Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azoko Avaly An’i Jehovah?

Inona no Azoko Avaly An’i Jehovah?

Inona no Azoko Avaly An’i Jehovah?

Notantarain’i Ruth Danner

Nivazivazy i Neny rehefa nilaza fa taona feno loza ny taona 1933. Nandray fahefana mantsy i Hitler tamin’io, nolazain’ny Papa fa Taona Masina ilay izy, ary tamin’io taona io koa aho no teraka.

NIPETRAKA tany Yutz, tanàna manan-tantara eto Frantsa ny ray aman-dreniko. Any Lorraine, akaikin’ny sisin-tanin’i Alemaina no misy azy io. Katolika nafana fo i Neny ary Protestanta kosa i Dada. Nivady izy ireo tamin’ny 1921. Teraka i Helen zokiko vavy tamin’ny 1922, ary nataon’izy ireo batisa tany amin’ny Katolika tamin’izy mbola kely.

Nahazo an’ilay boky Ny Harpan’Andriamanitra tamin’ny teny alemà i Dada, tamin’ny 1925. Niaiky izy fa nahita ny fahamarinana rehefa namaky azy io. Nanoratra tany amin’ny mpampanonta an’ilay boky izy, ary nataon’izy ireo izay hifandraisany tamin’ny Bibelforscher. Izany no nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina tamin’izany. Tonga dia nitory an’izay zavatra nianarany i Dada. Tsy azoazon’i Neny anefa izany, ka hoy izy taminy: “Ataovy izay tianao, fa aza miarakaraka amin’ireny Bibelforscher ireny fotsiny!” Tamin’ny teny alemà nahafatifaty no nilazany izany. Tsy laitra nakisoka anefa i Dada ka natao batisa tamin’ny 1927.

Nampirisihin-dreniny hisaraka àry i Neny. Nampitandrina ny mpiangona tao aminy ny mompera, indray andro, mba “tsy hifandray amin’i Danner, mpaminany sandoka.” Rehefa avy namonjy an’ilay Lamesa ny renibeko, dia notorahany tavim-boninkazo avy tany ambony rihana i Dada. Soa ihany fa ny sorony no voan’ilay tavim-boninkazo be fa tsy ny lohany. Noho iny zava-nitranga iny dia nieritreritra i Neny hoe: ‘Fivavahana mampirisika hamono olona ve dia mba fivavahana tsara?’ Namaky ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy nanomboka teo. Tsy ela dia niaiky izy fa nahita ny fahamarinana, ka natao batisa tamin’ny 1929.

Niezaka mafy ny ray aman-dreniko nanampy anay mirahavavy hahatakatra fa tena misy i Jehovah. Namakiany tantara ara-baiboly izahay, ary nanontaniany hoe nahoana ireo olona voaresaka ao no nanao an’ilay zavatra nataony. Te hanatrika fivoriana sy hanompo ary hianatra Baiboly niaraka tamin-janany i Dada, ka tsy nety niasa alina, na dia kely aza ny karamany.

Nanomboka ny fotoan-tsarotra

Nazoto nampiantrano mpiandraikitra mpitety faritany sy Betelita avy any Soisa sy Frantsa ny ray aman-dreniko. Notantarain’izy ireny taminay ny fahasahiranan’ny mpiray finoana tany Alemaina, izay kilaometatra vitsivitsy monja niala teo aminay. Nalefan’ny Nazia tany amin’ny toby fitanana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nosarahiny tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizy.

Efa nampiomanina hiatrika olana izahay sy Helen. Nampian’i Dada sy Neny izahay hitadidy andinin-teny hitari-dalana anay. Hoy izy ireo: “Rehefa tsy hitanareo izay atao, dia eritrereto ny Ohabolana 3:5, 6. Raha matahotra ianareo noho ny fitsapana any am-pianarana, dia tadidio ny 1 Korintianina 10:13. Raha tafasaraka isika, dia averimbereno ny Ohabolana 18:10.” Nianarako tsianjery ny Salamo 23 sy 91, ka lasa natoky aho fa hiaro ahy foana i Jehovah.

Lasan’ny Nazia i Alsace-Lorraine tamin’ny 1940, ary nasainy niditra tamin’ny antokony ny olon-dehibe rehetra. Nanda i Dada ka norahonan’ny polisy miafina na Gestapo hoe hosamboriny. Nampitahoriny koa i Neny rehefa tsy nety nanjaitra fanamian’ny miaramila.

Mafy ny nahazo ahy tany am-pianarana. Nivavaka ho an’i Hitler ny mpianatra isa-maraina, nanao ny fombafomba fiarahabana azy, na ny “Heil Hitler”, ary nanao ny hiram-pirenena. Nahinjitra ny tanana havanana tamin’izany rehetra izany. Tsy nandrara ahy tsy hanao an’izany ry Dada sy Neny, fa nanampy ahy kosa hampiasa tsara ny feon’ny fieritreretako. Izaho mihitsy àry no tapa-kevitra ny tsy handray anjara tamin’ireny. Notefahin’ny mpampianatra aho, ary nampitahoriny hoe horoahina. Nanandrana nanery ahy hanao ny “Heil Hitler” ny mpampianatra 12, indray mandeha, tamin’izaho fito taona. Nampian’i Jehovah anefa aho ka tsy nivadika mihitsy.

Nisy mpampianatra mody nanambitamby ahy. Mahay, hono, aho ary tena tiany, ka halahelo be izy raha roahina aho. Hoy izy: “Tsy voatery manainga tanana ambony be ange indrỳ e! Ingao kely fotsiny ilay izy. Tsy voatery hiteny koa indrỳ hoe ‘Heil Hitler!’ Mody ahetsiketseho fotsiny ny molotr’indrỳ.”

Notantaraiko tamin’i Neny izay nataon’ilay mpampianatra. Nampahatsiahiviny ahy ny nataon’ireo Hebreo telo lahy, teo anoloan’ilay sary natsangan’ny mpanjakan’i Babylona. Hoy izy: “Nasaina naninona ry zareo?” “Hiankohoka”, hoy aho. “Nety ve raha niondrika namatotra ny kapany ry zareo tamin’ilay fotoana tokony hiankohofany? Mieritrereta tsara, dia ataovy izay hitanao fa mety.” Tapa-kevitra ny tsy hivadika tamin’i Jehovah aho, toa an-dry Sadraka sy Mesaka ary Abednego.—Dan. 3:1, 13-18.

Imbetsaka aho no noroahin’ny mpampianatra, ary nampitahoriny hoe hosarahina amin’i Dada sy Neny. Nitebiteby be aho, nefa nampahery ahy foana ny ray aman-dreniko. Rehefa handeha hianatra aho dia niara-nivavaka tamiko i Neny, ary nangataka an’i Jehovah hiaro ahy. Fantatro fa hanampy ahy hanao ny marina foana i Jehovah. (2 Kor. 4:7) Raha mafy loatra ny fanerena any am-pianarana, hoy i Dada, dia modia. Hoy koa izy: “Tianay ianao, ary ho zanakay foana. Ianao mihitsy anefa no tokony tsy hivadika amin’i Jehovah.” Vao mainka àry aho tapa-kevitra ny tsy hivadika.—Joba 27:5.

Tonga matetika ny Gestapo mba haka am-bavany an’i Dada sy Neny, ary hisava ny tranonay sao nisy bokin’ny Vavolombelona tao. Nalain-dry zareo tany am-piasana i Dada sy Helen indraindray, ary nentiny koa i Neny ka tsy niverina raha tsy afaka ora maro. Isaky ny avy nianatra aho dia tsy fantatro mihitsy na ho ao an-trano i Neny na tsia. Olona teo akaikinay indraindray no niteny tamiko hoe: “Lasan-dry zareo any indray ny mamanareo.” Nihidy aman-trano aho avy eo, ary nieritreritra hoe: ‘Ampijalin-dry zareo ve izao i Neny? Mbola hahita azy ve aho?’

Natao sesitany

Nofohazin’ny Gestapo tamin’ny telo sy sasany maraina izahay, ny 28 Janoary 1943. Raha tsy miditra ao amin’ny antoko nazia, hono, izahay mianakavy dia hatao sesitany. Nomena adiny telo izahay hiomanana. Efa vonona tao anaty kitaponay anefa ny akanjonay sy ny Baiboly, satria efa niomana ho amin’io toe-javatra io i Neny. Nivavaka sy nifampahery àry no nataonay nandritra an’io fotoana io. Nampahatsiahy anay i Dada fa ‘tsy hisy hahasaraka anay amin’ny fitiavan’Andriamanitra.’—Rom. 8:35-39.

Niverina ny Gestapo. Tsy hohadinoiko mihitsy ny Rahavavy Anglade, efa zokiolona, nanao veloma anay sady nitomany. Nentin’ny Gestapo tany amin’ny garan’i Metz izahay. Tonga tany Kochlowice izahay rehefa avy nandeha fiarandalamby telo andro. Toby teo ambany fiahian’ilay tany Auschwitz, any Polonina, izy io. Nafindra tany Gliwice izahay, roa volana tatỳ aoriana. Tranon-drelijiozy izy io taloha fa novana ho toby fiasana an-terivozona. Nilaza ny Nazia fa raha nanao sonia taratasy fandavana ny finoanay izahay, dia hafahana sady haverina aminay ny fanananay. Tsy nanaiky i Dada sy Neny, ka hoy ny miaramila: “Tsy hody intsony izany ianareo.”

Nafindra tany Swietochlowice izahay, ny volana Jona. Tany ilay aretin’andoha mpahazo ahy no nanomboka. Narary ny rantsan-tanako, ary nesorin’ny dokotera tamin’izao ny hohoko, tsy nasiany fanadontoana. Tiako anefa ny asako tamin’izany satria irakiraky ny mpiambina aho, ary matetika no irahin-dry zareo tany amin’izay fivarota-mofo izay. Nisy vehivavy mpanome sakafo ahy tany.

Izahay mianakavy irery foana no nampiarahina hatreto. Nalefa tany amin’ny toby iray any Ząbkowice anefa izahay tamin’ny Oktobra 1943. Tao amin’ny efitra mifanolotra amin’ny tafon-trano izahay no natory ary farafara mifanaingina no natorianay. Nisy lehilahy sy vehivavy ary ankizy 60 teo ho eo koa niaraka taminay tao. Sakafo masiso tsy mahate hihinana no nomen’ny miaramila SS anay.

Tsy kivy mihitsy izahay na teo aza izany rehetra izany. Novakinay tao amin’ny Tilikambo Fiambenana fa mbola betsaka ny fitoriana hatao aorian’ny ady. Fantatray àry hoe nahoana izahay no nijaly, ary kely sisa dia hifarana izany.

Renay fa nihananatona ny tafiky ny Mpiray Dina, ka tsy maintsy ho resy ny Nazia. Tapa-kevitra ny hiala tao amin’ilay toby nisy anay ny SS, tamin’ny voalohandohan’ny taona 1945. Noterena handeha an-tongotra 240 kilaometatra teo ho eo izahay, ny 19 Febroary. Tonga tany Steinfels, any Alemaina izahay iray volana taorian’izay, ary notarihin’ny mpiambina hankany amin’ny toeram-pitrandrahana iray. Maro no nieritreritra hoe hovonoina izahay. Tonga anefa ny Mpiray Dina, ka nandositra ny SS ary avotra izahay.

Nanatratra tanjona

Naloto sy feno haofotsy izahay rehefa tafody tany Yutz, ny 5 Mey 1945, efa ho roa taona sy tapany taorian’ny nialanay tany. Efa hatramin’ny Febroary ny akanjonay no tsy nosoloana, ka nodoranay. Tsaroako i Neny niteny hoe: “Androany no ataovy ho andro tsara indrindra amin’ny fiainanareo. Tsy manana na inona na inona isika. Na ny akanjo anaovantsika aza tsy antsika akory. Tsy nisy nivadika na nanaiky lembenana anefa isika efa-mianaka.”

Niverina nianatra aho rehefa avy niala sasatra telo volana tany Soisa, ary tsy natahotra ny ho voaroaka intsony. Afaka nivory sy nitory malalaka tsara izahay sy ny mpiara-manompo nanomboka teo. Nanaporofo ampahibemaso ny voady nataoko tamin’i Jehovah aho, ny 28 Aogositra 1947, tamin’izaho 13 taona. Efa taona maro talohan’io anefa aho no nanao izany voady izany. I Dada no nanao batisa ahy tao amin’ny Reniranon’i Moselle. Te ho mpisava lalana avy hatrany aho nefa nasainy nianatra asa aloha. Nianatra nanjaitra àry aho. Notendrena ho mpisava lalana tany akaikin’i Thionville aho tamin’ny 1951, tamin’izaho 17 taona.

Nanatrika fivoriambe tany Paris aho tamin’io taona io, ary nanao fangatahana ho misionera. Mbola tsy ampy taona anefa aho, ka niteny ny Ranadahy Nathan Knorr hoe hotehiriziny aloha ilay fangatahako fa hilaina “any aoriana any.” Voaraiko ny fanasana hanatrika ny kilasy faha-21 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, tany South Lansing, Etazonia, tamin’ny Jona 1952.

Ny fiainako nandritra ilay sekoly sy taorian’izay

Sahirana aho matetika, rehefa niteny teo anoloan’ny olona maro. Tsy maintsy nanao izany tamin’ny teny anglisy anefa aho nandritra ilay sekoly. Be fitiavana ireo mpampianatra ka nanampy ahy. Nisy anadahy nanome ahy anaram-bosotra satria nitsiky be aho isaky ny menatra. Fa nahafinaritra aloha ilay sekoly e!

Natao tany amin’ny Yankee Stadium, any New York, ny fizarana diplaoma, ny 19 Jolay 1953. Voatendry hanompo tao Paris izahay sy Ida Candusso Seignobos. Natahotahotra aho nitory tamin’ny mpanankarena tao, nefa maromaro no nanetry tena ka nianatra Baiboly tamiko. Nanambady i Ida ary lasa tany Afrika tamin’ny 1956. Izaho kosa mbola nijanona tao Paris.

Nanambady Betelita aho tamin’ny 1960, ary lasa mpisava lalana manokana tany Chaumont sy Vichy izahay. Voan’ny tioberkilaozy aho, dimy taona tatỳ aoriana, ka tsy afaka nanao mpisava lalana intsony. Nalahelo be aho, satria ny hanompo manontolo andro no mba tanjoko efa hatramin’ny mbola kely. Nandao ahy ny vadiko, tsy ela taorian’izay, ary niaraka tamin’ny vehivavy hafa. Nampahery ahy anefa ny mpiara-manompo, tao anatin’ireny taona nahitako fahoriana ireny. Nitondra ny entako foana koa i Jehovah.—Sal. 68:19.

Mipetraka atỳ Louviers, eto akaikin’ny biraon’ny sampan’i Frantsa, aho izao. Faly aho na dia tsy salama aza, satria nanampy ahy foana i Jehovah. Manana toe-tsaina tsara aho hatramin’izao, noho ny fomba nitaizana ahy. Nampianatra ahy mantsy ny ray aman-dreniko fa tena misy i Jehovah, ka afaka ny hotiaviko sy hiresahako sady hamaly ny vavaka ataoko. “Inona [tokoa moa] no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?”—Sal. 116:12.

[Teny notsongaina, pejy 6]

‘Faly aho satria nanampy ahy foana i Jehovah’

[Sary, pejy 5]

Mitondra saron-tava fiarovana amin’ny gazy, tamin’izaho enin-taona

[Sary, pejy 5]

Niaraka tamin’ny misionera sy mpisava lalana tany Luxembourg, nandritra ny ezaka manokana iray, tamin’izaho 16 taona

[Sary, pejy 5]

Niaraka tamin’i Dada sy Neny tamin’ny fivoriambe (1953)