Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Inona no nanampy lehilahy iray tsy hifoka sigara sy rongony intsony, na dia efa fanaony hatramin’ny fahatanorany aza izany? Nahoana ny jiolahy mahery setra iray no lasa mahafehy ny fahatezerany sady tsy manavakava-bolon-koditra intsony? Diniho izay nolazain’izy ireo.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: HEINRICH MAAR

TAONA: 38

FIRENENA: KAZAKHSTAN

FIAINANY TALOHA: MPIFOKA SIGARA SY RONGONY

NY FIAINAKO TALOHA: Tany amin’ny faritra atsimon’i Kazakhstan, any amin’ny 120 kilaometatra miala an’i Tachkent, aho no teraka. Maina ny andro any amin’ny vanin-taona mafana ka mahatratra 45 degre ny mari-pana. Tafidina 10 degre ambanin’ny zero kosa izany rehefa ririnina. Mety tsara hambolena voaloboka sy rongony àry any.

Alemà ny ray aman-dreniko ary samy Kristianina, nefa tsy miangona akory. Nampianariny ahy tsianjery anefa ny Rainay Izay any An-danitra. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny sy ny zokiko vavy, tamin’izaho 14 taona. Nasehon’ireo Vavolombelona roa an’i Neny avy tao amin’ilay Baiboliny efa tranainy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Reko ny resak’izy ireo tamin’izay, ary nanaitra ahy. Nijanona tsy nianatra anefa i Neny, ary tsy niezaka ny hahafantatra an’Andriamanitra intsony koa aho. Tatỳ aoriana, dia nitantara zavatra tsy marina be dia be momba an’ilay nantsoiny hoe sektan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpampianatra anay. Efa nanatrika fivorian’ny Vavolombelona niaraka tamin’ny anabaviko anefa aho, ka niteny tamin’ilay mpampianatra hoe tsy marina ny zavatra reny.

Nalefa tany Leningrad (Saint-Pétersbourg), any Rosia, aho tamin’izaho 15 taona mba hianatra asa. Noresahiko tamin’ireo mpiray efitra tamiko izay mba haiko momba an’i Jehovah. Nanomboka nifoka anefa aho. Rehefa nitsidika ny fianakaviako tany Kazakhstan aho, dia tsy sarotra tamiko ny nividy rongony, na dia noraran’ny lalàna aza izany. Nahery nisotro vodka sy divay namboarina koa aho.

Vita ilay fianarana asa, ary nanao miaramila tao amin’ny tafika sovietika aho nandritra ny roa taona. Tsy nohadinoiko anefa ny zavatra sasany nianarako tao amin’ny Baiboly tamin’izaho mbola kely. Niresaka momba an’i Jehovah tamin’ireo miaramila namako aho rehefa afaka nanao izany. Narovako koa ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nisy nilaza lainga momba azy ireo.

Nifindra tany Alemaina aho, rehefa nahavita raharaha miaramila. Nahazo boky fianarana Baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tany amin’ny tobin’ny mpifindra monina. Nafana fo erỳ aho namaky an’ilay izy, ary tsapako fa tena marina izay voalaza tao. Tsy nety afaka tamin’ny sigara sy rongony anefa aho. Nifindra teny akaikin’ny tanànan’i Karlsruhe aho avy eo. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nihaona tamiko tany, ary nanomboka nianatra Baiboly aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Efa ela no tsapako fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Rehefa avy namaky an’ilay boky noresahiko teo aho, dia resy lahatra fa mamaly an’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana ny Baiboly. Elaela ihany anefa aho vao afaka tamin’ny fahazarako. Nanohina ny foko ny 2 Korintianina 7:1, ka tapa-kevitra ny hanadio ny tenako ho afaka amin’ny “zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina” aho. Niala tamin’ny sigara sy ny rongony àry aho.

Tsy sarotra tamiko ny niala tamin’ny rongony, nefa enim-bolana be izao aho vao afaka tamin’ny sigara. Indray mandeha, dia nanontany ahy ilay Vavolombelona nampianatra ahy Baiboly hoe: “Inona no tanjonao eo amin’ny fiainana?” Nahatonga ahy hieritreritra lalina momba ny fahazarako mifoka sigara izany. Imbetsaka aho no nanandrana niala fa tsy nahavita. Tapa-kevitra àry aho fa hivavaka raha vao mitady hifoka, fa tsy hoe rehefa avy mifoka vao mifona amin’Andriamanitra. Nametra daty hialana amin’ny sigara aho, tamin’ny 1993. Tsy nikitika sigara intsony aho hatramin’iny, noho ny fanampian’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO: Tsy andevozin’ny rongony sy sigara intsony aho, ka sady tsy lany vola no mihasalama. Mpiasa an-tsitrapo ato amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Alemaina aho izao. Tena faly aho satria nampihatra ny torohevitry ny Baiboly! Lasa misy heviny ny fiainako, noho ny fahalalako izay ampianarin’ny Baiboly.

MOMBAMOMBA AZY

ANARANA: TITUS SHANGADI

TAONA: 43

FIRENENA: NAMIBIA

FIAINANY TALOHA: JIOLAHY MAHERY SETRA

NY FIAINAKO TALOHA: Nihalehibe tany ambanivohitr’i Ohangwena, any amin’ny faritra avaratr’i Namibia, aho. Nisy ady tany, teo anelanelan’ny 1980 sy 1990, ary nokapohina sy novonoina ny olona tao an-tanànanay. Rehefa nahay niady sy naharesy an’ireo ankizilahy hafa ny ankizy tany aminay vao noheverina ho tena lehilahy. Nianatra niady àry aho.

Vita ny fianarako, ary niara-nipetraka tamin’ny dadatoako, tany Swakopmund, tany amoron-tsiraka aho. Niaraka tamin’ny andian-jiolahy mpikomy aho, raha vao tonga kelikely tany. Tsy nahazo nankany amin’ny toerana sasany toy ny hotely sy ny bara ny mainty hoditra, nefa nankany izahay mba hila ady amin’olona fotsiny. Imbetsaka izahay no niady tamin’ny mpiambina sy ny polisy. Nitondra antsy lava sy maranitra aho isak’alina, mba hamelezako an’izay manelingelina ahy.

Saika maty aho, indray alina, rehefa niady tamin’ny jiolahy hafa. Nanatona ahy avy any aoriana ny iray taminy, ary efa saika hanapaka ny lohako. Nasian’ny namako ny totohondry anefa izy ka torana. Mbola tia niady ihany aho na dia efa saika maty aza. Rehefa misy mifamaly amiko, na lahy na vavy, dia izaho foana no mikasi-tanana voalohany.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Namaky andininy avy tao amin’ny Salamo 37 ilay Vavolombelon’i Jehovah nihaona tamiko voalohany. Nilaza koa ilay vehivavy fa mbola misy fampanantenana mahatalanjona momba ny hoavy ao amin’ny Apokalypsy. Tsy nolazainy anefa hoe aiza ho aiza ao ilay izy, ka naka Baiboly aho ary namaky ny Apokalypsy manontolo ny alin’iny. Tiako ilay fampanantenana ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4 hoe “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” Nanaiky hianatra Baiboly aho rehefa niverina ireo Vavolombelona.

Sarotra be tamiko ny nanova ny fomba fisainako sy ny fanaoko. Nianarako avy tao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35 anefa fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Niezaka mafy koa aho nampihatra izao voalazan’ny Romanina 12:18 izao: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”

Tsy vitan’ny hoe nianatra nifehy ny fahatezerako fotsiny aho, fa tsy maintsy niezaka mafy niala tamin’ny sigara koa. Matetika aho no nitomany sady nivavaka tamin’i Jehovah mba hanampiany ahy. Tsy nety mihitsy anefa ny nataoko tamin’ny voalohany. Nilaza foana mantsy aho hoe ity no sigara hofohiko “farany”, ary avy eo aho vao nivavaka. Nasehon’ilay mpampianatra Baiboly anefa fa nila nivavaka aho raha vao nitady handray sigara fotsiny. Tokony tsy hanakaiky olona mifoka koa aho. Narahiko koa ilay torohevitra hoe mila resahina amin’ny mpiara-miasa ny maharatsy ny fifohana sigara. Tena nanampy ahy izany, satria tsy nanome ahy sigara maimaim-poana intsony ireo mpifoka tany am-piasana.

Afaka tamin’ny sigara aho, tatỳ aoriana, ary niala tamin’ny fomba fiainako taloha. Rehefa avy nianatra Baiboly enim-bolana aho sady nampihatra ny toro lalana tao, dia nahafeno fepetra hatao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO: Hitako fa mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah, na inona na inona firazanany na volon-kodiny, ka resy lahatra aho fa io no fivavahana marina. Nisy olona fotsy hoditra tao amin’ny fiangonana nanasa ahy hisakafo tany an-tranony, na tamin’izaho mbola tsy vita batisa aza. Toy ny hoe nanonofy aho! Oviana aho no mba niaraka tamin’olona fotsy hoditra ka tsy nila vaniny taminy? Mainka moa fa ny hoe hiara-hisakafo aminy any an-tranony! Lasa anisan’ny fianakaviambe iray maneran-tany aho izao.

Niezaka nanery ahy hanova ny fomba fisainako sy ny fanaoko ny mpiambina sy ny polisy taloha, nefa tsy nahavita. Ny Baiboly ihany no afaka nanampy ahy hanova ny toetrako, ka ho sambatra.

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Matetika aho no nitomany sady nivavaka tamin’i Jehovah mba hanampiany ahy”