Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ny Zanakao

Nihaino Tsara i Rahaba Rehefa Nisy Vaovao

Nihaino Tsara i Rahaba Rehefa Nisy Vaovao

DIMANJATO sy telo arivo taona lasa izay no nitrangan’ity tantara ity, tao Jeriko, tany Kanana. Nisy ankizivavikely atao hoe Rahaba nipetraka tao. Efa avy nanafaka ny Israelita avy tany Ejipta i Mosesy tamin’izay. Nandeha teo amin’ny tany maina izy ireo rehefa namakivaky ny Ranomasina Mena. Mahavariana fa nandre momba izany fahagagana izany i Rahaba, nefa lavitra be ny tanàna nisy azy, sady tsy nisy radio na tele na Internet tamin’izany. Ahoana no nandrenesany ilay vaovao?... *

Azo antoka fa ireo mpanao dia lavitra no nitantara izany. Mbola tadidin’i Rahaba io fahagagana io, rehefa lehibe izy. Nandre vaovao lehibe hafa momba ny Israelita izy, tatỳ aoriana. Reny fa tonga tao Kanana izy ireo, rehefa avy tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona. Resin’izy ireo daholo koa ny fahavalony, noho ny fanampian’Andriamanitra. Efa mitoby eny ampitan’ny Reniranon’i Jordana izao izy ireo, mba hanafika an’i Jeriko!

Indray hariva, dia nisy olon-tsy fantatra roa tonga tao an-tranon’i Rahaba. Fantatr’izy ireo mantsy fa azon’ny vahiny ipetrahana ao. Nampandrosoin’i Rahaba izy ireo. Tamin’io alina io, dia ren’ny mpanjakan’i Jeriko fa hay Israelita tonga hitsikilo ny tanàna izy ireo. Naniraka olona ho any amin’i Rahaba àry ny mpanjaka. Nasainy navoakan’i Rahaba ireo mpitsikilo. Efa fantatr’i Rahaba ve hoe iza ireo olon-tsy fantatra tonga tao aminy? Inona izao no hataony?...

Talohan’ny nahatongavan’ireo iraky ny mpanjaka, dia efa fantatr’i Rahaba fa mpitsikilo ireo Israelita tonga tao aminy. Nafeniny tao an-tampon-trano àry izy ireo, ary hoy izy tamin’ireo iraky ny mpanjaka: ‘Tonga teto amiko tokoa ireny lehilahy ireny. Rehefa maizina anefa ny andro ka efa hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka ry zareo. Enjeho haingana izy.’

Nahoana no nafenin’i Rahaba ireo mpitsikilo?... Hoy izy tamin’izy ireo: ‘Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity. Renay mantsy ny fomba nandritan’i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, rehefa nivoaka avy tany Ejipta ianareo.’ Efa ren’i Rahaba koa fa imbetsaka Andriamanitra no nanampy ny Israelita handresy ny fahavalony.

Voalazan’ny Hebreo 11:31 fa tena faly i Jehovah rehefa narovan’i Rahaba ireo mpitsikilo. Faly koa izy rehefa nandre an’i Rahaba niangavy azy ireo hoe: ‘Tsara fanahy taminareo aho ka mba vonjeo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko, rehefa handrava an’i Jeriko ianareo.’ Nampanantena ireo mpitsikilo fa hanao izany, raha toa i Rahaba ka manaraka ny teniny. Ahoana no tenin’izy ireo?...

‘Afatory eo am-baravarankely ity tady menamena ity, ary angony ao an-tranonao daholo ny havanao. Tsy hisy ho faty ianareo amin’izay.’ Nankatò izany i Rahaba. Fantatrao ve izay nitranga tatỳ aoriana?...

Tonga teo ivelan’ny mandan’i Jeriko ny Israelita. Nihodidina indray mandeha isan’andro an’ilay tanàna izy ireo, nandritra ny enina andro, ary tsy nitabataba. Nihodidina impito an’ilay tanàna kosa izy ireo tamin’ny andro fahafito, ary avy eo nihorakoraka mafy. Inona no nitranga? Nianjera daholo ny manda afa-tsy teo amin’ilay trano nisy tady menamena! Avotra i Rahaba sy ny fianakaviany.—Josoa 2:1-24; 6:1-5, 14, 15, 20-25.

Inona no ianarantsika avy amin’i Rahaba?... Nihaino tsara izy rehefa nisy vaovao momba izay nataon’Andriamanitra mba hiarovana ny vahoakany. Tsy vitan’izay fa nanampy ny vahoakan’Andriamanitra koa izy rehefa afaka nanao izany. Nifidy ny hanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny vahoakany i Rahaba! Ary ianao?... Enga anie ianao mba hanao toa azy!

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.