Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ohatrinona no Tokony Homeko ny Fiangonana?

Ohatrinona no Tokony Homeko ny Fiangonana?

Manontany ny Mpamaky

Ohatrinona no Tokony Homeko ny Fiangonana?

“Ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintianina 9:7) Olona an-tapitrisany eran-tany no mahalala tsara an’izany. Mahatsapa anefa ny mpiangona sasany fa be loatra ny rakitra takina aminy. Faritan’ny fivavahana sasany mantsy ny habetsahan’ny vola takiny. Mitaky ampahafolon-karena izy ireo.

Faritan’ny Baiboly ve ny habetsahan’ny vola tokony homena ny fiangonana? Ohatrinona no tokony homenao?

Ny fanomezana fahiny

Nisy fanomezana notakin’Andriamanitra tamin’ny Israelita fahiny, ary lazain’ny Baiboly ny habetsahany. (Levitikosy 27:30-32; Nomery 18:21, 24; Deoteronomia 12:4-7, 11, 17, 18; 14:22-27) Tsy navesatra tamin’izy ireo izany. Nanome toky mantsy i Jehovah fa ‘hataony ambinin-java-tsoa’ izy ireo, raha mankatò ny lalàny.—Deoteronomia 28:1, 2, 11, 12.

Tsy nofaritan’i Jehovah kosa ny habetsahan’ny fanomezana sasany, fa afaka nanome izay foiny ny Israelita. Rehefa nikasa hanorina tempoly ho an’i Jehovah, ohatra, i Davida Mpanjaka, dia “volamena mitentina talenta dimy arivo” * no nomen’ny vahoakany. (1 Tantara 29:7) Tsy toy izany kosa ny habetsahan’ny fanomezana nataon’ny “vehivavy mpitondratena mahantra” iray, tamin’ny andron’i Jesosy. “Vola madinika roa faran’izay kely vidy” no nalatsany tao amin’ny vata fandatsaham-bolan’ny tempoly. Ampahany tena kely amin’ny karama iray andro fotsiny izany. Nilaza anefa i Jesosy fa nankasitrahan’Andriamanitra ilay izy.—Lioka 21:1-4.

Ohatrinona no tokony homen’ny Kristianina?

Tsy mila manaraka ny Lalàna nomena ny Israelita intsony ny Kristianina. Tsy voafaritra intsony àry ny habetsahan’ny fanomezana homena an’Andriamanitra. Na izany aza, dia mahafaly ny tena Kristianina ny manome. Hoy mantsy i Jesosy Kristy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Manome vola an-tsitrapo ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanohanana ny asa fitoriana eran-tany ataony. Anaovana pirinty boky sy gazety toy ity vakinao ity, ireny fanomezana ireny. Ampiasaina koa izy ireny mba hanorenana sy hikojakojana ny toeram-pivavahan’izy ireo, izay antsoina hoe Efitrano Fanjakana. Tsy ampiasaina mba handoavana karama anefa ireny vola ireny. Marina fa omena fanampiana ara-bola ny olona sasany manokan-tena tanteraka amin’ny fampianarana Baiboly. Natao hanampiana azy amin’ny saran-dalany sy ny zavatra hafa ilainy anefa izany, fa tsy hoe mitaky izany akory izy ireo. Tsy mahazo fanampiana ara-bola noho ny asa fitoriana ataony ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miasa kosa izy ireo mba hahazoam-bola, toa an’i Paoly izay nivelona tamin’ny fanaovana lay.—2 Korintianina 11:9; 1 Tesalonianina 2:9.

Ohatrinona no tokony homenao, raha maniry hanohana ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao? Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”—2 Korintianina 8:12; 9:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Tamin’ny 2008, dia 60 000 ariary teo ho eo ny vidin’ny volamena iray grama. Mitentina 10 000 tapitrisa ariary any ho any àry ireo volamena ireo.