Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Misy Fotoana Anginana”

“Misy Fotoana Anginana”

“Misy Fotoana Anginana”

“IZAY mangina volamena”, hoy isika Malagasy. Ny Hebreo kosa manao hoe: “Raha sekely iray no vidin’ny teny iray, dia sekely roa kosa no vidin’ny fanginana.” Hoy koa i Solomona, mpanjaka hendry teo amin’ny Israely: ‘Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, eny, misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra: Misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.’—Mpito. 3:1, 7.

Rahoviana àry no mety kokoa ny mangina? Miverimberina ao amin’ny Baiboly ny teny hoe ‘mangina.’ Hita amin’ny fomba nampiasana azy io fa mety ny mangina amin’ireto lafin-javatra telo ireto, fara fahakeliny: Ho mari-panajana, ho porofon’ny fahamalinana sy ny fahaiza-manavaka, ary rehefa te hisaintsaina. Andeha hojerentsika akaiky ireo lafiny ireo.

Ho mari-panajana

Fanehoam-panajana na fanomezam-boninahitra ny fanginana. Hoy i Habakoka mpaminany: ‘Ao amin’ny tempoliny masina i Jehovah. Aoka hangina eo anatrehany ianao, ry tany manontolo!’ (Hab. 2:20) Tokony ‘hiandry amim-panginana ny famonjen’i Jehovah’ koa ny mpanompony. (Fitom. 3:26) Ary hoy ny mpanao salamo: “Aoka ianao hangina eo anatrehan’i Jehovah, ka hiandry azy fatratra. Aza tezitra amin’ny olona mahomby amin’izay ataony.”—Sal. 37:7.

Afaka midera an’i Jehovah anefa ve isika na dia tsy miloa-bava aza? Efa nisy fotoana angamba isika tsy nahaloa-peo nanoloana ny hakanton’ny zavaboary. Tsy efa midera ny Mpamorona tokoa ve isika rehefa mieritreritra ny hakanton’izy ireny? Toy izao no nanombohan’i Davida ny iray tamin’ny salamo nataony: “Ho anao ny dera sy ny fanginana, ry Andriamanitra any Ziona ô! Ary aminao no hanefana ny voady.”—Sal. 65:1.

Tsy i Jehovah ihany no mendrika ny hohajaina fa ny teniny koa. Rehefa nanafatrafatra farany an’ireo Israelita, ohatra, i Mosesy talohan’ny nahafatesany, dia hoy izy sy ny mpisorona: “Mangìna ... henoy ny feon’i Jehovah Andriamanitrao.” Nila nihaino tsara na dia ny ankizikely aza, rehefa nivory ny zanak’Israely mba hihaino ny famakiana ny Lalàn’Andriamanitra. Hoy i Mosesy: ‘Vorio ny vahoaka, dia ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny ankizy madinika mba hianarany.’—Deot. 27:9, 10; 31:11, 12.

Tokony hihaino tsara ny fampianarana omena any amin’ireo fivoriana sy fivoriambe koa àry ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Manaja ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminany ve isika raha variana mifampiresaka fotsiny, nefa ny mpandahateny manazava fahamarinana sarobidy avy ao amin’ny Baiboly? Fotoana tokony hanginana sy hihainoana ny fotoam-pivoriana.

Fanehoam-panajana koa ny mihaino tsara, rehefa miresaka amin’ny olona. Hoy i Joba tamin’ireo mpiampanga azy: “Aoka ianareo hampianatra ahy, fa izaho kosa hangina.” Vonona ny hangina izy mba hihainoana azy ireo. Rehefa anjarany kosa ny niteny, dia nangataka izy hoe: “Mangìna, aza miteny intsony eo anatrehako fa hiteny aho.”—Joba 6:24; 13:13.

Porofo fa malina sy mahay manavaka

Hoy ny Baiboly: ‘Malina ny olona mahafehy ny vavany.’ ‘Mangina ny olona tena mahay manavaka.’ (Ohab. 10:19; 11:12) Toy izany no nataon’i Jesosy. “Tsy niteny” izy rehefa hitany fa tsy hisy vokany amin’ireo mpanohitra azy ny teniny. (Mat. 26:63) “Tsy namaly” koa izy teo anatrehan’i Pilato. Malina izy ka naleony ny zava-bitany no hiteny ho azy.—Mat. 27:11-14.

Hendry koa isika raha mahafehy ny vavantsika, indrindra rehefa misy mila ady amintsika. Hoy ny ohabolana iray: “Ny olona tsy mora tezitra dia tena manana fahaiza-manavaka, fa mampiharihary ny hadalany kosa ny olona tsy manam-paharetana.” (Ohab. 14:29) Mety hanao teny tsy voahevitra hanenenantsika isika, raha maimay hamaly rehefa misy mahasosotra antsika. Hadalana ny miteny amin’izay fotoana izay, ary mety tsy hilamin-tsaina isika avy eo.

Malina isika raha mahafehy ny vavantsika eo anoloan’ny ratsy fanahy. Mety, ohatra, ny mangina rehefa misy olona maneso antsika eny amin’ny fanompoana. Hendry koa isika raha mangina fotsiny rehefa misy mpiara-mianatra na mpiara-miasa manao vazivazy vetaveta, na miteny ratsy. Toa mankasitraka ny ataony mantsy isika raha mihomehy. (Efes. 5:3) Hoy ny mpanao salamo: “Ambenako ny vavako ka hasiako fehivava, raha mbola misy ratsy fanahy eo anatrehako.”—Sal. 39:1.

Azo itokisana ny olona “tena mahay manavaka.” (Ohab. 11:12) Tsy hamoaka tsiambaratelo àry ny tena Kristianina. Ny anti-panahy indrindra no tsy maintsy mitandrina amin’io lafiny io, raha tiany hatoky azy foana ny mpiray finoana aminy.

Na dia tsy miloa-bava aza ny olona iray, dia mety hisy vokany tsara izany. Nilaza toy izao momba ny namany iray i Sydney Smith mpanoratra anglisy tamin’ny taonjato faha-19: “Mahafinaritra erỳ ny miresaka aminy, satria hainy tsara ny mangina amin’ny fotoana mety!” Tsy tokony ho ny iray foana tokoa no miteny rehefa mifampiresaka ny mpinamana. Tokony hahay hihaino koa ny olona mahay mifampiresaka amin’ny hafa.

Nampitandrina i Solomona hoe: “Ny teny maro tsy ilaozan’ota, fa malina kosa ny olona mahafehy ny vavany.” (Ohab. 10:19) Azo lazaina fa malina àry isika raha tsy be resaka. Tsy hiteniteny foana isika amin’izay. “Na ny adala aza” mantsy “rehefa mangina, dia heverina ho hendry, ary izay mikombom-bava heverina ho mahira-tsaina.” (Ohab. 17:28) Enga anie àry isika hangataka amin’i Jehovah mba ‘hanisy mpiambina eo amin’ny varavaran’ny molotsika’!—Sal. 141:3.

Manampy hisaintsaina

Hoy ny Soratra Masina momba ny olo-marina: “Ny lalàn[’Andriamanitra] no vakiny moramora andro aman’alina.” (Sal. 1:2) Toy izao no ilazan’ny Fandikan-teny Protestanta izany: “Ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina.” Inona no azo atao mba hahafahana misaintsaina toy izany?

“Nivoaka mba hisaintsaina tany an-tsaha” i Isaka, zanak’i Abrahama, “rehefa harivariva ny andro.” (Gen. 24:63) Nifidy fotoana sy toerana mangina izy mba hisaintsainana. Tamin’ny alina mangina, nandritra ny fotoam-piambenana, kosa i Davida Mpanjaka no nisaintsaina. (Sal. 63:6) Na i Jesosy, lehilahy lavorary, aza dia nila fahanginana mba hisaintsainana. Niezaka nitady toerana lavitra ny tabataba izy, ka nandeha nitokana tany an-tendrombohitra na tany an-tany efitra, na tany an-toeran-kafa.—Mat. 14:23; Lioka 4:42; 5:16.

Tena mahasoa ny fahanginana, satria ahafahana mandini-tena. Tena ilaina mantsy ny mandini-tena mba hanatsarana ny toetra. Mampilamin-tsaina koa ny fahanginana. Manampy antsika hanetry tena ny fisaintsainana ao anatin’ny fahanginana, ary ho azontsika kokoa hoe inona no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana.

Tsara ny mangina, nefa ao koa ny “fotoana itenenana.” (Mpito. 3:7) Mazoto mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra “maneran-tany” ny tena mpivavaka ankehitriny. (Mat. 24:14) Vao mainka manakoako ny feon’ireo mpivavaka falifaly ireo, arakaraka ny itomboan’ny isany. (Mika 2:12) Aoka àry isika ho anisan’ireo olona mazoto mitory ny vaovao tsara sy manambara ny asa mahatalanjon’Andriamanitra. Aoka koa anefa asehontsika eo amin’ny fiainantsika fa marina indraindray ilay hoe “izay mangina volamena.”

[Sary, pejy 3]

Tokony hihaino sy hianatra isika mandritra ny fivoriana kristianina

[Sary, pejy 4]

Tsara ny mangina rehefa misy mivazavaza amintsika eny amin’ny fanompoana

[Sary, pejy 5]

Manampy antsika hisaintsaina ny fahanginana