Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

“Mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, eo am-piandrasanareo ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika, sady mitsinjo ny fiainana mandrakizay.”—JODA 21.

1, 2. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tiany isika, ary inona no mampiseho fa misy zavatra tokony hataontsika mba hitiavany antsika foana?

MARO be ny fomba nampisehoan’i Jehovah Andriamanitra fa tia antsika izy. Ny nanomezany ny sorom-panavotana no porofo lehibe indrindra. Lehibe tokoa ny fitiavany ny olona ka nirahiny ho etỳ an-tany ny Zanaka malalany mba ho faty ho antsika. (Jaona 3:16) Tiany hiaina mandrakizay sy handray soa mandrakizay amin’ny fitiavany mantsy isika!

2 Tian’i Jehovah foana ve anefa isika, na tsara na ratsy ny ataontsika? Tsia. Hoy ny Joda andininy faha-21: “Mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, eo am-piandrasanareo ny famindram-pon’i Jesosy Kristy Tompontsika, sady mitsinjo ny fiainana mandrakizay.” Mariho ilay teny hoe “mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.” Midika izany fa misy zavatra tokony hataontsika. Inona izany?

Ahoana no hitoerantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra?

3. Nila nanao inona i Jesosy mba ho tian’ny Rainy foana?

3 Hoy i Jesosy, tamin’ny alina farany niainany teto an-tany: “Tsy miala amin’ny fitiavako ianareo, raha mitandrina ny didiko toy ny itandremako ny didin’ny Ray sy tsy ialako amin’ny fitiavany.” (Jaona 15:10) Fantatr’i Jesosy àry fa mila mitandrina ny didin’i Jehovah Rainy izy, mba hifandray tsara aminy foana. Raha izy Zanak’Andriamanitra lavorary aza nila nanao izany, mainka moa fa isika!

4, 5. a) Ahoana no hanaporofoantsika fa tia an’i Jehovah isika? b) Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hankatò ny didin’i Jehovah?

4 Ny fankatoavantsika an’i Jehovah no tena manaporofo fa tia azy isika. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Marina aloha fa tsy dia tian’ny olona loatra ny hoe mankatò. Voamarikao ve anefa ilay teny hoe: ‘Tsy mavesatra ny didiny’? Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy àry i Jehovah.

5 Eritrereto hoe mana-namana tena tianao ianao. Hampitondra azy entana efa fantatrao fa tsy ho zakany ve ianao? Mazava ho azy fa tsia! I Jehovah anefa mbola tsara fanahy lavitra noho isika, ary fantany tsara hoe inona no tsy ho vitantsika. Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Sal. 103:14) Noho izany, dia tsy hitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy izy. Tsy misy antony tsy hankatoavantsika ny didiny àry. Faly kosa isika mankatò, satria izany no fomba ampisehoantsika fa tena tiantsika ilay Raintsika any an-danitra sady irintsika ny hitoetra ao amin’ny fitiavany.

Fanomezana miavaka avy amin’i Jehovah

6, 7. a) Inona no atao hoe feon’ny fieritreretana? b) Manampy antsika hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretana. Hazavao amin’ny ohatra.

6 Mila mandray fanapahan-kevitra maro isika amin’izao andro sarotra izao, ary misy ifandraisany amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra izy ireny. Inona no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny sitrapony? Nanolotra fanomezana tena manampy antsika hankatò i Jehovah. Tsy inona izany fa ny feon’ny fieritreretana. Inona moa izy io? Karazana fahatsapan-tena manokana izy io. Toy ny mpitsara ao anatintsika izy io, izay manampy antsika handinika ny safidy eo anoloantsika, na hieritreritra ny zavatra nataontsika ka hamaritra hoe tsara izany sa ratsy, na nety sa tsy nety.—Vakio ny Romanina 2:14, 15.

7 Ahoana no hanampian’ny feon’ny fieritreretana antsika? Intỳ misy ohatra: Aoka hatao hoe handeha ho any amin’ny toerana iray tsy fantatrao ianao. Misy olona iray atokisanao anefa hiaraka aminao, ary efa tany amin’io toerana io izy. Hahay hitari-dalana anao izy, raha fantany tsara ny lalana mankany. Ho very anefa ianao, raha tsy mihaino tsara izay lazainy. Toy izany koa fa ho very ny olona iray raha tsy mihaino izay lazain’ny feon’ny fieritreretany, rehefa hanapa-kevitra momba izay fitondran-tena arahiny na momba izay heveriny fa mety na tsy mety.

8, 9. a) Nahoana no tsy voatery ho azo atokisana foana ny feon’ny fieritreretana? b) Inona no tokony hataontsika raha tena tiantsika hanampy antsika ny feon’ny fieritreretana?

8 Mety ho diso koa anefa ilay mpitari-dalana. Raha tsy tadidiny, ohatra, ny lalana, dia mety hotarihiny any amin’ny lalan-kafa ianao. Mety ho diso toy izany koa ny feon’ny fieritreretantsika. Mety hanimba azy io mantsy ny faniriantsika feno fitiavan-tena. Inona no hitranga raha ny fanirian’ny fontsika no avelantsika hibaiko izay ataontsika? Hoy ny Baiboly: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina.” (Jer. 17:9; Ohab. 4:23) Andeha indray hatao hoe manana sarintany ilay mpitari-dalana, nefa tsy arahiny ilay izy. Inona no hitranga? Dia mbola ho very ihany ianareo. Tsy hanampy antsika koa àry ny feon’ny fieritreretantsika, raha toa izy io ka tsy mifanaraka amin’ny tari-dalan’ny Baiboly, izay azo ianteherana sy tsy miovaova. (Sal. 119:105) Mampalahelo anefa fa samy manao izay mahafinaritra ny fony fotsiny ny ankamaroan’ny olona. Tsy dia miraharaha ny fitsipiky ny Baiboly izy ireo, na tena tsy miraharaha izany mihitsy. (Vakio ny Efesianina 4:17-19.) Izany no mahatonga olona maro hahavita zava-mahatsiravina, na dia manana feon’ny fieritreretana aza.—1 Tim. 4:2.

9 Tsy te hitovy amin’ireny olona ireny mihitsy isika! Avelantsika kosa ny Tenin’Andriamanitra hamolavola ny feon’ny fieritreretantsika, mba hahafahan’izy io hanampy antsika. Ny feon’ny fieritreretantsika no arahintsika fa tsy ny faniriantsika feno fitiavan-tena. Miezaka koa isika hanaja ny feon’ny fieritreretan’ireo rahalahy sy anabavintsika. Miezaka mafy isika tsy hanafintohina azy ireo. Ataontsika ao an-tsaina foana fa mety hisy zavatra eken’ny feon’ny fieritreretantsika, nefa mety tsy heken’ny sainy.—1 Kor. 8:12; 2 Kor. 4:2; 1 Pet. 3:16.

10. Inona avy ireo fomba telo azontsika anaporofoana fa mankatò an’i Jehovah isika?

10 Andeha isika handinika fomba telo azontsika anaporofoana fa mankatò an’i Jehovah isika satria tia azy. Ireto avy izany: 1) Tokony ho tia an’ireo tian’i Jehovah isika, 2) hanaja ireo manana fahefana, ary 3) hiezaka mafy hadio foana eo anatrehan’Andriamanitra. Samy ilana feon’ny fieritreretana daholo ireo. Tsy maintsy tarihin’ny fitsipiky ny Baiboly anefa ny feon’ny fieritreretana amin’izany.

Tiavo ireo tian’i Jehovah

11. Nahoana no ireo tian’i Jehovah ihany no tokony ho tiantsika?

11 Voalohany, ireo tian’i Jehovah ihany no tokony ho tiantsika. Azo ampitahaina amin’ny spaonjy mantsy isika olombelona. Mitroka ny ranon-javatra manodidina azy ny spaonjy. Toy izany koa fa mora manahaka ny toe-tsain’ny olona manodidina antsika isika. Fantatry ny Mpamorona tsara fa mety hitondra loza na hitondra soa ho an’ny olona tsy lavorary, ny olona ifaneraserany. Manoro hevitra antsika àry izy hoe: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” (Ohab. 13:20; 1 Kor. 15:33) Tsy misy te “hahita loza” isika, fa te “ho hendry” daholo. Diniho ny ohatr’i Jehovah. Izy no hendry indrindra, ary tsy misy afaka mitaona azy hanao ratsy. Mifidy tsara ny olona ifaneraserany anefa izy, ka modely ho antsika. Olona manao ahoana no ataony namana?

12. Olona manao ahoana no ataon’i Jehovah namana?

12 Nantsoin’i Jehovah hoe ‘namany’ i Abrahama. (Isaia 41:8) Lehilahy tena nanam-pinoana sy nanao ny marina ary nankatò izy. (Jak. 2:21-23) Olona toy izany no nataon’i Jehovah namana. Mbola tsy miova izany ankehitriny. Raha i Jehovah aza mifidy namana toy izany, tsy tokony hanao toa azy koa ve isika? Tokony hiara-dia amin’ny hendry isika mba ho hendry.

13. Inona no hanampy anao hahay hifidy namana?

13 Inona no hanampy anao hahay hifidy namana? Misy mpinamana vitsivitsy azo alain-tahaka ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany i Rota sy Naomy rafozambaviny, Davida sy Jonatana, ary Timoty sy Paoly. (Rota 1:16, 17; 1 Sam. 23:16-18; Fil. 2:19-22) Inona no tena nahatonga azy ireo ho mpinamana? Samy tia an’i Jehovah izy ireo. Afaka ny hahita namana tia an’i Jehovah toa anao ve ianao? Matokia fa maro ny namana toy izany, eo anivon’ny fiangonana. Tsy hitarika anao hanao ratsy izy ireo. Hanampy anao kosa izy ireo mba hankatò an’i Jehovah sy ho akaiky azy ary hamafy ho an’ny fanahy. (Vakio ny Galatianina 6:7, 8.) Hanampy anao hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra izy ireo.

Hajao ireo manana fahefana

14. Nahoana no sarotra amintsika ny manaja ireo manana fahefana?

14 Inona no fomba faharoa anaporofoantsika fa tia an’i Jehovah isika? Tsy maintsy hajaintsika ireo manana fahefana. Nahoana no tena sarotra amintsika izany indraindray? Satria tsy lavorary ireo olona manana fahefana. Tsy lavorary koa isika ka manana faniriana hikomy.

15, 16. a) Nahoana isika no tokony hankatò an’ireo tendren’i Jehovah hikarakara ny vahoakany? b) Ahoana no niheveran’i Jehovah ny fikomian’ny Israelita tamin’i Mosesy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

15 Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Raha sarotra toy izany ny manaja ireo manana fahefana, nahoana isika no asaina manao izany?’ Satria izany no ampisehoantsika hoe iza no ekentsika ho mpitondra antsika. Raha i Jehovah mantsy no fidintsika ho Mpitondra, dia tsy maintsy manaja ny fahefany isika. Matetika anefa izy no mampihatra ny fahefany amin’ny alalan’ny olona tsy lavorary, ary tendreny hikarakara ny vahoakany izy ireny. Ahoana no ho fahitan’i Jehovah antsika, raha mikomy amin’ireny olona ireny isika?—Vakio ny 1 Tesalonianina 5:12, 13.

16 Rehefa nimenomenona sy nikomy tamin’i Mosesy, ohatra, ny Israelita, dia noraisin’i Jehovah ho fikomiana taminy mihitsy izany. (Nom. 14:26, 27) Mbola tsy miova Andriamanitra. Raha sanatria mikomy amin’ireo olona nomeny fahefana isika, dia mikomy aminy!

17. Ahoana no tokony ho fifandraisantsika amin’ny mpiandraikitra kristianina?

17 Ahoana no tokony ho fifandraisantsika amin’ny mpiandraikitra kristianina? Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka, mba hanaovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany.” (Heb. 13:17) Marina aloha fa sarotra ny mankatò sy manaiky foana. Tadidio anefa fa tiantsika ny hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Koa tsy mendrika ny hanaovana ezaka ve izany?

Miezaha hadio foana eo anatrehan’i Jehovah

18. Nahoana isika no tian’i Jehovah hadio foana?

18 Inona no fomba fahatelo anaporofoantsika ny fitiavantsika an’i Jehovah? Miezaka mafy isika hadio foana eo anatrehany. Miezaka mafy ny ray aman-dreny matetika mba hadio foana ny zanany. Nahoana? Mahasalama sy mahasoa an’ilay zaza mantsy ny fahadiovana. Mahatsara laza ny ray aman-dreny koa izany, satria hita hoe tia sy mahakarakara zanaka izy ireo. Tian’i Jehovah hadio koa isika. Fantany mantsy fa hahasoa antsika izany. Fantany koa fa hahatsara laza azy izany, satria izy no Raintsika any an-danitra. Tena zava-dehibe izany, satria mety hahatonga ny olona haniry hanompo an’ilay Andriamanitsika. Ho voamarik’izy ireo mantsy fa tsy mitovy amin’ny olona eto amin’ity tontolo maloto ity isika.

19. Nahoana no tokony hadio ny mpanompon’Andriamanitra?

19 Amin’ny lafiny inona avy isika no tokony hadio? Amin’ny lafiny rehetra mihitsy. Nohazavain’i Jehovah tamin’ny Israely fahiny, fa tokony hadio ny vatan’izy ireo. (Lev. 15:31) Voaresaky ny Lalàn’i Mosesy, ohatra, ny fanariana ny maloto, ny fanadiovana fitaovana samihafa, ary ny fanasana tanana sy tongotra ary akanjo. (Eks. 30:17-21; Lev. 11:32; Nom. 19:17-20; Deot. 23:13, 14) Nampahatsiahivina an’ireo Israelita fa masina, izany hoe madio, i Jehovah Andriamaniny. Tokony ho masina koa àry ny mpanompony.—Vakio ny Levitikosy 11:44, 45.

20. Tokony hadio amin’ny lafiny inona avy isika?

20 Tsy ny vatantsika ihany no tokony hadio. Miezaka ny hadio saina sy fitondran-tena foana isika. Arahintsika foana ny fitsipik’i Jehovah, na dia miharatsy aza ny fitondran-tenan’ny olona manodidina antsika. Ary ny tena zava-dehibe dia izao: Arovantsika hatrany ny fivavahantsika mba tsy ho voaloton’ny fivavahan-diso mihitsy. Ataontsika an-tsaina foana ny fampitandremana ao amin’ny Isaia 52:11 hoe: “Mialà, mialà, mivoaha avy ao, ary aza mikasika an’izay maloto! Mivoaha avy ao aminy, ary aoka hadio ianareo.” Madio eo amin’ny lafiny ara-panahy isika, ka tsy mikasika izay lazain’ilay Raintsika any an-danitra hoe maloto eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Izany, ohatra, no mahatonga antsika tsy hanao an’ireo fety sy fankalazana avy amin’ny fivavahan-diso, izay fanaon’ny olona ankehitriny. Marina fa tsy mora ny ho madio foana. Miezaka anefa isika, satria manampy antsika hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra izany.

21. Inona no tokony hataontsika mba hitoerana ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra?

21 Tian’i Jehovah hitoetra ao amin’ny fitiavany mandrakizay isika. Mila miezaka mafy anefa ny tsirairay avy amintsika. Mila manahaka an’i Jesosy isika ka mankatò an’i Jehovah satria tia azy. Amin’izay dia ho azo antoka fa “tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.”—Rom. 8:38, 39.

Tadidinao Ve?

• Manampy antsika hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretana. Hazavao.

• Nahoana no ireo tian’i Jehovah ihany no tokony ho tiantsika?

• Nahoana isika no mila manaja an’ireo manana fahefana?

• Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra no tokony hadio?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 20]

BOKY MANAMPY ANTSIKA HO TSARA FITONDRAN-TENA

Nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2008 ilay boky 224 pejy hoe “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra.” Inona no antony namoahana azy io? Natao hanampiana ny Kristianina hahalala sy ho tia ny fitsipik’i Jehovah izy io, ary indrindra ho tsara fitondran-tena. Inona no soa horaisintsika raha mianatra tsara an’io boky io isika? Vao mainka isika ho resy lahatra fa ny fanarahana ny fitsipik’i Jehovah no mahasoa indrindra sy hahazoana fiainana mandrakizay.

Hanampy antsika koa io boky io hahita fa tsy manahirana ny mankatò an’i Jehovah. Rehefa mankatò azy kosa isika dia mampiseho fa tena tia azy. Hanampy antsika hisaintsaina àry io boky io hoe: ‘Nahoana aho no mankatò an’i Jehovah?’

Mampalahelo fa misy ihany ireo miala amin’ny fitiavan’i Jehovah. Matetika izany no vokatry ny fitondran-tena ratsy, fa tsy hoe ilay olona no tsy mahatakatra ny fampianaran’ny Baiboly. Tena mila ampitombointsika àry ny fitiavantsika ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany! Natao hitari-dalana antsika izy ireny. Mino izahay fa hanampy ny ondrin’i Jehovah eran-tany io boky vaovao io mba tsy hiala amin’ny fahamarinana, sy hanaporofo fa mpandainga i Satana, ary indrindra hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.—Joda 21.

[Sary, pejy 18]

“Tsy miala amin’ny fitiavako ianareo, raha mitandrina ny didiko toy ny itandremako ny didin’ny Ray sy tsy ialako amin’ny fitiavany”