Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka ny ho Sambatra ny Mpitovo

Afaka ny ho Sambatra ny Mpitovo

Afaka ny ho Sambatra ny Mpitovo

TOY izao no fiafaran’ny tantara maro ho an’ny ankizy: “Nivady izy ireo ary sambatra avy eo.” Izany koa no hita matetika amin’ny filma sy tantara amin’ny boky. Toa midika izany fa tsy maintsy manambady ny olona vao ho sambatra! Mampirisika an’ireo mpitovo hanambady koa ny olona any amin’ny firenena maro. Hoy i Debby, tamin’izy 25 taona teo ho eo: “Hoatran’ny hoe tsy misy azon’ny ankizivavy atao afa-tsy ny manambady. Toa te hilaza ny olona fa manomboka eo amin’ny fanambadiana ny fiainana.”

Tsy toy izany ny fomba fijerin’ny olona tena tia an’Andriamanitra. Fanao teo amin’ny Israelita ny nanambady, nefa miresaka momba ny lehilahy sy vehivavy mpitovo koa ny Baiboly ary tena afa-po tamin’ny fiainany izy ireo. Ankehitriny, dia misy Kristianina mifidy ny tsy hanambady, ary misy mijanona ho mpitovo noho ny toe-javatra misy azy. Na inona na inona antony tsy anambadiany, ny fanontaniana lehibe mipetraka dia hoe: Ahoana no hahasambatra ny Kristianina mpitovo?

Tsy nanambady i Jesosy, ary ara-dalàna izany rehefa jerena ny asa nanendrena azy. Nilaza tamin’ny mpianany izy fa hisy amin’izy ireo ‘hitoetra ho’ mpitovo. (Mat. 19:10-12) Ny tiany holazaina dia hoe ho sambatra isika raha isika mihitsy no mifidy ny hijanona ho mpitovo, ary vonona hiaina mifanaraka amin’izany.

Misy tokoa olona mifidy ny tsy hanambady mba hanompoana an’Andriamanitra bebe kokoa. Amin’izy ireo ihany ve no mihatra io torohevitr’i Jesosy io? (1 Kor. 7:34, 35) Tsy voatery. Aoka hatao hoe te hanambady ny Kristianina iray, saingy mbola tsy mahita vady mety aminy. Hoy i Ana, anabavy mpitovo, izay 30 taona mahery: “Tsy nampoiziko ny zava-nitranga vao haingana. Nisy mpiara-miasa tamiko tsy Vavolombelona nangataka ahy ho vady. Faly aloha aho, nefa tsy navelako hitsiry tao am-poko ny fitiavana azy. Tiako mantsy raha olona afaka manampy ahy hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah no ho vadiko.”

Anabavy maro toa an’i Ana no maniry hanambady “ao amin’ny Tompo ihany”, ka tsy manambady olona tsy Vavolombelona. * (1 Kor. 7:39; 2 Kor. 6:14) Aleon’izy ireo àry aloha mitoetra ho mpitovo, mba hankatoavana ny torohevitr’Andriamanitra. Ahoana no ahitan’izy ireo fifaliana avy amin’izany?

Mijere lafy tsaran-javatra

Ny toe-tsaintsika no manampy antsika hanaiky ny zava-misy, na dia tsy araka ny nantenaintsika aza ilay izy. Hoy i Carmen, anabavy mpitovo, izay 40 taona mahery: “Mifaly amin’izay ananako aho, fa tsy manonofinofy an’izay tsy ananako.” Marina fa mety hahatsiaro ho manirery sy kivy isika indraindray. Manjo ny rahalahy sy anabavy rehetra ao amin’ny finoana anefa izany. Mampahery antsika ny mahalala izany ka mandrisika antsika hitoky amin’i Jehovah sy tsy hivadika. Nanampy mpitovo maro ho faly foana sy hiatrika olana hafa koa i Jehovah.—1 Pet. 5:9, 10.

Rahalahy sy anabavy kristianina maro no nahita fa tsara ny mijanona ho mpitovo. Hoy i Ester, anabavy mpitovo, izay 35 taona eo ho eo: “Amiko, ny fanalahidin’ny fahasambarana dia ny fahaizana mijery lafy tsaran-javatra.” Hoy koa i Carmen: “Inoako fa tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho ahy i Jehovah, raha ataoko loha laharana ilay Fanjakana, na manambady aho na tsia.” (Sal. 84:11) “Marina fa tsy nandeha araka ny nieritreretako azy ny fiainako, nefa sambatra aho ary ho sambatra foana.”

Ireo mpitovo ao amin’ny Baiboly

Tsy nieritreritra ny hijanona ho mpitovo ny zanakavavin’i Jefta. Ny voady nataon-drainy no nahatonga azy hanompo tao amin’ny toerana masina, nanomboka tamin’izy mbola tanora. Tsy nampoiziny izany, ka azo antoka fa nanova tanteraka ny fikasany sady tsy nifanaraka tamin’ny faniriany. Nitomany nandritra ny roa volana izy, rehefa takany fa tsy ho afaka ny hanambady sy hiteraka izy. Nanaiky ny zava-misy anefa izy, ary nanompo an-tsitrapo mandra-pahafatiny. Nidera azy isan-taona ireo vehivavy israelita, noho izy nahafoy tena.—Mpits. 11:36-40.

Mety ho nalahelo noho ny toe-javatra nisy azy ireo lehilahy sasany novosirina tamin’ny andron’i Isaia. Tsy lazain’ny Baiboly hoe inona no nahatonga azy ireo ho toy izany. Tsy afaka ny ho anisan’ny fiangonan’ny Israely izy ireo, ary tsy afaka manambady sy miteraka. (Deot. 23:1) Nahatakatra ny fihetseham-pon’izy ireo anefa i Jehovah, ary noderainy izy ireo satria mbola nankatò azy tamin’ny fo manontolo ihany. Nilaza izy fa homeny “tsangambato” sy ‘anarana maharitra ao an-tranony mandritra ny fotoana tsy voafetra’ izy ireo. Midika izany fa hahazo fiainana mandrakizay ireo olona tsy nivadika ireo, rehefa hanjaka ny Mesia. Tsy hanadino azy ireo mihitsy i Jehovah.—Isaia 56:3-5.

Hafa mihitsy ny toe-javatra niainan’i Jeremia. Voatendry ho mpaminany izy, ary nasain’Andriamanitra nijanona ho mpitovo, noho ny fotoan-tsarotra nisy tamin’izany sy ilay asa nanendrena azy. Hoy i Jehovah: “Aza manambady, ary aoka ianao tsy hanana zanakalahy na zanakavavy eto amin’ity toerana ity.” (Jer. 16:1-4) Tsy lazain’ny Baiboly hoe nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jeremia tamin’izay. Resahiny kosa fa nahafaly azy ny nanaraka ny tenin’i Jehovah. (Jer. 15:16) Azo antoka fa hitan’i Jeremia hoe fahendrena ny nanaraka an’ilay didy tsy hanambady, rehefa natao fahirano nandritra ny herintaona sy tapany i Jerosalema, taona maro tatỳ aoriana.—Fitom. 4:4, 10.

Fomba hanatsaranao ny fiainanao

Mpitovo ireo olona voaresaka teo ireo. Faly anefa izy ireo satria nifantoka tamin’ny fanompoana, ary nanampy azy i Jehovah. Tena ho tsara koa ny fiainantsika raha manao zavatra mahasoa isika. Efa nilaza ny Baiboly fa ho lasa tafika lehibe ireo vehivavy manambara ny vaovao tsara. (Sal. 68:11) Anisan’izany ireo vehivavy mpitovo an’arivony. Nahita vokatra izy ireo, ka maro taminy no nahazo zanaka ara-panahy be dia be.—Mar. 10:29, 30; 1 Tes. 2:7, 8.

“Lasa misy heviny ny fiainako rehefa nanao ny asan’ny mpisava lalana aho”, hoy i Loli, izay efa nanao an’io asa io nandritra ny 14 taona. “Tsy mahatsiaro ho manirery mihitsy aho na dia mpitovo aza, satria be atao foana. Afa-po aho isaky ny mifarana ny andro tsirairay, satria hitako fa tena manampy olona ny fanompoako. Tena mahafaly ahy izany.”

Anabavy maro no afaka nianatra fiteny hafa, ary nanitatra ny fanompoany ka nitory tamin’ny vahiny. Hoy i Ana, voaresaka teo aloha: “An’arivony ny vahiny ao amin’ilay tanàna misy anay.” Mahafaly azy ny mitory amin’ny olona miteny frantsay. “Lasa nahazo faritany vaovao aho ary nanjary tena nahafinaritra ny asa fitoriana, rehefa nianatra fiteny hain’ny ankamaroan’izy ireo aho.”

Matetika no tsy dia manana andraikitra ara-pianakaviana ny mpitovo. Nanararaotra an’izany ny sasany ka nifindra tany amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Mpitovo i Lidiana, izay 35 taona eo ho eo, ary nifindra tany amin’ny firenena ilana mpitory maro kokoa. Hoy izy: “Tena mino aho fa ho mora kokoa aminao ny hahazo namana sy hahatsapa hoe tiana, raha be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah ianao. Nahazo namana maro avy tamin’ny firenena samy hafa aho, ary tena nanatsara ny fiainako izany.”

Miresaka ny Baiboly fa nanan-janakavavy mpitovo efatra nahay naminany i Filipo, mpitory ny vaovao tsara. (Asa. 21:8, 9) Tsy maintsy ho nazoto nanompo toa an-drainy koa izy ireo. Mety ho nampiasa ny fahaizany naminany izy ireo mba hahasoa an’ireo Kristianina tany Kaisaria. (1 Kor. 14:1, 3) Anabavy mpitovo maro koa ankehitriny no mampahery ny hafa rehefa manatrika fivoriana tsy tapaka sy mandray anjara amin’izany.

Anisan’ny Kristianina tany Filipy i Lydia, ary midera azy ny Baiboly noho izy tia nandray vahiny. (Asa. 16:14, 15, 40) Mpitovo na maty vady angamba izy. Tena nalala-tanana izy, ka nandray mpiandraikitra mpitety faritany, toa an’i Paoly sy Silasy ary Lioka. Hahazo fitahiana koa isika raha malala-tanana.

Afaka mana-namana tia anao ianao

Marina fa mila manao zavatra mahasoa isika raha te hanatsara ny fiainantsika. Mila fitiavana koa anefa isika rehetra. Ahoana no hahazoan’ny mpitovo an’izany? Voalohany, eo foana i Jehovah izay tia antsika sy mampahery antsika ary vonona hihaino antsika. Nahatsapa ho “irery sy ory” i Davida Mpanjaka, indraindray. Fantany anefa fa afaka niantehitra tamin’i Jehovah foana izy. (Sal. 25:16; 55:22) Hoy izy: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.” (Sal. 27:10) Asain’Andriamanitra manatona azy ny mpanompony rehetra mba ho lasa namany akaiky.—Sal. 25:14; Jak. 2:23; 4:8.

Manana ray, reny, rahalahy, ary anabavy ara-panahy koa isika eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. Hanatsara ny fiainantsika ny fitiavan’izy ireo. (Mat. 19:29; 1 Pet. 2:17) Mpitovo maro no nandray soa rehefa nanahaka an’i Dorkasy. ‘Be tokoa [mantsy] ny asa soa vitan’i Dorkasy sy ny fiantrany ny mahantra.’ (Asa. 9:36, 39) Hoy i Loli: “Namana tena tia sy afaka mampahery ahy rehefa kivy no tadiaviko eo anivon’ny fiangonana. Miezaka ny ho tia sy hiahy ny hafa aho mba hanamafisako ny fifandraisanay. Nanompo niaraka tamin’ny fiangonana valo aho, ary nahita namana tsara foana. Tsy mitovy taona amiko ny sasany amin’izy ireo, fa efa be taona na mbola tanora.” Misy olona mila fitiavana sy namana eo anivon’ny fiangonana rehetra. Mety hanampy be azy ireo isika raha tena miahy azy. Ho afa-po koa isika satria sady tia no tiana.—Lioka 6:38.

Tsy hanadino Andriamanitra

Milaza ny Baiboly fa tsy maintsy mahafoy zavatra sasany ny Kristianina rehetra, amin’izao fotoan-tsarotra iainantsika izao. (1 Kor. 7:29-31) Tena mendrika ny hohajaina sy hahina manokana ireo mbola mpitovo, noho izy ireo mankatò an’ilay didy hanambady ao amin’ny Tompo ihany. (Mat. 19:12) Mendri-piderana ny sorona ataony. Tsy midika anefa izany hoe tsy afaka ny ho sambatra izy ireo.

Hoy i Lidiana: “Tsy ho sambatra aho raha tsy nifandray tamin’i Jehovah sy nanompo azy. Mahafantatra mpivady sambatra aho ary misy kosa tsy sambatra. Takatro avy amin’izany fa tsy voatery ho sambatra aho raha manambady.” Nasongadin’i Jesosy fa izay manome sy manompo ny hafa no tena sambatra, ary afaka manao izany ny Kristianina rehetra.—Jaona 13:14-17; Asa. 20:35.

Azo antoka fa tena mahafaly antsika ny mahalala hoe hitahy antsika i Jehovah, na inona na inona sorona ataontsika mba hanaovana ny sitrapony. Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Andriamanitra mantsy tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.”—Heb. 6:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Mihatra amin’ny rahalahy koa ireo toro lalana ireo, na dia ny anabavy aza no resahina.

[Teny notsongaina, pejy 25]

“Mifaly amin’izay ananako aho, fa tsy manonofinofy an’izay tsy ananako.”—Carmen

[Sary, pejy 26]

Faly manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa i Loli sy Lidiana

[Sary, pejy 27]

Asain’Andriamanitra manatona azy ny mpanompony rehetra