Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka ho ao Aminareo Foana ny Toe-tsain’i Kristy

Aoka ho ao Aminareo Foana ny Toe-tsain’i Kristy

Aoka ho ao Aminareo Foana ny Toe-tsain’i Kristy

“[Aoka ianareo] samy hanana ilay toe-tsaina mitovy amin’izay nananan’i Kristy Jesosy.”—ROM. 15:5.

1. Nahoana isika no tokony hanahaka ny toe-tsain’i Kristy?

HOY i Jesosy Kristy: ‘Mankanesa atỳ amiko, ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.’ (Mat. 11:28, 29) Hita avy amin’io teniny io fa be fitiavana izy. Toe-tsaina tsara tokoa izany! Izy àry no tena mendrika hotahafina. Zanak’Andriamanitra izy sady tena mahery, nefa nangoraka sy nalemy fanahy, indrindra tamin’ireo nijaly.

2. Inona avy no hodinihintsika?

2 Hianarantsika ato sy ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka hoe inona no hanampy antsika hanana foana ny “sain’i Kristy.” (1 Kor. 2:16) Nalemy fanahy sy nanetry tena izy, tsara fanahy, nankatò an’Andriamanitra, be herim-po, ary be fitiavana. Handinika an’ireo toetrany ireo isika.

Nalemy fanahy i Kristy

3. a) Inona no nataon’i Jesosy mba hampianarana ny mpianany hanetry tena? b) Inona no nataony rehefa tsy nahavita niari-tory izy ireo?

3 Lavorary ilay Zanak’Andriamanitra, nefa nanaiky an-tsitrapo ho etỳ an-tany mba hiaraka amin’ny olona tsy lavorary. Efa fantany fa hamono azy ny sasany amin’izy ireo. Faly sy nahafehy tena foana anefa izy. (1 Pet. 2:21-23) Mila “mibanjina tsara” ny modely nomeny àry isika, mba ho faly sy hahafehy tena koa, na dia rehefa manafintohina antsika aza ny hafa. (Heb. 12:2) Nasain’i Jesosy hiray zioga sy hiana-javatra aminy ny mpianany. (Mat. 11:29) Inona avy no azon’izy ireo ianarana? Nalemy fanahy sy nanam-paharetana, ohatra, i Jesosy, na dia nanao fahadisoana aza izy ireo. Nanasa ny tongotr’izy ireo izy, ny alina talohan’ny nahafatesany, mba hampianarana azy ireo ‘hanetry tena.’ Tsy hadinon’izy ireo mihitsy iny lesona iny! (Vakio ny Jaona 13:14-17.) Nangoraka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona koa i Jesosy, rehefa tsy nahavita “niari-tory” izy ireo. Hoy izy: “Matory ve [ianareo]? Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy. Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”—Mar. 14:32-38.

4, 5. Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy, rehefa misy manao zavatra mahasosotra?

4 Inona no hataontsika raha misy mpiray finoana tia mifaninana, na mora tezitra, na elaela vao mankatò ny toromariky ny anti-panahy na ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”? (Mat. 24:45-47) Mazàna no zakantsika ny toetra ratsin’ny olona eto amin’ity tontolo ity, fa tsy zakantsika kosa ny fahadisoan’ny mpiray finoana. Raha mora tezitra àry isika rehefa manao fahadisoana izy ireo, dia tokony hieritreritra hoe: ‘Inona no azoko atao mba hanahafana bebe kokoa an’i Kristy?’ Tadidio fa tsy tezitra tamin’ny mpianany izy, na dia nanao fahadisoana aza izy ireo indraindray.

5 Diniho izay nataony tamin’ny apostoly Petera. Nasainy niala avy tao anaty sambo izy, ary handeha eo ambony rano ho eny aminy. Nandeha tokoa i Petera, saingy vetivety ihany. Natahotra mantsy izy rehefa nahita ny tafio-drivotra nanodidina azy, ka nanomboka nilentika. Tezitra be ve i Jesosy, ka naneso azy hoe: “Tsara ho anao izay! Fay tsara ianao izao!”? Tsia! “Nanatsotra ny tanany avy hatrany i Jesosy ka nihazona azy, sady niteny taminy hoe: ‘Ry kely finoana, nahoana ianao no nanjary nisalasala?’ ” (Mat. 14:28-31) Ahoana raha misy rahalahintsika tsy ampy finoana? Hanatsotra ny tanantsika ve isika, izany hoe hanampy azy hampitombo ny finoany? Malemy fanahy toa an’i Jesosy isika, raha manao izany.

6. Inona no nolazain’i Jesosy, rehefa niady ny ho ambony ny apostoliny?

6 Nifamaly foana i Petera sy ny apostoly hafa hoe iza no ambony indrindra tamin’izy ireo. Tezitra àry ry zareo rehefa nahare fa te hipetraka eo anilan’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany i Jakoba sy Jaona, ka ny iray eo ankavanana, ary ny iray eo ankavia. Hitan’i Jesosy fa mety ho ny fiaraha-monina nisy azy ireo no nahatonga azy hanambony tena. Hoy àry izy: “Fantatrareo fa manjakazaka amin’ny firenena entiny ny mpitondra, ary manampatra ny fahefany ireo lehibe. Tsy mba toy izany kosa eo aminareo. Fa na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo, ary na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo anareo.” Niresaka momba ny modely nomeny i Jesosy avy eo. Hoy izy: “Fa toy izany koa ny Zanak’olona: Tsy tonga mba hotompoina izy fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.”—Mat. 20:20-28.

7. Inona no azontsika tsirairay atao mba hiray saina ny fiangonana?

7 Nanetry tena tokoa i Jesosy. Mila misaintsaina momba izany isika, satria hanampy antsika ‘hitondra tena toy ny kely indrindra’ izany. (Lioka 9:46-48) Mampiray saina mantsy ny fanetren-tena. Zanak’i Jehovah daholo isika, ka tiany ‘hiara-monina amim-piraisan-tsaina’ sy hifanaraka tsara. (Sal. 133:1) Nivavaka tamin-dRainy i Jesosy mba hiray saina ny Kristianina rehetra. Hoy izy avy eo: ‘Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao ahy.’ (Jaona 17:23) Ho fantatry ny olona àry fa tena mpianatr’i Kristy isika, raha miray saina. Tsy hisy mihitsy anefa izany, raha tsy mamela heloka toa an’i Kristy isika. Nampianariny fa tsy ho voavela ny helotsika raha tsy mamela heloka isika.—Vakio ny Matio 6:14, 15.

8. Inona no modely omen’ireo Kristianina nanompo efa an-taonany maro?

8 Afaka miana-javatra amin’ireo olona efa niezaka nanahaka an’i Kristy an-taonany maro koa isika. Mazàna izy ireny no mamela heloka toa an’i Kristy. Hitan’izy ireny fa nanampy azy “hizaka ny fahalemen’izay tsy matanjaka” izany, sady nanampy ny fiangonana hiray saina sy hanana ny toe-tsain’i Kristy. Tiany raha tanteraka amin’ny mpiray finoana aminy ity tenin’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma ity: “Ilay Andriamanitra manome fiaretana sy fampiononana anie hahatonga anareo samy hanana ilay toe-tsaina mitovy amin’izay nananan’i Kristy Jesosy, mba hiray saina ianareo ka ho vava iray ihany no hankalazanareo an’ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika!” (Rom. 15:1, 5, 6) Manome voninahitra an’i Jehovah àry isika rehefa miray saina.

9. Nahoana isika no mila ny fanahy masina, raha te hanahaka an’i Jesosy?

9 Notononin’i Jesosy niaraka tamin’ny fanetren-tena ny fahalemem-panahy. Anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra izy io. Tsy ampy àry ny mandinika ny modely nomen’i Jesosy, raha tena te hanahaka azy isika. Ilaina koa ny mangataka ny fanahy masina, sady miezaka manana ny vokatr’izy io, dia ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” (Gal. 5:22, 23) Ho faly i Jehovah Raintsika any an-danitra, raha manetry tena sy malemy fanahy toa an’i Jesosy isika.

Tsara fanahy i Jesosy

10. Inona no porofo fa tsara fanahy i Jesosy?

10 Anisan’ny vokatry ny fanahy koa ny hatsaram-panahy. Tsara fanahy foana i Jesosy. ‘Noraisiny tsara’ izay tena naniry hanatona azy. (Vakio ny Lioka 9:11.) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ny olona tsara fanahy dia sariaka sy mangoraka ary mahay mifandray amin’olona. Toy izany mihitsy i Jesosy. Nangoraka ny olona izy “satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.”—Mat. 9:35, 36.

11, 12. a) Inona no nataon’i Jesosy mba hampisehoana fa nangoraka izy? b) Inona no ianaranao avy amin’io ohatra io?

11 Tsy nangoraka fotsiny i Jesosy, fa tena nanampy ny olona mihitsy. Nandeha ra nandritra ny 12 taona, ohatra, ny vehivavy iray. Fantatr’ilay vehivavy fa naloto izy sy izay nifampikasika taminy, raha ny Lalàn’i Mosesy no jerena. (Lev. 15:25-27) Nino anefa izy fa afaka manasitrana azy i Jesosy sady tena hanasitrana azy. Nalaza ho tsara fanahy mantsy i Jesosy. Hoy ilay vehivavy: “Raha mikasika ny akanjony ivelany fotsiny aho, dia ho sitrana.” Niezaka nanana herim-po izy ary nanao izany, ka sitrana avy hatrany.

12 Tsapan’i Jesosy fa nisy nikasika izy. Nijerijery nanodidina azy àry izy. Nandohalika teo anatrehany ilay vehivavy, ary nilaza ny marina rehetra. Angamba izy natahotra ny ho bedy satria nandika lalàna. Nibedy an’io vehivavy nampalahelo sy nijaly io ve i Jesosy? Tsia! Tsara fanahy taminy izy, ka niteny hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho.” (Mar. 5:25-34) Azo inoana fa tena nampionona an’ilay vehivavy izany!

13. a) Inona no tsy nampitovy an’i Jesosy tamin’ny Fariseo? b) Ahoana no nifandraisan’i Jesosy tamin’ny ankizy?

13 Nanana fahefana i Kristy, nefa tsy nanampy trotraka ny fahorian’ny olona. Tsy toy ireo Fariseo mafy fo izy. (Mat. 23:4) Tsara fanahy sy nanam-paharetana izy, rehefa nampianatra momba an’i Jehovah. Hitan’ny mpianany fa tena namana izy, satria be fitiavana sy tsara fanahy. (Ohab. 17:17; Jaona 15:11-15) Na ny ankizy aza tsy nihafahafa taminy, ary izy koa faly niaraka tamin’izy ireo. Tsy nampaninona azy ny nanajanona ny zavatra nataony, mba hiarahana tamin’ny ankizy. Indray andro, dia nosakanan’ny mpianatra ny olona nitondra ankizy hokasihin’i Jesosy. Mbola nanambony tena toy ny mpitondra fivavahana mantsy ireo mpianatra. Tezitra anefa i Jesosy, ka niteny hoe: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza mitady hisakana azy, fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.” Niresaka momba ny ankizy izy avy eo, mba hampianarana lesona tena lehibe. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa izay tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra toy ny ataon’ny zaza, dia tsy ho tafiditra ao mihitsy.”—Mar. 10:13-15.

14. Inona no soa azon’ny ankizy rehefa miahy azy ireo isika?

14 Notrotroin’i Jesosy Kristy sy nametrahany tanana ireo zaza nentina teo aminy. (Mar. 10:16) Azo inoana fa mbola nahatsiaro an’izany ny sasany rehefa lehibe, ka tena faly! Mila miahy ny ankizy àry ny anti-panahy sy ny Kristianina hafa. Ho faly ireny ankizy ireny any aoriana any, rehefa mahatsiaro izany. Tsy izay ihany anefa. Mbola kely izy ireny dia efa hahatsapa fa manana ny fanahin’i Jehovah ny vahoakany.

Miezaha ho tsara fanahy

15. Nahoana isika no tsy tokony ho gaga raha ratsy toetra ny olona?

15 Maro no mihevitra hoe be atao loatra, ka tsy afaka ny ho tsara fanahy. Sendra olona ratsy toetra àry isika isan’andro, any am-pianarana, any am-piasana, eny an-dalana, ary eny amin’ny fanompoana. Malahelo isika, nefa tsy tokony ho gaga. Efa nilaza mantsy i Jehovah fa ho “tia tena” sy “tsy ho tia ny mpianakaviny” ny olona manodidina antsika, amin’izao “andro farany” izao.—2 Tim. 3:1-3.

16. Ahoana no hanehoantsika hatsaram-panahy eo anivon’ny fiangonana?

16 Mifanohitra tanteraka amin’izany ny zava-misy eo anivon’ny fiangonana. Mahafinaritra ny olona ao. Hitohy foana izany, raha manahaka an’i Jesosy isika tsirairay. Inona àry no tokony hataontsika? Maro ny Kristianina mila ampiana sy ampaherezina, satria marary na manana olana hafa. Mihamitombo ny olana amin’izao “andro farany” izao, nefa tsy hoe zava-baovao izany. Efa niharan’izany ny Kristianina fahiny. Nifanampy anefa izy ireo, ary mila manao toy izany koa isika. Nampirisika antsika i Paoly mba “hanao teny mampahery ny kivy, hanohana ny malemy, ary hahari-po amin’ny olona rehetra.” (1 Tes. 5:14) Asehoy amin’ny ataonao àry fa tsara fanahy toa an’i Kristy ianao.

17, 18. Inona koa no azontsika atao mba ho tsara fanahy toa an’i Jesosy isika?

17 Tsy maintsy mandray tsara ny rahalahintsika isika. Eritrereto àry hoe: ‘Raha i Jesosy no teo, inona no toetra nasehony?’ Mila miahy ny hafa isika, na ireo efa fantatsika hatry ny ela, na ireo sambany vao nihaona tamintsika. (3 Jaona 5-8) Nasehon’i Jesosy tamin’izay nataony fa nangoraka izy. Mila manao toa azy koa isika, ka hamelombelona ny hafa foana.—Isaia 32:2; Mat. 11:28-30.

18 Jereo hoe inona no ilain’ny rahalahinao. Mitadiava fomba hanampiana azy avy eo, ary ataovy mihitsy ilay izy! Hoy i Paoly: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Rom. 12:10) Mila manahaka an’i Kristy àry isika, ka ho tsara fanahy sy haneho “fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy.” (2 Kor. 6:6) Hoy i Paoly momba an’io fitiavana io: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo.” (1 Kor. 13:4) Aza mitana lolompo àry. “Aoka kosa ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.”—Efes. 4:32.

19. Inona no ho vokany raha tsara fanahy toa an’i Kristy isika?

19 Hahazo fitahiana maro isika, raha miezaka ny ho tsara fanahy foana toa an’i Kristy. Hiasa tsara eo anivon’ny fiangonana ny fanahin’i Jehovah, ka ho afaka hanana ny vokatr’izy io ny rehetra. Ho faly koa Andriamanitra rehefa mahita antsika manaraka ny modely nomen’i Jesosy sy manampy ny hafa hanao izany. Ho hitany mantsy fa sambatra sy miray saina isika. Miezaha foana àry halemy fanahy sy ho tsara fanahy toa an’i Jesosy.

Hainao Hazavaina Ve?

• Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa “malemy fanahy sy manetry tena” izy?

• Inona no porofo fa tsara fanahy i Jesosy?

• Ahoana no hampisehoantsika fa malemy fanahy sy tsara fanahy toa an’i Kristy isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Hanampy ny rahalahintsika ve isika, raha tsy ampy finoana toa an’i Petera izy?

[Sary, pejy 10]

Inona no azonao atao mba hanjaka eo anivon’ny fiangonana ny hatsaram-panahy?