Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila Mifanampy ny Mpianakavy

Mila Mifanampy ny Mpianakavy

Mila Mifanampy ny Mpianakavy

MILA mifanampy ny mpivady, raha tian’izy ireo ho tia an’i Jehovah sy hanompo azy ny ankohonany. Nasehon’i Jehovah fa zava-dehibe izany, tamin’izy namorona ny mpivady voalohany. Nataony ho ‘famenon’i’ Adama mantsy i Eva, izany hoe hifanampy aminy. (Gen. 2:18) Tokony ho mpinamana ny mpivady, ary hifanohana. (Mpito. 4:9-12) Mila mifanampy koa ny ray aman-dreny sy zanaka mba hahafahan’izy ireo hanatanteraka ny andraikitra nomen’i Jehovah azy avy.

Fotoam-pivavahan’ny fianakaviana

Manan-janaka dimy i Barry sy Heidi. Mifanampy foana izy mianakavy mba hianarana Baiboly tsy tapaka, ary tsapany fa manampy azy handroso izany. Hoy i Barry: “Omeko anjara kely tsindraindray ny zanakay, alohan’ilay fianarana. Asaiko mamaky lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza!, ohatra, izy ireo, ary avy eo mitantara izany amin’ny fianakaviana. Anaovanay fanazaran-tena koa ny zavatra horesahina eny am-pitoriana. Amin’izay mba manan-kolazaina ny ankizy tsirairay.” Hoy i Heidi: “Samy manana lisitry ny tanjona tianay hotratrarina eo amin’ny fanompoana izahay. Resahinay tsindraindray izany rehefa mianatra izahay, mba hahitana ny ezaka efa vita.” Manokana andro tsy hijerena tele koa izy ireo isan-kerinandro, mba hahafahan’ny mpianakavy rehetra mamaky boky.

Fivorian’ny fiangonana

Efa nahalehibe zanaka efatra i Mike sy Denise. Inona no soa azon’izy mianakavy noho izy ireo nifanampy? Hoy i Mike: “Marina aloha fa mbola tara fivoriana ihany izahay indraindray, na dia efa nanao lamina maty paika aza. Hitanay anefa fa tsy tara izahay rehefa nifanampy.” Hoy i Denise: “Notsinjarainay tamin’ny ankizy ny raharaha, rehefa nihalehibe izy ireo. I Kim zanakay vavy no nahandro sakafo sy nametraka ny vilia teo ambony latabatra.” Hoy i Michael, zanak’izy ireo lahy: “Nisy fivoriana tao an-tranonay isaky ny talata hariva. Niara-nanadio sy nandamina ny trano àry izahay, sady nandamina ny seza.” Hoy koa i Matthew, zanak’izy ireo hafa: “Nataon’i Dada izay hahatongavana aloha kokoa tao an-trano, rehefa andro fivoriana, mba hahafahany hanampy anay hiomana.” Inona no vokatr’izany?

Tsy very maina ny ezaka

Hoy i Mike: “Lasa mpisava lalana izahay sy Denise, tamin’ny 1987. Mbola tao an-trano ny telo tamin’ireo zanakay tamin’izany. Lasa mpisava lalana ny roa, ary ny sisa niasa tamin’ny fanorenana Betela. Tena faly koa izahay mianakavy satria afaka nanampy olona 40 hanokan-tena ho an’Andriamanitra sy hatao batisa. Ankoatra izany, dia nandray anjara tamin’ny asa fanorenana izahay, ary hatrany an-tany hafa mihitsy aza.”

Tena tsy very maina àry ny ezaka ataon’ny mpianakavy mba hifanampiana. Mitadiava foana fomba hifanampiana eo anivon’ny fianakavianao. Azo antoka fa hahatonga anareo handroso ara-panahy ny toe-tsaina tia mifanampy.

[Sary, pejy 28]

Manatsara ny fanompoana ny fanaovana fanazaran-tena