Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Iza moa ireo mpanora-dalàna nanohitra an’i Jesosy?

Tsy tao Jerosalema ihany i Jesosy no nifanojo tamin’ny mpanora-dalàna, fa tany amin’ny tanàna hafa koa. Nanam-pahefana ireny lehilahy ireny tany ivelan’i Jerosalema sy tamin’ireo Jiosy tany ivelan’i Palestina. Nahay ny Lalàn’i Mosesy izy ireny, ary nisy mihitsy aza nanao dika soratra azy io. Nisy koa nitsara tany amin’ny tanànany.—Marka 2:6; 9:14; Lioka 5:17-21.

Niara-niasa akaiky tamin’ny manam-pahefana jiosy ny mpanora-dalàna tao Jerosalema. (Matio 16:21) Hoy Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): “Toa niara-niasa ny mpisorona [sy ny mpanora-dalàna] ka niara-nitsara ny vahoaka, nanao izay hanarahan’ny olona ny lalàna sy ny fanaon’ny Jiosy, ary nanao izay hampandeha ny asan’ny Fitsarana Avo.” Mpampianatra ambony momba ny Lalàna koa ny mpanora-dalàna sasany, ka mpitsara tao amin’ny Fitsarana Avo mihitsy. Niara-niasa tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo izy ireo.

Nanohitra an’i Jesosy ny mpanora-dalàna. Nisy ihany anefa tsy nanao toy izany. Hoy, ohatra, ny mpanora-dalàna iray tamin’i Jesosy: “Hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.” Hoy i Jesosy tamin’ny iray hafa: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”—Matio 8:19; Marka 12:28-34.

Nahoana no nohosorana menaka ny lohan’ny olona sasany fahiny?

Fanehoana fanajana olona ny fanosorana menaka ny lohany, tany Israely fahiny. Nanosotra menaka ny lohan’ny vahiny koa ny olona nahay nandray vahiny. Menaka oliva niharo zavamanitra no tena nampiasaina. Nandraraka menaka teo amin’ny lohan’izay voatendry hahazo toerana ambony koa ny Hebreo. Nandrarahana menaka, ohatra, ny lohan’i Arona, tamin’izy voatendry ho mpisoronabe. (Levitikosy 8:12) Izany koa no natao tamin’i Davida, tamin’izy voatendry ho mpanjaka. “Naka an’ilay tandroka nisy menaka i Samoela, ka nanosotra an’i Davida ... Ary niasa tamin’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.”—1 Samoela 16:13.

Ny hoe manosotra amin’ny menaka dia midika hoe mashah, amin’ny teny hebreo. Avy amin’io ilay teny hoe mashiah na Mesia. Kriô kosa no teny grika mitovy dika amin’izy io, ary avy amin’io ny hoe kristôs, na Kristy. Samy azo lazaina hoe mesia na voahosotra àry i Arona sy Davida. Azo antsoina koa hoe kristy na voahosotra i Mosesy, satria notendren’Andriamanitra ho solontenany.—Hebreo 11:24-26.

Nomen’Andriamanitra toerana tena ambony i Jesosy avy any Nazareta. Nohosorany tamin’ny fanahy masina izy, fa tsy tamin’ny menaka. (Matio 3:16) Tena mety koa àry ny iantsoana an’i Jesosy hoe Mesia na Kristy, satria Voahosotra nofidin’i Jehovah izy.—Lioka 4:18.