Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara ny Fivavahana Iray Raha Mahatonga ny Olona ho Tsara Fitondran-tena

Tsara ny Fivavahana Iray Raha Mahatonga ny Olona ho Tsara Fitondran-tena

TSARA ny fivavahana iray raha manatsara ny fomba fisainantsika sy ny fitondran-tenantsika. Manampy antsika hanao izay mahitsy sy ho tsara toetra araka izay azo atao izy io. Nahoana isika no milaza izany?

Mariho izay nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tao Korinto, any Gresy, tamin’ny taonjato voalohany. Nalaza ho ratsy fitondran-tena ny mponina tao, ka nampitandrina i Paoly hoe: “Na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin’olona, na mpanao asam-pijangajangana amin’ny tenany samy irery, na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra, na kahihitra, na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” Hoy izy avy eo: “Ary efa mba toy izany ihany koa hianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin’ny anaran’i Jeso-Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika hianareo.” (1 Korintianina 6:9-11, Kat.) Eritrereto ange e! Ratsy fitondran-tena ny olona sasany tany Korinto, nefa nanampy azy ireo ho lasa mpanompon’Andriamanitra madio fitondran-tena sy manao izay mahitsy ny fivavahana narahiny, satria tsara!

Mampitandrina kosa ny Baiboly hoe: “Fa ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy.”—2 Timoty 4:3, Kat.

Ahoana no fahitanao an’ireo fivavahana fantatrao? Manaraka tsara ny fitsipiky ny Baiboly ve izy ireo, ka mitaky ny hananana fitondran-tena tsara? Sa kosa izy ireo mampihen-danja ny torohevitra mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka izay ‘mahaliana ny sofin’ny olona’ ihany no lazainy?

Tianao ve ny hahafantatra raha mamokatra voa tsara ny fivavahana iray? Nahoana raha manokana fotoana hamaliana an’ireo fanontaniana eto ambany?

MOMBA NY: Fanambadiana.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady, fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.”—Hebreo 13:4, Kat.

FANONTANIANA:

Takin’ilay fivavahana amin’ireo mpivavaka ao aminy ve fa tokony ho vita soratra ny olona roa vao miara-mipetraka?

MOMBA NY: Fisaraham-panambadiana.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Nanontanian’ny olona i Jesosy raha misy antony marim-pototra azon’ny mpivady isarahana, ka hoy izy: “Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny [izany hoe misaraka aminy], afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa.”—Matio 19:9, Prot.

FANONTANIANA:

Manaraka ny toromarik’i Jesosy ve ilay fivavahana, ka tsy mamela ny mpivavaka ao aminy hisara-panambadiana sy hanambady indray, afa-tsy noho ny fijangajangana?

MOMBA NY: Firaisana ara-nofo.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon’ny olona any ivelan’ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin’ny tenany indrindra.”—1 Korintianina 6:18, Kat.

“Ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; toraka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy.”—Romanina 1:26, 27, Kat.

FANONTANIANA:

Moa ve ilay fivavahana mampianatra hoe fahotana ny firaisana ivelan’ny fanambadiana, sy ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy?

MOMBA NY: Fandikana fitsipiky ny Baiboly.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo.” (1 Korintianina 5:11, Prot.) Tokony hatao ahoana ireo milaza ho Kristianina nefa manota ary tsy mety mibebaka? Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Roahy tsy ho ao aminareo intsony ilay mpanao ratsy.”—1 Korintianina 5:13, Kat.

FANONTANIANA:

Esorin’ilay fivavahana tsy ho anisany intsony ve ny olona minia mandika ny fitsipiky ny Baiboly nefa tsy mibebaka?