Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Nahoana ny vehivavy iray nisalasala momba ny fivavahana, no lasa mampiasa ny ankamaroan’ny fotoanany hanampiana olona hahafantatra an’Andriamanitra? Nahoana ny lehilahy iray tia fanatanjahan-tena mahery setra, no lasa tia fihavanana? Ahoana no nataon’ny lehilahy iray mpifoka rongony sy mpiboboka toaka ary mpiady an-dalambe, mba hanovana ny fiainany? Diniho izay nolazain’izy ireo.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: PENELOPE TOPLICESCU

TAONA: 40

FIRENENA: AOSTRALIA

FIAINANY TALOHA: NISALASALA MOMBA NY FIVAVAHANA

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tany Sydney, eto Aostralia, aho. Nifindra tany Nouvelle-Guinée anefa izahay tamin’izaho vao roa taona. Roa taona latsaka kely izahay no nipetraka tany Rabaul, ary valo taona kosa tany Bougainville. Tsy nisy tele tany Nouvelle-Guinée tamin’izany, ka tsy nipetraka an-trano mihitsy izahay sy ny anadahiko. Raha tsy nilomano izahay, dia nandeha nilasy.

Nanomboka liana tamin’ny fivavahana aho, rehefa folo taona teo ho eo. Katolika i Neny ka nasainy nianatra Baiboly tany amin’ny masera aho. Lasa Katolika àry aho ka natao batemy tamin’izaho folo taona.

Rehefa nihalehibe anefa aho, dia nanomboka nisalasala momba ny fampianaran’ny Katolika. Niverina teto Aostralia izahay tamin’izay. Nianatra tantara aho tany amin’ny lise, ary matetika izahay sy Dada no niresaka ela be momba ny niandohan’ny fivavahana, sy ireo nantsoinay hoe anganon’ny Baiboly. Niala tsy ho Katolika intsony aho, tatỳ aoriana.

Nisara-toerana ny ray aman-dreniko, tamin’izaho 16 taona. Kivy be i Neny. Nipetraka tany amin’i Dada sy ilay olon-tiany aho, tatỳ aoriana. Nifindra tany amin’ny tanàna hafa kosa i Neny sy ny anadahiko. Nanirery be aho tamin’izany! Tsy nifandray tsara tamin’i Neny indray aho raha tsy afaka roa taona. Lasa nisotro toaka sy nifoka rongony aho ary nanenjika fety. Najanoko ny fianarako ary niasa aho. Nolanilaniko tamin’ny ditra ny fahatanorako.

Nieritreritra momba ny Baiboly indray aho, tamin’izaho 25 taona. Nisy asa vaovao nataoko tamin’izay, ary nihaona tamin’i Liene aho. Ankizivavy nahafinaritra izy, ary nanaja ny lehibeny foana na dia nasiaka be taminy aza ilay lehilahy. Nanontaniako izy hoe nahoana no nandefitra foana tamin’ny lehibeny. Nohazavainy fa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary niezaka nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Nasainy nianatra koa aho. Tsy azoko tsara ny tiany holazaina, ka noheveriko fa ho fantatro ao anatin’ny adiny iray monja ny zavatra rehetra fantany momba ny Baiboly. Nandany adiny telo anefa i Liene, ny alin’iny mba hamaliana ny fanontaniako. Gaga aho fa noporofoiny tamin’ny andinin-teny daholo ny valin-teniny.

Tsaroako fa tezitra tamin’Andriamanitra aho, teny an-dalana hody, taorian’iny resaka iny. Tezitra aho satria tsy nampahafantariny ny fahamarinana taloha kokoa. Fantatro fa madio fitondran-tena ny Vavolombelona. Nihevitra anefa aho hoe tsy azoko novana intsony ny fiainako fa efa tara loatra. Nihevitra koa aho hoe tsy ho vitako mihitsy izany handeha hitory isan-trano izany. Nanohy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona ihany aho, nefa ny hitady zavatra diso tamin’ny fampianarany no tanjoko. Tsy henjehin’ny eritreritro aho amin’izay, raha tsy hianatra intsony. Fantatro anefa fa tsy hahita diso mihitsy aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Vao mainka tsy nilamina ny saiko, arakaraka ny nahafantarako ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy nifoka rongony intsony àry aho. Nisy fotoana anefa aho niala kely teto Aostralia. Lasa nisotro toaka sy nanenjika fety indray aho. Hoatran’ny hoe isaky ny mba miezaka manaraka ny toro lalan’ny Baiboly aho, dia lavo foana. Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho na dia menatra aza, nefa mbola tsy nilamina ihany ny saiko.

Nanampy ahy ny fitadidiana ny famindram-po nasehon’i Jehovah tamin’i Davida Mpanjaka sy Batseba. Nahavita niaiky ny fahadisoany i Davida rehefa notoroana hevitra, sady tsy nitady hanala tsiny ny tenany. Nanetry tena koa izy ka nanaiky famaizana. (2 Samoela 12:1-13) Noho io tantara io, dia lasa mora kokoa tamiko ny nifona tamin’i Jehovah isaky ny lavo aho. Tapa-kevitra anefa aho fa alohan’ny hahalatsaka ahy amin’ny fakam-panahy no hivavaka, fa tsy aorian’izany, ary tena nety ilay izy.

NY SOA NORAISIKO: Olona mora tezitra aho. Hitako avy tao amin’ny Efesianina 4:29-31 anefa fa tena nila nanalavitra ny ‘lolompo sy fahatezerana [ary] fahavinirana’ aho. Nianatra nifehy ny fahatezerako sy nanitsy ny fomba fiteniko àry aho. Nanampy ahy tsy hiovaova hevitra koa ny torohevitr’i Jesosy hoe: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny.”—Matio 5:37.

Tsy navelan’i Neny nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho taloha. Nilaza tamiko anefa izy, tatỳ aoriana, fa reharehany, hono, aho. Hoy mihitsy izy hoe: “Fantatro fa tsy noho ny fitaizana anao no nahatonga anao ho toy izao, fa noho izay nianaranao momba an’i Jehovah.” Faly erỳ aho nandre an’izany!

Tsapako izao fa lasa misy dikany ny fiainako. Mpampianatra Baiboly manontolo andro izaho sy ny vadiko, efa sivy taona izao. Mitory isan-trano tokoa aho, ary tsapako fa io no mahafa-po indrindra tamin’ny asa nataoko hatramin’izay.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: DENIS BUSIGIN

TAONA: 30

FIRENENA: ROSIA

FIAINANY TALOHA: TENA TIA KARATE

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tany Perm aho ary nihalehibe tany Furmanov, faritr’i Ivanovo, eto Rosia. Misy mponina 40 000 eo ho eo any. Tanàna tsara tarehy i Furmanov. Lasa mena sy mavo mantsy ny ravinkazo any rehefa faramparan’ny taona. Nitombo ny heloka bevava tatỳ, teo anelanelan’ny taona 1980 sy 2000. Tsy nanam-bola firy izahay ka tsotra be ny fiainanay. Tery ny tranonay satria efitra iray no nitambaranay sy ny zandriko lahy ary ny ray aman-dreninay.

Nanao karate aho tamin’izaho fito taona, ary lasa nifantoka be tamin’izany satria tena tiako ilay izy. Nanao karate foana aho isaky ny nalalaka, hany ka mpanao fanatanjahan-tena daholo ny namako. Efa fehikibo tepana mena aho tamin’izaho 15 taona, ary fehikibo tepana volontsôkôlà, herintaona tatỳ aoriana. Anisan’ny ekipa mpifaninana ho tompon-dakan’i Rosia sy Eoropa ary Azia aho. Toa namiratra erỳ ny hoaviko, nefa niova be ny fiainako tamin’izaho 17 taona.

Nosamborina izahay sy ny namako sasany fa tratra nanao heloka bevava. Voaheloka higadra roa taona aho. Mafy ny fiainana tany am-ponja. Tany anefa aho vao sambany nahita Baiboly. Novakiko ny Genesisy, ny Salamo ary ny Testamenta Vaovao. Haiko tsianjery mihitsy aza ny Rainay Izay any An-danitra, ary nanao azy io aho isak’alina, alohan’ny hatoriana. Noheveriko mantsy fa mety hanampy ahy izany.

Nafahana aho tamin’ny taona 2000, nefa tsy nisy tanjona ny fiainako. Nanomboka nifoka rongony aho. Tamin’izay fotoana izay koa no maty i Neny. Izy no olona akaikin’ny foko indrindra, ka mafy tamiko ilay fahoriana. Tsy nifoka rongony intsony anefa aho, ary niverina nanao karate. Nifindra tany Ivanovo koa aho. Nahita asa tao amin’ny fivarotan-tsakafo iray aho. Vavolombelon’i Jehovah ilay mpivarotra tao. Nanazava fahamarinana ara-baiboly sasany tamiko izy, ary nitady Vavolombelona hafa hampianatra ahy tsy tapaka.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nianarako fa hataon’Andriamanitra paradisa ny tany. Tena nanohina ny foko izany, ka tiako ny hahafeno fepetra ho anisan’ireo hiaina ao. Tsy ela dia fantatro fa misy fitsipika ambony takin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny olona. Tsy nieritreritra afa-tsy ny tenako aho taloha, nefa nianarako fa tian’i Jehovah hihevitra ny hafa aho. Tiany hanana toetra mbola tsy nananako koa aho, toy ny hatsaram-panahy sy ny fihavanana.

Maro ny zavatra nomen’i Jehovah ahy noho ny fitiavany, anisan’izany ny Zanany izay nomeny ho sorona noho ny fahotako. Rehefa nisaintsaina lalina momba izany aho, dia velom-pisaorana azy ka te hanova ny fiainako. Nianarako tao amin’ny Salamo 11:5, ohatra, fa halany ny herisetra. Tsy nojereko intsony àry izay fandaharana feno herisetra sy fankahalana tao amin’ny tele. Tsy nanao fanatanjahan-tena mahery setra intsony koa aho, na dia mafy be tamiko aza izany. Hitako koa fa tena hisy fiantraikany eo amiko ny namako, araka ny toro lalana ao amin’ny 1 Korintianina 15:33. Marina izany raha jerena ny zava-nitranga tamiko, ka nahatonga ahy higadra. Tsy niaraka tamin’ireo mpanao fanatanjahan-tena mahery setra intsony àry aho.

NY SOA NORAISIKO: Nanampy ahy hanao ny marina ny fiarahako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fianarako Baiboly. Hitako tao amin’ny Hebreo 13:5, ohatra, fa mila mahay mianina aho, ary miezaka mafy mba tsy ho tia vola. Nanampy ahy tsy handainga na hangalatra izany.

Sarobidy tamiko foana ny namako. Maro tamin’izy ireny anefa no nisaraka tamiko noho ny fitiavam-bola na ny tahotra olona. Hitako kosa fa manaja ny fitsipik’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Marina fa manao fahadisoana izy ireo, nefa miezaka mafy manaraka ny torohevitr’Andriamanitra rehefa mifandray amin’ny hafa. Lasa nahazo namana tsara aho izao.

Mba nanao ahoana re ny fiainako raha tsy nianatra Baiboly aho e? Efa niverina tany am-ponja angamba aho hoatr’izay, na nampijaly olona foana. Manana vady mahafinaritra sy zanaka roa lahy anefa aho izao. Faly erỳ izahay mianakavy manampy olona hahalala ny marina momba an’Andriamanitra.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: JOSÉ CARLOS PEREIRA DA SILVA

TAONA: 31

FIRENENA: BREZILA

FIAINANY TALOHA: MPIADY AN-DALAMBE

NY FIAINAKO TALOHA: Nihalehibe tany amin’ny faritra maloto sy feno olona mahantra any Americana, São Paulo, aho. Tsy nanana rano fisotro madio, kabine ary fanariana fako sy rano maloto izahay. Nalaza ho feno herisetra sy heloka bevava ilay toerana.

Nahery setra sy tia ady aho. Raha vao nisy ady teny an-dalana teny, dia tsy maintsy tao aho. Natahoran’ny olona àry aho, indrindra rehefa nahita ny paoziko izy ireo. Nisotro be aho ka tsy nahatsiaro tena mihitsy indraindray. Nifoka rongony hoatran’ireo zokiko lahy koa aho. Matin’ny rongony mihitsy ny iray taminy.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah ahy avy tao amin’ny Baiboly, fa hanova ny tany manontolo ho paradisa Andriamanitra. (Lioka 23:42, 43; Apokalypsy 21:3, 4) Nianarako koa fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, ary tsy sazin’Andriamanitra any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. (Mpitoriteny 9:5, 6) Azoazoko erỳ ny aiko rehefa nahafantatra izany! Tena te hanova ny fomba fiainako àry aho rehefa nianatra momba an’Andriamanitra. Sarotra anefa ny niala tamin’ny zavatra nahazatra ahy, toy ny rongony, ny toaka, ny ady, ary ny teny ratsy.

Tena nampahery ahy anefa ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 6:9-11. Asehon’ireo andininy ireo fa nanana fahazaran-dratsy toa ahy, ny sasany tamin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Voalaza ao koa anefa hoe: “Efa toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa madio tsara ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nambara ho marina ianareo tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.” Nanome toky ahy izany fa ho vitako koa ny hiova, mba hampifaliana an’Andriamanitra.

Rehefa nanomboka nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, dia resy lahatra fa izy ireo no tena Kristianina. Fantatr’izy ireo tsara fa olona nahery setra sy tia ady aho taloha. Mbola noraisiny tsara ihany anefa aho sady tiany.

NY SOA NORAISIKO: Efa maty aho hoatr’izay, raha tsy nianatra Baiboly sy tsy nanova ny fiainako. Faly kosa aho fa nahavita nanampy ny rahalahiko iray hianatra Baiboly sy hiala tamin’ny rongony. Nampirisihiko hianatra koa ny havanay hafa. Velom-pisaorana aho satria afaka nanokan-tena hanompo an’Andriamanitra, ilay tena mikarakara antsika!

[Teny notsongaina, pejy 24]

‘Tapa-kevitra aho fa alohan’ny hahalatsaka ahy amin’ny fakam-panahy no hivavaka, fa tsy aorian’izany, ary tena nety ilay izy’