Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mazotoa Amin’ny Asa Tsara’!

‘Mazotoa Amin’ny Asa Tsara’!

‘Mazotoa Amin’ny Asa Tsara’!

“Nanolotra ny tenany ho antsika [i Jesosy] mba hanafahany antsika amin’ny karazana fandikan-dalàna rehetra sy mba hanadiovany firenena iray ho azy manokana, dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.”—TIT. 2:14.

1. Inona no nitranga tao amin’ny tempoly rehefa tonga tao i Jesosy, tamin’ny 10 Nisana taona 33?

FOLO Nisana taona 33, tamin’izay. Andro vitsivitsy sisa dia ho tonga ny Paska. Efa tsindrian-daona erỳ ireo olona maro be tonga hivavaka tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Inona no nitranga rehefa tonga tao i Jesosy? Tantarain’ny Filazantsaran’i Matio, Marka, ary Lioka, fa noroahiny daholo indray izay rehetra nivarotra sy nividy tao, ary nazerany ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra voromailala. (Mat. 21:12; Mar. 11:15; Lioka 19:45) Mbola tsy nihena ilay hafanam-po nananan’i Jesosy telo taona talohan’io.—Jaona 2:13-17.

2, 3. Inona no zavatra hafa nataon’i Jesosy, izay mampiseho ny hafanam-pony?

2 Nafana fo tokoa i Jesosy satria tantarain’i Matio fa nanasitrana ny jamba sy ny malemy koa izy, tamin’io fotoana io. (Mat. 21:14) Ankoatra izany, dia tantarain’i Lioka fa “nampianatra isan’andro teo amin’ny tempoly” i Jesosy. (Lioka 19:47; 20:1) Tena nafana fo tamin’ny fanompoana izy.

3 Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Titosy, tatỳ aoriana: “Nanolotra ny tenany ho antsika [i Jesosy] mba hanafahany antsika amin’ny karazana fandikan-dalàna rehetra sy mba hanadiovany firenena iray ho azy manokana, dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.” (Tit. 2:14) Ahoana no hampisehoantsika fa “mazoto amin’ny asa tsara” isika? Inona no modely nomen’ireo mpanjaka tsara tany Joda fahiny, ka mampahery antsika?

Mazoto mitory sy mampianatra

4, 5. Inona no mampiseho fa nazoto tamin’ny asa tsara ireo mpanjaka efatra tany Joda?

4 Nanao ezaka manokana hanafoanana ny fanompoan-tsampy tany Joda i Asa, Josafata, Hezekia, ary Josia. “Nesorin[’i Asa] ireo alitaran’ny firenen-kafa sy ireo toerana avo, dia nopotehiny ireo tsangambato masina, ary nokapainy ireo tsato-kazo masina.” (2 Tan. 14:3) Nanaisotra “ireo toerana avo sy tsato-kazo masina tao Joda” koa i Josafata, noho ny hafanam-pony ho an’ny fivavahana tamin’i Jehovah.—2 Tan. 17:6; 19:3. *

5 Tamin’ny andron’i Hezekia, dia nisy fankalazana ny Paska tamin’ny fomba manetriketrika tao Jerosalema, nandritra ny fito andro. Taorian’izay, dia “lasa nankany amin’ireo tanànan’i Joda ny Israelita rehetra teo, ka nopotehiny ny tsangambato masina, sady nokapainy ny tsato-kazo masina, ary noravany ny toerana avo sy ny alitara nanerana ny Joda sy Benjamina sy Efraima ary Manase, ka tsy nasiany niangana.” (2 Tan. 31:1) Ary ahoana ny amin’i Josia, izay valo taona monja dia efa lasa mpanjaka? Hoy ny Baiboly: “Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zaza izy, dia nanomboka nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny. Ary tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo, dia natombony ny fanadiovana an’i Joda sy Jerosalema, ka nesoriny ny toerana avo sy ny tsato-kazo masina sy ny sary sokitra ary ny sarivongana metaly.” (2 Tan. 34:3) Nazoto na nafana fo tamin’ny asa tsara àry ireo mpanjaka efatra ireo.

6. Inona koa no ezaka manokana ataontsika ankehitriny?

6 Manao ezaka manokana koa isika ankehitriny mba hanampiana ny olona hiala amin’ny fivavahan-diso, anisan’izany ny fanompoan-tsampy. Mahita ny karazan’olona rehetra isika, rehefa mitory isan-trano. (1 Tim. 2:4) Mbola tadidin’ny tovovavy iray mipetraka any Azia, fa nivavaka tamin’ny sarivongana maro be ny reniny tao an-trano. Fantatr’ilay tovovavy anefa fa tsy Andriamanitra ireny, ka matetika izy no nivavaka mba hahalala an’ilay tena Andriamanitra. Nisy Vavolombelona roa tonga tao aminy, indray andro, ary nampahafantatra azy fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. Nampianarin’izy ireo azy koa ny fiheveran’Andriamanitra ny sampy, ka faly be izy! Tena mafana fo amin’ny fanompoana izao io tovovavy io, ka mazoto mampianatra momba an’i Jehovah sy ny sitrapony.—Sal. 83:18; 115:4-8; 1 Jaona 5:21.

7. Ahoana no hanahafantsika ireo mpampianatra nitety ny tanàna rehetra, tamin’ny andron’i Josafata?

7 Mamita tsara ny faritany nanendrena antsika ve isika? Tsara homarihina fa naniraka andriana dimy sy Levita sivy ary mpisorona roa i Josafata, tamin’ny taona fahatelo nanjakany. Nasainy nitety ny tanàna rehetra izy ireo mba hampianatra ny olona ny lalàn’i Jehovah. Tena nataon’izy ireo tsara izany, ka lasa raiki-tahotra hatramin’ireo firenena nanodidina. (Vakio ny 2 Tantara 17:9, 10.) Ho afaka hiresaka amin’ny olona samihafa ao amin’ny tokantrano iray isika, raha manovaova ny andro sy ny ora iasantsika ny faritanintsika.

8. Inona no azontsika atao mba hanitarana ny fitoriantsika?

8 Maro ankehitriny ny mpanompon’Andriamanitra vonona handao ny fonenany, ary mifindra any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa. Afaka manao toy izany ve ianao? Na dia tsy afaka mifindra aza ny sasany amintsika, dia afaka mitory amin’ny olona miteny vahiny ao amin’ny faritanintsika ihany. Diniho ny nataon’i Ron, 81 taona. Misy olona avy any amin’ny firenena samihafa ao amin’ny faritaniny, ka nianatra fomba fiarahabana amin’ny fiteny 32 izy! Nahita mpivady afrikanina miteny yorobà izy teny an-dalana, ka noarahabainy tamin’ny fiteniny izy ireo. Nanontanian’izy mivady i Ron, raha efa tatsy Afrika. Rehefa namaly i Ron hoe “tsia”, dia nanontany izy ireo hoe ahoana no nahaizan’i Ron ny fiteniny. Afaka nitory tamin’izy ireo àry i Ron. Nandray gazety izy ireo, ary nanome ny adiresiny. Nalefan’i Ron tany amin’ny fiangonana mitory any amin’ny faritany misy azy mivady ilay adiresy, mba hahafahan’izy ireo hianatra Baiboly.

9. Nahoana no zava-dehibe ny hampiasantsika ny Baiboly rehefa eny amin’ny fanompoana? Manomeza ohatra.

9 Nitondra “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah” ireo mpampianatra nirahin’i Josafata. Miezaka mampiasa Baiboly koa isika rehefa manompo, satria Tenin’Andriamanitra izy io. Vakintsika mihitsy ireo andinin-teny, mba ho hitan’ny olona. Diniho izay nitranga tamin’ny Vavolombelona iray atao hoe Linda. Nilaza taminy ny vehivavy iray nitoriany fa sahirana mikarakara ny vadiny tapaka lalan-dra. Nitaraina ilay vehivavy hoe: “Fa inona no nataoko, no avelan’Andriamanitra hitranga amiko izao?” Hoy i Linda: “Misy fampaherezana mba tiako homena anao ity.” Novakiny taminy ny Jakoba 1:13, ary hoy izy: “Tsy sazy avy amin’Andriamanitra mihitsy ny fahoriana manjo antsika sy ny havantsika.” Namihina an’i Linda ilay vehivavy rehefa nandre izany. Niaiky i Linda hoe: “Ny Baiboly no nahafahako nampahery azy. Vaovao tanteraka amin’ny olona indraindray ny andinin-teny vakintsika aminy.” Lasa nianatra Baiboly ilay vehivavy.

Tanora mazoto manompo

10. Nahoana no modely ho an’ny ankizy sy tanora kristianina ankehitriny i Josia?

10 Hitantsika tetsy aloha, fa mbola kely i Josia dia efa nanaraka ny fivavahana marina, ary 20 taona teo ho eo izy rehefa nanao ilay ezaka manokana hanafoanana ny fanompoan-tsampy. (Vakio ny 2 Tantara 34:1-3.) Maro be koa ankehitriny ny ankizy sy tanora mazoto manompo.

11-13. Inona no ianarantsika avy amin’ireo tanora mazoto manompo an’i Jehovah?

11 Tovovavy mipetraka any Angletera i Hannah. Tamin’izy 13 taona, dia reny fa lasa nisy antoko-mpitory miteny frantsay tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra ny misy azy. Nianatra teny frantsay izy tany am-pianarana ka naniry hanampy ilay antoko-mpitory. Nanaiky hiaraka aminy hamonjy fivoriana any àry ny rainy. Efa 18 taona izao i Hannah, ary mpisava lalana mazoto ao amin’ilay antoko-mpitory miteny frantsay. Afaka mianatra teny vahiny koa ve ianao mba hanampiana ny hafa hianatra momba an’i Jehovah?

12 Tena tian’i Rachel ilay video hoe Miezaha Hanatratra Tanjona Manome Voninahitra An’Andriamanitra. Tamin’ny 1995 izy no nanomboka nanompo an’i Jehovah. Hoy izy momba ny toe-tsainy tamin’izany: “Nihevitra aho fa tena nafana fo tamin’ny fahamarinana.” Hoy anefa izy avy eo: “Taorian’ny nijereko an’iny video iny, vao tsapako fa hay nianina tamin’ireo zavatra tsy maintsy natao fotsiny aho. Mila miezaka mafy kokoa aho mba hanarahana ny fahamarinana sy hianarana samirery ary hanompoana.” Tsapan’i Rachel izao fa mihamafana fo amin’ny fanompoana izy. Inona no vokatr’izany? “Mihatsara ny fifandraisako amin’i Jehovah”, hoy izy. “Lasa misy dikany kokoa ny vavaka ataoko, lalina sy mahafinaritra kokoa ny fianarako samirery, ary mitombo ny finoako an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Tena ankafiziko izao ny fanompoana, ary faly be aho mahita ny hafa ampaherezin’ny tenin’i Jehovah.”

13 I Luke dia anisan’ireo tanora nankafy an’ilay video hoe Manontany ny TanoraInona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana? Hoy izy rehefa avy nijery an’ilay izy: “Nandinika ny fiainako indray aho. Nampirisihina hanao fianarana ambony aho mba hahazoako asa be karama, ary aorian’izay vao hanatratra tanjona mifandray amin’ny fanompoana. Tsy nanatsara ny fifandraisako tamin’i Jehovah anefa izany fa vao mainka aza nandrava azy io.” Ry rahalahy sy anabavy tanora, afaka manao toa an’i Hannah ve ianareo ka hampiasa ny zavatra nianaranareo mba hanitarana ny fanompoana? Azonareo atao koa ny manahaka an’i Rachel, ka miezaka manatratra tanjona manome voninahitra an’Andriamanitra. Tahafo i Luke, ka aza manaiky ho tratran’ny fandrika mahavoa ny tanora maro.

Mazotoa manaraka fampitandremana

14. Inona no takin’i Jehovah amin’ny mpivavaka aminy, ary nahoana izany no sarotra ankehitriny?

14 Tokony hadio ny vahoakan’i Jehovah, raha tian’izy ireo hekeny ny fanompoany. Nampitandrina toy izao i Isaia: “Mialà, mialà, mivoaha avy ao, ary aza mikasika an’izay maloto! Mivoaha avy ao aminy [Babylona], ary aoka hadio ianareo izay mitondra ny fitaovan’i Jehovah.” (Isaia 52:11) Taona maro talohan’ny nanoratan’i Isaia an’izany i Asa no efa nanao ezaka manokana hanafoanana ny fitondran-tena maloto tany Joda. (Vakio ny 1 Mpanjaka 15:11-13.) Nilaza tamin’i Titosy koa ny apostoly Paoly, taonjato maro tatỳ aoriana, fa nanolotra ny tenany i Jesosy mba hanadiovany ny mpanara-dia azy, ka hahatonga azy ireo ho “firenena iray ho azy manokana, dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.” (Tit. 2:14) Tena sarotra ny manana fitondran-tena madio ankehitriny, indrindra fa ho an’ny tanora. Maloto fitondran-tena mantsy ny olona. Tsy maintsy miady mafy ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, na tanora na antitra, mba tsy hijery sary manaitra ny filan’ny nofo na sary vetaveta, amin’ny takelaka misy dokam-barotra, tele, filma, ary Internet.

15. Inona no hanampy antsika hankahala ny ratsy?

15 Hankahala ny ratsy isika raha mazoto manaraka ny fampitandreman’Andriamanitra. (Sal. 97:10; Rom. 12:9) Nilaza ny rahalahy iray fa “tena mahery” ny fisarihan’ny boky sy sary vetaveta. Tsy maintsy miezaka mafy àry isika mba tsy ho voasarik’izy ireny. Hankahala an’ireny isika raha mieritreritra ny loza lehibe aterany. Nisy rahalahy zatra nijery sary vetaveta tao amin’ny Internet. Niezaka mafy niala tamin’izany anefa izy. Inona no nataony? Nafindrany teo amin’ny toerana mora tazan’ny ankohonany ny ordinaterany. Ankoatra izany, dia tapa-kevitra tanteraka ny hanadio ny tenany sy hazoto amin’ny asa tsara izy. Nanapa-kevitra koa anefa izy fa tsy hampiasa Internet, raha tsy eo anilany eo mihitsy ny vadiny. Tsy maintsy mampiasa Internet mantsy izy, amin’ny asany.

Sarobidy ny fitondran-tena tsara

16, 17. Inona no vokany raha tsara toetra sy mazoto miasa isika? Manomeza ohatra.

16 Manana toe-tsaina tsara tokoa ireo tanora manompo an’i Jehovah, ka mahavariana ny olona! (Vakio ny 1 Petera 2:12.) Niova ny fiheveran’ny lehilahy iray ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa avy nikojakoja milina fanaovana pirinty tao amin’ny Betelan’i Londres izy, nandritra ny iray andro. Nahamarika an’ilay fiovana ny vadiny, izay nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona. Tsy tian’io lehilahy io hiditra tao an-tranony ny Vavolombelona, teo aloha. Nanjary niresaka zavatra tsara maro momba azy ireo anefa izy. Tsara fanahy taminy mantsy ireo mpiasan’ny Betela. Nilaza izy fa tsy nisy niteny ratsy izy ireo, nanam-paharetana, ary nifanaraka tsara. Tena variana izy rehefa nahafantatra fa tsy mikarama ireo tanora ireo, nefa mazoto miasa ary manome an-tsitrapo ny fotoanany sy ny heriny mba hamoahana boky momba ny vaovao tsara.

17 Manao ny asany amin’ny fo manontolo koa ireo rahalahy sy anabavy mamelona ankohonana. (Kol. 3:23, 24) Matetika izany no mahatonga azy ireo hateza amin’ny asany. Tian’ny mpampiasa mantsy ny fomba fiasan’izy ireo ka tsy te handroaka azy izy.

18. Ahoana no hampisehoantsika fa “mazoto amin’ny asa tsara” isika?

18 Ahoana no hampisehoantsika fa mafana fo ho an’ny tranon’i Jehovah isika? Mila mitoky aminy isika, mankatò ny toromariny, ary mikarakara ny toerana ivoriantsika. Hanao izay fara herintsika koa isika eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana. Handray soa maro isika, na tanora na zokiolona, raha miezaka mafy manaraka ireo fitsipiky ny fivavahana madio. Ary hiharihary hatrany fa firenena “mazoto amin’ny asa tsara” isika.—Tit. 2:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Mety ho ireo toerana avo nanompoan’ny olona sampy no noravan’i Asa, fa tsy ireo nanompoana an’i Jehovah. Na koa mety ho natsangan’ny olona indray izy ireny, tamin’ireo taona faramparany nanjakan’i Asa, ary ireny no noravan’i Josafata zanany.—1 Mpanj. 15:14; 2 Tan. 15:17.

Rehefa avy nijery ireo modely fahiny sy ankehitriny ianao

• ahoana no hampisehoanao fa mafana fo amin’ny fitoriana sy fampianarana ianao?

• ahoana no hampisehoan’ny ankizy sy ny tanora fa “mazoto amin’ny asa tsara” izy ireo?

• ahoana no hialana amin’ny fahazaran-dratsy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Mampiasa Baiboly foana ve ianao eny amin’ny fanompoana?

[Sary, pejy 15]

Mianara teny vahiny any am-pianarana, fa mety hanampy anao hanitatra ny fanompoanao izany