ny “fahefana rehetra” ary nasainy nanaiky azy ny anjely. (Mat. 28:18; Asa. 2:32; 1 Pet. 3:22) Voaporofo tamin’izany fa i Jesosy no voalohany amin’ny ‘taranaky ny vehivavy.’—Gen. 3:15; Gal. 3:16.

12. Ahoana no hahitana fa ‘nisaina tsara’ i Jesosy? Ahoana no hanahafantsika azy?

12 Fantatr’i Jesosy fa tsy mety ny mitsapa toetra an’i Jehovah, izany hoe minia manao zavatra amin-kadalana ary avy eo manantena ny hafahan’ny anjely. (Vakio ny Matio 4:5-7.) Aoka àry isika hanahaka an’i Jesosy, ka “hisaina tsara” fa tsy hisetra loza tsy amin’ny antony. Tsy hatahotra hiatrika fanenjehana koa anefa isika.—Tit. 2:12.

Inona no ianarantsika avy amin’ny anjely tsy mivadika?

13. Inona no ianarantsika avy amin’ny modely navelan’ireo anjely tsy mivadika, resahin’ny 2 Petera 2:9-11?

13 Niresaka momba ny modely nomen’ireo anjely tsy mivadika ny apostoly Petera, rehefa nananatra an’ireo ‘nanevateva’ ny voahosotr’i Jehovah. Tena mahery ny anjely, nefa manetry tena ka tsy mailaka hiampanga sy hitsara, “noho ny fanajany an’i Jehovah.” (Vakio ny 2 Petera 2:9-11.) Aoka koa isika tsy hitsaratsara foana ny hafa, hanaja an’ireo voatendry hiandraikitra eo anivon’ny fiangonana, ary hiandry an’i Jehovah, ilay Mpitsara Fara Tampony.—Rom. 12:18, 19; Heb. 13:17.

14. Inona no mampiseho fa manetry tena ireo anjely?

14 Mendri-kotahafina ny fanetren-tenan’ireo anjelin’i Jehovah. Tsy nety nilaza ny anarany, ohatra, ny anjely sasany. (Gen. 32:29; Mpits. 13:17, 18) Misy anjely an-tapitrisany any an-danitra, nefa ny anaran’i Mikaela sy Gabriela ihany no lazain’ny Baiboly. Angamba izany natao hiarovana antsika tsy hanome an’ireo anjely ny voninahitra tsy mendrika ho azy. (Lioka 1:26; Apok. 12:7) Izao no nolazaina tamin’ny apostoly Jaona, rehefa niankohoka hivavaka tamin’ny anjely iray izy: “Tandremo! Aza manao izao! Fa mpanompo toa anao ihany aho, ary mpanompo toa an’ireo rahalahinao.” (Apok. 22:8, 9) Andriamanitra ihany no tokony hotompointsika sy hivavahantsika.—Vakio ny Matio 4:8-10.

15. Inona no mampiseho fa manam-paharetana ny anjely?

15 Manam-paharetana koa ny anjely. Tsy ny zava-miafina masin’Andriamanitra rehetra no nampahafantarina azy ireo, na dia liana mafy te hahalala izany aza izy. Hoy ny Baiboly: “Ireny zavatra ireny indrindra no tena tian’ny anjely hodinihina tsara.” (1 Pet. 1:12) Inona àry no ataon’izy ireo? Andrasany ny fotoana voatendrin’Andriamanitra ‘hampahafantarana ny lafiny maro samihafa amin’ny fahendreny, amin’ny alalan’ny fiangonana.’—Efes. 3:10, 11.

16. Misy vokany eo amin’ny anjely ve ny fitondran-tenantsika? Hazavao.

16 ‘Fampisehoana an-tsehatra jeren’ny anjely’ ny Kristianina miatrika fitsapana. (1 Kor. 4:9) Tena finaritra izy ireo mahita antsika tsy mivadika, ary faly mihitsy aza rehefa misy mpanota mibebaka. (Lioka 15:10) Hitan’ny anjely ny fitondran-tena tsaran’ireo vehivavy kristianina. Milaza ny Baiboly fa tokony ‘hanaja fahefana ny vehivavy, noho ny amin’ny anjely.’ (1 Kor. 11:3, 10) Faly tokoa ny anjely mahita an’ireo vehivavy kristianina sy ny mpanompon’i Jehovah hafa, mankatò ny lamina sy ny fahefana napetrak’Andriamanitra. Izany dia mampahatsiahy azy ireo fa mila mankatò koa izy.

Manohana ny asa fitoriana ny anjely

17, 18. Nahoana no azo lazaina fa manohana ny fitoriantsika ny anjely?

17 Mandray anjara amin’ny zava-dehibe sasany mitranga amin’ny “andron’ny Tompo” ny anjely. Anisan’izany ny nahaterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914, sy ny nanipazan’i “Mikaela sy ny anjeliny” an’i Satana sy ny demoniany avy any an-danitra. (Apok. 1:10; 11:15; 12:5-9) Nahita ‘anjely nanidina teny afovoan’ny lanitra’ koa ny apostoly Jaona, ary ‘nanana vaovao tsara mandrakizay izy [io], dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponin’ny tany.’ Nilaza toy izao izy io: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany. Koa mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” (Apok. 14:6, 7) Matoky àry ny mpanompon’i Jehovah fa manohana azy ireo ny anjely rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy ireo, na dia manohitra mafy aza ny Devoly.—Apok. 12:13, 17.

18 Nisy anjely niresaka tamin’i Filipo, ary nitarika azy ho any amin’ny tandapa etiopianina iray. (Asa. 8:26-29) Tsy miresaka amintsika toy izany intsony ny anjely rehefa mitarika antsika ho any amin’ny olona tso-po. Maro anefa ny porofo manamarina fa manampy antsika amin’ny asa fitoriana ny anjely, ary mitarika antsika ho any amin’ireo ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ * (Asa. 13:48) Zava-dehibe tokoa ny manompo tsy tapaka, mba hahafahantsika hitady an’ireo maniry “hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana”!—Jaona 4:23, 24.

19, 20. Inona no anjara asan’ny anjely amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”?

19 Nilaza i Jesosy fa “amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, izany hoe amin’izao andro izao, dia “hanavaka ny ratsy fanahy amin’ny olo-marina” ny anjely. (Mat. 13:37-43, 49) Mandray anjara amin’ny fanangonana sy fanisiana tombo-kase farany an’ireo voahosotra koa izy ireo. (Vakio ny Matio 24:31; Apok. 7:1-3) Ankoatra izany, dia hisy anjely hiaraka amin’i Jesosy rehefa ‘hanavaka ny ondry amin’ny osy’ izy.—Matio 25:31-33, 46.

20 Haringana daholo izay “tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika”, “rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery.” (2 Tes. 1:6-10) Naseho an’i Jaona tao amin’ny fahitana izany, ary nitantara izy fa nitaingina soavaly fotsy i Jesosy sy ireo tafik’anjely any an-danitra, mba hanao ady ara-drariny.—Apok. 19:11-14.

21. Nahita anjely nanana ny “lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka sy rojo vy lehibe” i Jaona. Inona no hataon’izy io amin’i Satana sy ny demoniany?

21 Hitan’i Jaona koa fa “nisy anjely nidina avy any an-danitra, ary teny an-tanany ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka sy rojo vy lehibe.” Tsy iza io fa i Mikaela arkanjely, izay hamatotra sy hanipy ny Devoly sy ny demoniany any amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Hovahana vetivety izy ireo amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, rehefa hotsapaina farany ny olombelona lavorary. Haringana i Satana sy ireo mpikomy hafa, aorian’izay. (Apok. 20:1-3, 7-10; 1 Jaona 3:8) Tsy hisy intsony ny fikomiana amin’Andriamanitra.

22. Inona no anjara asan’ny anjely amin’ny hoavy tsy ho ela? Tokony hanao inona isika?

22 Efa akaiky ny fanafahana antsika amin’ny tontolo ratsin’i Satana. Hohamarinina ny zon’i Jehovah hitondra, ary ho tanteraka amin’ny fomba feno ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. Hanana anjara asa lehibe amin’izany ny anjely. “Fanahy manao fanompoana ho an’ny besinimaro” tokoa izy ireo, “ka irahina hikarakara an’ireo handova famonjena.” Tokony hankasitraka an’i Jehovah Andriamanitra àry isika, satria mampiasa anjely izy mba hanampy antsika hanao ny sitrapony sy hahazo fiainana mandrakizay.

[Fanamariahana ambany pejy]

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no andaminana ny anjely?

• Inona no nataon’ny anjely sasany tamin’ny andron’i Noa?

• Ahoana no ampiasan’Andriamanitra ny anjely mba hanampiana antsika?

• Inona no anjara asan’ireo anjely tsy mivadika ankehitriny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Faly manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ny anjely

[Sary, pejy 23]

Toy ny nataony tamin’i Daniela, dia tena vonona hanampy antsika ny anjely, rehefa sitrapon’Andriamanitra ny hanaovany izany

[Sary, pejy 24]

Mahereza, fa manampy amin’ny asa fitoriana ny anjely!

[Sary nahazoan-dalana]

Tany: NASA photo