Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampanantena Fiainana Mandrakizay eto An-tany Andriamanitra

Mampanantena Fiainana Mandrakizay eto An-tany Andriamanitra

Mampanantena Fiainana Mandrakizay eto An-tany Andriamanitra

“Navela ho tonga zava-poana ny zavaboary, ... miorina amin’izao fanantenana izao.”—ROM. 8:20.

1, 2. a) Nahoana no zava-dehibe amintsika ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany? b) Nahoana ny olona maro no tsy tena mino hoe hisy fiainana mandrakizay eto an-tany?

FALY erỳ angamba ianao tamin’ny vao nahalala hoe tsy ho ela ny olona dia tsy hihantitra na ho faty intsony, fa hiaina mandrakizay eto an-tany. (Jaona 17:3; Apok. 21:3, 4) Azo inoana fa tianao koa ny niresaka izany tamin’ny hafa. Anisan’ny lafiny lehibe amin’ny vaovao tsara torintsika rahateo ny fanantenana fiainana mandrakizay. Misy vokany amin’ny fomba fahitantsika ny fiainana izany.

2 Tsy mampianatra momba ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany ny ankamaroan’ny fivavahana milaza azy ho Kristianina. Lazainy fa mankany ankoatra ny fanahin’ny olona aorian’ny fahafatesana, na dia tsy mampianatra an’izany aza ny Baiboly. (Mpito. 9:5) Olona maro àry no tsy tena mino hoe hisy fiainana mandrakizay eto an-tany. Mampanantena fiainana mandrakizay eto an-tany ve anefa ny Baiboly? Raha izany, oviana Andriamanitra no nilaza izany voalohany tamin’ny olombelona?

“Navela ho tonga zava-poana ... miorina amin’izao fanantenana izao”

3. Ahoana no nampihariharian’Andriamanitra ny fikasany momba ny olombelona, teo am-piandohan’ny tantaran’izy ireo?

3 Vao nanomboka ny tantaran’ny olombelona, dia efa nahariharin’i Jehovah ny fikasany momba azy ireo. Nolazainy mazava tsara tamin’i Adama fa ho afaka hiaina mandrakizay izy raha mankatò. (Gen. 2:9, 17; 3:22) Azo inoana fa takatry ny taranak’i Adama avy tamin’ny zava-nisy fa lasa tsy lavorary ny olombelona. Tsy navela hidirana intsony ny zaridainan’i Edena, ary nihantitra sy maty ny olona. (Gen. 3:23, 24) Nihafohy koa ny androm-piainan’ny olona. Niaina nandritra ny 930 taona, ohatra, i Adama. I Sema zanak’i Noa indray, dia velona 600 taona, ary i Arpaksada zanany 438 taona. Naharitra 205 taona ny androm-piainan’i Tera rain’i Abrahama, fa ny an’i Abrahama kosa 175 taona. Velona 180 taona i Isaka, ary i Jakoba 147 taona. (Gen. 5:5; 11:10-13, 32; 25:7; 35:28; 47:28) Inona no dikan’izany? Very ilay fanantenana hiaina mandrakizay! Mbola afaka manantena fiainana mandrakizay ve anefa ny olombelona?

4. Inona no nahatonga an’ireo olona tsy nivadika fahiny hatoky fa mbola handrotsaka an’ireo fitahiana tsy azon’i Adama Andriamanitra?

4 Hoy ny Baiboly: “Navela ho tonga zava-poana ny [olombelona], ... miorina amin’izao fanantenana izao.” (Rom. 8:20) Fanantenana inona? Miresaka momba ny ‘taranaka’ iray, izay ‘hanorotoro ny lohan’ilay menarana’, ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly. (Vakio ny Genesisy 3:1-5, 15.) Hita avy amin’io fampanantenana io fa mbola hanatanteraka ny fikasany momba ny olombelona Andriamanitra. Nino, ohatra, ry Abela sy Noa fa mbola handrotsaka an’ireo fitahiana tsy azon’i Adama Andriamanitra. Takatr’izy ireo angamba fa tsy maintsy hisy ra latsaka, rehefa ‘haratra ny voditongotr’ilay taranaka.’—Gen. 4:4; 8:20; Heb. 11:4.

5. Inona no manaporofo fa nino ny fitsanganana amin’ny maty i Abrahama?

5 Diniho koa ny momba an’i Abrahama. Vonona ‘hanolotra an’i Isaka zanany lahitokana’ izy, rehefa notsapaina. (Heb. 11:17) Nahoana izy no nanao izany? (Vakio ny Hebreo 11:19.) Nino ny fitsanganana amin’ny maty i Abrahama! Nanana antony ninoana izany mantsy izy. Efa tena antitra izy sy Saraha vadiny, ka tsy afaka niteraka intsony. Toy ny hoe novelomin’i Jehovah indray anefa ny vatan’izy ireo, ka afaka niteraka zazalahy. (Gen. 18:10-14; 21:1-3; Rom. 4:19-21) Natoky ny tenin’i Jehovah koa i Abrahama. Nilaza taminy mantsy i Jehovah hoe: “Avy amin’i Isaka ilay hantsoina hoe taranakao.” (Gen. 21:12) Natoky àry izy fa hanangana an’i Isaka amin’ny maty Andriamanitra.

6, 7. a) Inona no fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama? b) Nahoana ilay fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama no mitondra fanantenana ho an’ny olombelona?

6 Nanao fifanekena tamin’i Abrahama momba ny ‘taranany’ i Jehovah, noho izy nanana finoana niavaka. (Vakio ny Genesisy 22:18.) I Jesosy Kristy no voalohany amin’ilay ‘taranaka.’ (Gal. 3:16) Nilaza taminy i Jehovah fa ‘ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina ny taranany.’ Tsy nahafantatra izay ho isan’izy ireo i Abrahama. (Gen. 22:17) Fantatra anefa izany tatỳ aoriana. I Jesosy Kristy sy ireo 144 000 hiara-manjaka aminy ao amin’ilay Fanjakana io ‘taranaka’ io. (Gal. 3:29; Apok. 7:4; 14:1) Ny Fanjakan’ny Mesia no fitaovana ampiasain’Andriamanitra ‘hitahiana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.’

7 Nety tsy ho takatr’i Abrahama tamin’ny fomba feno ny dikan’ilay fifanekena nataon’i Jehovah taminy. Na izany aza, dia ‘niandry an’ilay tanàna nanana fototra tena izy’ i Abrahama. (Heb. 11:10) Ny Fanjakan’Andriamanitra io tanàna io. Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty i Abrahama, vao ho afaka handray fitahiana eo ambany fitondran’io Fanjakana io, ary hiaina mandrakizay eto an-tany. Ho afaka hiaina mandrakizay koa ireo ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona sy ireo hatsangana amin’ny maty.—Apok. 7:9, 14; 20:12-14.

‘Manery ahy ny fanahin’Andriamanitra’

8, 9. Nahoana no tsy fitantarana momba ny fitsapana niaretan’ny lehilahy iray fotsiny ny bokin’i Joba?

8 Velona teo anelanelan’ny fotoana niainan’i Josefa zafiafin’i Abrahama sy Mosesy mpaminany i Joba. Toa i Mosesy no nanoratra ny bokin’i Joba. Hazavaina ao hoe nahoana no navelan’i Jehovah hijaly i Joba, sy ny hoe inona no fitahiana azony tatỳ aoriana. Tsy fitantarana momba ny fitsapana niaretan’ny lehilahy iray fotsiny anefa ny bokin’i Joba. Miresaka raharaha mahakasika ny olona sy ny anjely rehetra koa izy io. Asongadina ao fa marina ny fitondran’i Jehovah. Aharihary ao koa fa mifandray amin’ilay raharaha nipoitra tany Edena ny tsy fivadihan’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra eto an-tany sy ny fanantenany fiainana mandrakizay. Marina aloha fa tsy nahalala an’io raharaha io i Joba, nefa tsy nanaiky ny tenany ho olona nivadika mihitsy izy, na dia nanery azy hihevitra an’izany aza ireo namany telo lahy. (Joba 27:5) Tokony hanatanjaka ny finoantsika izany, ary hanampy antsika hahatakatra fa afaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah isika sady afaka manohana ny zony hitondra.

9 Nandray fitenenana “i Eliho zanak’i Barakela Bozita”, rehefa tsy niteny intsony ireo telo lahy nihambo ho naman’i Joba. Hoy izy: “Nanjary manan-javatra be dia be holazaina aho. Ary manery ahy avy ato anatiko ny fanahin’Andriamanitra.” (Joba 32:5, 6, 18) Tanteraka tamin’i Joba ny tenin’i Eliho rehefa nifarana ilay fitsapana. Mbola zava-dehibe amin’ny mpanompon’i Jehovah rehetra tsy mivadika anefa ny teniny, satria manome fanantenana ho azy ireo.

10. Inona no manaporofo fa mety hahakasika ny olombelona amin’ny ankapobeny ny hafatra avantan’i Jehovah amin’ny olona iray?

10 Misy hafatra avantan’i Jehovah amin’ny olona iray, nefa mety hahakasika ny olombelona amin’ny ankapobeny. Hita, ohatra, izany tamin’ny faminanian’i Daniela, izay miresaka momba ny nofin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Nahita hazo iray mijoalajoala nokapaina izy. (Dan. 4:10-27) Tanteraka tamin’i Nebokadnezara io nofy io, nefa koa mbola misy heviny lehibe lavitra. Asehon’izy io mialoha ny zavatra hitranga 2 520 taona aorian’ny taona 607 T.K. Hitondra ny tany indray mantsy Andriamanitra amin’izay, amin’ny alalan’ny mpanjaka iray anisan’ny taranak’i Davida Mpanjaka. * Nanomboka nampihatra ny fahefany teto an-tany indray izy, rehefa natao Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy Kristy, tamin’ny 1914. Saintsaino ange e! Kely sisa dia hotanterahin’io Fanjakana io ireo zavatra antenain’ny olombelona mankatò.

“Aoka izy tsy ho lasa any an-davaka!”

11. Vonona hanao inona Andriamanitra, araka ny tenin’i Eliho?

11 Rehefa namaly an’i Joba i Eliho, dia niresaka momba ny ‘mpitondra hafatra, mpitondra teny, iray ao anatin’ny arivo, mba hampahafantatra ny fahitsiana’ amin’ny olona. Inona no hitranga raha ‘mitalaho amin’Andriamanitra’ io mpitondra hafatra io ‘mba hankasitrahany azy’? Hoy i Eliho: “Dia hankasitraka azy Andriamanitra, ka hilaza hoe: ‘Aoka izy tsy ho lasa any an-davaka! Efa nahita vidim-panavotana aho! Aoka ny nofony ho tsara noho ny an’ny tanora, ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.’ ” (Joba 33:23-26) Hita avy amin’ireo teny ireo fa vonona handray “vidim-panavotana” Andriamanitra, mba hamonjena ny olombelona mibebaka.—Joba 33:24.

12. Afaka manantena inona ny olombelona, noho ny tenin’i Eliho?

12 Nety tsy ho nahatakatra tamin’ny fomba feno ny momba ny vidim-panavotana i Eliho, toa an’ireo mpaminany ihany. (Dan. 12:8; 1 Pet. 1:10-12) Noho ny tenin’i Eliho anefa, dia afaka manantena ny olombelona fa hanaiky vidim-panavotana Andriamanitra, ary hanafaka azy ireo amin’ny fahanterana sy ny fahafatesana. Afaka manantena fiainana mandrakizay àry isika, noho ny tenin’i Eliho. Asehon’ny bokin’i Joba koa fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty.—Joba 14:14, 15.

13. Nahoana no zava-dehibe amin’ny Kristianina ny tenin’i Eliho?

13 Mbola zava-dehibe amin’ireo Kristianina an-tapitrisany, izay manantena ny ho tafavoaka velona amin’ny fandringanana an’ity tontolo ity, ny tenin’i Eliho. Ho lasa tanora indray mantsy ireo zokiolona anisan’izy ireo. (Apok. 7:9, 10, 14-17) Mahafaly an’ireo olona tsy mivadika koa ny hoe hahita an’ireo hatsangana amin’ny maty ho lasa tanora indray. Mazava ho azy fa mila maneho finoana ny sorom-panavotan’i Kristy ireo voahosotra mba hahafahany hiaina any an-danitra, ary toy izany koa ny “ondry hafa” mba hahafahany hiaina mandrakizay eto an-tany.—Jaona 10:16; Rom. 6:23.

Ho foana tsy hisy eto an-tany ny fahafatesana

14. Inona no manaporofo fa zavatra lehibe kokoa noho ny Lalàn’i Mosesy no nilaina mba hananan’ny Israelita fanantenana hiaina mandrakizay?

14 Lasa firenena nahaleo tena ny taranak’i Abrahama, rehefa nanao fifanekena tamin’Andriamanitra. Hoy i Jehovah rehefa nanome azy ireo ny Lalàna: “Tandremo ny lalàko sy ny didim-pitsarako, fa izay olona mankatò izany no ho velona amin’ny alalan’izany.” (Lev. 18:5) Tsy nahavita nankatò tanteraka an’ilay Lalàna anefa izy ireo, ka nomelohin’ny Lalàna, ary nila nafahana tamin’io fanamelohana io.—Gal. 3:13.

15. Inona no fitahiana amin’ny hoavy nasaina nosoratan’i Davida?

15 Nisy mpanoratra Baiboly hafa, ankoatra an’i Mosesy, nasain’i Jehovah nanoratra momba ny fanantenana fiainana mandrakizay. (Sal. 21:4; 37:29) Nanoratra momba ny firaisan-tsainan’ny mpivavaka marina ao Ziona, ohatra, i Davida tao amin’ny salamo iray. Izao no namaranany ny teniny: “Nodidian’i Jehovah ho ao Ziona ny fitahiany, dia ny fiainana mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Sal. 133:3.

16. Inona no hataon’i Jehovah “any amin’ny tany rehetra”, araka ny nampilazainy an’i Isaia?

16 Nasain’i Jehovah naminany momba ny fiainana mandrakizay eto an-tany i Isaia. (Vakio ny Isaia 25:7, 8.) Manavesatra ny olombelona toy ny “rakotra” na bodofotsy manempotra ny fahotana sy ny fahafatesana. Manome toky ny vahoakany anefa i Jehovah, fa hofoanany ny fahotana sy ny fahafatesana, izany hoe hesoriny “any amin’ny tany rehetra.”

17. Inona no anjara asan’ny Mesia, izay ahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay?

17 Diniho koa ilay lalàna momba ny osilahy ho an’i Azazela ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Indray mandeha isan-taona, amin’ny Andro Fanavotana, dia ‘nametraka ny tanany roa teo amin’ny lohan’ilay osilahy velona’ ny mpisoronabe ‘sady niaiky ny fahadisoana rehetra nataon’ny zanak’Israely. Nataony teo amin’ny lohan’ilay osilahy izany, ary nentin’ilay osilahy ho any an-tany efitra ny fahadisoana rehetra nataon’ny zanak’Israely.’ (Lev. 16:7-10, 21, 22) Nilaza mialoha i Isaia fa ho avy ny Mesia, ary hanana anjara asa mitovitovy amin’ny an’ilay osilahy izy. Hitondra ny ‘aretina’ sy ny ‘fanaintainana’ ary ny “fahotan’ny maro” izy, mba hahafahan’izy ireo hiaina mandrakizay.—Vakio ny Isaia 53:4-6, 12.

18, 19. Inona ilay fanantenana asongadina ao amin’ny Isaia 26:19 sy ny Daniela 12:13?

18 Hoy i Jehovah tamin’ny Israelita: “Ho velona ny olonao izay efa maty. Hitsangana ny fatinay [ireo novonoina]. Mifohaza ka mihobia ianareo izay mitoetra ao amin’ny vovoka! Fa ny andonao dia ho toy ny ando eny amin’ny fiandrilavenona, ary havelan’ny tany hateraka ny maty tsy mahefa na inona na inona.” (Isaia 26:19) Resahin’ny Soratra Hebreo mazava tsara fa hisy fitsanganana amin’ny maty sy fiainana mandrakizay eto an-tany. Nanome toky an’i Daniela i Jehovah, tamin’izy 100 taona latsaka kely, hoe: “Hiala sasatra ianao, nefa hitsangana any am-parany mba hahazo ny anjaranao.”—Dan. 12:13.

19 Nanantena fitsanganana amin’ny maty i Marta. Hoy izy tamin’i Jesosy rehefa maty ny anadahiny: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:24) Nanova an’izany fanantenana izany ve ny fampianaran’i Jesosy sy ny taratasy nosoratan’ny mpianany? Mbola mampanantena fiainana mandrakizay eto an-tany ve i Jehovah? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valin’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Jereo ny toko 6 amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!

Hainao Hazavaina Ve?

• “Navela ho tonga zava-poana” ny olombelona. Miorina amin’ny fanantenana inona izany?

• Inona no manaporofo fa nino ny fitsanganana amin’ny maty i Abrahama?

• Afaka manantena inona ny olombelona, noho ny tenin’i Eliho tamin’i Joba?

• Ahoana no anantitranteran’ny Soratra Hebreo fa hisy fitsanganana amin’ny maty sy fiainana mandrakizay eto an-tany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 5]

Manantena ho afaka amin’ny fahanterana sy ny fahafatesana ny olombelona, noho ny tenin’i Eliho tamin’i Joba

[Sary, pejy 6]

Nomena toky i Daniela fa ‘hitsangana izy any am-parany mba hahazo ny anjarany’