Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nitory nanerana ny tanin’ny Israely i Jesosy. Koa nahoana no nolazain’i Petera fa ‘noho ny tsy fahalalana’ no nahatonga ny Jiosy sy ny mpitondra azy hampamono an’i Jesosy?—Asa. 3:17.

Nilaza tamin’ny Jiosy ny apostoly Petera fa nandray anjara tamin’ny famonoana ny Mesia izy ireo. Hoy anefa izy avy eo: “Fantatro fa noho ny tsy fahalalanareo no nanaovanareo izany, ary toy izany koa ny mpitondra anareo.” (Asa. 3:14-17) Nilaza izany izy satria mety ho tsy fantatry ny Jiosy sasany fotsiny hoe i Jesosy no Mesia, sady tsy azony ny fampianarany. Ny hafa indray mety ho tsy te hampifaly an’Andriamanitra, nitsara an-tendrony an’i Jesosy, nialona na nankahala azy, ka izany no nahatonga azy hanao zavatra noho ny tsy fahalalana.

Nanjary tsy nahatakatra ny fampianaran’i Jesosy ny ankamaroan’ny olona tsy te hampifaly an’i Jehovah. Matetika, ohatra, i Jesosy no nampiasa fanoharana ary nanazava izany tamin’izay rehetra te hahalala. Nisy anefa nandao azy fotsiny fa tsy tena niezaka hahatakatra izay nolazainy akory. Tafintohina noho ny sarin-teny nampiasainy na dia ny mpianany sasany aza, indray mandeha. (Jaona 6:52-66) Tsy takany fa ny fampiasan’i Jesosy fanoharana no nahitana raha vonona hanova toe-tsaina sy fanao izy ireo na tsia. (Isaia 6:9, 10; 44:18; Mat. 13:10-15) Tsy nahalala koa izy ireo fa efa voalazan’ny faminaniana hoe hampiasa fanoharana ny Mesia rehefa mampianatra.—Sal. 78:2.

Nitsara an-tendrony an’i Jesosy ny Jiosy hafa ka nanda ny fampianarany. Na dia “nitolagaga” aza, ohatra, ny olona tao Nazareta rehefa nandre azy nampianatra tao amin’ny synagoga, dia tsy nanaiky azy ho Mesia izy ireo. Vao mainka aza izy ireo nifanontany ny mombamomba azy hoe: “Taiza no nahazoan’ilehio an’izany? ... Tsy io ve ilay mpandrafitra zanak’i Maria sady rahalahin’i Jakoba sy Josefa sy Jodasy ary Simona? Ary tsy etỳ amintsika ve ireo anabaviny?” (Mar. 6:1-3) Avy tamin’ny fianakaviana tsotsotra i Jesosy, ka tsy nisy vidiny tamin’ny olona tao Nazareta ny fampianarany.

Ary ireo mpitondra fivavahana? Zara raha nihaino an’i Jesosy ny ankamaroan’izy ireo, noho izany antony izany ihany. (Jaona 7:47-52) Nanda ny fampianarany koa izy ireo, satria nialona azy noho izy nahasarika olona. (Mar. 15:10) Tena tezitra ny ankamaroan’ireo lohandohany teo amin’izy ireo, rehefa nahariharin’i Jesosy hoe mpihatsaravelatsihy sy mpamitaka izy ireo. (Mat. 23:13-36) Ninia tsy nahalala izy ireo, ka rariny raha nomelohin’i Jesosy hoe: “Lozanareo mahay Lalàna, satria nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, ary ianareo tsy niditra [ao amin’ilay Fanjakana] nefa izay handeha hiditra nosakananareo!”—Lioka 11:37-52.

Nitory ny vaovao tsara tany Israely, nandritra ny telo taona sy tapany, i Jesosy. Nampiofana olona maromaro koa izy mba hanao io asa io. (Lioka 9:1, 2; 10:1, 16, 17) Nahita vokatra izy sy ny mpianany ka nitaraina ny Fariseo hoe: “Jereo fa lasa manaraka azy izao tontolo izao!” (Jaona 12:19) Tsy hoe tsy nahalala na inona na inona mihitsy àry ny ankamaroan’ny Jiosy. Azo lazaina anefa hoe tsy tena nahalala izy ireo fa i Jesosy no Mesia. Afaka nampitombo ny fahalalany sy ny fitiavany azy izy ireo, nefa tsy nanao izany. Lasa niray tsikombakomba tamin’ireo namono azy aza ny sasany. Maro tamin’izy ireo no nampirisihin’ny apostoly Petera hoe: “Koa mibebaha, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba hisian’ny fotoana mamelombelona avy amin’i Jehovah ary mba hanirahany an’ilay Kristy voatendry ho anareo, dia i Jesosy.” (Asa. 3:19, 20) Tsara homarihina fa nankatò izany ny Jiosy an’arivony, anisan’izany “ny mpisorona maro be.” Tsy nanao zavatra noho ny tsy fahalalana intsony izy ireo, fa nibebaka ka nanjary nankasitrahan’Andriamanitra.—Asa. 2:41; 4:4; 5:14; 6:7.