Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahagagana Tamin’ny Pentekosta!

Fahagagana Tamin’ny Pentekosta!

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Fahagagana Tamin’ny Pentekosta!

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY ASAN’NY APOSTOLY 2:1-21, 38-41.

Inona no tonga ao an-tsainao eo am-pamakianao an’ilay tantara hoe nisy “lela maro toy ny afo” sy feo toy “ny rivotra mahery nifofofofo”?

․․․․․

Inona no mety ho nolazain’ny olona rehefa gaga izy ireo naheno ny mpianatra niteny vahiny?

․․․․․

Mety ho nanao ahoana ny tarehin’ireo tsy nino, araka ny andininy faha-13?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Fetin’ny inona ny Pentekosta? Nety ho nanao ahoana ny vahoaka tafavory tao Jerosalema noho io fety io? (Deoteronomia 16:10-12)

․․․․․

Nanaja ny mpihaino azy i Petera, ary nitady marimaritra iraisana. Ahoana no nanaovany an’izany? (Asan’ny Apostoly 2:29)

․․․․․

Feno fahasahiana i Petera tamin’ny Pentekosta. Nahoana izany no tena tsy nitovy tamin’ny fihetsiny tamin’izy tao an-tokotanin’ny mpisoronabe, taloha kelin’izay? (Matio 26:69-75)

․․․․․

AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Tokony hitadiavana marimaritra iraisana sy hanajana ny hafa, rehefa miresaka ny finoanao aminy.

․․․․․

Hoe ho lasa Vavolombelon’i Jehovah feno fahasahiana ve ianao, na dia mbola menamenatra sy matahotahotra aza aloha izao.

․․․․․

INONA NO HEVI-DEHIBE HITANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

Raha te hanao fikarohana bebe kokoa ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1996, pejy 8-9.