Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Namonjy ny Ain’i Paoly ny Zanak’anabaviny

Namonjy ny Ain’i Paoly ny Zanak’anabaviny

Ampianaro ny Zanakao

Namonjy ny Ain’i Paoly ny Zanak’anabaviny

FANTATRAO ve fa nanana havana mpanara-dia an’i Jesosy ny apostoly Paoly? *... Kristianina ny anabaviny sy ny zanakalahin’io. Io zanak’anabaviny io no namonjy ny ain’i Paoly! Tsy fantatsika ny anarany na ny anaran-dreniny. Fantatsika kosa ny nataony. Tianao ve ny hahalala izany?...

Vao avy nanao dia misionera fahatelo i Paoly tamin’ny taona 56 tany ho any, ary tonga tao Jerosalema. Nosamborina izy ary tokony hotsaraina. Tsy tian’ny fahavalony hotsaraina anefa izy, fa tiany hovonoina. Nanao tetika àry izy ireo, ka lehilahy 40 teo ho eo no niafina teny an-dalana mankany Kaisaria, mba hamono an’i Paoly.

Ren’ny zanak’anabavin’i Paoly anefa izany. Fantatrao ve ny nataony?... Nandeha nitantara izany tamin’i Paoly izy. Avy hatrany dia hoy i Paoly tamin’ny manamboninahitra iray: “Ento any amin’ny mpitari-tafika ity ankizilahy ity fa misy zavatra holazainy aminy.” Nentiny tany amin’i Klaodio Lysia, mpitari-tafika, àry ilay ankizilahy. Nohazavainy fa nisy zava-dehibe holazain’izy io. Nentin’i Klaodio nihataka kely ilay ankizilahy, ary notantarain’izy io taminy ny zava-drehetra.

Hoy i Klaodio tamin’ilay ankizilahy: “Aza lazalazaina na amin’iza na amin’iza hoe nampahafantarinao ahy izany.” Niantso manamboninahitra roa lahy izy avy eo, mba hanomana miaramila 200, mpitaingin-tsoavaly 70, ary mpitan-defona 200 hankany Kaisaria. Koa niainga iny alina iny ihany izy 470 lahy, tamin’ny sivy ora alina. Nentin’izy ireo soa aman-tsara tany amin’i Feliksa, governora romanina, i Paoly. Nitondra taratasy nosoratan’i Klaodio ho an’i Feliksa momba ilay teti-dratsy koa izy ireo.

Voatery nihaona tamin’i Paoly tany amin’ny fitsarana, tany Kaisaria, ny Jiosy mba hiampanga azy. Mazava ho azy fa tsy nitombina ilay fiampangana. Nogadraina roa taona anefa i Paoly, na izany aza. Tena tsy rariny izany! Nangataka àry izy mba hotsaraina tany Roma, ka nalefa tany.—Asan’ny Apostoly 23:16–24:27; 25:8-12.

Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io?... Ianarantsika fa mila herim-po isika mba hilazana ny marina, ary mety hamonjy aina isika amin’izany. Niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra foana i Jesosy, na dia fantany aza fa “nitady hamono azy” ny fahavalo. Asain’i Jesosy manao toy izany koa isika. Ho vitantsika ve izany? Eny, raha manana herim-po toy ny an’ny zanak’anabavin’i Paoly isika.—Jaona 7:1; 15:13; Matio 24:14; 28:18-20.

Mbola tanora i Timoty rehefa nampirisika azy i Paoly hoe: “Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao. Ary mahareta amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao.” (1 Tim. 4:16) Azo antoka fa fampirisihana nitovy tamin’izany no narahin’ilay zanak’anabavin’i Paoly. Ary ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.

Fanontaniana:

○ Iza avy no havan’i Paoly voaresaka ato, ary inona no fantatsika momba azy ireo?

○ Inona no nataon’ny zanak’anabavin’i Paoly mba hamonjena azy?

○ Inona no azontsika atao mba hamonjena ain’olona sy hankatoavana an’i Jesosy?