Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Hatsangana ve ny zaza maty am-bohoka?

Manomboka ny fiainan’ny olona raha vao miforona ao an-kibo izy. Na rahoviana na rahoviana izy no maty, dia vitan’i Jehovah ny manangana azy, satria “hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (Mar. 10:27) Tsy lazain’ny Baiboly mivantana anefa raha hanangana ny zaza maty am-bohoka izy, na tsia.—15/4, pejy 12, 13.

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ny vitsika, bitrom-bato, valala ary katsatsaka?

Manana fahendrena voajanahary izy ireo, ka ahitana taratry ny fahendren’Andriamanitra. (Ohab. 30:24-28)—15/4, pejy 16-19.

• Inona no nitranga teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, 100 taona lasa izay?

Fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah hanaovana fanontam-pirinty ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Tany Pittsburgh, Pennsylvanie ny foiben’izy io. Nafindra tany Brooklyn, New York, izy io tamin’ny 1909 ary mbola any hatramin’izao.—1/5, pejy 22-24.

• Nahoana ny Baiboly no milaza fa ilaina ny mangina indraindray?

Asehon’ny Baiboly fa ilaina ny mangina mba ho mari-panajana, rehefa te hisaintsaina, ary ho porofo fa malina sy mahay manavaka isika. (Sal. 37:7; 63:6; Ohab. 11:12)—15/5, pejy 3-5.

• Inona no nitovizan’i John Wycliffe, William Tyndale, Robert Morrison, ary Adoniram Judson?

Samy tia ny Tenin’Andriamanitra izy ireo ary nandika azy io ho amin’ny fitenin’ny sarambabem-bahoaka. Nandika azy io ho amin’ny teny anglisy i Wycliffe sy Tyndale, i Morrison ho amin’ny teny sinoa, ary i Judson ho amin’ny teny birmanina.—1/6, pejy 8-11.

• Firy ireo mpanjaka tao Joda tena nafana fo ho an’ny tranon’Andriamanitra?

Na dia mpanjaka 19 aza no nifandimby tao Joda, tany atsimo, dia efatra monja no niavaka noho ny zotom-pony: Asa, Josafata, Hezekia ary Josia.—15/6, pejy 7-11.

• Samy manome sakafo ara-panahy daholo ve ny voahosotra rehetra eto an-tany?

Tsia. Ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana ihany no manara-maso ny fanomezana sakafo ara-panahy, na dia anisan’ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina daholo aza ny voahosotra rehetra.—15/6, pejy 22-24.

• Nahoana ny miaramila romanina no naniry mafy hahazo an’ilay akanjon’i Jesosy?

Tsy norovitin’ireo miaramila namono an’i Jesosy ilay akanjony, satria lafo vidy kokoa. Tsy nisy zaitrany mantsy ilay izy, nefa matetika ny akanjo toy ireny no lamba roa niara-nozairina.—1/7, pejy 22.

• Be fitiavana i Jesosy rehefa nampianatra. Nahoana no azo lazaina fa nampiavaka azy tamin’ny mpitondra fivavahana izany?

Tsy tia an’ireo sarambabem-bahoaka ny mpitondra fivavahana fa nanambany azy ireo. Tsy tia an’Andriamanitra koa izy ireo. I Jesosy kosa anefa tia ny Rainy ary nangoraka ny vahoaka. (Mat. 9:36) Tsara fanahy sy be fitiavana izy.—15/7, pejy 15.

• Nahoana no mety hiteraka olana eo amin’ny mpivady ny fitantanam-bola, ary ahoana no hiatrehany izany?

Ny tsy fatokisana sy ny tahotra matetika no mampiady, rehefa miresaka vola. Tsy mitovy koa ny zavatra niainan’ny mpivady tamin’ny lasa. Mila miezaka ho tony àry izy ireo rehefa miresaka vola, mifanaraka hoe ahoana no tokony hiheverana ny karama, mandray an-tsoratra ny vola miditra sy mivoaka, ary mifanaraka ny amin’izay tokony hataon’ny tsirairay.—1/8, pejy 10-12.