Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Tsy Misy Miraharaha Antsika Ve?

Tena Tsy Misy Miraharaha Antsika Ve?

Tena Tsy Misy Miraharaha Antsika Ve?

Efa nahatsiaro ho irery sy kivy ve ianao satria tsy azon’ny hafa ny olana manjo anao? Ary na dia azony tsara aza ilay izy, tsapanao ve fa tsy dia miraharaha anao izy?

TOY ny tratran’ny oram-be isika, rehefa misy olana mahazo antsika. Toa tsy hitsahatra mihitsy ilay izy. Mieritreritra mihitsy aza isika indraindray fa mafy loatra ny mahazo antsika ary tena tsy rariny, ka tsy zakantsika intsony. Tonga ao an-tsaintsika izany rehefa ory isika, kivy be, niharan-doza ka lasa kilemaina, manana aretina mitaiza, na ny toy izany. Mety ho very hevitra tanteraka isika, ka hieritreritra hoe aiza no hahitana fampaherezana. Tena tsy misy miraharaha antsika ve?

Miahy antsika ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”

Voalazan’ny Baiboly fa “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” Andriamanitra. (2 Korintianina 1:3) Jehovah no anarany, ary fantany fa mila fampiononana isika. Hita injato mahery ao amin’ny Baiboly ny hoe “fampiononana” sy ny teny mitovitovy aminy. Mahafantatra tsara ny manjo antsika àry Andriamanitra sady maniry hampahery antsika. Ny olona no mety tsy hahita na tsy hahazo na tsy hiraharaha ny fahoriana manjo antsika, fa tsy i Jehovah Andriamanitra.

Asehon’ny Soratra Masina fa miahy ny olona tsirairay i Jehovah. Izao no voalaza ao: “Mijery eny rehetra eny ny mason’i Jehovah, mandinika ny olona ratsy toetra sy ny tsara toetra.” (Ohabolana 15:3) Hoy koa ny Joba 34:21: “Mijery ny ataon’ny olona Izy, ary mahita ny diany rehetra.” Hitan’i Jehovah àry ny fiainantsika sy izay ataontsika na ratsy na tsara, ka manampy antsika araka izay heveriny fa mety izy. Hoy i Hanany mpaminany tamin’i Asa Mpanjakan’i Joda: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”—2 Tantara 16:7, 9.

Misy antony hafa koa andinihan’i Jehovah antsika. Hoy i Jesosy: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.” (Jaona 6:44) Dinihin’i Jehovah ny fon’ny olona mba hahitany raha maniry hahalala azy bebe kokoa izy. Miahy antsika izy matoa manao izany. Ampiany izay tena te hahalala azy. Nisy vehivavy iray niditra hopitaly, ohatra, tany amin’ny Repoblika Dominikanina. Voan’ny kansera mantsy izy ka nila fandidiana. Nitalaho tamin’Andriamanitra izy mba hampiany hahita ny fivavahana marina. Tamin’izay indrindra ny vadiny no nitondra bokikely iray hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? * Vao nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah azy ny marainan’io ilay izy. Novakin’ilay vehivavy ilay izy ary tsapany hoe valim-bavaka. Nianatra Baiboly tamin’ilay Vavolombelona àry izy. Nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy natao batisa izy, enim-bolana latsaka tatỳ aoriana.

Miresaka momba ny fitiavan’i Jehovah sy ny fiahiany ny mpanompony ny bokin’ny Salamo. Tena mampahery ny fomba ilazana izany ao. Nitalaho tamin’Andriamanitra, ohatra, i Davida Mpanjaka hoe: “Ataovy ao anaty sininao ny ranomasoko. Tsy voasoratra ao anaty bokinao ve ireny?” (Salamo 56:8) Fantatr’i Davida fa hitan’i Jehovah ny fijaliany sy ny fahoriam-pony, ary tadidiny ny ranomaso naterak’izany. Miahy an’izay rehetra miezaka manao ny sitrapony tokoa ny Mpamorona, izany hoe “izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”

Miresaka momba ny fitiavan’i Jehovah sy ny fiahiany koa ny Salamo faha-23. Lazaina hoe mpiandry ondry be fitiavana Andriamanitra, eo amin’ny andininy voalohany manao hoe: “I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.” Tena miahy ny ondriny tsirairay ny mpiandry ondry any Israely, ary samy omeny anarana mihitsy aza izy ireny. Isan’andro, dia antsoiny mankeo aminy ny ondry tsirairay ary safosafoiny. Jereny koa sao misy maratra. Raha mahita fery izy, dia hosorany menaka ilay izy mba ho sitrana. Mety hofahanany fanafody ilay ondry raha marary, ary tohanany sao mianjera ka maty. Toy izany mihitsy ny fiahian’i Jehovah an’ireo mangataka fanampiana aminy.

Porofon’ny fiahiany ny vavaka sy ny fitsanganana amin’ny maty

Mahafinaritra ny mamaky ireo salamo ao amin’ny Baiboly. Tsy izay fotsiny anefa no nanoratana azy ireo. Aseho ao koa ny vavaka avy amin’ny fo nataon’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny. Nangataka ny fanampiany izy ireo ary nankasitraka ny tari-dalany sy ny fitahiany. Hita amin’ny vavaka nataony fa tena nino izy ireo hoe miahy azy Andriamanitra. Hahatsapa izany koa isika raha mamaky sy misaintsaina ireny vavaka ireny. Tena miahy ny olombelona Andriamanitra matoa mamela azy ireo hivavaka aminy.

Sahiran-tsaina loatra anefa isika indraindray, ka tsy hitantsika izay holazaina amin’Andriamanitra. Tsy midika akory izany hoe tsy fantany ny manjo antsika. Hoy ny Romanina 8:26: “Tonga hanampy antsika noho ny fahalementsika ny fanahy. Izao mantsy no olana: Tokony hivavaka isika nefa tsy fantatsika akory izay tokony hangatahintsika. Miangavy ho antsika anefa ny fanahy rehefa mitoloko ao am-po tsy miloaka isika.” Te hilaza io andinin-teny io fa misy vavaka mitovy amin’izay tsapantsika, nataon’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny, ary hita ao amin’ny Baiboly. Raisin’i Jehovah, ilay “Mpihaino vavaka”, ho toy ny avy amintsika izy ireny.—Salamo 65:2.

Ny fitsanganana amin’ny maty no porofo lehibe hafa fa miahy ny tsirairay Andriamanitra. Hoy i Jesosy Kristy: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony [Jesosy], dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Midika hoe “fasana atao ho fahatsiarovana” ilay teny grika nadika hoe “fasana” eto. Midika izany fa mbola tsaroan’Andriamanitra ny maha izy ny olona iray efa maty.

Eritrereto ange e! Tsy maintsy tadidin’Andriamanitra daholo ny mombamomba ny olona iray mba hananganana azy amin’ny maty. Anisan’izany ny bika aman’endriny, ny toetrany, ary izay rehetra tao an-tsainy! (Marka 10:27) Tadidiny foana izany, na dia efa an’arivony taona aza no nahafatesan’ilay olona. (Joba 14:13-15; Lioka 20:38) Tadidin’i Jehovah amin’ny an-tsipiriany àry ny mombamomba ireo olona an’arivony tapitrisa nodimandry hatramin’izay. Porofo mampiaiky tokoa izany fa miahy antsika tsirairay izy.

Mpamaly soa i Jehovah

Inona no tsy maintsy ataontsika mba hikarakaran’Andriamanitra antsika? Voalohany, tsy maintsy asehontsika fa mino sy matoky ary mankatò azy isika. Nohazavain’ny apostoly Paoly fa mila manam-pinoana isika raha te hokarakarain’Andriamanitra. Hoy izy: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.”—Hebreo 11:6.

Misy lafiny roa ny finoana ankasitrahan’Andriamanitra. Voalohany, tsy maintsy mino isika fa “misy izy”, ary izy no Mpitondra Fara Tampony ka mendrika ny hankatoavina sy hotompoina. Faharoa, tsy maintsy mino isika fa “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” izy. Ny olona tena manam-pinoana dia mino fa mitady izay hahasambatra ny olona rehetra maniry mafy hanao ny sitrapony Andriamanitra, sady mamaly soa azy ireo. Tianao ve ny hanana ny tena finoana, ka hovalian’Andriamanitra soa sy hokarakarainy? Ianaro àry ny Teniny ary miaraha amin’ireo mankatò azy.

Maro ankehitriny no mihevitra fa tsy miraharaha ny olona Andriamanitra. Hitantsika teo anefa fa karakarainy tsara ireo tena mino azy. Matetika isika no ory, mitebiteby, diso fanantenana, ary mijaly. Aza manary toky anefa. Tena miahy antsika i Jehovah Andriamanitra. Manasa antsika izy mba hangataka fanampiana aminy. Hoy ny mpanao salamo: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.”—Salamo 55:22.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 29]

Andinin-teny Manaporofo fa Tena Tia sy Miahy Anao Andriamanitra

“Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”—2 TANTARA 16:9

“Ataovy ao anaty sininao ny ranomasoko. Tsy voasoratra ao anaty bokinao ve ireny?”—SALAMO 56:8

“I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.”—SALAMO 23:1

“Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.”—SALAMO 65:2

“Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.”—JOBA 14:15

“Izay manatona [an’Andriamanitra] dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.”—HEBREO 11:6

“Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.”—SALAMO 55:22