Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao Hafana Fo ho An’ny Tranon’i Jehovah!

Aoka Ianao Hafana Fo ho An’ny Tranon’i Jehovah!

Aoka Ianao Hafana Fo ho An’ny Tranon’i Jehovah!

“Handany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.”—JAONA 2:17.

1, 2. Inona no nataon’i Jesosy tao amin’ny tempoly tamin’ny taona 30, ary nahoana?

PASKA taona 30 tamin’izay. Vao enim-bolana no nanombohan’i Jesosy ny fanompoany teto an-tany. Nankany Jerosalema izy izao. Rehefa tonga tao amin’ny tokotanin’ny tempoly izy, dia nahita olona ‘nivarotra omby aman’ondry sy voromailala, ary nanakalo vola.’ Naka karavasy tady àry izy, ka noroahiny ny ondry sy omby mbamin’ny mpivarotra azy ireo. Nararany ny vola madiniky ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabany. Nasainy niala teo koa ireo nivarotra voromailala.—Jaona 2:13-16.

2 Nanao izany i Jesosy mba hampisehoana fa tena nanan-danja taminy ny tempoly. Hoy izy: “Aza atao trano fivarotana intsony ny tranon’ny Raiko!” Rehefa nahita izany ny mpianany, dia tsaroan’izy ireo ilay tenin’i Davida mpanao salamo hoe: “Handany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.”—Jaona 2:16, 17; Sal. 69:9.

3. a) Inona no dikan’ny hoe mafana fo? b) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

3 Nafana fo ho an’ny tranon’Andriamanitra i Jesosy. Ny hoe mafana fo dia ‘mavitrika sy be herim-po rehefa manao zavatra.’ Fito tapitrisa mahery izao ny Kristianina mafana fo ho an’ny tranon’Andriamanitra. Eritrereto àry hoe: ‘Inona no azoko atao mba hahatonga ahy hafana fo kokoa ho an’ny tranon’i Jehovah?’ Mba hamaliana izany, dia hojerentsika aloha hoe inona no tranon’Andriamanitra ankehitriny. Handinika tantaran’olona fahiny nafana fo ho an’ny tranon’Andriamanitra isika, avy eo. Nosoratana “ho fianarantsika” izy ireny, ary hanampy antsika hafana fo kokoa.—Rom. 15:4.

Ny tranon’Andriamanitra fahiny sy ankehitriny

4. Inona no nilana an’ilay tempoly naorin’i Solomona?

4 Ny tempoly tany Jerosalema no tranon’Andriamanitra fahiny. Tsy hoe nipetraka tao anefa i Jehovah. Hoy mantsy izy: “Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano manao ahoana no azonareo atao ho ahy, ary toerana manao ahoana no honenako?” (Isaia 66:1) Na izany aza, dia ilay tempoly naorin’i Solomona no foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah, ary tao no nanaovana vavaka.—1 Mpanj. 8:27-30.

5. Inona ankehitriny no atao hoe tranon’i Jehovah?

5 Tsy trano any Jerosalema na any an-toeran-kafa intsony izao no atao hoe tranon’i Jehovah. Izy io kosa dia ny fandaharana nataony ho antsika mba hanatonana sy hanompoana azy, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy. Miara-manompo an’i Jehovah ao amin’io tempoly ara-panahy io daholo ny mpanompony tsy mivadika eto an-tany.—Isaia 60:4, 8, 13; Asa. 17:24; Heb. 8:5; 9:24.

6. Iza avy ireo mpanjaka tao Joda tena nafana fo ho an’ny fivavahana marina?

6 Nizara ho fanjakana roa ny Israely tamin’ny 997 T.K. Efatra monja tamin’ireo mpanjaka 19 nifandimby tao Joda no tena nafana fo ho an’ny fivavahana marina, taorian’izay. Tsy iza izany fa i Asa, Josafata, Hezekia, ary Josia. Inona no ianarantsika avy amin’izy ireo?

Tahin’i Jehovah izay manompo amin’ny fo manontolo

7, 8. a) Fanompoana manao ahoana no tahin’i Jehovah? b) Inona no fahadisoana nataon’i Asa, ka tsy tokony hataontsika?

7 Naniraka mpaminany i Jehovah tamin’ny andron’i Asa Mpanjaka, mba hanampiana ny vahoakany tsy hivadika. Milaza ny Baiboly fa nankatò an’i Azaria mpaminany, zanak’i Odeda, i Asa. (Vakio ny 2 Tantara 15:1-8.) Nahatonga ny mponin’i Joda hiray saina ny nandravan’i Asa ny fanompoan-tsampy. Nisy olona maro be avy any amin’ny fanjakan’ny Israely koa aza niandany taminy, ary niara-nivory tamin’izy ireo tao Jerosalema. Niara-nianiana izy ireo fa hanompo an’i Jehovah foana. Hoy ny Baiboly: “Nianiana tamin’i Jehovah tamin’ny feo mafy izy ireo, sady nanao horakora-pifaliana narahina feon’ny trompetra sy anjombona. Dia faly daholo ny Joda noho ilay fianianana, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany izany. Finaritra tanteraka koa izy ireo nitady an’Andriamanitra, ka nataon’Andriamanitra izay hahitan’izy ireo azy. Ary nataon’i Jehovah nandry feizay teo anivon’ny fahavalony rehetra nanodidina izy ireo.” (2 Tan. 15:9-15) Hotahin’i Jehovah koa isika raha manompo azy amin’ny fo manontolo.—Mar. 12:30.

8 Nampalahelo fa tezitra i Asa tatỳ aoriana, rehefa nanarin’i Hanany mpahita. (2 Tan. 16:7-10) Inona no ataontsika rehefa omen’i Jehovah torohevitra na tari-dalana amin’ny alalan’ny anti-panahy isika? Tezitra ve isika, sa kosa manaiky izany avy hatrany?

9. Inona no nampahatahotra an’i Josafata sy ny vahoakany, ary inona no nataon’izy ireo?

9 Nanjaka tany Joda i Josafata, tamin’ny taonjato fahafolo T.K. Nifampitaona hanafika an’i Joda ny Amonita sy ny Moabita ary ny mponina tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira. Natahotra i Josafata. Inona anefa no nataony? Niara-nivavaka tao an-tranon’i Jehovah izy sy ny vahoakany, na kely na lehibe. (Vakio ny 2 Tantara 20:3-6.) Nitovitovy tamin’ny vavaka nataon’i Solomona tamin’ny fitokanana ny tempoly no nataon’i Josafata. Nitalaho tamin’i Jehovah izy hoe: “Tsy hampihatra ny didim-pitsaranao amin’izy ireo ve ianao, ry Andriamanitray ô? Fa tsy manan-kery izahay eo anatrehan’io vahoaka be manafika anay io, ary tsy fantatray izay tokony hatao, ka ianao no andrandrainay.” (2 Tan. 20:12, 13) Rehefa vita ilay vavaka, dia tonga tamin’i Jahaziela Levita “teo anivon’ny fiangonana” ny fanahin’i Jehovah, ka nampahery ny vahoaka izy.—Vakio ny 2 Tantara 20:14-17.

10. a) Ahoana no nahazoan’i Josafata sy ny vahoakany tari-dalana? b) Ahoana no hampisehoantsika fa mankasitraka ny tari-dalana omen’i Jehovah isika?

10 Nomen’i Jehovah tari-dalana tamin’ny alalan’i Jahaziela i Josafata sy ny fanjakan’i Joda. Omeny fampaherezana sy tari-dalana amin’ny alalan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina koa isika ankehitriny. Ny anti-panahy no mampita izany amintsika, sady miasa mafy mba hikarakarana antsika. Hiezaka hankatò sy hanaja azy ireo foana àry isika.—Mat. 24:45; 1 Tes. 5:12, 13.

11, 12. Inona no ianarantsika avy amin’i Josafata sy ny vahoakany?

11 Niara-nivory mba hangataka ny tari-dalan’i Jehovah i Josafata sy ny vahoakany. Aoka àry isika tsy hanadino ny hiara-mivory tsy tapaka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika. Miezaha hanahaka an’i Josafata sy ny vahoakany rehefa sendra zava-tsarotra, ka very hevitra. Mivavaha amin’i Jehovah, ary mitokia tanteraka aminy. (Ohab. 3:5, 6; Fil. 4:6, 7) Ahoana raha sendra tafasaraka amin’ny vahoakany isika? Raha mivavaka amin’i Jehovah isika, dia hahatsapa hoe tsy irery fa anisan’ny ‘rahalahy rehetra ao amin’ny finoana, eran’izao tontolo izao.’—1 Pet. 5:9.

12 Nankatò ny tari-dalana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jahaziela i Josafata sy ny vahoakany. Inona no vokany? Nandresy izy ireo, ary niverina “tamim-pifaliana” tany Jerosalema. ‘Tamin’ny feon-dokanga sy harpa ary trompetra no nidiran’izy ireo tao an-tranon’i Jehovah.’ (2 Tan. 20:27, 28) Mankatò ny tari-dalana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny mpanompo voatendriny koa isika, ary miara-midera azy.

Karakarao tsara ny efitrano fivoriantsika

13. Inona no nataon’i Hezekia, raha vao nanjaka izy?

13 Nampiseho ny hafanam-pony ho an’ny fivavahana tamin’i Jehovah i Hezekia, raha vao nanjaka. Nosokafany indray ny tempoly ary namboariny. Nasainy nodiovin’ny mpisorona sy ny Levita izy io. Vitan’izy ireo tao anatin’ny 16 andro izany. (Vakio ny 2 Tantara 29:16-18.) Mafana fo ho an’ny fivavahana amin’i Jehovah koa isika ankehitriny, ka kojakojaintsika foana ny Efitrano Fanjakana. Mahavariana ny olona ny ezaka ataontsika amin’io lafiny io. Azo inoana fa efa nahare fitantarana momba izany ianao. Tena manome voninahitra an’i Jehovah izany.

14, 15. Inona no asa mitondra fiderana lehibe ho an’i Jehovah ankehitriny? Manomeza ohatra.

14 Nila nohatsaraina ny Efitrano Fanjakana iray, tany amin’ny faritra avaratr’i Angletera, nefa nanohitra izany ny lehilahy iray nanana trano nifanila tamin’ilay izy. Inona no nataon’ireo rahalahy? Hitan’izy ireo fa nila namboarina ny tambohon’ilay lehilahy, izay nanasaraka ny tranony sy ny Efitrano Fanjakana, ka nilaza taminy izy ireo fa hanamboatra azy io maimaim-poana. Niasa mafy izy ireo, ary naveriny naorina mihitsy aza ny ampahany lehibe tamin’ilay tamboho. Niova ilay lehilahy rehefa nahita izany. Izy izao no mijerijery an’ilay efitrano, rehefa tsy misy olona ao.

15 Misy Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary Betela aorina eran-tany. Mandray anjara amin’izany ny vahoakan’i Jehovah. Miara-miasa amin’ireo mpanompo iraisam-pirenena ireo mpiasa an-tsitrapo eo an-toerana. Nanampy tamin’ny asa fanorenana tany amin’ny firenena maro tany Eoropa sy Afrika, ohatra, i Sam sy Ruth vadiny. Miara-mitory amin’ny fiangonana any amin’izay toerana alehany koa izy mivady. Inona no nandrisika an’i Sam handray anjara tamin’ny fanorenana iraisam-pirenena? Hoy izy: “Nampirisika ahy ireo rahalahy sy anabavy miasa any amin’ny Betela samihafa. Hitako fa nafana fo sy falifaly erỳ izy ireo, ka naniry mba ho toa azy ireo koa aho.”

Ankatoavy ny toromarik’Andriamanitra

16, 17. Inona no ezaka manokana nandraisan’ny vahoakan’Andriamanitra anjara tamin-kafanam-po? Nanao ahoana ny vokany?

16 Tsy vitan’ny hoe nanamboatra ny tempoly i Hezekia, fa naveriny koa ny fankalazana ny Paska fanao isan-taona, izay nandidian’i Jehovah. (Vakio ny 2 Tantara 30:1, 4, 5.) Nasain’i Hezekia sy ny mponin’i Jerosalema hanatrika izany ny firenen’ny Israely manontolo, hatramin’ny fanjakana tany avaratra. Nampiely haingana ny taratasy fanasana ireo mpihazakazaka.—2 Tan. 30:6-9.

17 Manao ezaka manokana toy izany koa isika, tato ho ato. Mampiasa taratasy fanasana tsara tarehy isika, mba hanasana ny olona hiara-mankalaza amintsika ny Sakafo Harivan’ny Tompo, izay nandidian’i Jesosy. (Lioka 22:19, 20) Nahazo toromarika isika tamin’ireo Fivoriana Momba ny Fanompoana, ka nafana fo tamin’ilay asa. Tena notahin’i Jehovah ny ezaka nataontsika! Nisy fito tapitrisa teo ho eo isika tamin’ny taon-dasa no nizara ilay fanasana, ary 17 790 631 be izao no nanatrika ilay fankalazana!

18. Nahoana ianao no tena mila mafana fo ho an’ny fivavahana marina?

18 Hoy ny Baiboly: “I Jehovah Andriamanitry ny Israely no nitokisan’i Hezekia. Ary tsy nisy tahaka azy ny mpanjakan’ny Joda rehetra, na ny taoriany na ny talohany. Nifikitra tamin’i Jehovah foana izy, ary nanaraka azy foana. Notandremany foana ireo didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.” (2 Mpanj. 18:5, 6) Enga anie ka hanahaka azy isika! Hanampy antsika ‘hifikitra amin’i Jehovah foana’ ka ho velona mandrakizay, ny hafanam-po ho an’ny tranony.—Deot. 30:16.

Araho avy hatrany ny tari-dalana

19. Inona no ezaka lehibe ataon’ny Kristianina mba hanatrehana ny Fahatsiarovana?

19 Nanomana tsara ny fankalazana ny Paska koa i Josia Mpanjaka. (2 Mpanj. 23:21-23; 2 Tan. 35:1-19) Manahaka azy isika ka miomana tsara mba hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, fivoriamben’ny faritra, fivoriambe manokana, ary ny Fahatsiarovana. Manao vivery ny ainy mihitsy aza ny rahalahy any amin’ny tany sasany mba hiarahana mankalaza ny nahafatesan’i Kristy. Miezaka ny anti-panahy be zotom-po mba tsy hanadino ny Kristianina tsirairay eo anivon’ny fiangonana. Ampian’izy ireo ny zokiolona sy ny osa hanatrika ireny fotoan-dehibe ireny.

20. a) Inona no nitranga tamin’ny andro nanjakan’i Josia, ary ahoana no nataony? b) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

20 Nandritra ny fanamboarana ny tranon’i Jehovah tamin’ny andron’i Josia, dia hitan’i Hilkia Mpisoronabe tao “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy.” Nomeny an’i Safana mpitan-tsoratra izany, ary novakin’i Safana tamin’i Josia. (Vakio ny 2 Tantara 34:14-18.) Inona no vokany? Nalahelo be ny mpanjaka ka avy hatrany dia nandrovitra ny akanjony, ary naniraka lehilahy vitsivitsy hanontany an’i Jehovah. Namaly tamin’ny alalan’i Holda mpaminanivavy Andriamanitra, ka nilaza fa nahatezitra azy ny fanompoan-tsampy tao Joda. Hitan’i Jehovah anefa ny ezak’i Josia mba hanesorana izany, ka nankasitrahany foana izy, na dia voalaza aza fa hisy loza hanjo an’ilay firenena. (2 Tan. 34:19-28) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Azo antoka fa mitovy faniriana amin’i Josia isika. Irintsika ny hankatò avy hatrany ny tari-dalan’i Jehovah, ka hieritreritra izay ho vokany raha mivadi-pinoana isika na mivadika aminy. Matoky koa isika fa toy izay nitranga tamin’i Josia, dia hitan’i Jehovah sy ankasitrahany ny hafanam-pontsika ho an’ny fivavahana marina.

21, 22. a) Nahoana isika no tokony hafana fo ho an’ny tranon’i Jehovah? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Ohatra tsara ho antsika ireo mpanjaka efatra tany Joda, dia i Asa, Josafata, Hezekia, ary Josia. Nafana fo ho an’ny tranon’Andriamanitra sy ny fivavahana taminy izy ireo. Tokony hafana fo koa isika ka hitoky amin’i Jehovah foana sy hiezaka mafy hanompo azy. Tena fahendrena ny mankatò ny toromariny, sy manaiky hokarakarainy sy ahitsiny amin’ny alalan’ny fiangonana sy ny anti-panahy. Mahasambatra koa izany.

22 Ny hafanam-po amin’ny fanompoana eny amin’ny saha no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Hampahery ny ankizy sy ny tanora koa izy io, mba hanompo amin-kafanam-po an’ilay Raintsika be fitiavana. Hodinihintsika koa ny fomba hanalavirana ny fandrika iray tena mampidi-doza ampiasain’i Satana. Manahaka an’i Jesosy, Zanak’i Jehovah, isika, raha mankatò an’ireny fampahatsiahivana ireny. Hoy ny Baiboly momba azy: “Mandany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.”—Sal. 69:9; 119:111, 129; 1 Pet. 2:21.

Tadidinao Ve?

• Fanompoana manao ahoana no tahin’i Jehovah, ary nahoana?

• Ahoana no hampisehoantsika fa mitoky amin’i Jehovah isika?

• Nahoana ny hafanam-po no mandrisika antsika hankatò ny toromarik’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Ahoana no nampisehoan’i Asa, Josafata, Hezekia, ary Josia fa nafana fo ho an’ny tranon’i Jehovah izy ireo?