Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Milazà ny Marina Amin’ny Namanareo Avy

Milazà ny Marina Amin’ny Namanareo Avy

Milazà ny Marina Amin’ny Namanareo Avy

‘Koa satria efa narianareo ny lainga, dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.’—EFES. 4:25.

1, 2. Inona avy no hevitry ny olona momba ny marina?

EFA hatry ny ela ny olona no tsy nitovy hevitra momba ny marina. Nilaza toy izao, ohatra, i Alcée, poety grika tamin’ny taona 580 T.K. tany ho any: “Ao amin’ny divay no misy ny marina.” Toa te hilaza izy fa tsy milaza ny marina ny olona, raha tsy avy misotro divay be. Mety ho maresaka kokoa mantsy izy amin’izay. Hita fa nanana ny heviny momba ny marina koa i Pontio Pilato, governora romanina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nanontany an’i Jesosy hoe: “Inona ny marina?” (Jaona 18:38) Mety ho te hilaza izy tamin’izay hoe samy manana ny heviny momba ny marina ny olona.

2 Samy hafa koa ny hevitry ny olona ankehitriny momba ny marina. Maro no mihevitra fa tsy voatery holazaina foana ny marina rehetra, ary samy manana ny marina aminy ny tsirairay. Misy indray tsy milaza ny marina, raha tsy hitany hoe mahasoa azy eo no ho eo izany, na tsy manahirana azy. Hoy ny boky hoe Ilaina ny Mandainga (anglisy): “Ekena fa tena tsara ny milaza ny marina. Tsy dia manampy anefa izany amin’izao adim-piainana atrehintsika izao. Tsy manan-tsafidy ny olona, fa tsy maintsy mandainga raha te ho velona foana.”

3. Inona no modely navelan’i Jesosy ho antsika?

3 Tsy manao toy izany mihitsy ny mpianatr’i Kristy. Tsy izany koa ny fiheveran’i Jesosy ny marina. Nilaza ny marina foana izy, ary na ny fahavalony aza niaiky an’izany. Hoy izy ireo: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, sady marina ny fampianaranao ny lalan’Andriamanitra.” (Mat. 22:16) Tsy misalasala milaza ny marina toa an’i Jesosy koa ny tena Kristianina ankehitriny. Eken’izy ireo ny fampirisihan’ny apostoly Paoly hoe: ‘Koa satria efa narianareo ny lainga, dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.’ (Efes. 4:25) Misy fanontaniana telo mifandray amin’izany ireto hodinihintsika: Iza no namantsika? Inona no atao hoe milaza ny marina? Ahoana no hilazana ny marina eo amin’ny fiainana andavanandro?

Iza no namantsika?

4. Ahoana no ahitana fa nanahaka ny fomba fihevitr’i Jehovah ny atao hoe ‘namana’ i Jesosy?

4 Nisy mpitondra fivavahana jiosy nampianatra fa ny Jiosy ihany, na izay Jiosy mifandray akaiky aminy, no azony atao hoe ‘namana.’ Tsy izany anefa no fomba fihevitr’i Jesosy, izay nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy sy ny fomba fisainany. (Jaona 14:9) Nasehony tamin’ny mpianany fa tsy misy firazanana na firenena tian’Andriamanitra kokoa noho ny hafa. (Jaona 4:5-26) Nampahafantarin’i Jehovah ny apostoly Petera koa hoe ‘tsy mizaha tavan’olona Izy, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.’ (Asa. 10:28, 34, 35) Tokony hoheverintsika ho ‘namana’ sy hotiavintsika àry ny olona rehetra, na dia ireo manao zavatra toy ny ataon’ny fahavalo aza.—Mat. 5:43-45.

5. Inona no dikan’ny hoe milaza ny marina?

5 Ary ahoana ilay hoe ‘milaza ny marina amin’ny namana’? Ny dikan’ny hoe milaza ny marina dia milaza ny tena zava-misy, ary tsy mamitaka. Ny tena Kristianina dia tsy minia milaza zavatra diso mba hamitahana olona. ‘Mankahala ny ratsy’ izy ireo, ary ‘mifikitra amin’ny tsara.’ (Rom. 12:9) Tokony hilaza ny marina sy hanao ny marina foana àry isika, satria manahaka an’ilay “Andriamanitry ny fahamarinana.” (Sal. 15:1, 2; 31:5) Na amin’ny toe-javatra mahamenatra aza, dia tsy voatery hanao teny mamitaka isika, fa mila mifidy tsara ny teny lazaintsika fotsiny, dia ho voalamina ilay izy.—Vakio ny Kolosianina 3:9, 10.

6, 7. a) Tsy maintsy lazaina amin’izay rehetra manontany ve ny tsipiriany rehetra momba ny zavatra iray? Nahoana? b) Iza no mendrika hilazana ny marina rehetra?

6 Ny hoe milaza ny marina ve midika fa tokony holazaina amin’izay rehetra manontany ny tsipiriany rehetra momba ny zavatra iray? Tsy voatery ho izany. Nasehon’i Jesosy fa misy olona tsy tokony homena valin-teny mivantana, na hilazana zavatra sasany. Nisy mpitondra fivavahana mihatsaravelatsihy, ohatra, nanontany azy hoe fahefana avy aiza no anaovany famantarana sy fahagagana. Namaly izy hoe: “Hanontany zavatra iray aminareo aho. Koa raha valianareo aho, dia holazaiko aminareo koa hoe avy aiza ny fahefana anaovako an’izao.” Tsy nety namaly anefa izy ireo, ka hoy i Jesosy: “Izaho koa tsy hilaza aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an’izao.” (Mar. 11:27-33) Tamin’i Jesosy, dia tsy voatery novaliana ilay fanontaniana, satria fantany fa ratsy toetra sy tsy nanam-pinoana izy ireo. (Mat. 12:10-14; 23:27, 28) Mila mitandrina toy izany koa ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. Misy mpivadi-pinoana sy olon-dratsy mantsy mametsifetsy sy mamitaka, mba hahazoany tombontsoa.—Mat. 10:16; Efes. 4:14.

7 Nasehon’i Paoly koa fa misy olona tsy mendrika hilazana ny zava-drehetra. Nilaza izy fa misy olona ‘mpifosafosa sy mitsabaka amin’ny fiainan’ny olona, ka miresaka zavatra tsy tokony horesahiny.’ (1 Tim. 5:13) Raha misy tokoa olona midikiditra amin’ny fiainan’ny hafa, na tsy mahatana tsiambaratelo, dia mety tsy hiresaka zavatra sasany aminy ny olona. Araho àry ity torohevitr’i Paoly ity: ‘Ataovy tanjona ny hiaina amim-pilaminana, sy ny tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa.’ (1 Tes. 4:11) Mety hanontany momba ny fiainantsika anefa ny anti-panahy, rehefa manao ny andraikiny. Mila miara-miasa amin’izy ireny isika, ka hilaza ny marina. Manampy be dia be azy ireo izany, ary tena ankasitrahany.—1 Pet. 5:2.

Milazà ny marina amin’ny fianakavianao

8. Nahoana no lasa mifandray tsara kokoa ny mpianakavy, rehefa samy milaza ny marina?

8 Ny mpianakavintsika mazàna no olona akaiky antsika indrindra. Tokony hilaza ny marina àry ny mpianakavy tsirairay, mba hifandray tsara kokoa. Ho voasoroka na ho voalamina ny tsy fifankahazoan-kevitra sy ny olana maro, raha toa isika milaza ny marina sy milaza izay tena ao am-pontsika ary miteny amin-katsaram-panahy. Raha nisy tsy nety nataonao, ohatra, tamin’ny vadinao, na ny zanakao, na ny mpianakavy hafa akaiky anao, moa ve ianao miaiky ny fahadisoanao aminy? Tadidio fa mampifandray tsara ny mpianakavy sy mampiray saina, ny fialan-tsiny vokatry ny fo.—Vakio ny 1 Petera 3:8-10.

9. Nahoana isika no tsy tokony hivantambantam-piteny, na dia milaza ny marina aza?

9 Na milaza ny marina aza isika, dia tsy tokony hivantambantam-piteny, na tsy hiraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa. Tsy izany mantsy no hahatonga ny tenintsika hanan-kery kokoa. Hoy i Paoly: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra. Aoka kosa ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.” (Efes. 4:31, 32) Hanan-kery kokoa ny zavatra lazaintsika ary hanaja olona isika, raha miteny amin-katsaram-panahy sy mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa.—Mat. 23:12.

Milazà ny marina amin’ny fiangonana

10. Inona no ianaran’ny anti-panahy avy amin’i Jesosy momba ny filazana ny marina?

10 Nampiasa teny tsotra i Jesosy sady tsy niolakolaka, rehefa niresaka tamin’ny mpianany. Nanome torohevitra tamim-pitiavana foana izy, nefa tsy namboamboariny ny marina na dia mety hampahatezitra olona aza. (Jaona 15:9-12) Nanam-paharetana, ohatra, izy rehefa nanampy ny apostoliny, izay nifanditra matetika ny amin’izay lehibe kokoa. Hentitra koa anefa izy nilaza tamin’izy ireo fa ilaina ny manetry tena. (Marka 9:33-37; Lioka 9:46-48; 22:24-27; Jaona 13:14) Toy izany koa ny anti-panahy ankehitriny. Tsy manjakazaka amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra izy ireo, na dia hentitra aza rehefa mampihatra fitsipika. (Marka 10:42-44) Manahaka an’i Kristy izy ireo, ka “tsara fanahy” amin’izy samy izy, ary ‘mangoraka’ rehefa mifandray amin’ny hafa.

11. Ahoana no tokony ho fomba firesatsika amin’ny mpiray finoana, raha tia azy ireo isika?

11 Raha milaza ny marina isika nefa tsy mivantambantam-piteny, rehefa miresaka amin’ny mpiray finoana, dia ho afaka hampita ny hevitsika nefa tsy hanafintohina. Tsy tokony hataontsika “maranitra toy ny hareza” mihitsy ny lelantsika, ka hiteny zavatra manafintohina na manambany olona, mba handratrana ny fony. (Sal. 52:2; Ohab. 12:18) Tia an’ireo rahalahy kosa isika, ka ‘tandremantsika tsy hilaza zava-dratsy ny lelantsika, ary tandremantsika tsy hiteny fitaka ny molotsika.’ (Sal. 34:13) Hanome voninahitra an’Andriamanitra isika amin’izay, sady hampisy firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana.

12. Rahoviana ny olona mandainga no mila ananganana komitim-pitsarana?

12 Mandainga ny olona sasany satria te hanisy ratsy ny hafa. Tsy teny mamitaka fotsiny ilay lainga resahina eto, ary tsy fanitaran-dresaka fotsiny koa. Natao hampijaliana na hampahoriana ny hafa mihitsy ilay izy. (Vakio ny Jakoba 3:14-16.) Miezaka mafy hiaro ny fiangonana amin’ireny olona ireny ny anti-panahy. Mazava ho azy fa ratsy daholo rehefa lainga. Tsy izay olona milaza zavatra tsy marina anefa dia ananganana komitim-pitsarana. Mila mahay mandanjalanja sy mandinika tsara àry ny anti-panahy, rehefa misy olona manao toy izany. Mila fantarin’izy ireo hoe mila ananganana komitim-pitsarana ve ilay olona, sa ampy raha omena torohevitra ara-baiboly izy, ka anarina amin’ny fomba hentitra sy amim-pitiavana. Mila ananganana komitim-pitsarana izy, raha hita fa minia mandainga mba hahavoa ny hafa, sady efa zatra an’izany.

Milazà ny marina eo amin’ny resaka asa

13, 14. a) Inona no mampiseho fa tsy manao ny marina amin’ny mpampiasa azy ny olona? b) Inona no mety hitranga, raha manao ny marina isika any am-piasana?

13 Betsaka ny olona tsy manao ny marina, ka mety hiady mafy isika mba tsy hanao toa azy ireny. Mandainga, ohatra, ny olona maro rehefa mameno taratasy fangatahana asa. Manitatra izy rehefa manoratra momba ny asa efa nataony sy ny fianarana vitany, satria te hahazo asa tsara na be karama kokoa. Maro koa ny mpiasa manao zavatra tsy mifandray amin’ny asany, mandritra ny ora fiasana, na dia tsy azo atao aza izany. Mamaky boky izy, ohatra, na miresaka an-telefaonina, na mandefa hafatra amin’ny ordinatera, na mijery Internet.

14 Amin’ny tena Kristianina kosa, dia tsy safidy ny fanaovana ny marina, fa tsy maintsy atao. (Vakio ny Ohabolana 6:16-19.) ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra isika’, hoy i Paoly. (Heb. 13:18) Miasa tsara àry ny Kristianina mandritra ny ora fiasana, ho setrin’ny karama omen’ny mpampiasa azy. (Efes. 6:5-8) Raha miasa tsara koa isika, dia mety hidera an’ilay Raintsika any an-danitra ny olona. (1 Pet. 2:12) Izany, ohatra, no nitranga tany Espaina. Nidera an’i Roberto ny mpampiasa azy noho izy nanao ny marina sy niasa tsara. Vokatr’izany, dia nisy rahalahy 23 sy mpianatra Baiboly 8 tafiditra niasa tao amin’ilay orinasa. Tena niasa tsara koa ireo.

15. Inona no tsy tokony hataon’ny Kristianina miasa tena, raha milaza ny marina izy?

15 Ary ahoana raha manao asa tena isika? Milaza ny marina foana ve isika sa indraindray ihany? Tsy tokony hilaza zavatra diso momba ny entany na ny asa ataony ny Kristianina, mba hahatonga ny entany ho lafo haingana, na mba hahitany olona hanakarama azy. Tsy tokony hanao tsolotra, na handray tsolotra koa isika. Izay tiantsika hataon’ny olona amintsika no ataontsika aminy.—Ohab. 11:1; Lioka 6:31.

Milazà ny marina amin’ny fanjakana

16. a) Ahoana no hanomezantsika a) ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara? b) ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra?

16 Hoy i Jesosy: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ (Mat. 22:21) Ny manam-pahefana no tiana holazaina amin’ny hoe “Kaisara”, ary resaka hetra no nahatonga an’i Jesosy hilaza an’ireo teny ireo. Raha te hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona àry ny Kristianina, dia mila mankatò lalàna, anisan’izany ny fandoavan-ketra. (Rom. 13:5, 6) Ekentsika anefa fa i Jehovah no Mpanjaka Fara Tampony. Izy irery ihany no tena Andriamanitra, izay tiantsika amin’ny fontsika sy ny saintsika ary ny herintsika manontolo. (Mar. 12:30; Apok. 4:11) I Jehovah Andriamanitra àry no tena ankatoavintsika.—Vakio ny Salamo 86:11, 12.

17. Ahoana ny hevitry ny vahoakan’i Jehovah momba ny fanampiana omen’ny fanjakana?

17 Manampy ny olona sahirana ny fanjakana any amin’ny tany maro. Afaka mandray izany fanampiana izany ny Kristianina, raha mahafeno fepetra amin’izany. Ny ‘milaza ny marina amin’ny namana’ mantsy, dia midika koa hoe tsy milaza zavatra diso na mamitaka amin’ny fanjakana, mba hahazoana fanampiana.

Mahasoa ny milaza ny marina

18-20. Inona no soa ho azontsika, raha ‘milaza ny marina amin’ny namantsika’ isika?

18 Maro ny soa azo rehefa milaza ny marina. Hanana feon’ny fieritreretana madio isika, ka hilamin-tsaina sy hanana fo tony. (Ohab. 14:30; Fil. 4:6, 7) Tena tian’Andriamanitra ny olona manana feon’ny fieritreretana madio toy izany. Raha milaza ny marina foana koa isika, dia tsy hitaintaina toy ireo olona mandainga, izay manahy sao ho tratra ny laingany.—1 Tim. 5:24.

19 Nilaza koa i Paoly fa raha milaza ny marina isika, dia hiharihary amin’ny olona fa “mpanompon’Andriamanitra” isika. (2 Kor. 6:4, 7) Manamarina izany ny zava-nitranga tany Grande-Bretagne. Nivarotra fiara ny Vavolombelona iray, ary nisy olona naniry hividy an’ilay izy. Nolazainy tamin’ilay olona daholo ny zavatra tsara sy ratsy tamin’ilay fiara, anisan’izany ny zavatra efa simba nefa tsy taza-maso. Nitondra kely an’ilay fiara ilay olona, ary avy eo nanontany an’ilay rahalahy raha Vavolombelon’i Jehovah izy. Nahoana izy no nieritreritra an’izany? Satria nilaza ny marina ilay rahalahy sady nanao fitafiana nilamina tsara. Afaka nitory tamin’ilay olona ilay Vavolombelona, taorian’izay.

20 Nanjary nidera ny Mpamorona koa ve ny olona, noho ianao nanao ny marina? Nilaza i Paoly fa ‘efa nialantsika ny zava-mahamenatra afenimpenina, ka tsy manao zavatra amin-kafetsena isika.’ (2 Kor. 4:2) Aoka àry isika hiezaka mafy ‘hilaza ny marina amin’ny namantsika.’ Hanome voninahitra an’i Jehovah sy ny vahoakany isika amin’izay.

Ahoana no Havalinao?

• Iza no namantsika?

• Inona no dikan’ny hoe ‘milaza ny marina amin’ny namana’?

• Nahoana no lazaina fa manome voninahitra an’Andriamanitra ny filazana ny marina?

• Inona no soa ho azontsika raha milaza ny marina isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Vonona hiaiky ny fahadisoana kely nataonao ve ianao?

[Sary, pejy 18]

Milaza ny marina ve ianao rehefa mameno taratasy fangatahana asa?