Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Sarobidy ny Fampianaran’Andriamanitra

Tena Sarobidy ny Fampianaran’Andriamanitra

Tena Sarobidy ny Fampianaran’Andriamanitra

“Tena heveriko ho fatiantoka koa ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy.”—FIL. 3:8.

1, 2. Inona no safidy nataon’ny Kristianina sasany, ary nahoana?

MBOLA kely i Robert dia efa nahay be. Tonga tany an-tranony ny iray tamin’ny mpampianatra azy tamin’izy valo taona. Nilaza io mpampianatra io fa tsy voafetra ny zavatra mety ho vitan’i Robert, ary niriny ho lasa dokotera izy. Ambony be ny naotiny tamin’izy afaka baka, ka afaka niditra tany amin’ny iray amin’ireo oniversite tsara indrindra tao amin’ny taniny izy. Maro no nihevitra an’izany ho tombontsoa tsy manan-tsahala. Tsy nifidy ny hanao izany anefa i Robert, fa naleony nirotsaka ho mpisava lalana maharitra.

2 Kristianina maro koa, na antitra na tanora, no afaka ny ho tafita eto amin’ity tontolo ity. Tsy nisafidy an’izany anefa ny sasany, fa naleony nanatratra tanjona ara-panahy. (1 Kor. 7:29-31) Inona no nandrisika ny Kristianina, toa an’i Robert, hifofotra mafy amin’ny asa fitoriana? Ny fitiavany an’i Jehovah no antony lehibe indrindra. Takany koa anefa fa tena sarobidy ny fampianaran’Andriamanitra. Efa noeritreretinao ve hoe mety ho nanao ahoana ny fiainanao raha tsy nahalala ny fahamarinana ianao? Hanampy antsika hankasitraka ny vaovao tsara foana, ny fisaintsainana ny fitahiana sasany azontsika noho isika nampianarin’i Jehovah. Hanampy antsika ho be zotom-po amin’ny fitoriana koa izany.

Voninahitra lehibe ny hoe ampianarin’Andriamanitra

3. Nahoana no azontsika antoka fa vonona hampianatra ny olombelona tsy lavorary i Jehovah?

3 Tsara fanahy i Jehovah ka vonona hampianatra ny olombelona tsy lavorary. Hoy ny Isaia 54:13 momba ny Kristianina voahosotra: “Ny zanakao rehetra dia hampianarin’i Jehovah, ka ho be ny fiadanan’ny zanakao.” Mihatra amin’ireo “ondry hafa” an’i Kristy koa ireo teny ireo. (Jaona 10:16) Manamarina izany ny faminaniana iray efa tanteraka amin’ny androntsika. Hitan’i Isaia tao amin’ny fahitana ny olona avy amin’ny firenena rehetra manatona ny fivavahana marina. Mifampiresaka izy ireo hoe: “Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika.” (Isaia 2:1-3) Voninahitra tokoa ny hoe ampianarin’Andriamanitra!

4. Inona no takin’i Jehovah amin’ireo ampianariny?

4 Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fampianaran’Andriamanitra? Tokony hanetry tena sy ho mora ampianarina isika. Hoy i Davida mpanao salamo: ‘Tsara toetra sy mahitsy i Jehovah. Hampianariny ny lalany ny mpandefitra.’ (Sal. 25:8, 9) Hoy koa i Jesosy: “Midera anao ampahibemaso aho, Ray ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, satria nataonao tsara afina tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa.” (Lioka 10:21) Tsy irinao ve ny hanatona an’io Andriamanitra ‘maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amin’ny manetry tena’ io?—1 Pet. 5:5.

5. Tsy ho nahalala an’Andriamanitra isika raha tsy nataony ahoana?

5 Noho ny fahaizantsika manokana na ny fahendrentsika ve no nahitantsika ny fahamarinana? Tsia. Tsy ho nahalala an’Andriamanitra mihitsy isika raha izany. Hoy mantsy i Jesosy: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.” (Jaona 6:44) Amin’ny alalan’ny asa fitoriana sy ny fanahy masina no itaoman’i Jehovah an’ireo olona toy ny ondry, na ny “zava-tsarobidin’ny firenena rehetra.” (Hagay 2:7) Tsy faly ve ianao anisan’ireo notaomin’i Jehovah hanatona ny Zanany?—Vakio ny Jeremia 9:23, 24.

Manova olona ny fampianaran’Andriamanitra

6. Inona no vokatry ny fandraisana “fahalalana an’i Jehovah” eo amin’ny olona?

6 Mampiasa sarin-teny mahafinaritra i Isaia, rehefa manazava ny fiovan’ny toetran’ny olona amin’ny androntsika. Manjary tia fihavanana ny olona nahery setra taloha. (Vakio ny Isaia 11:6-9.) Lasa miara-monina amim-piraisan-tsaina ireo olona nifankahala noho ny firazanana, fiaviana, foko, na kolontsaina. Toy ny hoe ‘nanefy ny sabany ho angadinomby’ izy ireo. (Isaia 2:4) Inona no mahatonga an’ireo fiovana lehibe ireo? Nandray “fahalalana an’i Jehovah” ny olona, ary nampihatra izany teo amin’ny fiainany. Anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany ireo mpanompon’Andriamanitra, na dia tsy lavorary aza. Manintona ny olona eran-tany ny vaovao tsara ary manatsara ny toetrany. Porofo izany fa tena sarobidy ny fampianaran’Andriamanitra.—Mat. 11:19.

7, 8. a) Inona no sasany amin’ireo “zavatra efa mafy orina”, izay rava noho ny fampianaran’Andriamanitra? b) Inona no manaporofo fa mitondra fiderana ho an’i Jehovah ny fampianarany?

7 Nampitovin’ny apostoly Paoly tamin’ny ady ara-panahy ny fanompoana ataon’ny mpanompon’Andriamanitra. Hoy izy: “Tsy araka ny nofo ny fitaovam-piadianay, nefa mahery, satria Andriamanitra no nanao azy ho mahery mba handravana zavatra efa mafy orina. Fa mandrava fisainana mbamin’ny zavatra avo rehetra atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay.” (2 Kor. 10:4, 5) Inona ireo “zavatra efa mafy orina” ireo? Ny fampianaran-diso, finoanoam-poana, filozofian’olombelona, sy ny hafa. Manafaka ny olona amin’ireo ny fampianaran’Andriamanitra. (Kol. 2:8) Manampy ny olona handresy ny fanao ratsy sy haneho toetra tsara koa izy io. (1 Kor. 6:9-11) Manatsara fiainam-pianakaviana ny fampianaran’Andriamanitra, ary mampisy heviny indray ny fiainan’ireo tsy manana fanantenana. Fampianarana toy izany no ilaina ankehitriny.

8 Anisan’ny ampianarin’i Jehovah antsika ny fanaovana ny marina. Izany no asehon’ity tantara ity. (Heb. 13:18) Nianatra Baiboly ny vehivavy iray any Inde, ary lasa mpitory tsy vita batisa tatỳ aoriana. Avy nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana izy indray andro, ary handeha hody. Nahita firavaka volamena nitentina 1 584 000 ariary eo ho eo izy, teo akaikin’ny fiantsonan’ny bisy. Nentiny tany amin’ny paositry ny polisy ilay firavaka, na dia nahantra aza izy. Tsy nampino ny polisy tao izany! Nanontany azy ny polisy iray avy eo hoe: “Fa maninona no naterinao tatỳ iny firavaka iny?” Nanazava izy hoe: “Nanova ahy ny fianarako Baiboly. Efa olo-marina aho izao.” Gaga ilay polisy ka hoy izy tamin’ilay anti-panahy niaraka tamin’ilay vehivavy tany amin’ny polisy: “Misy olona 38 tapitrisa mahery eto amin’ity firenena ity. Raha afaka manampy olona folo hiova toa an’ity vehivavy ity ianareo, dia efa tena zava-dehibe izany.” Nanatsara fiainan’olona an-tapitrisany ny fampianaran’Andriamanitra. Moa ve izany tsy mandrisika antsika hidera an’i Jehovah?

9. Inona no manampy ny olona hanao fiovana lehibe eo amin’ny fiainany?

9 Manampy ny olona hanao fiovana lehibe eo amin’ny fiainany ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina. (Rom. 12:2; Gal. 5:22, 23) Hoy ny Kolosianina 3:10: “Tafio ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara, eny, havaozina araka ny endrik’Ilay namorona azy.” Afaka mampiharihary ny tena toetran’ny olona sady manova ny toe-tsainy sy ny toe-pony ny hafatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Vakio ny Hebreo 4:12.) Lasa naman’Andriamanitra sy manantena hiaina mandrakizay ny olona iray, rehefa mahalala tsara ny Soratra Masina sy mampifanaraka ny fiainany amin’ny fitsipika marin’i Jehovah.

Manomana antsika ho amin’ny hoavy i Jehovah

10. a) Nahoana no i Jehovah ihany no afaka manampy antsika hiomana ho amin’ny hoavy? b) Inona no fiovana lehibe hitranga tsy ho ela ka hisy vokany eo amin’ny tany manontolo?

10 I Jehovah ihany no afaka manampy antsika hiomana ho amin’ny hoavy, satria izy no mahafantatra izay hitranga. Lazainy mialoha hoe hanao ahoana ny hoavin’ny olombelona. (Isaia 46:9, 10) Milaza ny faminanian’ny Baiboly fa “akaiky ny andro lehiben’i Jehovah.” (Zef. 1:14) Ho tanteraka ity tenin’ny Ohabolana 11:4 ity, rehefa tonga io andro io: “Tsy hisy hilana ny harena amin’ny andro fahatezerana, fa ny fahamarinana kosa no hiaro ny olona tsy ho faty.” Ny fankasitrahan’i Jehovah no zava-dehibe indrindra, rehefa tonga ilay fotoana hampiharany ny didim-pitsarany amin’ny tontolon’i Satana. Tsy hisy hilana azy ny vola amin’izay. Hoy ny Ezekiela 7:19: “Hatsipiny eny an-dalana ny volafotsiny, ary haharikoriko azy ny volamenany.” Manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara dieny izao ny fahafantarana izany mialoha.

11. Inona no fomba iray anomanan’ny fampianaran’Andriamanitra antsika ho amin’ny hoavy?

11 Manampy antsika hamantatra izay zava-dehibe kokoa ny fampianaran’Andriamanitra. Izany no fomba iray anomanan’izy io antsika ho amin’ny andron’i Jehovah. Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Anaro ny manankarena eto amin’ity tontolo ity, mba tsy hanambony tena, na hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra.” Mandray soa amin’io torohevitra io koa isika, na tsy manankarena aza. Inona no tafiditra amin’izany? Tsy tokony hanangona harena eto an-tany isika, fa hiezaka “hanao soa” sy “hanan-karena amin’ny asa tsara.” Ny fanompoana an’i Jehovah no ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainantsika. Amin’izay isika dia ‘hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenantsika, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy.’ (1 Tim. 6:17-19) Hendry isika raha mahafoy tena toy izany. Hoy mantsy i Jesosy: “Inona moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa very ny ainy?” (Mat. 16:26, 27) Efa tena akaiky ny andron’i Jehovah, ka tokony hieritreritra isika hoe: ‘Aiza no anangonako harena? Manompo an’Andriamanitra ve aho sa manompo ny Harena?’—Mat. 6:19, 20, 24.

12. Nahoana isika no tsy tokony ho kivy raha misy manamavo ny fanompoantsika?

12 Inona no lehibe indrindra amin’ny “asa tsara” tokony hataon’ny Kristianina, araka ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra? Ny asa fitoriana sy fampianarana, izay mamonjy aina. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Mety hisy hanamavo ny fanompoantsika, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. (Vakio ny 1 Korintianina 1:18-21.) Tsy mampihen-danja ny hafatra entintsika anefa izany. Mbola zava-dehibe foana ny fitoriana mba hinoan’ny olona an’ilay hafatra, dieny mbola misy ny fotoana. (Rom. 10:13, 14) Hahazo fitahiana maro isika rehefa manampy ny hafa handray soa amin’ny fampianaran’Andriamanitra.

Hotahina ireo mahafoy zavatra maro noho ny vaovao tsara

13. Inona no nafoin’ny apostoly Paoly noho ny vaovao tsara?

13 Nampiofanina mba ho olona ambony teo amin’ny tontolo jiosy ny apostoly Paoly, talohan’ny naha Kristianina azy. Niala tany Tarsosy, tanàna niaviany izy raha vao 13 taona monja. Nankany Jerosalema izy mba hampianarin’ilay mpampianatra Lalàna tena nalaza atao hoe Gamaliela. (Asa. 22:3) Nanomboka nisongadina tamin’ireo mpiray firenena taminy i Paoly. Nety ho nahazo toerana ambony tao amin’ny Fivavahana Jiosy mihitsy aza izy, raha mbola nitohy izany. (Gal. 1:13, 14) Nafoiny anefa izany rehetra izany, rehefa nandray ny vaovao tsara sy nitory izy. Nanenina ve i Paoly? Tsia. Hoy izy: “Tena heveriko ho fatiantoka koa ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Fa noho ny aminy no nidirako fatiantoka ny amin’ny zava-drehetra ary heveriko ho fako miavosa ireny.”—Fil. 3:8.

14, 15. Inona avy ireo fitahiana azontsika noho isika “mpiara-miasa amin’Andriamanitra”?

14 Mahafoy zavatra maro noho ny vaovao tsara koa ny Kristianina ankehitriny, toa an’i Paoly. (Mar. 10:29, 30) Maty antoka ve isika noho izany? Maro no mitovy hevitra amin’i Robert, izay voaresaka teo am-piandohana. Hoy izy: “Tsy manenina mihitsy aho. Mahasambatra sy mahafa-po ahy ny fanompoana manontolo andro, satria afaka ‘nanandrana’ aho ka nahita ‘fa tsara i Jehovah.’ Nomen’i Jehovah mihoatra noho izay nafoiko foana aho, rehefa ny fanompoana azy no nataoko loha laharana. Toy ny hoe tsy namoy na inona na inona aho. Nahazo mantsy aho raha ny marina!”—Sal. 34:8; Ohab. 10:22.

15 Efa mitory sy mampianatra ve ianao? Raha izany dia azo antoka fa efa nanandrana ianao ka nahita fa tsara i Jehovah. Nisy fotoana ve nahatsapanao hoe nanampy anao ny fanahy masina tamin’ianao nitory ny vaovao tsara? Efa nahita olona faly nandre an’ilay hafatra ve ianao satria nanokatra ny fon’izy ireo i Jehovah? (Asa. 16:14) Efa nanampy anao handresy vato misakana ve i Jehovah, angamba nanampy anao hampitombo ny fanompoanao? Nanampy anao hiatrika olana ve izy, ka afaka nanompo azy foana ianao na dia tsapanao aza fa nihena ny herinao? (Fil. 4:13) Lasa tena misy amintsika i Jehovah sady akaiky kokoa azy isika, rehefa tsapantsika fa manampy izy eo amin’ny fanompoana. (Isaia 41:10) Fitahiana tokoa ny hoe anisan’ny “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” amin’ilay asa fampianarana lehibe!—1 Kor. 3:9.

16. Ahoana no fiheveranao ny ezaka ataonao mba hampianarana ny hafa momba an’i Jehovah?

16 Olona maro no maniry hamita zavatra miavaka sy tsy hohadinoina mihitsy. Matetika anefa no vetivety dia hadino na ny zava-bita niavaka indrindra teto amin’ity tontolo ity aza. Misy kosa zavatra ho tsarovana foana. Tsy inona izany fa ireo asa ataon’i Jehovah mba hanamasinana ny anarany. (Ohab. 10:7; Heb. 6:10) Enga anie isika hihevitra ho sarobidy ny voninahitra ananantsika, dia ny mampianatra ny hafa momba an’i Jehovah. Tsy hohadinoina mandrakizay io asa io.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no takin’i Jehovah amin’ireo ampianariny?

• Inona no manaporofo fa manova olona ny fampianaran’Andriamanitra?

• Inona avy no fitahiana azontsika rehefa manampy ny hafa handray soa amin’ny fampianaran’Andriamanitra isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany ireo nampianarin’i Jehovah

[Sary, pejy 24]

Fitahiana tokoa ny hoe anisan’ny “mpiara-miasa amin’Andriamanitra”!