Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1. Mivavaha Amin’Andriamanitra

1. Mivavaha Amin’Andriamanitra

Tianao ho Azo ve Izay Lazain’ny Baiboly?

1. Mivavaha Amin’Andriamanitra

Hoy i Ninfa, any Italia: “Namaky Baiboly aho, isan’alina. Fantatro mantsy fa Tenin’Andriamanitra izy io. Tsy tia namaky teny aho, nefa mba tiako ho fantatra izay lazainy ao. Nieritreritra ny hamita ny Baiboly manontolo aho. Mora ilay izy tamin’ny voalohany, fa sarotra rehefa tany antenatenany. Tsy namaky intsony àry aho.”

IZANY koa ve no nitranga taminao? Tsy ianao irery no toy izany. Efa hitantsika teo aloha anefa fa tian’i Jehovah Andriamanitra hahazo ny Teniny ianao. Inona àry no hanampy anao? Mivavaha aminy aloha.

Nisy nihevitra fa ‘tsy dia nahita fianarana sy olon-tsotra’ ny apostolin’i Jesosy, satria tsy nianatra tany amin’ny sekolin’ny mpitondra fivavahana. (Asan’ny Apostoly 4:13) Nanome toky azy ireo anefa i Jesosy fa afaka mahazo ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Nahoana? Hoy i Jesosy: “Ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra.” (Jaona 14:26) Nampiasa ny fanahy masina Andriamanitra, rehefa namorona ny tany sy ny zavaboary rehetra eo aminy. (Genesisy 1:2) Nampiasa azy io koa izy mba hanampiana olona 40 mahery hanoratra ny Baiboly. (2 Petera 1:20, 21) Afaka manampy an’ireo te hahazo an’izay voalaza ao koa àry io fanahy io.

Ahoana anefa no hahazoanao ny fanahy masina? Mila mangataka azy io amim-pinoana ianao. Mila mamerimberina mangataka mihitsy aza ianao, raha ilaina izany. Hoy i Jesosy: ‘Mangataha foana dia homena ianareo. Raha ianareo aza mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!’ (Lioka 11:9, 13) Homen’i Jehovah fanahy masina àry ianao, raha mangataka izany. Ho azonao ny Teniny na dia efa an’arivony taona aza no nanoratana azy. Ho hainao koa ny hampihatra ireo torohevitra tena mandaitra hita ao.—Hebreo 4:12; Jakoba 1:5, 6.

Isaky ny hamaky Baiboly àry ianao, dia mangataha aloha fanahy masina amin’Andriamanitra, mba ho azonao izay vakinao.