Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Anao Hino fa Misy ny Mpamorona?

Inona no Hanampy Anao Hino fa Misy ny Mpamorona?

Inona no Hanampy Anao Hino fa Misy ny Mpamorona?

“TEZITRA aho taloha raha vao nieritreritra hoe misy ny Mpamorona. Manana hery hanafoanana ny fijaliana mantsy izy, nefa tsy vonona hampiasa azy io!” Izany no tenin’ny olona iray tsy nino an’Andriamanitra, sy namoy havana tamin’ny Famonoana Tambabe. Tsy izy irery no nihevitra toy izany.

Sarotra amin’ny olona maro nahita habibiana ny hino hoe misy Andriamanitra. Aleon’izy ireo mampionon-tena amin’ny hoe tsy misy izy. Inona no tena mahatonga ny olona tsy hino an’Andriamanitra? Ho sambatra kokoa ve ny olona raha tsy mino an’Andriamanitra na tsy mivavaka? Mety hino an’ilay Mpamorona be fitiavana ihany ve ny olona tsy mino azy?

Mandiso fanantenana ny fivavahana

Mahatsikaiky fa ny fivavahana ihany no tena mahatonga ny olona tsy hino an’Andriamanitra. Hoy i Alister McGrath, mpahay tantara: “Maharikoriko ny zavatra ataon’ireo fivavahana lehibe, sady manjaka ao ny fitondran-tena tsy mendrika. Izany no tena mahatonga ny olona tsy hino an’Andriamanitra.” Matetika ny fivavahana no lazaina fa mahatonga ny ady sy ny herisetra. Nilaza i Michel Onfray, filozofa tsy mino an’Andriamanitra, fa tsy mitombina mihitsy ny hoe boky ara-pivavahana iray ihany no mampirisika ny olona sasany “ho masina be” sady mampirisika ny hafa “hanao habibiana”, na asa fampihorohoroana.

Olona maro no diso fanantenana amin’ny fivavahana. Rehefa nanao raharaha miaramila i Bertil, tovolahy soedoà, dia reny nanamarina ny fampiasana herisetra ny mpitondra fivavahana iray. Ilay tenin’i Jesosy hoe “ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra” no noresahiny. Tsy maintsy misy mampiasa, hono, io sabatra io, ka tokony ho mpanompon’Andriamanitra ny miaramila mba hananany zo hanao izany!—Matio 26:52. *

Maty tany Frantsa ny rain’i Bernadette, tamin’ny Ady Lehibe II. Namonjy fandevenana zaza telo taona, izay zanaky ny nenitoany, i Bernadette indray mandeha. Tezitra be izy rehefa nilaza ny pretra hoe “nalain’Andriamanitra ilay zaza mba hataony anjely.” Niteraka zaza sembana izy tatỳ aoriana, ary mbola tsy nampahery azy koa ny fiangonany.

Lehibe tany Irlandy Avaratra i Ciarán, tamin’ny fotoana nanjakan’ny ady tany an-toerana. Tsy tiany maizina ny fampianarana momba ny afobe. Matetika izy no nilaza hoe: ‘Tsy tia Andriamanitra lozabe toy izany aho. Aoka izy hamono ahy raha misy tokoa.’ Tsy i Ciarán irery no mankahala fampianarana toy ireny. Ny zavatra ampianarin’ny fivavahana mihitsy aza angamba no nahatonga ny olona hamorona ny fampianarana momba ny evolisiona. Nilaza i Alister McGrath, fa ny “fankahalan’i” Darwin ny fampianarana momba ny afobe, fa tsy ny finoany ny evolisiona, no nahatonga azy tsy hatoky hoe misy Andriamanitra. Nilaza koa i McGrath, fa “nalahelo be [i Darwin] rehefa maty ny zanany vavy.”

Mihevitra ny olona sasany fa ireo tsisy saina sy mafana fo tafahoatra ihany no tia fivavahana. Hoy i Irina, izay mankahala ny toriteny tsy mahaliana sy ny vavaka miverimberina: “Tsy misaina, amiko, ny olona tia fivavahana.” Hoy i Louis, izay rikoriko tamin’ny habibiana nataon’ireo mpivavaka mafana fo tafahoatra: “Nahasorena ahy ny fivavahana nandritra ny taona maro, fa tena halako izy izao. Laviko an-kitsirano rehefa fivavahana.”

Ho sambatra kokoa ve ny olona raha tsy mino an’Andriamanitra?

Tsy mahagaga àry raha olona maro no mihevitra fa tsy mampandroso sady tsy mitondra fiadanana ny fivavahana. Nisy mihitsy aza nanontany tena raha ho sambatra kokoa ny olona rehefa tsy mino an’Andriamanitra na mivavaka. Tsy hiteraka olana hafa ve anefa izany?

Nanameloka ny habibiana nataon’ny fivavahana tamin’ny androny i Voltaire, filozofa tamin’ny taonjato faha-18. Niaiky anefa izy fa tsy ho nahalala izay tokony sy tsy tokony hatao isika raha tsy nisy ny Avo Indrindra. Tatỳ aoriana, dia nilaza i Friedrich Nietzsche, filozofa alemà, fa maty Andriamanitra. Nanahy anefa izy hoe raha tsy mino an’Andriamanitra ny olona dia tsy hanana fitsipika momba ny fitondran-tena intsony, ary hisy vokany ratsy izany. Ara-dalàna ve ny fanahian’izy ireo?

Voamarik’i Keith Ward, mpanoratra, fa tsy nihena ny habibiana rehefa nandroso ny teknolojia, fa “vao mainka aza nitombo be noho ny hatramin’izay.” Na lasa tsy mino an’Andriamanitra aza ny olona sasany, dia mbola manao kolikoly sy manavakavaka ary manao zava-dratsy hafa ihany. Tsapan’ny olona misaina maro àry, anisan’izany ireo tsy mino an’Andriamanitra, fa tena ilaina ny finoana an’Andriamanitra.

Nanasongadina ny soa azo avy amin’ny finoana an’Andriamanitra i Keith Ward. Hoy izy: “Tsapan’ny olona manam-pinoana foana hoe adidiny ny mikarakara an’ilay tontolo noforonin’Andriamanitra.” Hita tamin’ny fikarohana natao vao haingana fa lasa tia manao soa ny mpivavaka, ary mahita fahafaham-po avy amin’izany. Asehon’izany fa marina ity tenin’i Jesosy ity: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Misy heriny eo amin’ny fiainan’ny olona ny Baiboly. Nampiaiky volana ny mpanao asa sosialy iray tsy nino an’Andriamanitra izany. Hoy izy: “Efa an-taonany maro aho no niezaka nanampy olona hiala tamin’ny fahazaran-dratsiny, izay manimba ny tenany sy ny hafa, nefa tsy nahita vokatra firy. Tena gaga aho rehefa nahita olona niova be tampoka, ka lasa nanana fiainana tsara kokoa. Reko koa hoe tsy niverina tamin’ny fomba fiainany taloha intsony izy ireny.”

Mihevitra anefa ny sasany amin’ireo tsy mino an’Andriamanitra, fa mahatonga ny olona hiady sy hifamono ny finoana an’Andriamanitra, fa tsy dia manampy azy hanana toetra tsara sy hanampy ny hafa loatra. Mety hisy vokany tsara amin’ny olona sasany ihany, hono, ny finoana saingy tsy tena mino izany izy ireo. Nahoana?

Antony hafa mahatonga ny olona tsy hino an’Andriamanitra

Maro no nampianarina fa tena nisy ny evolisiona. Nianatra tany Albania, firenena tsy mino an’Andriamanitra, ohatra, i Anila. Hoy izy: “Nampianarina anay fa ny olona tsy matotra sy tsy mivoatra no mino an’Andriamanitra. Maro ny zavatra mahatalanjona nianarako momba ny zavamaniry sy ny zavamananaina, saingy notadidiko foana hoe avy amin’ny evolisiona izy ireny. Mba mitovy amin’ny mpahay siansa izahay amin’izay.” Miaiky izy ankehitriny hoe: “Nasaina nanaiky be fahatany an’ireo porofo nomena anay izahay.”

Lasa tsy mino an’Andriamanitra koa ny olona sasany, satria diso fanantenana. Matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no sendra olona toy izany, rehefa mitory ny fanantenana avy ao amin’ny Baiboly, isan-trano. Nitsidika an’i Bertil, ilay voaresaka teo aloha, ohatra, ny tovolahy Vavolombelona iray. Niteny anakampo toy izao, hono, i Bertil rehefa nahita azy: ‘Mampalahelo ialahy. Tsy atỳ mihitsy ialahy no tokony handeha!’ Hoy izy: “Nampandrosoiko izy, ary navoakako taminy daholo ny hatezerako momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly ary ny fivavahana.”

Nampalahelo an’i Gus, avy any Ekosy, ny fisian’ny tsy rariny. Nanohitra sy tia niady hevitra izy tamin’ny voalohany, rehefa niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitovitovy tamin’ny tenin’i Habakoka tamin’Andriamanitra ny fanontaniana napetrany. Hoy io mpaminany hebreo io: “Nahoana no ataonao mahita zava-dratsy aho, ary jerenao fotsiny ny faharatsiana?”—Habakoka 1:3.

Sahiran-tsaina ny olona maro, satria toa tsy mampihontsina an’Andriamanitra ny faharatsiana. (Salamo 73:2, 3) Hoy i Simone de Beauvoir, mpanoratra frantsay: ‘Aleoko kokoa mieritreritra hoe tsy nisy namorona ny tany, noho ny hoe misy ny mpamorona fa tompon’andraikitra amin’izao fikorontanana sy fisafotofotoana eto an-tany izao.’

Raha tsy mahay manazava an’izany fifanoheran-javatra izany ny fivavahana maro, midika ve izany fa tsy azo hazavaina ilay izy? Hoy i Gus: “Nahafa-po ahy ihany” tamin’ny farany, “ny fanazavana hitako momba ny hoe nahoana ilay Mpamorona mahery indrindra no mamela ny olona hijaly vetivety. Dingana lehibe teo amin’ny fiainako izany.” *

Mety ho tsy tena mino ny evolisiona ny olona milaza ho tsy mino an’Andriamanitra. Tsapany ihany angamba hoe mila an’Andriamanitra izy, ary mety hivavaka mihitsy aza. Nisy olona sasany tsy nino an’Andriamanitra na nisalasala momba ny fisiany, nefa lasa nieritreritra kokoa momba ny Mpamorona sy nifandray akaiky taminy. Andeha hojerentsika hoe nahoana?

Lasa nino izy ireo hoe misy ny Mpamorona

Nampirisika an’i Bertil hieritreritra tsara ilay tovolahy nitsidika azy, ary nanazava taminy fa samy hafa be ny fivavahana arahin’ny tena Kristianina sy ny an’ny Kristianina sandoka. Na teo aza ireo porofo fa misy ny Mpamorona, dia nisy zavatra hafa tena nampiaiky an’i Bertil koa. Hoy izy: “Hitako hoe nanana faharetana izy, na dia niziriziry tamin’ny hevitro aza aho. ... Tony foana izy, ary nahita boky homena ahy foana sady niomana tsara.” *

Mpanaraka ny fampianarana momba ny evolisiona sy ny Kominisma i Svetlana. Resy lahatra izy fa ireo matanjaka indrindra ihany no tafita eo amin’ny zavamananaina. Nanahiran-tsaina azy anefa izany fampianarana izany. Nanampy trotraka an’izany koa ny zavatra nianarany tany amin’ny sekoly momba ny fitsaboana. Hoy izy: “Tamin’izahay nampianarina hoe tsy misy Andriamanitra, dia nolazaina taminay fa ireo matanjaka indrindra ihany no tafita amin’ny zavamananaina. Rehefa nianatra momba ny fitsaboana indray anefa izahay, dia noresahina fa tokony hanampy an’ireo marefo.” Nanahiran-tsaina azy koa hoe nahoana ny olombelona, izay lazaina fa nivoatra avy tamin’ny rajako, no manana olana ara-pihetseham-po, nefa ny rajako tsy mba toy izany. Tsy nampoiziny hoe afaka nanazava an’ilay izy taminy ny renibeny. Hoy izy: “Nohazavain’i Bebe tamiko avy tao amin’ny Baiboly fa manana olana ara-pihetseham-po isika, satria tsy lavorary.” Faly koa i Svetlana fa voavaly tao amin’ny Baiboly ny fanontaniana toy ny hoe nahoana ny olo-marina no mijaly.

Tena nino ny evolisiona i Leif, avy any Eoropa Avaratra. Nihevitra izy fa bokin’angano fotsiny ny Baiboly. Hoy anefa ny namany iray, indray andro: “Mba tsapanao moa fa mamerina fotsiny izay nolazain’ny olona ianao, nefa tsy mahalala na inona na inona momba ny Baiboly akory?” Inona no vokatr’izany teo amin’i Leif? Hoy izy: “Mbola tsy niady hevitra momba ny evolisiona tokoa aho, fa nanaiky izay nampianarina ahy fotsiny. ... Mino aho fa anisan’ny hampieritreritra an’ireo olona tsy mino an’Andriamanitra, ny fahalalany ny faminaniana ao amin’ny Baiboly sy ny fahatanterahan’izy ireny.”—Isaia 42:5, 9.

Diso fanantenana i Ciarán, voaresaka terỳ aloha, rehefa avy nanao politika an-taonany maro. Nandinika momba ny fiainana izy ary nieritreritra hoe: ‘Andriamanitra iray mahery sy be fitiavana ihany no ho afaka hamaha an’izao olana eto an-tany izao, sy hanafaka ahy amin’ny fahoriako.’ Velon-taraina izy hoe: ‘Mba tiako lahy ny hanana Andriamanitra toy izany!’ Nalahelo be izy ka nivavaka hoe: “Raha mandre izao vavaka izao re ianao, dia mba atoroy ahy ny lalana hivoahako amin’izao fahoriako izao sy ny fomba hanafahana ny olombelona amin’ny fijaliana.” Nandondòna tao aminy ny Vavolombelon’i Jehovah, andro vitsivitsy taorian’izay. Nohazavain’ilay Vavolombelona taminy avy tao amin’ny Baiboly hoe iza ilay fanahy ratsy mifehy ny fitondran’olombelona. (Efesianina 6:12) Nanamarina ny eritreritr’i Ciarán izany, ary lasa liana kokoa izy. Nihanatanjaka ny finoany an’ilay Mpamorona be fitiavana, rehefa nitohy ny fianarany Baiboly.

Ny fifandraisanao amin’ny Mpamorona

Olona maro no misalasala na tsy mino ny fisian’ny Mpamorona, rehefa nahita ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana, nampianarina momba ny evolisiona, ary nahita ny faharatsiana manjaka eto an-tany. Raha anisan’izy ireny ianao, dia afaka manome fanazavana mahafa-po anao ny Baiboly. Resahina ao koa ny zavatra tian’Andriamanitra hatao. Hoy izy: “Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hahatonga anareo hanana ny hoavinareo sy hanana fanantenana.” (Jeremia 29:11) Ahoana ny amin’i Bernadette, ilay nanan-janaka sembana sy nisalasala ny amin’ny fisian’ny Mpamorona? Toy ny fanafody nanasitrana ny ratram-pony io fanantenana io.

Nanohina ny fon’ny olona maro tsy nino an’Andriamanitra, ny fanazavan’ny Baiboly momba ny hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy. Mety ho resy lahatra koa ianao hoe misy Andriamanitra, raha maka fotoana kely mba hahitana ny valin’ny fanontaniana lehibe toy ireny. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa “tsy lavitra antsika tsirairay” Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 17:27.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Hazavaina ao amin’ny pejy 29-31 ny loha hevitra hoe “Mety ve Raha Miady ny Kristianina?”

^ feh. 22 Hahita fanazavana bebe kokoa momba ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ianao ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 106-114, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 25 Hahita fanazavana manaporofo ny fisian’ny Mpamorona ianao, ao amin’ny Mifohaza! Septambra 2006 hoe “Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro, pejy 13]

Fanontaniana Tsy Voavalin’ny Evolisiona

• Mety hisy aina hipoitra avy amin’ny zavatra tsy mananaina ve?—SALAMO 36:9.

• Nahoana ny biby sy ny zavamaniry no tsy manome afa-tsy taranaka mitovy aminy ihany?—GENESISY 1:11, 21, 24-28.

• Raha avy amin’ny rajako tokoa ny olombelona, nahoana no tsy misy olona rajako intsony ankehitriny?—SALAMO 8:5, 6.

• Raha avy amin’ny biby tokoa ny olona, nahoana izy ireo no tia mifanampy sy mifampiahy, nefa ny biby tsy mba toy izany?—ROMANINA 2:14, 15.

• Manana fanantenana azo antoka momba ny hoavy ve ny olombelona?—SALAMO 37:29.

[Sary, pejy 12, 13]

Nahoana ny Andriamanitra be fitiavana iray no mamorona tontolo ahitana ankizy mijaly?

Lasa tsy mino an’Andriamanitra ny olona maro noho ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana