Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mampamirapiratra ny Tavany Amin’izy Ireo i Jehovah’

‘Mampamirapiratra ny Tavany Amin’izy Ireo i Jehovah’

‘Mampamirapiratra ny Tavany Amin’izy Ireo i Jehovah’

MISY hozatra 30 mahery amin’ny tavan’ny olombelona. Miara-mihetsika ny 14 amin’ireo, rehefa mitsiky isika. Eritrereto ange hoe miresaka ianao nefa tsy teo ireo hozatra ireo e! Tsy hahafinaritra mihitsy ny mijery anao. Tsy natao hampahafinaritra ny resaka fotsiny anefa ireny hozatra amin’ny tarehy ireny, ho an’ny marenina. Tena ahafahana milaza zavatra be dia be kosa izy ireny, rehefa ampiarahina amin’ny fihetsehana. Gaga ny olona maro mahita ny fomba anazavana zavatra amin’ny tenin’ny tanana, eny fa na dia hevitra sarotra sy be tsipiriany aza.

Nisy endrika hitan’ny marenina eran-tany anefa tato ho ato. Tsy inona izany fa ny “tavan’i Jehovah” an’ohatra. (Deot. 31:11) Mampita hevitra maro kokoa noho ny tavan’olon-kafa rehetra izy io. Tsy kisendrasendra anefa izany. Efa ela mantsy i Jehovah no nampiseho fa tena tiany ny marenina, eny, efa hatramin’ny andron’ny Israelita mihitsy aza. (Lev. 19:14) Miharihary koa ankehitriny fa mbola tia ny marenina izy. Hoy mantsy ny Baiboly: “Sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:4) Toy ny hoe mahita ny tavan’Andriamanitra àry ny marenina maro, rehefa mahazo fahalalana marina tsara ny fahamarinana momba azy. Ahoana no hetezan’izany nefa izy tsy mandre? Andeha aloha hojerentsika hoe nahoana no tena ilain’ny marenina ny tenin’ny tanana.

Mandre amin’ny alalan’ny maso

Maro ny hevi-diso ananan’ny olona momba ny marenina sy ny tenin’ny tanana, ka tsara ho fantatsika ny marina. Afaka mitondra fiara, ohatra, ny marenina. Mety ho tena sarotra amin’izy ireo ny mamantatra izay tianao holazaina, raha ny vavanao fotsiny no jereny. Tsy hoe baiko moana fotsiny ny tenin’ny tanana. Tsy hoe iray monja koa ny tenin’ny tanana ampiasain’ny marenina eran-tany. Misy fitenim-paritra mihitsy aza amin’ny tenin’ny tanana sasany.

Afaka mamaky teny ve ny marenina? Misy mahay tsara, nefa sarotra amin’ny ankamaroany izany raha ny marina. Nahoana? Satria ny soratra dia avy amin’ny fiteny ampiasain’ny olona mandre. Eritrereto ny fomba ianaran’ny ankizikely fiteny iray. Mampiasa an’ilay fiteny daholo ny olona manodidina azy, hatramin’izy vao teraka. Vetivety àry izy dia mahay manakambana teny sy mamorona fehezanteny. Mihaino an’ilay fiteny fotsiny izy dia vitany izany. Rehefa mianatra mamaky teny àry izy, dia fantany fa ireo feo sy teny efa reny ihany no navadika ho soratra.

Alao sary an-tsaina indray izao hoe any andafy ianao, ary ao anatin’ny trano fitaratra iray ka tsy renao izay lazain’ny any ivelany. Mbola tsy henonao mihitsy ilay fiteny ampiasaina eo an-toerana. Manatona eo amin’ilay fitaratra ny olona isan’andro, ary miezaka miresaka aminao. Tsy renao anefa izay lazainy. Hitanao fotsiny hoe mihetsiketsika ny vavany. Takany fa tsy azonao ilay izy ka soratany amin’ny taratasy, ary asehony anao eo amin’ilay fitaratra. Mihevitra izy ireo fa tokony ho azonao amin’izay ny tiany holazaina. Tsy ho azonao mihitsy anefa ilay izy. Nahoana? Satria amin’ny fiteny mbola tsy renao mihitsy ilay soratra. Tena mitovy amin’izany ny zavatra iainan’ny ankamaroan’ny marenina.

Ho an’ny marenina, dia ny tenin’ny tanana no fomba tsara indrindra hampitana hevitra. Mampiasa ny faritra manodidina azy izy mba hanaovana izany. Manaraka ny fitsipi-pitenenan’ny tenin’ny tanana izy, rehefa manao fihetsehana sy maneho fihetseham-po amin’ny endriny. Fiteny hafa mihitsy àry ny azy, satria amin’ny alalan’ny maso no andraisany fanazavana.

Saika misy dikany daholo ny fihetsika ataon’ny marenina amin’ny tanany sy ny vatany ary ny tarehiny. Tapany tsy afa-misaraka amin’ny fitsipi-pitenenan’ny tenin’ny tanana ny fihetsiky ny tarehy, fa tsy natao hampihetsi-po ny olona fotsiny. Raha sady ampiakariny, ohatra, ny volomasony no mametraka fanontaniana izy, dia mety ho fampieritreretana fotsiny ilay izy, na mila valiny hoe eny na tsia. Raha ampidininy kosa ny volomasony, dia mety ho te hanontany izy hoe iza, inona, nahoana, aiza, oviana, na ahoana. Misy fihetsika sasany ataon’ny molony koa mety hampiseho ny habe na ny herin’ny zavatra iray. Misy fahasamihafana kely na be ny zavatra tian’ilay marenina holazaina, arakaraka ny fomba anetsehany ny lohany, sorony, takolany, ary ny masony.

Mampiasa an’ireo fomba rehetra ireo ny marenina mba hampitana hevitra. Tena mahafinaritra ny mijery an’izany. Afaka miresaka momba izay rehetra tiany ny marenina mahay tsara ny tenin’ny tanana. Mety ho tononkalo izany, na tantaram-pitiavana, na zavatra hita maso, na tsy hita maso, na mampihomehy, na fanazavana zavatra sarotra be.

Tena sarobidy ny boky sy gazety amin’ny tenin’ny tanana

Rehefa hazavaina amin’ny tenin’ny tanana ny fahalalana an’i Jehovah, dia afaka mandre an’ilay hafatra sy ‘mino’ ny Tompon’io hafatra io ny marenina. Niezaka mafy àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitory amin’ny marenina eran-tany, sy hanome izay ilain’izy ireo. (Rom. 10:14) Misy 58 izao maneran-tany ny ekipa mpandika teny amin’ny tenin’ny tanana. Efa misy amin’ny tenin’ny tanana 40 koa ireo boky sy gazety amin’ny DVD. Nisy vokany ve izany ezaka rehetra izany?

Hoy i Jeremy, manana ray aman-dreny marenina: “Tsaroako fa nandany ora maro tao amin’ny efitranony i Dada, mba hahazoana ny hevitry ny fehintsoratra vitsivitsy tao amin’ny lahatsoratra iray amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nivoaka tampoka avy tao izy sady nientanentana erỳ nilaza tamin’ny tenin’ny tanana hoe: ‘Azoko amin’izay! Azoko amin’izay!’ Nohazavainy tamiko ilay izy avy eo. Vao 12 taona aho tamin’izany. Notopazako maso kely fotsiny ireo fehintsoratra, dia novaliako tamin’ny tenin’ny tanana izy hoe: ‘Dada a, toa tsy izany no dikan’io fa...’ Tonga dia notapahiny ny teniko, ary niverina tany amin’ny efitranony izy, ka niezaka ny hahatakatra irery an’ilay izy. Tsy hohadinoiko mihitsy ilay fahadisoam-panantenana nisoritra teny amin’ny endriny, ary nampiaiky ahy ny herim-pony rehefa nijery azy niverina tany amin’ny efitranony aho. Lasa mora aminy kokoa anefa izao ny mahatakatra ny fanazavana ao amin’ireo boky sy gazety, noho ny DVD amin’ny tenin’ny tanana. Hitako eny amin’ny endriny ny fifaliany rehefa milaza izay tsapany momba an’i Jehovah izy. Tena zava-dehibe amiko izany!”

Eritrereto koa ny zavatra hitan’ny mpivady iray Vavolombelon’i Jehovah any Silia. Niresaka tamin’i Jessenia, tovovavy marenina, izy ireo. Te hampiseho an’i Jessenia an’ilay DVD hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, amin’ny tenin’ny tanana silianina, izy mivady. Nanaiky ny renin’i Jessenia. Nitantara izy mivady hoe: “Nihomehy i Jessenia rehefa nanomboka nijery an’ilay tantara, ary nitomany avy eo. Nanontanian’ny reniny azy ny antony nitomaniany, ka namaly izy hoe satria tiany ilay izy. Tsapan’ilay reniny àry fa azony daholo ny tao anatin’ilay DVD.”

Nisy vehivavy marenina nanan-janaka iray, tany ambanivohitr’i Venezoelà. Bevohoka fanindroany izy, ary saika hanala an’ilay zaza izy sy ny vadiny, satria hoe tsy hanam-bola hamelomana zaza roa. Nitsidika azy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy nahafantatra an’ilay olana akory. Naseho azy ny lesona faha-12 amin’ilay DVD hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, amin’ny tenin’ny tanana venezoelianina. Manazava ny fiheveran’Andriamanitra ny fanalana zaza sy ny famonoana olona io lesona io. Nilaza tamin’ireo Vavolombelona ilay vehivavy, tatỳ aoriana, fa velom-pisaorana azy ireo izy. Nanapa-kevitra ny tsy hanala zaza mantsy izy mivady noho iny lesona iny. Namonjy ain’olona tokoa ny DVD iray amin’ny tenin’ny tanana!

Hoy i Lorraine, Vavolombelona marenina: “Toy ny hoe nanambatambatra sombintsombin-tsary aho rehefa nianatra Baiboly. Hoatran’ny tsy ho fantatro mihitsy hoe sarin’inona ilay izy, satria tsy ampy ireo sombintsombin-tsary. Toy ny hoe lasa fantatro anefa ilay sary manontolo, rehefa nohazavaina tamin’ny tenin’ny tanana ireo fahamarinana ara-baiboly.” Hoy koa i George, Vavolombelona efa hatramin’ny 38 taona sady marenina: “Tsy isalasalana fa matoky tena sy manana ny hajanao ianao, raha tonga dia mahazo zavatra iray fa tsy misy olon-kafa manazava. Tsapako fa ireo DVD amin’ny tenin’ny tanana no tena nampandroso ahy indrindra.”

“Misy amin’ny fiteniko ny fivoriana!”

Manao fivoriana amin’ny tenin’ny tanana koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny tenin’ny tanana ny fandaharana rehetra. Misy 1 100 mahery izao ny fiangonana toy izany maneran-tany. Resahina mivantana amin’ny marenina àry ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Atao amin’ny fiteniny sy mifanaraka amin’ny fomba fisainany izany, ary manaja tsara ny kolontsainy sy ny fomba fiainany.

Very maina ve ny namoronana an’ireny fiangonana ireny? Andeha hojerentsika izay nitranga tamin’i Cyril, Vavolombelon’i Jehovah vita batisa tamin’ny 1955. Efa an-taonany maro izy no niezaka mafy nianatra an’ireo boky sy gazety, ary nivory tsy tapaka. Nisy mpandika teny ihany indraindray. Rehefa tsy nisy anefa dia niezaka nanampy azy, ireo Vavolombelona be fitiavana, ka nosoratan’izy ireo tamin’ny taratasy izay noresahina tamin’ilay fivoriana. Tamin’ny taona 1989 vao nisy fiangonana tamin’ny tenin’ny tanana tany New York, Etazonia. Efa Vavolombelona nandritra ny 34 taona i Cyril tamin’izay. Inona no tsapany? Hoy izy: “Hoatran’ny hoe nivoaka avy tany anaty ala aho, na nivoaka avy tao amin’ny tionelina maizina iray ho amin’ny mazava. Ela ny ela ka misy amin’ny fiteniko ny fivoriana!”

Toerana ahafahan’ny marenina mivory tsy tapaka ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah mampiasa tenin’ny tanana. Mianatra momba an’Andriamanitra izy ireo any, manompo azy, ary mifampahery. Matetika tokoa ny marenina no tsy afaka mifandray amin’ny hafa satria tsy azon’ny olona ny fiteniny. Afaka mifampiresaka tsara anefa izy ireo any amin’ireny fiangonana ireny, sady afaka mifandray tsara amin’ny hafa. Mianatra izy ireo any, mihamatotra, ary manatratra tanjona eo amin’ny fanompoany an’i Jehovah. Maro amin’izy ireo no lasa mpitory manontolo andro. Nisy koa nifindra tany an-tany hafa, mba hanampy marenina hianatra momba an’i Jehovah. Mianatra mandamin-javatra sy ho tonga mpampianatra ary mpiandry kristianina mahay koa ireo rahalahy marenina. Maro amin’izy ireo àry no lasa mahafeno fepetra mba hiantsoroka andraikitra eo anivon’ny fiangonana.

Misy fiangonana 100 mahery sy antoko-mpitory 80 mampiasa tenin’ny tanana izao, any Etazonia. Any Brezila indray, dia misy fiangonana 300 eo ho eo sy antoko-mpitory 400 mahery. Efa ho 300 kosa ny fiangonana amin’ny tenin’ny tanana any Meksika, ary fiangonana 30 mahery sy antoko-mpitory 113 ny any Rosia. Vao santionany fotsiny amin’ny fitomboana misy maneran-tany ireo.

Manao fivoriambe amin’ny tenin’ny tanana koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny herintaona, ohatra, dia nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra 120 mahery natao maneran-tany, tamin’ny tenin’ny tanana samihafa. Hitan’ireo Vavolombelona marenina àry fa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany izy ireo, ka mahazo sakafo ara-panahy ara-potoana.

Marenina i Leonard ary efa 25 taona mahery izy no Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Efa fantatro foana fa i Jehovah no tena Andriamanitra. Tsy azoko tsara anefa hoe nahoana no avelany hisy ny fijaliana. Tezitra taminy àry aho indraindray. Lasa nazava tsara tamiko anefa izany, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray tamin’ny tenin’ny tanana. Rehefa vita ilay lahateny, dia nodonin’ny vadiko aho sady nanontaniany hoe: ‘Afa-po?’ Afaka namaly tamim-pahatsorana aho tamin’izay hoe eny! Faly aho satria tsy nandao an’i Jehovah mihitsy nandritra izay 25 taona izay. Tiako foana izy na dia tsy azoko aza ny antony nanaovany zavatra sasany. Lasa fantatro tsara anefa izy izao!”

Mankasitraka amin’ny fo manontolo

Inona no hitan’ny marenina eo amin’ny tavan’i Jehovah, rehefa mianatra momba azy izy ireo? Toetra tsara maro toy ny fitiavana, fangoraham-po, fitiavana ny rariny, tsy fivadihana, ary hatsaram-panahy.

Mahita ny tavan’i Jehovah ny Vavolombelona marenina maneran-tany, ary mbola hihamazava amin’izy ireo foana izy io. Tena tian’i Jehovah ny marenina ka ‘mampamirapiratra ny tavany amin’izy ireo izy.’ (Nom. 6:25) Velom-pisaorana tokoa ireo marenina ireo satria nanjary nahafantatra an’i Jehovah!

[Sary, pejy 24, 25]

Misy fiangonana 1 100 mahery amin’ny tenin’ny tanana izao maneran-tany

[Sary, pejy 26]

Mamirapiratra amin’ny marenina ny tavan’i Jehovah