Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Varimbariana fa Fotoana Filazana “Vaovao Tsara” Izao

Aza Varimbariana fa Fotoana Filazana “Vaovao Tsara” Izao

Aza Varimbariana fa Fotoana Filazana “Vaovao Tsara” Izao

NIERITRERITRA izay ho azony atao indray ireo boka efa-dahy. Tsy nisy nanome zavatra azy ireo teo am-bavahadin’ny tanàna. Nanao fahirano an’i Samaria koa ny Syrianina tany ivelany. Raha hiditra ao an-tanàna anefa izy ireo, dia tsy hahazo sakafo satria lafo loatra izany. Voalaza mihitsy aza fa nisy nihinan’olona tao.—2 Mpanj. 6:24-29.

Nieritreritra ireo boka hoe: ‘Efa samy ho faty izao ihany ve, tsy aleo mankany amin’ny tobin’ny Syrianina?’ Rehefa maizina àry ny andro dia lasa izy ireo. Nangina be ilay toby rehefa tonga tany ry zareo. Nisy soavaly sy ampondra nifatotra teo nefa tsy tao ny miaramila. Nitsirika ny tao anaty tranolay iray izy efa-dahy. Feno sakafo sy zava-pisotro tao nefa tsy nisy olona. Nihinana izay laniny teo àry izy. Nahita volamena, volafotsy, akanjo, ary zava-tsarobidy hafa izy ireo. Notateriny izany ary nafeniny. Fa nankaiza daholo ny Syrianina? Nanao fahagagana i Jehovah, ary nataony nandre feona tafika izy ireo. Nihevitra ny Syrianina fa nisy nanafika, ka vaky nandositra. Nilaozany teo daholo ny fananany!

Nafenin’ireo boka ireo ny zava-tsarobidy hitany tao amin’ilay toby. Nanomboka nenjehin’ny eritreriny anefa izy ireo, rehefa nahatsiaro fa maty mosary ny mponina tao Samaria. Nifampiresaka izy ireo hoe: “Tsy mety izao ataontsika izao. Tokony holazaintsika amin’ny olona izao vaovao tsara izao!” Nihazakazaka nankany Samaria àry izy ireo ka nilaza an’ilay vaovao tsara momba ny zavatra hitany.—2 Mpanj. 7:1-11.

Manana “vaovao tsara” tokony holazaina koa isika ankehitriny. Nisy zavatra niavaka mantsy noresahin’i Jesosy momba ny “famantarana ... ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Hoy izy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Mat. 24:3, 14) Inona àry no tokony hataontsika?

Mety hovesaran’ny fanahiana isika

Faly loatra tamin’ny zavatra hitany ireo boka efa-dahy ka nanadino an’i Samaria. Nifantoka tamin’izay nety ho azony izy ireo. Mety hitranga amintsika koa ve izany? Anisan’ny famantarana ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity ny “mosary.” (Lioka 21:7, 11) Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana.” (Lioka 21:34) Mila mitandrina isika Kristianina mba tsy hanadino hoe fotoana filazana “vaovao tsara” izao. Mety hanadino izany mantsy isika raha variana amin’ireo fanahiana isan’andro.

Tsy nanaiky ho resin’ny fanahiany i Blessing. Nanao mpisava lalana izy sady namita ny fianarany, nanambady Betelita, ary lasa mpianakavin’ny Betela any Bénin. Hoy izy: “Mpanadio aho, ary tena tiako ny asako.” Faly erỳ izy manao jery todika an’ireo 12 taona nanaovany fanompoana manontolo andro. Faly izy satria mitadidy foana hoe miaina amin’ilay fotoana filazana “vaovao tsara” isika izao.

Mitandrema amin’ireo zavatra mandany fotoana loatra

Hoy i Jesosy rehefa naniraka ny mpianany 70: “Be tokoa ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra mba haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Lioka 10:2) Mety ho simba fotsiny ny vokatra raha tara vao jinjaina. Ain’olona maro koa no mety hafoy raha hatao an-tsirambina ny asa fitoriana. Hoy àry i Jesosy: “Aza mandany fotoana amin’ny fombafomba fifampiarahabana eny an-dalana.” (Lioka 10:4) Tsy filazana hoe “manahoana” fotsiny ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “fombafomba fifampiarahabana.” Nifamihina sy nifanantsafa ela ny mpinamana nanao azy io. Nasain’i Jesosy nampiasa tsara ny fotoanany àry ny mpanara-dia azy, ka tsy handany andro amin-javatra tsy tena ilaina. Maika be mantsy ilay hafatra tokony hotorin’izy ireo.

Eritrereto ny fotoana mety ho lany amin-javatra tsy dia ilaina. Ny tele foana no tena nandany ny fotoanan’ny olona tany amin’ny toerana maro. Ahoana kosa ny amin’ny finday sy ny ordinatera? Nisy olona 1 000 nohadihadina tany Grande-Bretagne. Hita tamin’izany fa “mandany 88 minitra isan’andro iantsoana amin’ny telefaonina ry zareo amin’ny ankapobeny, 62 minitra amin’ny finday, 53 minitra andefasana e-mail, ary 22 minitra andefasana hafatra an-telefaonina.” Raha atambatra izany, dia ho avo roa heny maherin’ny fotoana anompoan’ny mpisava lalana mpanampy ao anatin’ny iray andro. Lany fotoana ifampiresahana amin’ny hafa koa ve ianao?

Nampiasa tsara ny fotoanany i Ernst sy Hildegard Seliger. Raha atambatra, dia nigadra 40 taona mahery tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia sy ny fonjan’ny Kominista izy mivady. Rehefa nafahana izy ireo dia nanao mpisava lalana, mandra-pahavitan’ny fanompoany teto an-tany.

Maro ny olona te hifandray tamin-dry Seliger. Azon’izy mivady nolanina tamin’ny famakiana sy fanoratana taratasy ny ankabeazan’ny fotoanany. Ny fanompoana an’i Jehovah foana anefa no nataony loha laharana.

Mazava ho azy fa te hifandray amin’ny olona tsy fointsika isika, ary tsy misy maharatsy an’izany. Tsara koa ny mba miova kely amin’ny mahazatra. Hendry anefa isika raha mahay mifidy izay hatao amin’izany, ary mifehy ny fotoana lany amin-javatra tsy tena ilaina. Fotoana fitoriana ny vaovao tsara mantsy izao.

Torio amin’ny fomba feno ny vaovao tsara

Tena fitahiana ny hoe miaina amin’ny fotoana filazana “vaovao tsara.” Aoka àry isika tsy hanao toa an’ireo boka efa-dahy tamin’ny voalohany, ka ho varimbariana. Tadidio fa nilaza izy ireo avy eo hoe: “Tsy mety izao ataontsika izao.” Tsy mety koa raha manao zavatra mandany fotoana loatra isika, na mikatsaka izay hahasoa antsika fotsiny. Tsy ho afaka hanompo amin’ny fomba feno mantsy isika raha izany.

Modely tena tsara ny apostoly Paoly raha ny amin’ny fitoriana. Nanoratra toy izao izy, rehefa nanao jery todika an’ireo 20 taona voalohany nanompoany: “Vitako tsara ny fitoriana ny vaovao tsara momba an’i Kristy.” (Rom. 15:19) Tsy navelany hihena mihitsy ny zotom-pony. Enga anie isika hanahaka azy, ka hazoto hanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana koa, amin’izao fotoana filazana “vaovao tsara” izao.

[Sary, pejy 28]

Tsy navelan’i Blessing hanakantsakana ny fanompoany manontolo andro ny fanahiana

[Sary, pejy 29]

Nampiasa tsara ny fotoanany ry Seliger