Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitady Torohevitra Mahasoa ny Olona

Mitady Torohevitra Mahasoa ny Olona

Mitady Torohevitra Mahasoa ny Olona

MARO be ankehitriny ny torohevitra, raha mitady izany ianao. Tena mihabetsaka ireo boky sy zavatra hafa ahitana an’izany. Ny boky toy ireny no be mpividy indrindra any Amerika Latinina, Etazonia, Grande-Bretagne, ary Japon. Lasa be mpitia koa ireo fivoriana sy video ary fandaharana ao amin’ny tele natao hanoroana hevitra. Nahoana no mahaliana ny olona izany? Amin’izay mantsy izy ireo tsy voatery manatona manam-pahaizana momba ny saina, na mpanome torohevitra momba ny fanambadiana, na mpitondra fivavahana. Inona avy no resahin’ireny boky sy fandaharana ireny?

Ny ankamaroany dia manoro hevitra momba ny fitiavana sy ny fitaizan-janaka ary ny fomba hahombiazana. Betsaka koa ny manoro hoe ahoana no hiatrehana ny hakiviana, alahelo, ary fisaraham-panambadiana. Ao koa ireo manome soso-kevitra momba izay tokony hatao raha tsy te hisakafo be loatra, na te hiala amin’ny sigara na toaka. Tena mandaitra ve ireny torohevitra ireny? Indraindray ihany. Hendry àry isika raha manaraka ny fampitandreman’ny Baiboly hoe: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”—Ohabolana 14:15.

Tsy mitovy amin’ny boky fianarana ny boky manome torohevitra. Ny boky fianarana mantsy ahafahana mianatra zavatra isan-karazany toy ny ordinatera, kaonty, na teny vahiny. Tena mampahay izy ireny, sady mora vidy ka mety amin’ny olona tsy manam-bola hanaovana fiofanana manokana. Hafa mihitsy anefa ireo boky manome torohevitra momba ny varotra, fanambadiana, fitaizan-janaka, ary fahasalaman’ny saina. Matetika no misy fomba fiaina na toe-tsaina tian’ilay mpanoratra hanananao. Fahendrena àry ny mieritreritra hoe: ‘Avy amin’iza ilay torohevitra? Taiza no nakany fanazavana?’

Tsy tena manao fikarohana lalina indraindray ny mpanoro hevitra. Izay hahazoana vola be no masaka ao an-tsainy, ka izay zavatra tian’ny olona ho re no lazainy. Tsy mahagaga àry raha mampidi-bola valo arivo tapitrisa dolara mahery isan-taona ny fanomezana torohevitra, any amin’ny firenena iray!

Tena mandaitra ve?

Manantena ny hahita torohevitra mandaitra ianao, rehefa mitady tari-dalana amin’ny boky. Amin’ny ambangovangony fotsiny na tsy azo ampiharina anefa ny torohevitra hita ao amin’izy ireny indraindray. Izao no lazain’izy ireny matetika: ‘Manàna fotsiny fanantenana dia hilamina ny zava-drehetra. Ho azonao daholo izay tianao, na vola, na fahasalamana, ary hifandray tsara amin’ny hafa ianao.’ Tena mandaitra ve izany? Hanampy anao hiatrika zava-tsarotra sy fahadisoam-panantenana ve izany?

Eritrereto, ohatra, ireo boky momba ny fanambadiana sy ny fifandraisana amin’ny hafa. Tena be mpitia izy ireny, nefa manampy ny olona hanana tokantrano sambatra sy mateza ve? Tsy dia izany loatra. Nalaza be, ohatra, ny boky iray momba ny fitiavana, tany Amerika Latinina. Hoy ny vehivavy iray: ‘Atoro ao ny fomba hifandraisana tsara amin’ny olon-tiana sy hahatsapana ho misy vidiny.’ Nilaza ny mpanoratra azy io fa manao tsinontsinona ny tenanao ianao raha mbola miaraka amin’ny olona efa hitanao fa tsy mifanaraka aminao. Ny tiany hambara dia hoe izay mety aminao ihany atao fa aza misahirana mamaha olana.

Marina fa misy torohevitra tsara ihany ao amin’ny boky sasany. Tsy voatery ho izany foana anefa no izy, satria misy koa manome torohevitra mamarina an-kady. Ankoatra izany, dia maro loatra sady mifanipaka ny torohevitra omen’ireny boky ireny, ka tena sarotra ny mifantina azy. Ny torohevitr’iza àry no azonao atokisana? Mieritrereta hoe: ‘Nanao fikarohana lalina ve ilay mpanoratra, sa izay ao an-tsainy fotsiny no atorony? Sao dia te hanan-karena na halaza fotsiny izy?’

Misy boky iray mirakitra torohevitra tsy tontan’ny ela. Tsy inona izany fa ny Baiboly. Maro be ny torohevitra mahasoa omeny. Tsy ny foto-kevitra resahin’ireo boky manome torohevitra ihany no hita ao fa zavatra hafa koa. Nandrisika olona an-tapitrisany hanaraka an’ity torohevitra ity ny Baiboly: ‘[Aoka] hohavaozina ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo, ka hitafy ny toetra vaovao.’ (Efesianina 4:23, 24) Lazain’ny Baiboly ny anton’ireo olana mahazo antsika ary atorony ny fomba hamahana izany. Ambonin’izany, dia hazavainy amintsika ny antony lehibe tokony hanaovana ny tsara. Hiresaka momba izany ny lahatsoratra manaraka.