Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Oviana i Satana no noroahina avy any an-danitra?—Apok. 12:1-9.

Tsy resahin’ny bokin’ny Apokalypsy hoe oviana marina izany no nitranga. Resahiny kosa ny zava-nitranga maromaro izay manampy antsika haminavina ny fotoana nitrangan’izany. Voalohany, niorina tany an-danitra ny Fanjakan’ny Mesia. Avy eo dia “nisy ady nipoaka tany an-danitra”, ary resy i Satana ka noroahina avy any.

Porofoin’ny Baiboly mazava fa tamin’ny 1914 no tapitra “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, ka naorina ilay Fanjakana. * (Lioka 21:24) Oviana àry no nipoaka ilay ady tany an-danitra ka nandroahana an’i Satana?

Hoy ny Apokalypsy 12:4: “Ilay dragona [Satana] dia tsy niala teo anatrehan’ilay vehivavy efa hiteraka, mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka ravehivavy.” Tian’i Satana harapaka haingana ilay zaza, izany hoe ilay Fanjakana, raha vao teraka. Niditra an-tsehatra anefa i Jehovah, ka tsy nahatanteraka ny teti-dratsiny i Satana. Na izany aza, dia nikiry hamely an’ilay Fanjakana vao niorina ihany i Satana. Ara-drariny àry raha tsy nangataka andro “i Mikaela sy ny anjeliny”, fa avy hatrany dia nandroaka “ilay dragona sy ny anjeliny” avy any an-danitra. Midika izany fa tsy ela taorian’ny niorenan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914 i Satana no resy ka noroahina.

Porofoin’ny Baiboly koa fa tsy ela taorian’ny niorenan’ilay Fanjakana no nanomboka natsangana tamin’ny maty ny Kristianina voahosotra. * (Apok. 20:6) Tsy voalaza anefa hoe nisy tamin’ireo voahosotra ireo niaraka tamin’i Jesosy, rehefa niady tamin’ilay dragona sy ny anjeliny izy. Midika izany fa efa vita ilay ady sy ny fandroahana an’i Satana sy ny demoniany, vao nanomboka ny fananganana an’ireo rahalahin’i Kristy.

Tsy resahin’ny Baiboly àry hoe oviana marina i Satana sy ny demoniany no noroahina avy any an-danitra. Miharihary anefa fa nitranga izany, taoriana kelin’ny naha lasa Mpanjaka an’i Jesosy Kristy tamin’ny 1914.

[Fanamarihana ambany pejy]