Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampianatra Momba ny Fiainana Mandrakizay eto An-tany ve i Kristy?

Nampianatra Momba ny Fiainana Mandrakizay eto An-tany ve i Kristy?

Nampianatra Momba ny Fiainana Mandrakizay eto An-tany ve i Kristy?

“[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony.”—APOK. 21:4.

1, 2. Ahoana no ahalalantsika fa Jiosy maro tamin’ny taonjato voalohany no nanantena hahazo fiainana mandrakizay eto an-tany?

NISY tovolahy iray mpanankarena nanatona an’i Jesosy, ary nandohalika teo anatrehany. Hoy izy: “Mpampianatra Tsara ô, inona no tsy maintsy ataoko mba handovako fiainana mandrakizay?” (Mar. 10:17) Aiza no hisy an’io fiainana mandrakizay niriny ho azo io? Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa nampanantena an’ireo Jiosy Andriamanitra, taonjato maro talohan’io, fa hisy fitsanganana amin’ny maty sy fiainana mandrakizay eto an-tany. Mbola nanana an’io fanantenana io ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany.

2 Niresaka momba ny anadahiny efa maty i Marta naman’i Jesosy. Toa ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany no tao an-tsainy, rehefa nilaza izy hoe: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:24) Tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty ny Sadoseo tamin’izany. (Mar. 12:18) Hoy anefa i George Moore, tao amin’ilay bokiny hoe Ny Fivavahana Jiosy Tamin’ny Taonjato Voalohany (anglisy): ‘Porofoin’ireo asa soratra tamin’ny taonjato faharoa na voalohany talohan’i Kristy, fa maro no nino hoe hatsangana eto an-tany indray ny maty, amin’ny hoavy.’ Naniry hiaina mandrakizay eto an-tany ilay tovolahy nanatona an’i Jesosy.

3. Inona avy no fanontaniana hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Maro ny fivavahana sy manam-pahaizana momba ny Baiboly milaza fa tsy nampianatra momba ny fiainana mandrakizay eto an-tany i Jesosy. Olona maro no manantena hiaina any ankoatra rehefa maty. Rehefa mahita an’ilay hoe “fiainana mandrakizay” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina àry ny olona, dia mihevitra fa fiainana any an-danitra foana no tiana holazaina. Marina ve izany? Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe fiainana mandrakizay? Inona no ninoan’ireo mpianany? Mampianatra ve ny Soratra Grika fa afaka manantena fiainana mandrakizay eto an-tany isika?

Fiainana mandrakizay “amin’ny fotoanan’ny fanavaozana”

4. Inona no hitranga “amin’ny fotoanan’ny fanavaozana”?

4 Ampianarin’ny Baiboly fa hisy Kristianina voahosotra hatsangana amin’ny maty, mba hitondra ny tany avy any an-danitra. (Lioka 12:32; Apok. 5:9, 10; 14:1-3) Tsy ireo Kristianina vitsy an’isa ireo ihany anefa no tao an-tsain’i Jesosy, rehefa niresaka momba ny fiainana mandrakizay izy. Nandao azy tamin’alahelo ilay tovolahy mpanankarena, rehefa nasainy nivarotra ny fananany rehetra sy hanara-dia azy. Mariho izay nolazainy tamin’ny mpianany taorian’izay. (Vakio ny Matio 19:28, 29.) Nolazain’i Jesosy fa izy ireo dia ho anisan’ireo hanjaka sy hitsara ny “foko roa ambin’ny folon’ny Israely”, izany hoe ny olombelona tsy anisan’ireo ho any an-danitra. (1 Kor. 6:2) Niresaka koa izy fa hahazo valisoa “izay rehetra” manara-dia azy, ka “handova fiainana mandrakizay.” Hitranga “amin’ny fotoanan’ny fanavaozana” izany rehetra izany.

5. Inona no dikan’ilay hoe “fotoanan’ny fanavaozana”?

5 Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe “fotoanan’ny fanavaozana”? Adika hoe ‘fanavaozana an’izao tontolo izao’ izy io ao amin’ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara. Tsy nanazava an’io teny io anefa i Jesosy. Azo antoka àry fa ilay fiainana mandrakizay eto an-tany nantenain’ny Jiosy nandritra ny taonjato maro no tiany holazaina. Hohavaozina ny tany, ka haverina ho toy ny tao amin’ny zaridainan’i Edena talohan’ny nanotan’i Adama sy Eva, ny toe-piainana eto. Amin’io fanavaozana io no ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra “hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao.”—Isaia 65:17.

6. Inona no ianarantsika momba ny fanantenana fiainana mandrakizay avy amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy?

6 Niresaka momba ny fiainana mandrakizay koa i Jesosy, rehefa nanazava ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. (Mat. 24:1-3) Hoy izy: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.” Ireo ratsy fanahy dia ‘ho any amin’ny fandringanana mandrakizay, fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.’ Izay rehetra manohana ny voahosotra rahalahin’i Kristy no “olo-marina” hahazo fiainana mandrakizay. (Mat. 25:31-34, 40, 41, 45, 46) Voafidy ho mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra ny voahosotra. Tsy maintsy ho ny olom-pehezin’io Fanjakana io eto an-tany àry ireo “olo-marina.” Milaza ny Baiboly fa hisy olom-pehezin’ilay Mpanjakan’i Jehovah “hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina, ary hatrany amin’ny Renirano ka hatrany amin’ny faran’ny tany.” (Sal. 72:8) Hiaina mandrakizay eto an-tany ireo olona ireo.

Inona no lazain’ny Filazantsaran’i Jaona?

7, 8. Inona ireo fanantenana roa noresahin’i Jesosy tamin’i Nikodemosy?

7 Hita ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy Marka ary Lioka, fa nampiasa ny teny hoe “fiainana mandrakizay” i Jesosy, tamin’ireo fitantarana voaresaka teo aloha. Im-17 eo ho eo ny Filazantsaran’i Jaona no mamerina ny tenin’i Jesosy momba ny fiainana mandrakizay. Andeha hodinihintsika ny sasany amin’ireo, mba hahalalantsika izay nolazain’i Jesosy momba ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany.

8 Tantarain’i Jaona fa ilay Fariseo atao hoe Nikodemosy no niresahan’i Jesosy voalohany momba ny fiainana mandrakizay. Hoy izy: “Tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy.” Tsy maintsy “ateraka indray” ireo hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. (Jaona 3:3-5) Tsy izay ihany anefa no nolazain’i Jesosy. Niresaka momba ny fanantenana ho an’izao tontolo izao izy avy eo. (Vakio ny Jaona 3:16.) Fiainana mandrakizay any an-danitra ho an’ny voahosotra sy fiainana eto an-tany ho an’ny olon-kafa no tian’i Jesosy horesahina ao amin’io andininy io.

9. Inona no fanantenana nolazain’i Jesosy tamin’ilay vehivavy samaritanina?

9 Nianavaratra nankany Galilia i Jesosy, rehefa avy niresaka tamin’i Nikodemosy tany Jerosalema. Nahita vehivavy iray teo amin’ny fantsakan’i Jakoba, teo akaikin’ny tanànan’i Sykara any Samaria izy, teny an-dalana. Hoy izy: ‘Izay rehetra misotro ny rano homeko azy tsy hangetaheta intsony mihitsy. Fa ilay rano homeko azy dia ho loharano ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.’ (Jaona 4:5, 6, 14) Io rano io dia mampiseho ny fanomezan’Andriamanitra fiainana mandrakizay ho an’ny olona rehetra, anisan’izany ireo hiaina eto an-tany. Hoy Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy: “Izay mangetaheta dia homeko rano maimaim-poana avy amin’ny loharanon’ny ranon’aina.” (Apok. 21:5, 6; 22:17) Tsy ny fiainana mandrakizay ho an’ireo voahosotra mpandova an’ilay Fanjakana ihany àry no noresahin’i Jesosy tamin’ilay vehivavy samaritanina, fa ny an’ireo hiaina eto an-tany koa.

10. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fiainana mandrakizay tamin’ireo Jiosy nanakiana azy?

10 Nankany Jerosalema indray i Jesosy, ny taona nanaraka. Nanasitrana lehilahy iray tao amin’ny dobon’i Betesda izy tany. Hoy izy tamin’ireo Jiosy nanakiana azy: “Ny Zanaka tsy manao na inona na inona araka ny nahim-pony, fa izay hitany ataon’ny Ray ihany no ataony.” Nilaza i Jesosy avy eo fa ‘nankinin’ny Ray tamin’ny Zanaka ny fitsarana rehetra.’ Hoy izy taorian’izay: “Izay mandre ny teniko ka mino an’ilay naniraka ahy no manana fiainana mandrakizay.” Hoy koa izy: ‘Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon’ny Zanak’olona, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.’ (Jaona 5:1-9, 19, 22, 24-29) Nilaza tamin’ireo Jiosy nanenjika azy i Jesosy fa izy no notendren’Andriamanitra hanatanteraka ny fanantenan’ny Jiosy fiainana mandrakizay eto an-tany. Hanao izany izy rehefa hanangana ny maty.

11. Ahoana no ahalalantsika fa anisan’ny resahin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:48-51, ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany?

11 An’arivony ny olona nanomboka nanaraka an’i Jesosy tany Galilia, satria naniry hahazo mofo tamin’ny fomba mahagaga. Niresaka tamin’izy ireo momba ny karazana mofo hafa anefa izy, dia ny “mofon’aina.” (Vakio ny Jaona 6:40, 48-51.) Hoy izy: “Ny mofo izay homeko dia ny nofoko.” Tsy ho an’ireo hiara-manjaka aminy ihany no nanomezan’i Jesosy ny ainy, fa “ho fiainan’izao tontolo izao” koa, dia ireo olona mendrika ny havotana. Hahazo fiainana mandrakizay izay ‘mihinana an’ilay mofo’, izany hoe mino fa afaka manavotra ny soron’i Jesosy. Anisan’ilay fiainana “mandrakizay” àry ny fanantenan’ny Jiosy fiainana mandrakizay eto an-tany mandritra ny fanjakan’ny Mesia.

12. Fanantenana inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy hoe ‘hanome fiainana mandrakizay ho an’ny ondriny’?

12 Tatỳ aoriana, tamin’ny Fetin’ny Fitokanana tao Jerosalema, dia hoy i Jesosy tamin’ireo nanohitra azy: ‘Tsy mino ianareo, satria tsy anisan’ny ondriko. Ny ondriko mantsy mihaino ny feoko, ary izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy. Dia omeko fiainana mandrakizay izy.’ (Jaona 10:26-28) Ny fiainana any an-danitra ihany ve no tian’i Jesosy holazaina eo, sa ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany koa? Nampahery ny mpanara-dia azy toy izao izy, talohan’io: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Lioka 12:32) Hoy anefa i Jesosy, tamin’io fety io ihany: “Manana ondry hafa tsy ao amin’ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko.” (Jaona 10:16) Rehefa niresaka tamin’ireo nanohitra azy àry i Jesosy, dia samy nohazavainy na ny fanantenana fiainana any an-danitra ho an’ny “ondry vitsy”, na ny fiainana mandrakizay eto an-tany ho an’ny “ondry hafa” an-tapitrisany.

Fanantenana tsy nila fanazavana

13. Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao”?

13 Nanome porofo tsy azo lavina momba ny fanantenana ho an’ny olombelona i Jesosy, rehefa nijaly teo amin’ny hazo fijaliana. Hoy ny jiolahy iray nofantsihana teo akaikiny: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Nampanantena azy i Jesosy hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:42, 43) Azo antoka fa Jiosy io lehilahy io, ka tsy nila nohazavaina taminy intsony ny momba ny Paradisa. Efa fantany ilay fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany amin’ny hoavy.

14. a) Inona no mampiseho fa sarotra tamin’ireo apostoly ny nahatakatra an’ilay fanantenana ho any an-danitra? b) Oviana ny mpanara-dia an’i Jesosy no nahatakatra tsara momba an’ilay fanantenana ho any an-danitra?

14 Inona kosa no nila nohazavaina? Ilay tenin’i Jesosy momba ny fanantenana ho any an-danitra. Tsy azon’ny mpianany mantsy izay tiany holazaina tamin’ilay hoe ho any an-danitra izy mba hanomana toerana ho azy ireo. (Vakio ny Jaona 14:2-5.) Hoy izy tatỳ aoriana: “Mbola misy zavatra maro tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany ankehitriny. Fa rehefa tonga izy, izany hoe ny fanahin’ny fahamarinana, dia hitari-dalana anareo ho amin’ny fahamarinana rehetra.” (Jaona 16:12, 13) Taorian’ny Pentekosta taona 33 ireo mpanara-dia an’i Jesosy vao nahatakatra fa any an-danitra ny seza fiandrianany. Voahosotry ny fanahy ho mpanjaka mantsy izy ireo tamin’izay. (1 Kor. 15:49; Kol. 1:5; 1 Pet. 1:3, 4) Zava-baovao ilay fanantenana ho any an-danitra, ary izany no nifantohan’ireo taratasy nosoratan’ny mpianatr’i Jesosy tao amin’ny Soratra Grika. Manamafy an’ilay fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany ve anefa ireo taratasy ireo?

Inona no lazain’ireo taratasy avy amin’ny fanahy masina?

15, 16. Nahoana isika no afaka milaza fa manazava momba ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany ny taratasy ho an’ny Hebreo sy ny tenin’i Petera?

15 Niantso ny mpiray finoana taminy hoe “rahalahy masina izay nahazo fiantsoana ho any an-danitra” ny apostoly Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Nilaza koa anefa izy fa nasain’Andriamanitra nanaiky an’i Jesosy ilay “tany onenana ho avy.” (Heb. 2:3, 5; 3:1) Ny tany misy mponina foana no tiana holazaina amin’ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “tany onenana”, ao amin’ny Soratra Grika. Ilay tontolo vaovao eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy àry ilay “tany onenana ho avy.” Amin’izay no hanatanterahan’i Jesosy an’ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Sal. 37:29.

16 Nahazo fanahy masina koa ny apostoly Petera, ka nanoratra momba ny hoavin’ny olombelona. Hoy izy: ‘Tehirizina ho amin’ny afo ny lanitra sy ny tany ankehitriny, ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.’ (2 Pet. 3:7) Inona no hisolo toerana ny lanitra na ny fitondram-panjakan’olombelona, sy ny olona ratsy fanahy ankehitriny? (Vakio ny 2 Petera 3:13.) Hisolo azy ireo ny “lanitra vaovao” na ny Fanjakan’ny Mesia, sy ny “tany vaovao” na ireo olo-marina manaraka ny fivavahana marina.

17. Ahoana no iresahana ny fanantenan’ny olombelona ao amin’ny Apokalypsy 21:1-4?

17 Resahin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly fa hatao lavorary indray ny olombelona. (Vakio ny Apokalypsy 21:1-4.) Izany no fanantenan’ny olona manam-pinoana, hatramin’ny namoizana ny fahalavorariana tao amin’ny zaridainan’i Edena. Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny olo-marina, ary tsy hihantitra intsony. Hita mazava ao amin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika izany fanantenana izany, ary mbola mampahery an’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ankehitriny.—Apok. 22:1, 2.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe “fotoanan’ny fanavaozana”?

• Inona no noresahin’i Jesosy tamin’i Nikodemosy?

• Inona no fampanantenana nomen’i Jesosy an’ilay jiolahy nofantsihana teo akaikiny?

• Hazavao fa manamafy ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany ny taratasy ho an’ny Hebreo sy ny tenin’i Petera.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Hahazo fiainana mandrakizay eto an-tany ireo olona toy ny ondry

[Sary, pejy 10]

Niresaka tamin’ny olona momba ny fiainana mandrakizay i Jesosy