Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana ny miaramila romanina no naniry mafy hahazo an’ilay akanjon’i Jesosy?

Nozarain’ireo miaramila efatra nikarakara ny famonoana an’i Jesosy ny akanjony. Milaza anefa ny Jaona 19:23 hoe “tsy nisy zaitra, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany” ny fitafian’i Jesosy anankiray. Tsy norovitin’ireo miaramila àry io akanjo io fa nataony antsapaka izay hahazo azy. Fa dia akanjo nanao ahoana loatra ilay izy?

Toa akanjo lava hatrany amin’ny lohalika na kitrokely ilay akanjo resahina eto, ary vita tamin’ny rongony na volonondry. Matetika ireny akanjo ireny no lamba efamira roa na mahitsizoro roa, izay nampifanaingenina ary nozairina ny lafiny telo taminy. Tsy nozairina kosa teo amin’izay tokony hidiran’ny loha sy ny tanana.

Misy akanjo lafo kokoa mitovitovy amin’izany. Milaza ilay boky hoe Jesosy sy ny Fiainany (anglisy) fa “lamba iray lava be navalona roa, ary nasiana lavaka ... hidiran’ny loha” no nanaovana azy io, ary nasiana morontongony. Nila nozairina ny sisiny roa tamin’izy io.

Ny tany Palestina ihany no nanenona an’ilay karazan’akanjo tsy nisy zaitra, toy ilay nanaovan’i Jesosy. Tenomina amin’ny fitaovana fanenoman-damba roa mitsangana mifanao aloha sy aoriana izy io, ary misy hazo lava mitsivalana manasaraka azy ireo. Misy tenany (kofehy maromaro mitsangana) eo amin’ny fanenoman-damba tsirairay. Misy sihaona (hazokely) mitondra ny fahana (kofehy mitsivalana), izay ampidipidirin’ilay mpanenona eo amin’ilay tenany eo aloha mankany amin’ilay tenany any aoriana. Milaza ny boky iray fa “izany no nahazoana lamba iray miendrika varingarina.” Tsy fahita firy ny akanjo tsy misy zaitra toa an’io, ka izany no nahatonga an’ireo miaramila efatra naniry mafy hahazo azy io.

Niompy tantely ve ny Israelita fahiny?

Milaza ny Soratra Hebreo fa nampanantena Andriamanitra hoe hitondra ny Israelita any amin’ny “tany tondra-dronono sy tantely.” (Eksodosy 3:8) Ilay sakafo amboarin’ny tantelidia matetika no tian’ny Soratra Masina holazaina amin’ny hoe tantely. Tsy resahiny mihitsy hoe niompy tantely ny Israelita fahiny. Vao haingana anefa izay, dia nisy zavatra hita tany amin’ny Lohasahan’i Beti-sana, any Israely. Fantatra avy tamin’izy io fa “niompy tantely” ny mponina tany ary “nanao izany ho anton’asa.”

Nahita toeram-piompiana tantely tany Tel Rehov ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany, avy ao amin’ny Oniversite Hebreo any Jerosalema. Tamin’ny taona 900 ka hatramin’ny voalohandohan’ny taona 800 T.K. no nisian’izy io, izany hoe raha vao niandoha kelikely ny fanjakan’ny Israely. Io no toeram-piompiana tantely fahiny hita voalohany tany Israely sy ny manodidina. Nisy tranon-tantely zato teo ho eo angamba tao, ary nalahatra izy ireny ka telo, fara fahakeliny, no nampifanaingenina.

“Varingarina vita tamin’ny tanimanga tsy masaka” ny tranon-tantely tsirairay, ary “nirefy 80 santimetatra ny halavany ary 40 santimetatra ny savaivony”, hoy ny tatitra nataon’ilay oniversite. “Nisy manam-pahaizana sy mpiompy tantely matihanina nitsidika an’ilay toerana. Nilaza izy ireo fa nety ho nahazoana ranon-tantely 500 kilao isan-taona, ireo tranon-tantely ireo.”

[Sary, pejy 22]

Ilay Toerana any Tel Rehov

[Sary nahazoan-dalana]

Institute of Archaeology/Hebrew University © Tel Rehov Excavations