Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Nisy ve i Adama sy Eva?

Tena Nisy ve i Adama sy Eva?

Tena Nisy ve i Adama sy Eva?

MARO no mihevitra fa tantara mahafinaritra fotsiny ny tantaran’i Adama sy Eva. Nilaza, ohatra, ny gazety Fotoana (anglisy) hoe: “Efa ela ny Kristianina ao amin’ireo fivavahana lehibe no nihevitra fa tsy ara-bakiteny ny tantara ao amin’ny Genesisy, anisan’izany ny tantaran’i Adama sy Eva.” Maro koa ny manam-pahaizana momba ny fivavahana katolika sy protestanta ary jiosy milaza fa tsy mifanaraka amin’ny tantara sy ny siansa ny ankamaroan’ny zavatra voalaza ao.

Ary ahoana ny hevitrao? Tena nisy ve i Adama sy Eva? Manana porofon’izany ve isika? Inona no mety ho vokany raha eritreretintsika ho toy ny angano fotsiny izay voalazan’ny Genesisy?

Mifanaraka amin’ny siansa ve ny Genesisy?

Inona no lazain’ny Genesisy momba ny namoronana an’i Adama, lehilahy voalohany? Hoy ny Genesisy 2:7: “I Jehovah Andriamanitra namorona ny olona [Adama] avy tamin’ny vovoky ny tany, sady nitsoka fofonaina nankao am-bavorony, ka lasa zavamananaina ny olona.” Mifanaraka amin’ny siansa ve izany?

Milaza ny bokina siansa iray fa zavatra simika 41 no mahaforona ny vatan’olombelona. Hita ao amin’ny ‘vovoka’ daholo ireo, anisan’izany ny karbonina, ny vy, ny oksizenina. Tena marina àry ny voalazan’ny Genesisy hoe “avy tamin’ny vovoky ny tany” ny olona.

Ahoana anefa no nahatonga an’ireo zavatra simika tsy mananaina ireo ho lasa olona? Aza tonga dia mieritreritra hoe kisendrasendra izany. Eritrereto ny sambon-danitra iray noforonin’ny Amerikanina. Zavatra 2 500 000 no mahaforona azy io, ary angamba tsy misy masinina be kojakoja noho io. Injeniera be dia be no nanao azy io, nandritra ny taona maro. Ny vatan’olombelona kosa fitambarana ataoma sy sela an-tapitrisany, * miampy taova be dia be. Misy antokony sivy, fara fahakeliny, ireo taova ireo, ary miara-miasa ny antokony tsirairay. Toy ny masinina be kojakoja tsy takatry ny saina sady misy rafitra mahavariana ny vatana. Kisendrasendra àry ve no nampisy azy io, sa nisy Mpamorona manan-tsaina nanao azy?

Ahoana indray no nahatonga ny olona hisy aina? Avy aiza ny aina? Miaiky ny mpahay siansa hoe tsy fantany izany. Tsy mitovy akory aza ny fahazoan’izy ireo ny atao hoe aina. Mazava anefa ny valiny ho an’izay mino ny fisian’ny Mpamorona: Andriamanitra no Loharanon’aina. *

Ary ahoana ilay hoe avy amin’ny taolan-tehezan’i Adama no nanamboarana an’i Eva? (Genesisy 2:21-23) Aza tonga dia mieritreritra koa hoe angano fotsiny izany. Eritrereto ny zava-bitan’ny mpahay siansa tany Etazonia tamin’ny Janoary 2008. Naka sela tamin’ny hoditr’olombelona izy ireo ary nampiasa teknika hafakely, ka nahavita nanamboatra tsaika (fitambaran-tsela iandohan’ny vatan’olombelona). Efa nampiasain’ny manam-pahaizana tamin’ny karazam-biby 20, fara fahakeliny, io teknika io, ka nahavitany biby nitovy tanteraka tamin’ireo. Ilay ondry atao hoe Dolly no malaza indrindra. Sela tao amin’ny nonon’ny ondrivavy iray efa lehibe no nanamboarana an’i Dolly, tamin’ny 1996. *

Mbola tsy hay izay ho vokatr’ireny andrana ireny, fa ny tiantsika hasongadina dia hoe: Raha ny olona aza mahavita manamboatra zavamananaina avy amin’ny zavatra nalaina tamin’ny zavamananaina, ilay Mpamorona mahery indrindra indray ve no tsy hahavita hamorona olombelona avy amin’ny zavatra nalaina tamin’ny olombelona? Mahaliana fa efa fanaon’ny mpandidy izao ny maka taolan-tehezan’olona, mba hanamboarana izay faritra simba amin’ny vatan’ilay olona na olon-kafa. Mbola maniry io taolana io, ka miverina amin’ny laoniny.

Porofo avy ao amin’ny Baiboly

Gaga ny olona sasany rehefa mahita hoe misy andinin-teny maromaro miresaka momba an’i Adama sy Eva ao amin’ny Baiboly. Ho hitantsika fa manamarina ny Genesisy izy ireny.

Diniho, ohatra, ny tetirazana ao amin’ny Tantara Voalohany toko voalohany ka hatramin’ny faha-9, sy ny Lioka toko faha-3. Ny Tantara Voalohany mitanisa taranaka 48 nifandimby, izay tetirazan’ny mpanjaka sy mpisorona teo amin’ny Israely. Ny Lioka kosa mitanisa taranaka 74, * razamben’i Jesosy Kristy. Samy hita ao amin’ireo lisitra ireo ny olo-malaza toa an’i Solomona, Davida, Jakoba, Isaka, Abrahama, Noa, ary i Adama. Tena nisy daholo ny olona voaresaka ao. Tena nisy àry i Adama, razambe nipoiran’izy ireo.

Ireto koa misy andinin-teny hafa mampiseho fa tena nisy i Adama sy Eva, fa tsy angano fotsiny:

• ‘Avy tamin’ny olona anankiray no nanaovan’Andriamanitra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’—ASAN’NY APOSTOLY 17:26.

• ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka ... nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy ny fahafatesana.’—ROMANINA 5:12, 14.

• “Tonga zavamananaina i Adama voalohany.”—1 KORINTIANINA 15:45.

• ‘I Adama no natao voalohany, vao i Eva.’—1 TIMOTY 2:13.

• “Naminany momba [ny ratsy fanahy] koa i Enoka, ilay taranaka fahafito avy tamin’i Adama.”—JODA 14.

Mbola lehibe noho izany ny porofo nomen’i Jesosy Kristy, ilay vavolombelona azo itokisana indrindra. Rehefa nisy nitady hamandrika azy, dia hoy izy: “Hatrany am-piandohan’ny famoronana, dia ‘lahy sy vavy no [nanaovan’Andriamanitra] ny olona. Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny, ary ho nofo iray ihany izy roa.’ ... Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” (Marka 10:6-9) Raha tsy tena nisy i Adama sy Eva, ho nampiasa ny tantaran’izy ireo ve i Jesosy, mba hampisehoana fa tokony haharitra ny fanambadiana?

Raha fintinina izany rehetra izany, dia hoy Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly (anglisy): “Manamarina ny tantara ao amin’ireo toko voalohandohany amin’ny Genesisy ny Testamenta Vaovao.”

Ahoana raha tsy nisy i Adama sy Eva?

Misy mieritreritra hoe tsy voatery hino ny fisian’i Adama sy Eva izy vao azo lazaina hoe Kristianina. Hoatran’ny hoe marina izany, raha tsy halalinina loatra. Kanefa, ahoana tokoa moa raha tsy tena nisy i Adama sy Eva?

Ahoana, ohatra, ny amin’ny sorona nataon’i Jesosy, izay sarobidy amin’ny olona maro? Nanome ny ainy izy hanafahana ny olona amin’ny ota. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Milaza ny Baiboly fa “vidim-panavotana mifandanja” i Jesosy. (1 Timoty 2:6) Mifandanja amin’ny inona? Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.” (1 Korintianina 15:22) Mifandanja amin’ilay aina lavorary nafoin’i Adama noho izy nanota, ny aina lavorary nataon’i Jesosy sorona mba hanavotana ny olona mankatò. (Romanina 5:12) Raha tsy nisy àry i Adama, dia tsy ho nilaina ny sorom-panavotan’i Kristy.

Inona koa ny vokany raha tsy mino ny tantaran’i Adama sy Eva isika, na tsy mihevitra azy io ho zava-dehibe? Hisalasala isika raha marina ny ankamaroan’ny fampianarana lehibe ao amin’ny Baiboly. * Ho maro koa ny fanontaniantsika tsy ho voavaly, ary tsy hisy fototra iorenany ny finoantsika.—Hebreo 11:1.

Inona no antony ahavelomantsika?

Mila eritreretintsika koa izao: Hahafantatra ny antony ahavelomantsika ve isika, raha tsy mino ny Genesisy? Diniho ny fomba fihevitr’i Richard Dawkins, izay mino ny evolisiona: “Tsy nisy namorona izao rehetra izao, ka tsy misy antony manokana mampisy azy io. Tsy misy ny atao hoe tsara sy ratsy, ary tsy misy mahita na miraharaha ny fijalian’ny olona.” Mahakivy izany sady tsy eken’ny saintsika!

Manome valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana lehibe indrindra anefa ny Baiboly. Anisan’izany ireto: Ahoana no nampisy ny olombelona? Inona no antony ahavelomantsika? Nahoana no feno faharatsiana sy fijaliana eto an-tany, ary mbola hifarana ve izany? Ho afaka hanantena hoavy tena tsara koa isika. Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa isika raha mino ny soron’i Kristy. Paradisa toy ilay tany Edena izy io, ilay nametrahan’Andriamanitra an’i Adama sy Eva.—Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3-5. *

Tena mifanaraka amin’ny siansa ny tantaran’i Adama sy Eva, na dia tsy eken’ny sain’ireo mino ny evolisiona aza. Mifanaraka tsara amin’ny Tenin’Andriamanitra koa izy io.

Koa nahoana àry raha dinihina tsara ny Baiboly? Vonona hanampy anao amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Izao no isan’ny ataoma ao amin’ny vatan’olombelona: 7 000 000 000 000 000 000 000 000 000. Izao no isan’ny sela: 100 000 000 000 000.

^ feh. 8 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Manatòna An’i Jehovah, toko faha-5.

^ feh. 9 Tsy hoe tena namorona zavamananaina ny mpahay siansa. Tsy nahavita namorona zavamananaina avy amin’ny zavatra tsy misy aina izy ireo, fa sela velona no nampiasainy.

^ feh. 13 Tsy tafiditra amin’io isa io i Kenana noho izay voalazan’ny Genesisy 10:24.

^ feh. 25 Anisan’izany ireto: Ny zon’Andriamanitra hitondra, ny tsy fivadihan’ny olombelona, ny tsara sy ny ratsy, ny fahafahana misafidy, ny toetran’ny maty, ny fanambadiana, ny Mesia, ny paradisa an-tany, ny Fanjakan’Andriamanitra.

^ feh. 28 Jereo ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, toko faha-3: “Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?”, sy toko faha-5: “Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra.”

[Teny notsongaina, pejy 14]

Raha tsy nisy i Adama, dia tsy ho nilaina ny sorom-panavotan’i Kristy

[Sary, pejy 12, 13]

Nisy nanao ny sambon-danitra, noho izany dia nisy nanao koa ny vatan’olombelona

[Sary, pejy 15]

Nino i Jesosy fa tena nisy i Adama sy Eva