Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve ny Mamaly Faty?

Mety ve ny Mamaly Faty?

Mety ve ny Mamaly Faty?

MATETIKA no lazaina fa tsara ny mamaly faty. Ara-dalàna raha tezitra isika rehefa misy olona manao zavatra tsy mety amintsika. Mahatsapa ny mety sy ny tsy mety isika, ka mitaky ny hanitsiana ny tsy rariny. Amin’ny fomba ahoana anefa?

Samihafa ny zavatra mety hampahatezitra antsika. Eo, ohatra, ny tehamaina, fanosehana, fanevatevana, fanompana, fanafihana, ary fangalarana. Inona no tsapanao rehefa iharan’ny iray amin’ireo ianao? Maro no milaza hoe: ‘Tsy maintsy hovaliako ny nataony tamiko!’

Ankizy maro mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa fototra, any Etazonia, no manendrikendrika ny mpampianatra nanasazy azy hoe nampijaly azy. Izany no fomba hamaliany faty. Hoy i Brenda Mitchell, prezidan’ny Fikambanan’ny Mpampianatra any Nouvelle-Orléans: “Voahoso-potaka ny anaran’ilay mpampianatra, raha vao misy manendrikendrika azy.” Mbola ratsy laza ihany izy, na dia voaporofo aza fa diso ilay fiampangana.

Maro ny mpiasa voaroaka mamaly faty ny mpampiasa azy, ka mamono fanazavana tena ilaina ao amin’ny ordinateran’ny orinasa niasany. Ny hafa indray mangalatra ny tsiambaratelon’ilay orinasa, ary mivarotra na milaza izany amin’ny orinasa hafa. Ankoatra izany, dia “mbola fanaon’ny olona ny mangalatra ny fananan’ny orinasa mba hamaliana faty”, hoy Ny Gazetin’i New York (anglisy). Orinasa maro àry no te hisoroka izany, ka maniraka mpiambina hiaraka amin’ilay mpiasa voaroaka hankany amin’ny biraony, hiandry azy hangorona ny entany, ary hanatitra azy hatreny am-bavahady.

Eo amin’ny mpinamana sy olom-pantatra ary mpihavana no tena isehoan’ny valifaty. Matetika no mamaly faty izy ireo rehefa nisy teny maharary na zavatra natao tsy tamim-piheverana nankarary ny fony. Raha mitratrevatreva aminao ny namanao, mamaly azy amin’ny teny maharary ve ianao? Raha nampahatezitra anao ny havanao, mitady fomba hamaliana faty ve ianao? Mora erỳ ny manao izany rehefa olona akaiky antsika no nampahatezitra antsika!

Hadalana ny mamaly faty

Matetika no mamaly faty ny olona mba hanamaivanana ny hatezerany. Lazain’ny Baiboly, ohatra, fa nanolana an’i Dina zanak’i Jakoba, loham-pianakaviana hebreo, ilay Kananita atao hoe Sekema. “Nalahelo sady tezitra be” ireo anadahin’i Dina rehefa nandre izany. (Genesisy 34:1-7) Namaly ny ratsy natao tamin’ny anabaviny i Simeona sy Levy, anisan’ny zanak’i Jakoba. Nampiasa hafetsena izy ireo, ka namitaka an’i Sekema sy ny fianakaviany. Niditra tao amin’ny tanànan’ny Kananita izy roa lahy avy eo, ary namono ny lehilahy rehetra tao, anisan’izany i Sekema.—Genesisy 34:13-27.

Namaha olana ve anefa izany? Ren’i Jakoba ny nataon’ny zanany, ka niteny mafy azy ireo izy hoe: “Efa nahatonga loza tamiko ianareo, fa noho ny nataonareo, dia hankahala ahy ny mponina eto amin’ity tany ity, ... dia hiangona hanohitra sy hamely ahy izy ireo, ka ho ripaka izaho sy ny ankohonako.” (Genesisy 34:30) Tsy namaha olana àry ny valifaty nataon’izy ireo. Ny nifanohitra tamin’izany aza no nitranga. Tsy maintsy ho nanahy ny amin’ny valifatin’ireo mponina nanodidina azy ny fianakavian’i Jakoba. Mba hisorohana an’izany angamba no nilazan’Andriamanitra tamin’i Jakoba sy ny fianakaviany mba hifindra tany Betela.—Genesisy 35:1, 5.

Misy lesona lehibe azo tsoahana avy amin’io tantara io. Matetika no mahatonga valifaty ny famaliana faty, ary toy izany hatrany ilay izy. Manamarina izany ilay ohabolana alemà hoe: Vetivety dia misy valiny ny valifaty.

Valifaty miteraka valifaty

Tsy mahasoa ny mitady fomba hamaliana ny ratsy nataon’ny hafa tamintsika. Hoy ny boky iray: “Manimba anao ny hatezerana. Lany fotoana sy hery ianao rehefa mieritreritra ny zavatra nampalahelo anao tamin’ny lasa, sy manozona anakampo ny olona nankarary ny fonao, ary mitady fomba hamaliana faty.” Milaza mazava ny Baiboly fa ‘ny fialonana mahatonga ny taolana ho lo.’—Ohabolana 14:30.

Hahita fifaliana ve ny olona iray raha koboniny ao anatiny ny fankahalana sy ny fihetseham-po manimba? Hoy ny mpivaofy teny iray: “Raha mihevitra ianao fa ‘tsara ny mamaly faty’, dia diniho fotsiny ny endrik’ireo nitady fomba hamaliana faty efa hatramin’ny taona maro.”

Diniho izay nitranga tany amin’ny faritra maro nisy adim-poko sy ady ara-pivavahana. Rehefa mahafaty olona ny andaniny, dia tsy maintsy mamaly koa ny ankilany, ary vao mainka mitombo ny fifankahalana sy ny fifamonoana. Nahafaty tanora 18, ohatra, ny baomba iray nalefan’ny mpampihorohoro. Nalahelo ny vehivavy iray ka nilaza hoe: “Tokony hovaliantsika inarivony amin’izy ireo izany!” Mampitombo ny herisetra anefa izany, ary mihamaro koa ny olona miditra amin’ilay ady.

“Maso ho solon’ny maso”

Misy milaza fa tsy manameloka ny famaliana faty ny Baiboly. Hoy izy ireo: “Tsy milaza ve ny Baiboly hoe ‘maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify’?” (Levitikosy 24:20) Toa mandrisika ny olona hamaly faty tokoa io lalàna io, rehefa jerena maimaika. Natao hisakanana ny olona tsy hamaly faty anefa izy io, raha ny marina. Ahoana izany?

Navelan’ny Lalàna hosazina araka ny tokony ho izy ny Israelita iray, raha nanafika ny Israelita namany ka nanafaka ny masony ilany. Tsy ilay notafihina na ny fianakaviany anefa no tokony hanasazy an’ilay nanao ratsy. Notakin’ny Lalàna kosa ny hitondrana ilay raharaha any amin’ny mpitsara, mba handraisany fepetra mety. Hosazina araka izay nataony ilay ninia nanao ratsy, ary misakana ny famaliana faty ny fahafantarana izany. Misy zavatra hafa koa anefa.

Hoy i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, talohan’ny nanomezany an’io lalàna momba ny fanasaziana io: “Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao. ... Aza mamaly faty na manao an-dolompo.” (Levitikosy 19:17, 18) Tokony hodinihina tsara àry ny Lalàna manontolo, mba hamantarana ny dikan’ilay hoe “maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify.” Nilaza i Jesosy fa voafintina amin’ireto didy roa ireto ny Lalàna rehetra: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo”, ary “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:37-40) Inona àry no tokony hataon’ny tena Kristianina raha iharan’ny tsy rariny izy?

Ataovy izay hihavanana

Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitry ny fiadanana” i Jehovah, ary ampirisihiny ny mpanompony mba “hitady fihavanana ka hitandro izany.” (Hebreo 13:20; 1 Petera 3:11) Tena mandaitra ve anefa izany?

Nororana sy nokapohina ary nenjehin’ny fahavalony i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. Namadika azy ny namany akaiky, ary nandao azy mihitsy aza ny mpanara-dia azy. (Matio 26:48-50; 27:27-31) Inona no nataony? Hoy ny apostoly Petera: “Tsy mba nanevateva izy rehefa nisy nanevateva, ary tsy mba nandrahona rehefa nijaly, fa nanankina foana ny fiainany kosa tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.”—1 Petera 2:23.

Hoy ihany i Petera: ‘Nijaly ho anareo i Kristy, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.’ (1 Petera 2:21) Ampirisihina hanahaka an’i Jesosy ny Kristianina. Tokony hotahafin’izy ireo, ohatra, ny fihetsiny tamin’izy niharan’ny tsy rariny. Hoy i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.”—Matio 5:44, 45.

Ahoana no ataon’ireo manahaka ny fitiavan’i Kristy rehefa iharan’ny tsy rariny na mihevitra fa niharan’izany? Hoy ny Ohabolana 19:11: “Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina, ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.” Ampiharin’izy ireo koa ity torohevitra ity: “Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.” (Romanina 12:21) Mifanohitra amin’ilay toe-tsaina tia mamaly faty miely eran-tany tokoa izany! Misakana antsika tsy hamaly faty ny tena fitiavana kristianina. “Mamela fahadisoana” àry isika, satria “tsy mitana lolompo” ny fitiavana.—1 Korintianina 13:5.

Midika ve izany fa tsy tokony hanao na inona na inona isika raha misy mihetraketraka amintsika na mandrahona antsika? Tsy izany mihitsy! Marina fa nilaza i Paoly hoe “reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.” Tsy te hilaza anefa izy hoe tokony hamela ny tenany hampijalina foana ny Kristianina. Zontsika kosa ny miaro tena, rehefa misy manafika. Afaka miantso polisy ianao, raha misy manafika na misy mandroba ny fanananao. Raha any am-piasana na any am-pianarana ilay olana no mitranga, dia misy manam-pahefana azonao antsoina any.—Romanina 13:3, 4.

Tsara anefa ny hitadidiana fa mety ho sarotra ny hahazo ny rariny eto amin’ity tontolo ity. Niezaka mafy nitady izany nandritra ny taona maro ny olona sasany. Tsy nahita anefa izy ireo, ka tezitra rehefa tsy tanteraka ny faniriany.

Tena faly i Satana rehefa miady ny olona, ka mifamaly faty sy mifankahala. (1 Jaona 3:7, 8) Tsara ny hitadidiantsika an’ireto teny ireto: “Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ” (Romanina 12:19) Apetraho amin’i Jehovah àry ilay raharaha. Hisakana anao tsy halahelo na ho tezitra be na hahery setra izany.—Ohabolana 3:3-6.

[Teny notsongaina, pejy 22]

“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo”, ary “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”

[Sary, pejy 23]

“Tsy mitana lolompo” ny fitiavana. —1 Korintianina 13:5