Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao Hankatò sy ho Be Herim-po toa An’i Kristy

Aoka Ianao Hankatò sy ho Be Herim-po toa An’i Kristy

Aoka Ianao Hankatò sy ho Be Herim-po toa An’i Kristy

“Mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.”—JAONA 16:33.

1. Inona no porofo fa nankatò an’Andriamanitra foana i Jesosy?

NANAO ny sitrapon’Andriamanitra foana i Jesosy Kristy. Sanatria azy ny tsy hankatò an’ilay Rainy any an-danitra. (Jaona 4:34; Heb. 7:26) Sarotra taminy anefa ny nankatò teto an-tany. Vao nanomboka mantsy ny fanompoany, dia efa nanao izay hialany tamin’i Jehovah ireo fahavalony, anisan’izany i Satana. Nandresy lahatra na nanery na namandrika azy izy ireo. (Mat. 4:1-11; Lioka 20:20-25) Tena nampahory azy izany, nefa mbola tsy namelan’izy ireo izy raha tsy maty teo amin’ny hazo fijaliana. (Mat. 26:37, 38; Lioka 22:44; Jaona 19:1, 17, 18) “Nankatò” foana anefa izy, ary “tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany.”—Vakio ny Filipianina 2:8.

2, 3. Inona no nanampy an’i Jesosy hankatò foana na dia nijaly aza, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

2 Nianatra nankatò tao anatin’ny mafy àry i Jesosy, rehefa lasa olombelona. (Heb. 5:8) Somary mahagaga izany, satria toa tsy misy zavatra mila ianarany intsony. Efa ela be mantsy izy no nifanerasera akaiky tamin’i Jehovah, ary “mpiasa tena mahay” teo anilany nandritra ny famoronana. (Ohab. 8:30) Na izany aza, dia mbola tsy nijaly toy ny teto an-tany mihitsy izy. Nahavita niaritra anefa izy, ka hita fa nankatò foana. Vao mainka lasa akaiky kokoa an-dRainy izy.

3 Lavorary i Jesosy, nefa tsy niezaka irery ny hankatò, fa nangataka ny fanampian’Andriamanitra. (Vakio ny Hebreo 5:7.) Mila manetry tena koa isika, ka mivavaka tsy tapaka, raha te hankatò foana. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa. Nanetry tena izy ka nanjary nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany.’ (Fil. 2:5-8) Noporofoin’i Jesosy fa afaka mankatò ny olombelona, na dia miaina eo amin’ny tontolo ratsy aza. Marina aloha fa lavorary izy ary tsy lavorary isika. Afaka mankatò ve anefa isika?

Mankatò na dia tsy lavorary aza

4. Inona no safidy omen’Andriamanitra antsika?

4 Nataon’Andriamanitra afaka misaina sy misafidy i Adama sy Eva. Afaka misafidy koa isika, satria taranak’izy ireo. Avelan’Andriamanitra hisafidy àry isika hoe hanao ny tsara sa hanao ny ratsy, izany hoe hankatò azy sa tsia. Andraikitra lehibe anefa izany. Miankina amin’ny safidy ataontsika mantsy no hahavoavonjy antsika na tsia. Misy vokany amin’ny olon-kafa koa ny safidintsika.

5. Inona no ady mafy tsy maintsy ataontsika, ary inona no hanampy antsika?

5 Nandova ota isika, ka mazàna no mila miady mafy vao mahavita mankatò ny lalàn’Andriamanitra. Na i Paoly aza niaiky hoe: “Ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.” (Rom. 7:23) Mora ny mankatò rehefa tsy misy zavatra afoy na mampahory na manahirana. Ahoana anefa rehefa mifanohitra amin’ny ‘fanirian’ny nofontsika sy ny masontsika’ ny zavatra asaina ataontsika? Tena mahery ireo faniriana ireo, ary mitsiry ao anatintsika, satria tsy lavorary isika. Mandrisika antsika hanana azy ireo koa ny “fanahin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 2:16; 1 Kor. 2:12) Ahoana àry no hanoherana azy ireo? Mila ‘manomana ny fontsika’ isika dieny mbola tsy misy olana na fakam-panahy, ary tokony ho tapa-kevitra ny hankatò foana. (Sal. 78:8) Maro ny olona nahavita nankatò fahiny, satria nanomana ny fony.—Ezra 7:10; Dan. 1:8.

6, 7. Hazavao amin’ny ohatra fa manampy antsika hanapa-kevitra ny fianarana samirery.

6 Ahoana no hanomanana ny fo? Mila mazoto mianatra ny Soratra Masina sy ireo boky aman-gazety isika. Aoka hatao hoe misy filma tianao hojerena, ary nisy nilaza fa tsara ilay izy. Renao koa anefa fa misy fijangajangana sy herisetra ao amin’ilay izy. Mianatra samirery àry ianao, mba hahafahanao hanapa-kevitra. Mangataka ny fanahin’i Jehovah ianao, mba hanampy anao hampihatra izay hianaranao.

7 Saintsaininao avy eo ilay tenin’i Paoly ao amin’ny Efesianina 5:3 hoe: “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po, fa tsy mendrika ny olona masina izany.” Tadidinao koa ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Filipianina 4:8. (Vakio.) Mieritreritra àry ianao hoe: ‘Tena mankatò toa an’i Jesosy ve aho, raha mbola mijery an’io filma io?’ Inona no hataonao avy eo? Mbola hijery ihany ve ianao?

8. Nahoana no diso hevitra izay tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah?

8 Diso hevitra izay tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah, ka mieritreritra fa tsy hisy voka-dratsiny ny fialam-boly vetaveta sy misy herisetra. Azo lazaina hoe naman-dratsy ireny, ary fomba ampiasain’i Satana hitaomana antsika. Mila arovantsika àry ny tenantsika sy ny zanatsika. Intỳ misy ohatra: Miezaka miaro ny voliny amin’ny bibikely ny mpamboly. Mety hanimba tanteraka ny voliny mantsy ireny, ary mety hifindra any amin’ny sahan’olon-kafa, raha tsy vonoina avy hatrany. Tsy tokony hihoatra noho izany ve no hiarovantsika ny tenantsika amin’ny teti-dratsin’i Satana?—Efes. 6:11.

9. Nahoana isika no tokony ho tapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah isan’andro?

9 Saika isan’andro, dia tsy maintsy mifidy isika raha hankatò an’i Jehovah na tsia. Tsy maintsy mankatò ny fitsipiny isika, mba ho voavonjy. Asehontsika fa tena manam-pinoana isika, raha mankatò azy “hatramin’ny fahafatesana”, toa an’i Kristy. Hamaly soa antsika i Jehovah amin’izay. Nampanantena i Jesosy hoe: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Mat. 24:13) Hahavita izany isika, raha manana herim-po toy izay nananan’i Jesosy.—Sal. 31:24.

I Jesosy no be herim-po indrindra

10. Inona avy no fitsapana mahazo antsika, ary inona no tokony hataontsika?

10 Mila herim-po isika mba hiarovan-tena amin’ny toe-tsaina sy fitondran-tena ratsy manjaka eto amin’ity tontolo ity. Maro ny fitsapana mety hitarika antsika handika ny fitsipik’i Jehovah. Mety ho avy amin’ny fiaraha-monina izany, na misy ifandraisany amin’ny fivavahan-diso, fitadiavam-bola, na ny fitondran-tena. Maro koa no enjehin’ny havany. Averimberina any amin’ny sekoly sasany fa nivoatra miandalana avy tamin’ny biby ny olona. Mihamaro koa no tsy mino an’Andriamanitra. Tsy afaka ny hipetra-potsiny isika eo anoloan’izany rehetra izany. Mila miaro ny tenantsika isika. Hahavita izany isika raha manahaka an’i Jesosy.

11. Nahoana isika no mila mandinika ny modely nomen’i Kristy raha te hanana herim-po?

11 Nampirisika ny mpianany ho be herim-po i Jesosy. Hoy izy: “Eo amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Jaona 16:33) Tsy nanaiky ho voataonan’ity tontolo ity mihitsy i Jesosy. Tsy nisy nahasakana azy tsy hitory, na nahavita nampirisika azy handika ny fitsipik’i Jehovah na hiala amin’ny fivavahana marina. Tokony hanahaka azy isika. Hoy izy momba ny mpianany: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16) Mila mandinika sy misaintsaina ny modely nomen’i Kristy àry isika, raha te hanana herim-po hisarahana foana amin’ity tontolo ity.

Ny herim-pon’i Jesosy

12-14. Inona avy no porofo fa be herim-po i Jesosy?

12 Tena be herim-po i Jesosy. Sahy “niditra tao amin’ny tempoly”, ohatra, izy, ka “nandroaka an’izay rehetra nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra voromailala.” (Mat. 21:12) Nasehony tamin’izany fa nanana fahefana izy satria Zanak’Andriamanitra. Rehefa tonga hisambotra azy ny miaramila, ny alina talohan’ny nahafatesany, dia nanatona azy ireo avy hatrany izy mba hiarovana ny mpianany. Hoy izy: “Avelao handeha ireto raha izaho no tadiavinareo.” (Jaona 18:8) Nasainy naverin’i Petera tamin’ny toerany ny sabany, tsy ela taorian’izay, mba hampisehoana fa tsy nila fitaovam-piadiana izy, fa eo foana i Jehovah hanampy azy.—Jaona 18:11.

13 Sahy nampiharihary koa i Jesosy fa mafy fo sy mpandainga ireo mpampianatra sandoka tamin’ny androny. Hoy izy: ‘Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra. Tsy miraharaha izay mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna ianareo, dia ny manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana. Diovinareo ny ivelan’ny kaopy sy ny vilia, nefa ny ao anatiny feno zavatra norobaina sy feno fanaranam-po.’ (Mat. 23:13, 23, 25) Mila herim-po toy izany koa ny Kristianina, satria tsy maintsy hanohitra azy ireo sy hamono ny sasany aminy ny mpitondra fivavahana.—Mat. 23:34; 24:9.

14 Sahy nanohitra ny demonia koa i Jesosy. Nifanena tamin’ny lehilahy iray nisy demonia maro, ohatra, izy. Natanjaka be izy io, ka tsy voafatotra tamin’ny rojo vy. Tsy natahotra anefa i Jesosy nandroaka ireo demonia tao aminy. (Mar. 5:1-13) Tsy omen’Andriamanitra hery hanaovana fahagagana ny Kristianina ankehitriny. Na izany aza, dia miady amin’i Satana isika, rehefa mitory sy mampianatra. “Manajamba ny sain’ny tsy mino” mantsy izy. (2 Kor. 4:4) Mitovy amin’ny an’i Jesosy ny fitaovam-piadiantsika. “Tsy araka ny nofo” izy io “nefa mahery, satria Andriamanitra no nanao azy ho mahery mba handravana zavatra efa mafy orina”, dia ny fampianaran-diso efa ninoan’ny olona an-taonany maro. (2 Kor. 10:4) Mila manahaka an’i Jesosy isika, rehefa mampiasa ny fitaovam-piadiana omen’Andriamanitra.

15. Inona no nanampy an’i Jesosy ho be herim-po?

15 Ny finoany no nanampy an’i Jesosy ho be herim-po, fa tsy hoe sahisahy ratsy izy. Mila manam-pinoana koa isika. (Mar. 4:40) Ahoana no hananantsika izany? Diniho ny modely nomen’i Jesosy. Tena nahalala sy nino ny Soratra Masina izy. Nampiasa sabatra izy, saingy tsy ara-bakiteny, fa ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra. Nanome porofo avy tao foana izy. Mazàna, ohatra, izy no nilaza hoe: “Voasoratra hoe.” *

16. Ahoana no hanatanjahana ny finoana?

16 Tokony hamaky sy hianatra Baiboly isan’andro àry isika, ary hanatrika fivoriana, ka handentika ny fahamarinana ao an-tsaintsika. Hanana finoana matanjaka isika amin’izay, ka hahazaka ireo zava-tsarotra tsy maintsy manjo ny Kristianina. (Rom. 10:17) Mila misaintsaina lalina an’izay ianarantsika koa isika, mba hanohina ny fontsika ilay izy. Tsy hanana herim-po mihitsy isika raha tsy velona ny finoantsika. (Jak. 2:17) Mila mangataka ny fanahy masina koa isika, satria vokatr’izy io ny finoana.—Gal. 5:22.

17, 18. Ahoana no nampisehoan’ny anabavy tanora iray fa be herim-po izy?

17 Mahatonga antsika ho be herim-po tokoa ny finoana. Nahatsapa izany i Kitty, anabavy tanora iray. Tena te hitory tamin’ny mpiara-mianatra taminy izy. Mbola kely mantsy izy dia efa nampianarina fa tsy tokony ho “menatra noho ny vaovao tsara.” (Rom. 1:16) Te hitory tamin’ny mpiara-mianatra foana izy isan-taona, saingy tsy sahy. Nifindra sekoly izy tatỳ aoriana, ka teo vao tena tapa-kevitra fa hanao izany. Hoy izy: “Aleo aho hiezaka amin’izay, fa efa tsy nitory tamin’ny ankizy mihitsy taloha.” Nivavaka àry izy mba ho be herim-po sy hahay handanjalanja toa an’i Kristy, ary mba hahita fotoana mety hitoriana.

18 Nasaina nilaza ny mombamomba azy daholo ny ankizy, tamin’ny fidiran’ny mpianatra. Nisy maromaro nilaza ny fivavahany, nefa niteny koa hoe tsy dia nazoto niangona. Hitan’i Kitty àry fa io ilay fotoana mety, izay nangatahiny tamin’ny vavaka. Rehefa anjarany no niteny, dia sahy nilaza izy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah aho, ary izay lazain’ny Baiboly no arahiko eo amin’ny resaka fivavahana sy fitondran-tena.” Hita hoe sosotra ny ankizy sasany, tamin’izy niteny. Nisy ihany anefa nihaino tsara, ary nametraka fanontaniana tatỳ aoriana. Nilaza mihitsy aza ny mpampianatra fa modely i Kitty, satria sahy niaro ny finoany. Faly be i Kitty noho izy niezaka ny ho be herim-po toa an’i Jesosy.

Tahafo ny herim-po sy ny finoan’i Kristy

19. a) Inona no dikan’ny hoe tena manam-pinoana? b) Ahoana no hampifaliantsika an’i Jehovah?

19 Hitan’ny apostoly fa nila nanam-pinoana izy ireo raha te ho be herim-po. Nitalaho tamin’i Jesosy àry izy ireo hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” (Vakio ny Lioka 17:5, 6.) Ny olona tena manam-pinoana dia tsy vitan’ny hoe mino fa misy Andriamanitra. Miezaka mifandray akaiky aminy koa izy, toy ny ataon’ny ankizy amin’ny ray tsara fanahy sy be fitiavana. Nasain’Andriamanitra nanoratra i Solomona hoe: “Raha manana fo hendry ianao, anaka, dia ho faly ny foko. Ary ho faly ny voako rehefa milaza ny marina ianao.” (Ohab. 23:15, 16) Faly àry i Jehovah, rehefa sahy mankatò ny toro lalany isika. Ary vao mainka isika ho be herim-po rehefa mahalala fa mampifaly azy. Aoka àry isika ho be herim-po toa an’i Jesosy, ka hankatò foana ny fitsipik’i Jehovah!

[Fanamarihana ambany pejy]

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no hanampy antsika hankatò foana, na dia tsy lavorary aza isika?

• Ahoana no hanatanjahana ny finoana, ary nahoana izany no manampy antsika ho be herim-po?

• Inona no ho vokany raha mankatò sy be herim-po toa an’i Kristy isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

‘Manomana ny fonao’ ve ianao mba hahatohitra fakam-panahy?

[Sary, pejy 15]

Hanampy antsika ho be herim-po toa an’i Jesosy ny finoana