Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara ny Fivavahana Iray Raha Mahatonga ny Olona Hanaja ny Tenin’Andriamanitra

Tsara ny Fivavahana Iray Raha Mahatonga ny Olona Hanaja ny Tenin’Andriamanitra

NAHATONGA ny olona hanaja ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy. Mampiharihary izany ny valin-teniny rehefa naka fanahy azy ny Devoly. (Matio 4:4-11) Ahoana, ohatra, no nataony rehefa nampirisihin’i Satana hanova vato ho mofo izy? Nanohitra an’ilay fakam-panahy izy ka nanonona teny nosoratan’i Mosesy ao amin’ny Baiboly, ary azonao vakina ao amin’ny Deoteronomia 8:3 izany. Ary ahoana no navaliny rehefa nampanantena azy ny Devoly fa hanome azy ny fanjakana rehetra, ho takalon’ny fiankohofana aminy indray mandeha monja? Nolaviny izany, ka nanonona fitsipika iray ao amin’ny Soratra Masina izy. Azonao jerena ao amin’ny Deoteronomia 6:13 izany.

Eritrereto ange e! Zanak’Andriamanitra i Jesosy, nefa ny Baiboly foana no nampiasainy rehefa nampianatra izy. Tsy hoe nanindrahindra ny fampianaran’olombelona izy ka ny Tenin’Andriamanitra indray no nataony tsinontsinona. (Jaona 7:16-18) Ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny kosa anefa tsy nanaja ny Tenin’Andriamanitra. Nahoana? Satria ny fampianaran’olombelona no zava-dehibe tamin’izy ireo fa tsy ny Soratra Masina. Notsorin’i Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.’ ”—Matio 15:6-9, Prot.

Maro ny fivavahana milaza hoe manaja ny Baiboly. Samy milaza izany na fivavahana kristianina na tsia. Firy anefa ny fivavahana fantatrao hoe tsy manaraka ny fampianaran’olombelona rehefa hitany fa mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra izany? Andeha isika handinika ohatra roa monja.

MOMBA NY: Anaram-boninahitra omena ny mpitondra fivavahana.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Nanameloka an’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jesosy, noho izy ireo nitady laza sy tia anaram-boninahitra. Nilaza i Jesosy fa tian’izy ireo “ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana ... sy ny fipetrahana aloha eo amin’ny synagoga sy ny hoharabain’ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ny olona hoe: Raby ô!” Nilaza tamin’ny mpianany àry i Jesosy hoe: “Hianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.”—Matio 23:1-10, Prot.

FANONTANIANA:

Mankatò an’io didin’i Jesosy io ve ireo lohandohany ao amin’ilay fivavahana, sa mitady laza sy te hantsoina amin’ny anaram-boninahitra?

MOMBA NY: Fampiasana sary masina.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao [ianao], na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory hianao.”—Eksodosy 20:4, 5, Kat.

Nanoratra toy izao ho an’ny Kristianina ny apostoly Jaona: “Anaka, tandremo fandrao manompo sampy hianareo.”—1 Jaona 5:21, Kat.

FANONTANIANA:

Mankatò an’ireo didy voalazan’ny Baiboly ireo ve ilay fivavahana, ka tsy mampiasa sary masina na sampy?

Azonao atao ny mahita ny lalana tena izy

Azonao atao ny mahita an’ilay lalana tokana mankany amin’ny fiainana, na dia maro be aza ny fivavahana ka manahiran-tsaina ny mifidy izay harahina. Misy marika maro ahafantarana ny “fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra.” (Jakoba 1:27, Prot.) Toy ny takela-by manondro ny lalana mankany amin’io fivavahana io ny andinin-teny tato amin’ireto lahatsoratra ireto.

Nahoana raha manontany Vavolombelon’i Jehovah hoe ahoana no hamaliany an’ireo fanontaniana hita tato amin’ireto lahatsoratra ireto? Eo am-pandinihana ny fanazavana omeny, dia tahafo ireo Berianina tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa avy nandre ny fitorian’ny apostoly Paoly izy ireo dia “nandinika ny Soratra Masina isan’andro, mba hahitany raha mifanaraka amin’izay ampianarina azy [izany] na tsia.” (Asan’ny Apostoly 17:11, Kat.) Ho hitanao ny lalana mankany amin’ny fiainana raha manahaka ny Berianina ianao, ka manaja ny Tenin’Andriamanitra sy mazoto mianatra azy io. Tsy maintsy misafidy ianao avy eo raha hanaraka an’io lalana io na tsia.

Iza no fivavahana mampirisika ny olona hianatra ny Soratra Masina, mba hahitan’izy ireo raha marina na tsia ny zavatra ianarany?