Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Lehilahy Manambady, Tahafo ny Fitiavan’i Kristy!

Ry Lehilahy Manambady, Tahafo ny Fitiavan’i Kristy!

Ry Lehilahy Manambady, Tahafo ny Fitiavan’i Kristy!

HOY i Jesosy tamin’ireo apostoly tsy nivadika, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Tsy maintsy mifankatia àry ny tena Kristianina.

Hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo lehilahy kristianina manambady: “Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efes. 5:25) Ahoana no ampiharan’ny lehilahy kristianina an’io torohevitra io ao an-tokantranony, indrindra raha mpanompon’i Jehovah ny vadiny?

Tian’i Kristy ny fiangonana

Hoy ny Baiboly: ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy, tahaka ny ataon’i Kristy amin’ny fiangonana.’ (Efes. 5:28, 29) Tena tian’i Jesosy ny mpianany. Tsy lavorary izy ireo, nefa tsara fanahy tamin’izy ireo izy. Nifantoka tamin’ny toetra tsaran’ny mpianany izy.—Efes. 5:27.

Nasehon’i Kristy tamin’ny teniny sy izay nataony fa tiany ny fiangonana. Tokony hanao toy izany amin’ny vadiny koa ny lehilahy. Mahatsiaro ho tiana sy sambatra ny vehivavy, rehefa maneho fitiavana aminy foana ny vadiny. Tsy ho sambatra kosa ny vehivavy, raha tsy miraharaha azy ny vadiny, na dia manana ny zava-drehetra aza izy ao an-trano.

Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy fa tiany ny vadiny? Ampifankahalalainy amin’ny hafa amim-panajana izy, rehefa eny imason’olona. Derainy koa izy noho ny fanampiany. Raha nisy zavatra niavaka vitan’izy mianakavy, ka nandray anjara lehibe tamin’izany ny vadiny, dia tsy misalasala mihitsy izy milaza izany amin’ny hafa. Ataony tsapan’ny vadiny koa ny fitiavany azy, rehefa mitokana izy ireo. Mety ho zavatra kely ny hoe mametraka ny tananao eo an-tsorony, mitsiky aminy, misakambina azy, ary midera azy. Tena zava-dehibe amin’ny vehivavy anefa ireo.

“Tsy mahamenatra azy ny miantso azy ireo hoe ‘rahalahy’ ”

‘Tsy nahamenatra’ an’i Kristy Jesosy ny ‘niantso [an’ireo voahosotra mpanara-dia azy] hoe “rahalahy.” ’ (Heb. 2:11, 12, 17) Ry lehilahy kristianina, tsarovy fa anabavinao koa ny vadinao. Mety hoe taloha na taorian’ny nivadianareo izy no vita batisa. Zava-dehibe noho ny voadim-panambadiany anefa ny fanokanan-tenany ho an’i Jehovah. Miantso azy hoe “Ranabavy” ny rahalahy mitarika fivoriana, rehefa manondro azy mba hanome valin-teny. Anabavinao koa izy, tsy any amin’ny Efitrano Fanjakana ihany, fa ao an-trano koa. Tokony ho tsara fanahy sy hanaja azy foana àry ianao na ao an-trano, na any am-pivoriana.

Raha manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana ianao, dia mety ho sarotra aminao ny hampifandanja izany amin’ny adidinao ara-pianakaviana. Tokony hiara-miasa tsara amin’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana àry ianao, sady hahay hizara andraikitra. Hanam-potoana kokoa ho an’ny vadinao ianao amin’izay. Izy mantsy no tena mila anao. Tadidio fa maro ny rahalahy afaka manao ny andraikitrao eo anivon’ny fiangonana. Ianao irery anefa no afaka mikarakara izay ilain’ny vadinao.

Ianao koa no loham-pianakaviana. Hoy ny Baiboly: “I Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Kor. 11:3) Ahoana no tokony hampiharanao ny fahefanao? Tsy hoe hamerimberina amin’ny vadinao an’io andinin-teny io akory ianao, mba hanajany anao. Tokony hanahaka an’i Jesosy Kristy kosa ianao amin’ny fomba itondranao azy.—1 Pet. 2:21.

“Ianareo no namako”

Nantsoin’i Jesosy hoe namany ny mpianany. Hoy izy: “Tsy antsoiko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony. Fa antsoiko hoe namana kosa ianareo, satria ampahafantariko anareo izay rehetra reko avy tamin’ny Raiko.” (Jaona 15:14, 15) Nifampiresaka tsara i Jesosy sy ny mpianany sady niara-nanao zavatra. Voasa tamin’ny fampakaram-bady iray tany Kana, ohatra, i “Jesosy sy ny mpianany.” (Jaona 2:2) Tian’izy ireo ny niara-nandeha tany amin’ny toerana sasany, toy ny zaridainan’i Getsemane. Lazain’ny Baiboly fa “mpankao matetika i Jesosy sy ny mpianany.”—Jaona 18:2.

Tokony hataonao tsapan’ny vadinao fa izy no namanao akaiky indrindra. Tena mila miara-mankafy fiainana àry ianareo! Miaraha manompo an’Andriamanitra. Ankafizo ny fiarahanareo mianatra Baiboly. Miaraha manao zavatra, toy ny mitsangantsangana sy miresaka ary misakafo. Tsy tokony ho mpivady fotsiny ianareo, fa ho mpinamana be koa.

“Tiany hatramin’ny farany ireo”

‘Tian’i Jesosy hatramin’ny farany ny mpianany.’ (Jaona 13:1) Tsy mba manao toy izany amin’ny vadiny ny lehilahy sasany. Nandao ny ‘vadin’ny fahatanorany’ mihitsy izy ireo, angamba mba hanambadiany tanora kokoa.—Mal. 2:14, 15.

Misy kosa manahaka an’i Kristy, toa an’i Willi. Niharatsy ny fahasalaman’ny vadiny, ka nila nokarakaraina andro aman’alina nandritra ny taona maro. Inona no nolazain’i Willi momba izany? Hoy izy: “Nihevitra ny vadiko ho toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra foana aho. Efa nivoady koa aho, 60 taona lasa izay, fa hikarakara azy na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Tsy hohadinoiko mihitsy izany voadiko izany.”

Ry lehilahy manambady, tahafo àry ny fitiavan’i Kristy. Tiavo ny vadinao, izay sady anabavinao no namanao.

[Sary, pejy 20]

Ny vadinao ve no namanao akaiky indrindra?

[Sary, pejy 20]

‘Tiavo foana ny vadinao’