Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Angatahin’i Jehovah Amintsika?

Inona no Angatahin’i Jehovah Amintsika?

Manatòna An’Andriamanitra

Inona no Angatahin’i Jehovah Amintsika?

Deoteronomia 10:12, 13

TSY mora foana ny misafidy hoe hankatò sa tsia. Raha masiaka na sarotiny loatra, ohatra, ny mpampiasa, dia mety hanaiky azy tsy sazoka ny mpiasa. Ny mpanompon’i Jehovah kosa mankatò azy an-tsitrapo. Nahoana? Mamaly izany i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia 10:12, 13. *

Nametraka an’izao fanontaniana izao i Mosesy, rehefa namintina ny zavatra takin’Andriamanitra: “Inona moa no angatahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao?” (Andininy 12) Zon’Andriamanitra ny mangataka amintsika an’izay rehetra tiany. Izy rahateo no Tompo Fara Tampony sy Loharanon’aina ary Mpamelona antsika. (Salamo 36:9; Isaia 33:22) Zony ny manery antsika hankatò azy. Tsy tiany hankatò azy tsy sazoka anefa isika. Inona kosa no angatahiny? Ny ‘hankatoavantsika [azy] amin’ny fo.’—Romanina 6:17.

Inona no handrisika antsika hankatò an’Andriamanitra an-tsitrapo? Nilaza fomba iray i Mosesy. Hoy izy: ‘Matahora an’i Jehovah Andriamanitrao.’ * (Andininy 12) Tsy horohoro noho ny tahotra sao hiharan-doza izy io fa tahotra mahasoa, mahatonga antsika hanaja lalina an’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Tsy hanao izay hampahatezitra azy isika, raha manaja lalina azy.

Inona anefa no tena tokony handrisika antsika hankatò an’Andriamanitra? Hoy i Mosesy: ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao ary manompoa azy amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.’ (Andininy 12) Tsy fihetseham-po fotsiny ny hoe tia an’Andriamanitra. Hoy ny boky iray: “Indraindray ny matoanteny hebreo mampiseho fihetseham-po dia midika koa hoe manao zavatra vokatr’io fihetseham-po io.” Midika hoe “manao zavatra amim-pitiavana” ho an’Andriamanitra ny hoe tia azy, hoy io boky io. Raha tena tia an’Andriamanitra àry isika dia hanao zavatra fantatsika fa hampifaly azy.—Ohabolana 27:11.

Misy fetrany ve ny fankatoavantsika an’Andriamanitra? Hoy i Mosesy: ‘Mandehana amin’ny lalan’Andriamanitra rehetra.’ (Andininy 12) Tian’i Jehovah hanao izay rehetra angatahiny amintsika isika. Mety ho voa mafy ve isika raha mankatò azy tanteraka? Tsy izany mihitsy.

Hotahina isika raha mankatò an-tsitrapo. Hoy i Mosesy: ‘Tandremo ny didy izay andidiako anao anio, mba hahasoa anao.’ (Andininy 13) Mahasoa antsika tokoa ny didin’i Jehovah rehetra, izany hoe izay rehetra angatahiny amintsika. Azo antoka ny amin’izany, satria milaza ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Omeny antsika àry ny didiny, mba handraisantsika soa maharitra. (Isaia 48:17) Hisoroka olana maro isika raha manao izay rehetra angatahin’i Jehovah amintsika. Hahazo fitahiana mandrakizay koa isika, eo ambany fitondran’ny Fanjakany. *

Hankatò àry sa tsy hankatò? Fahendrena foana ny mankatò tanteraka an’i Jehovah sy ny mankatò azy an-tsitrapo, rehefa misy zavatra angatahiny amintsika. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika, raha manao izany foana. Andriamanitra be fitiavana izy ary mitady izay hahasoa antsika foana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Natao ho an’ny Israelita fahiny ireo tenin’i Mosesy ireo, nefa mihatra amin’izay rehetra te hampifaly an’Andriamanitra ankehitriny koa.—Romanina 15:4.

^ feh. 6 Nasongadin’i Mosesy ao amin’ny bokin’ny Deoteronomia manontolo fa tokony ho hita taratra eo amin’ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra foana io tahotra io.—Deoteronomia 4:10; 6:13, 24; 8:6; 13:4; 31:12, 13.

^ feh. 9 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 3, hoe “Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?”, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.