Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mpandefitra no Tian’i Jehovah

Ny Mpandefitra no Tian’i Jehovah

Manatòna An’Andriamanitra

Ny Mpandefitra no Tian’i Jehovah

Nomery 12:1-15

MAZÀNA no manambony tena na be fialonana na mitady laza ny olona te ho tafita. Tian’i Jehovah Andriamanitra ve anefa izany? Tsia! Ny mpandefitra no tiany hifandray akaiky aminy. Hita izany rehefa jerena ilay fitantarana ao amin’ny Nomery toko faha-12. Tany amin’ny tany efitr’i Sinay ilay izy no nitranga, taorian’ny nanafahana ny Israelita tany Ejipta.

“Nanome tsiny” an’i Mosesy zandriny i Miriama sy Arona. (Andininy 1) Toa tsy niresaka nivantana taminy izy ireo, fa nitaraina tamin’ny vahoaka. I Miriama no voatonona voalohany eo amin’ilay andininy, ka izy angamba no tena nimenomenona. Fa inona no antony? Nanambady vehivavy kosita i Mosesy, ka mety ho nialona azy io i Miriama. Natahotra angamba izy sao tsy izy intsony no halaza, fa ilay vehivavy. Sady amin’izay indray tsy Israelita ilay izy!

Tsy izay ihany anefa no nampimenomenona azy ireo. Niteny foana izy mianadahy hoe: “Amin’ny alalan’i Mosesy ihany angaha no itenenan’i Jehovah, fa tsy amin’ny alalanay koa?” (Andininy 2) Toa te hahazo fahefana sy fanajana bebe kokoa àry izy ireo.

Tsy voalaza hoe namaly azy mianadahy i Mosesy. Niaritra fotsiny izy, ka izany no antony ilazan’ny Baiboly fa izy no ‘be fandeferana indrindra tamin’ny olona’ teto ambonin’ny tany. * (Andininy 3) Tsy voatery nanazava tamin’ny vahoaka koa izy. Efa nihaino an’ilay fimenomenonana mantsy i Jehovah, ka izy no niteny.

Tamin’i Jehovah, dia izy mihitsy no nimenomenonan’i Miriama sy Arona. Izy mantsy no nanendry an’i Mosesy. Nanariny àry izy mianadahy. Nampahatsiahiviny azy ireo fa hafa mihitsy ny fifandraisany tamin’i Mosesy. Hoy izy: “Iresahako mivantana izy.” Nanontaniany izy mianadahy avy eo hoe: “Koa nahoana ianareo no tsy natahotra ny hanome tsiny an’i Mosesy?” (Andininy 8) Nanome tsiny an’Andriamanitra izy ireo, raha ny marina, rehefa nanome tsiny an’i Mosesy. Tezitra be àry i Jehovah, satria tena tsy nanaja azy izy ireo.

Lasa boka i Miriama, satria izy no tena nitarika an’ilay fikomiana. Niangavy haingana an’i Mosesy àry i Arona mba hivavaka ho azy. Eritrereto ange e! Nila ny fanampian’i Mosesy ihany ry zareo, nefa nanome tsiny azy erỳ tamin’ny voalohany! Mbola nandefitra indray anefa i Mosesy, ary nanaiky ny fiangaviany. Teo izy vao niteny, araka ilay fitantarana. Nitaraina mafy tamin’i Jehovah izy mba hanasitrana ny anabaviny. Sitrana tokoa i Miriama, saingy afa-baraka satria natokan-toerana fito andro.

Hitantsika avy amin’io fitantarana io ny toetra tian’i Jehovah sy tsy tiany. Raha te hanatona azy isika, dia tokony hiady mafy sao mbola mitady hanambony tena, na ho be fialonana, na hitady laza. Ny mpandefitra no tian’i Jehovah. Mampanantena izy hoe: ‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’—Salamo 37:11; Jakoba 4:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Ny mpandefitra dia mahavita miaritra ny tsy rariny, fa tsy mamaly faty.