Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampahafantarina Indray Ilay Fanantenana Fiainana Mandrakizay eto An-tany

Nampahafantarina Indray Ilay Fanantenana Fiainana Mandrakizay eto An-tany

Nampahafantarina Indray Ilay Fanantenana Fiainana Mandrakizay eto An-tany

“Ry Daniela ô, hazòny ho zava-miafina ny teny ... mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany. Maro no handinika lalina, ka hitombo be ny tena fahalalana.”—DAN. 12:4.

1, 2. Inona avy no fanontaniana hovaliana amin’ity lahatsoratra ity?

OLONA an-tapitrisany ankehitriny no mahalala fa ampianarina ao amin’ny Soratra Masina ny hoe hisy fiainana mandrakizay ao amin’ny tany paradisa. (Apok. 7:9, 17) Vao nanomboka mihitsy ny tantaran’olombelona, dia efa nampahafantarin’Andriamanitra hoe natao hiaina mandrakizay ny olona, fa tsy mandritra ny taona vitsivitsy monja.—Gen. 1:26-28.

2 Nino ny Israelita fa mbola hatao lavorary ny olombelona, ka hitovy amin’i Adama tamin’izy mbola tsy nanota. Hazavaina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina koa ny zavatra nataon’Andriamanitra, mba hahafahan’ny olona hiaina mandrakizay eo amin’ny tany Paradisa. Nahoana àry no mbola nila nampahafantarina indray io fanantenana io? Ahoana no nampiharihariana azy io tamin’ny olona an-tapitrisany?

Nafenina ilay fanantenana

3. Nahoana no tsy mahagaga raha tsy fantatry ny olona ilay fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany?

3 Efa nilaza i Jesosy fa hisy mpaminany sandoka hanolana ny fampianarany, ary maro no ho voafitaka. (Mat. 24:11) Hoy ny apostoly Petera tamin’ny Kristianina: “Hisy mpampianatra sandoka koa eo aminareo.” (2 Pet. 2:1) Ny apostoly Paoly indray nilaza fa hisy “fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny.” (2 Tim. 4:3, 4) Mamitaka ny olona i Satana. Mampiasa ny Fivavahana Kristianina mpivadi-pinoana izy, mba hanafina ny fahamarinana momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany sy ny olombelona.—Vakio ny 2 Korintianina 4:3, 4.

4. Inona ilay fanantenana ho an’ny olombelona, izay tsy neken’ireo mpitondra fivavahana nivadi-pinoana?

4 Hazavain’ny Soratra Masina fa fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanafoana ny fitondran’olombelona rehetra. (Dan. 2:44) Hanjaka mandritra ny 1 000 taona i Kristy. Hidiana ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana amin’izay. Hatsangana koa ny maty ary hatao lavorary indray ny olona eto an-tany. (Apok. 20:1-3, 6, 12; 21:1-4) Zavatra hafa anefa no nampianarin’ireo mpitarika ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Nolavin’i Origène avy any Aleksandria, Rain’ny Eglizy niaina tamin’ny taonjato fahatelo, ohatra, ny hoe hitondra fitahiana eto an-tany ny Fanjakana Arivo Taona. Ilay teolojianina katolika atao hoe Augustin avy any Hippone (taona 354-430) indray “nino fa tsy hisy ny Fanjakana Arivo Taona”, araka Ny Rakipahalalana Katolika (anglisy). *

5, 6. Nahoana i Origène sy Augustin no tsy nanaiky ny finoana ny Fanjakana Arivo Taona?

5 Nahoana i Origène sy Augustin no tsy nanaiky ny finoana ny Fanjakana Arivo Taona? Nanaraka ny lovantsofina grika momba ny fanahy tsy mety maty i Origène. Nisy heriny be teo aminy koa ny fampianaran’i Platon. Nilaza ilay teolojianina atao hoe Werner Jaeger fa nampidirin’i Origène “ho anisan’ny fampianarana kristianina ny hevitr’i Platon momba ny fanahy.” Nilaza àry i Origène fa any ankoatra ilay Fanjakana Arivo Taona no hitondra fitahiana, fa tsy eto an-tany.

6 Lasa Kristianina i Augustin tamin’izy 33 taona. Talohan’izay izy dia efa mpanaraka ny endriny vaovao iray amin’ny filozofian’i Platon, izay namboarin’i Plotin tamin’ny taonjato fahatelo. Tsy niova anefa ny fomba fisainany, na dia efa lasa Kristianina aza izy. Hoy Ny Rakipahalalana Britanika Vaovao (anglisy): ‘[I Augustin] no nampifangaro ny fampianaran’ny Testamenta Vaovao tamin’ny fampianaran’i Platon.’ Nilaza izy, araka Ny Rakipahalalana Katolika, fa “angano” fotsiny ny Fanjakana Arivo Taona ao amin’ny Apokalypsy toko faha-20. Hoy koa ilay boky: ‘Io fanazavana io no noraisin’ireo teolojianina tandrefana tatỳ aoriana. Tsy nisy mpanaraka intsony ilay finoana tany am-boalohany momba ny Fanjakana Arivo Taona.’

7. Inona ilay fampianarana nanova ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany? Ahoana no nahatonga ny olona hanaraka an’io fampianarana io?

7 Niova ilay fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany. Niely naneran-tany mantsy ilay fampianarana babylonianina hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona, ary misaraka amin’ny vatany izany rehefa maty izy. Naolan’ny teolojianina ny Soratra Masina, rehefa nanaraka an’io fampianarana io ny fivavahana. Namboamboariny ireo andinin-teny momba ny fanantenana ho any an-danitra, mba hinoan’ny olona fa ho any an-danitra daholo ny tsara fanahy. Fandalovana ihany mantsy, hono, eto an-tany, na fitsapana ny olona iray raha mendrika ny hiaina any an-danitra izy na tsia. Niova toy izany koa ny fanantenan’ny Jiosy fiainana mandrakizay eto an-tany. Nanjavozavo io fanantenany io, rehefa nanaraka tsikelikely ny fampianaran’ny Grika momba ny fanahy tsy mety maty izy ireo. Tena tsy mifanaraka amin’ny fanazavana omen’ny Baiboly momba ny olombelona izany! Vatana hita maso no nomena ny olona, fa tsy ara-panahy. Hoy i Jehovah tamin’ilay lehilahy voalohany: “Vovoka ianao.” (Gen. 3:19) Ny tany no fonenany mandrakizay fa tsy ny lanitra.—Vakio ny Salamo 104:5; 115:16.

Nipoitra ny fahamarinana

8. Inona no fanantenan’ny olombelona, araka ny noresahin’ny manam-pahaizana sasany tamin’ny taonjato faha-17?

8 Tsy nahavita nanafina ny fahamarinana foana i Satana, na dia tsy mampianatra momba ny fiainana mandrakizay eto an-tany aza ny ankamaroan’ny fivavahana milaza azy ho Kristianina. Nisy antokon’olona tia namaky Baiboly nandritra ireo taonjato. Takatr’izy ireo ny fanazavana sasany mahakasika ny fomba hamerenan’Andriamanitra ny olombelona ho lavorary. (Sal. 97:11; Mat. 7:13, 14; 13:37-39) Niely patrana kokoa ny Soratra Masina, tamin’ny taonjato faha-17, rehefa nadika tamin’ny fiteny maro sy natao pirinty. Hoy ny manam-pahaizana iray tamin’ny 1651: ‘Avy tamin’i Adama no namoizan’ny olona ny Paradisa sy ny Fiainana Mandrakizay eto An-tany, noho izany dia amin’ny alalan’i Kristy no hahazoan’ny olombelona an’izany. Tsy hety ilay fampitoviana raha tsy izany.’ (Vakio ny 1 Korintianina 15:21, 22.) Nanoratra an’ilay boky hoe Paradisa Very sy hoe Paradisa Tafaverina (anglisy) i John Milton (1608-1674), poety anglisy malaza. Noresahiny tao fa hahazo valisoa ireo olona tsy mivadika, ka hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany. Na dia nazoto nianatra Baiboly aza i Milton nandritra ny androm-piainany, dia tsapany fa amin’ny fanatrehan’i Kristy vao ho azo amin’ny fomba feno ny fahamarinana.

9, 10. a) Inona no nolazain’i Isaac Newton momba ny fanantenan’ny olombelona? b) Nahoana i Newton no nihevitra fa mbola ho ela vao ho tonga ny fanatrehan’i Kristy?

9 Tia nianatra Baiboly koa Atoa Isaac Newton, mpahay matematika malaza (1642-1727). Takany fa hatsangana ho any an-danitra ny olona masina ary hiara-manjaka amin’i Kristy, saingy tsy ho hita maso. (Apok. 5:9, 10) Hoy koa izy momba ny olom-pehezin’ilay Fanjakana: “Mbola hisy olona hipetraka eto an-tany aorian’ny andro fitsarana, ary tsy mandritra ny 1 000 taona ihany, fa mandrakizay mihitsy.”

10 Nihevitra i Newton fa mbola ho afaka taonjato maro ny fanatrehan’i Kristy. Hoy i Stephen Snobelen, mpahay tantara: “Maro ny antony nahatonga an’i Newton hihevitra fa mbola ho ela vao ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy nahafaly azy, ohatra, ny nahita an’ireo mpivadi-pinoana sy ny mpino ny trinite be dia be tamin’ny androny.” Mbola nafenina ny vaovao tsara, ary tsy nisy fivavahana kristianina nitory azy io. Hoy i Newton: “Tsy ho azo mihitsy ny faminanian’i Daniela sy Jaona [ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy] raha tsy amin’ny fotoanan’ny farany.” Nanazava izy hoe: “ Amin’izay dia ho ‘maro no handinika lalina, ka hitombo be ny tena fahalalana’, araka ny tenin’i Daniela. Tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra ny Filazantsara, alohan’ny fahoriana lehibe sy ny faran’izao tontolo izao. Tsy hisy mihitsy ireo vahoaka be mitondra sampana palmie, izay ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy efa notorina aloha ny Filazantsara.”—Dan. 12:4; Mat. 24:14; Apok. 7:9, 10.

11. Nahoana no mbola tsy nahalala ny fanantenan’ny olombelona ihany ny ankamaroan’ny olona, tamin’ny andron’i Milton sy Newton?

11 Nampidi-doza ny nilaza hevitra nifanohitra tamin’ny fampianaran’ny Eglizy, tamin’ny andron’i Milton sy Newton. Efa maty àry izy ireo, vao natao pirinty ny ankamaroan’ny zavatra nosoratany momba ny Baiboly. Mba nisy Fanavaozana Protestanta ihany tamin’ny taonjato faha-16, saingy tsy nanova ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty izany. Mbola narahin’ny Protestanta koa ilay hevitr’i Augustin hoe efa nanomboka ny Fanjakana Arivo Taona, fa tsy hoe mbola ho avy. Nitombo tokoa ve ny fahalalana tamin’ny fotoanan’ny farany?

“Hitombo be ny tena fahalalana”

12. Oviana ny tena fahalalana no tokony hitombo be?

12 Naminany i Daniela fa hisy zavatra tsara hitranga amin’ny “fotoanan’ny farany.” (Vakio ny Daniela 12:3, 4, 9, 10.) Hoy koa i Jesosy: ‘Hamirapiratra tahaka ny masoandro ny olo-marina amin’izany fotoana izany.’ (Mat. 13:43) Ahoana no nampitombo ny fahalalana tamin’ny fotoanan’ny farany? Diniho ny zava-nitranga sasany taona vitsivitsy talohan’ny 1914, izay nanombohan’ny fotoanan’ny farany.

13. Inona no nosoratan’i Charles Russell, rehefa avy nandinika momba ny famerenana amin’ny laoniny izy?

13 Nanao izay hahatakarana ny “modelin’ny teny mahasoa” ny olona tso-po vitsivitsy, taloha kelin’ny 1900. (2 Tim. 1:13) Anisan’izy ireny i Charles Russell. Nanomboka niara-nianatra Baiboly izy sy ireo olona vitsivitsy nitady ny fahamarinana, tamin’ny 1870. Ny momba ny famerenana amin’ny laoniny no nodinihin’izy ireo, tamin’ny 1872. Hoy i Russell, tatỳ aoriana: “Mbola tsy hainay tsara tamin’izany ny nanavaka ny valisoa ho azon’ny fiangonana (ireo Kristianina voahosotra), izay mbola niharam-pitsapana, sy ny valisoa ho azon’ireo olona tsy mivadika amin’ny ankapobeny.” Ny valisoa ho azon’ireo tsy mivadika ireo, dia ny “famerenana azy ho lavorary toa an’i Adama razambeny tao Edena.” Niaiky i Russell fa nisy olon-kafa nanampy azy tamin’ny fianarany Baiboly. Iza izy ireo?

14. a) Ahoana no nahatakaran’i Henry Dunn ny Asan’ny Apostoly 3:21? b) Iza no hiaina mandrakizay eto an-tany, araka ny tenin’i Dunn?

14 Iray amin’izany i Henry Dunn. Nanoratra momba ny ‘famerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny’ izy, dia ‘ilay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina fahiny.’ (Asa. 3:21) Fantatr’i Dunn, fa anisan’io famerenana amin’ny laoniny io ny famerenana ny olombelona eto an-tany ho lavorary, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Nitady ny valin’ny fanontaniana iray nanahiran-tsaina ny olona maro koa izy, dia ilay hoe: ‘Iza no hiaina mandrakizay eto an-tany?’ Nohazavainy fa hisy olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty. Hampianarina ny fahamarinana izy ireo, ary ho afaka haneho finoana an’i Kristy.

15. Inona no takatr’i George Storrs momba ny fitsanganana amin’ny maty?

15 Nanatsoaka hevitra koa i George Storrs, tamin’ny 1870, fa hatsangana amin’ny maty ny olona tsy marina, ary ho afaka hiaina mandrakizay. Takany koa, rehefa nandinika ny Soratra Masina izy, fa raha tsy manao araka izay takina aminy ny olona iray natsangana tamin’ny maty, dia “ho faty ihany ‘na efa zato taona aza.’ ” (Isaia 65:20) Nipetraka tany Brooklyn, any New York, i Storrs, ary nampanonta ny gazety Mpandinika Baiboly (anglisy) izy tany.

16. Inona no nampiavaka ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?

16 Hitan’i Russell avy tamin’ny fianarany Baiboly fa tonga ny fotoana tokony hitoriana ny vaovao tsara. Nanomboka nampanonta Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy (anglisy) àry izy tamin’ny 1879. Antsoina hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah izy io ankehitriny. Olona vitsy monja, tamin’ny voalohany, no nahatakatra ny marina momba ny fanantenan’ny olombelona. Rehefa navoaka anefa io gazety io, dia antokona mpianatra Baiboly tany amin’ny firenena maro no nianatra azy io. Nino ny Mpianatra ny Baiboly fa olona vitsy monja no ho any an-danitra, ary an-tapitrisany kosa no hiaina eto an-tany sy ho lasa lavorary. Nampiavaka azy ireo tamin’ny ankamaroan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina izany.

17. Ahoana no nahatonga ny tena fahalalana hitombo be?

17 Nanomboka tamin’ny 1914 ilay “fotoanan’ny farany” nambara mialoha. Nitombo be tokoa ve ny tena fahalalana momba ny fanantenan’ny olombelona? Eny. (Dan. 12:4) Gazety 2 000 no efa namoahana ny lahatenin’i Russell, tamin’ny 1913, ary olona 15 tapitrisa no namaky izany. Hatreo amin’ny faran’ny 1914, dia olona sivy tapitrisa tany amin’ny kontinanta telo no efa nahita ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (anglisy). Nisy sarimihetsika sy fampisehoana sary tsy mihetsika tamin’izy io, izay nanazava ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Tamin’ny 1918 ka hatramin’ny 1925 kosa no natao maneran-tany ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.” Nanazava momba ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany izy io, ary natao tamin’ny fiteny 30 mahery. Tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1934, fa tokony hatao batisa ireo manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Nandrisika azy ireo hazoto hitory ny vaovao tsara indray izany. Olona an-tapitrisany izao no manantena hiaina mandrakizay eto an-tany, ary tena velom-pisaorana an’i Jehovah izy ireo noho izany.

Efa manakaiky ny ‘fahafahana be voninahitra’!

18, 19. Hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy, araka ny Isaia 65:21-25?

18 Nasain’Andriamanitra nanoratra momba ny ho toe-piainan’ny vahoakany eto an-tany i Isaia mpaminany. (Vakio ny Isaia 65:21-25.) Mbola velona ankehitriny ny sasany tamin’ireo hazo nisy tamin’ny andron’i Isaia, tokony ho 2 700 taona lasa izay. Saintsaino ange hoe ho ela velona toy izany ianao e, sady hatanjaka no ho salama tsara!

19 Tsy hihelina intsony ny androm-piainan’ny olona amin’izay, ka ho afaka hanorina trano sy hamboly ary hianatra foana isika. Ho afaka hifandray akaiky amin’ny olona ianao, ary hihamafy hatrany izany fifandraisana feno fitiavana izany. Hanana ‘fahafahana be voninahitra’ tokoa ireo “zanak’Andriamanitra” amin’izay!—Rom. 8:21.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Nilaza i Augustin fa efa nanomboka tamin’ny niforonan’ny Eglizy Katolika ny Fanjakana Arivo Taonan’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy hoe mbola amin’ny hoavy.

Hainao Hazavaina Ve?

• Ahoana no nanafenana ny fanantenan’ny olombelona fiainana mandrakizay eto an-tany?

• Inona no zavatra takatr’ireo olona tia namaky Baiboly, tamin’ny taonjato faha-17?

• Ahoana no nahafantarana tsara kokoa ny tena fanantenan’ny olombelona, rehefa nihananakaiky ny taona 1914?

• Ahoana no nampitombo ny fahalalana momba ny fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Takatr’i John Milton, poety, (havia) sy i Isaac Newton, mpahay matematika, (havanana) fa hisy fiainana mandrakizay eto an-tany

[Sary, pejy 15]

Takatr’ireo Mpianatra ny Baiboly, fa fotoana tokony hampahafantarana maneran-tany ny tena fanantenan’ny olombelona tamin’izay