Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no andraikitry ny “lehiben’ny mpiambina ny tempoly”?

Niaraka tamin’ireo mpitondra fivavahana jiosy, izay nisambotra ny apostoly Petera sy Jaona teny am-pitoriana, “ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly.” (Asan’ny Apostoly 4:1-3) Tsy manazava ny andraikiny ny Baiboly. Ahitana hevitra mahaliana ihany anefa ny loharanon-kevitra ara-tantara sasany.

Mpisorona nanana fahefana nanarakaraka ny mpisoronabe angamba ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly, tamin’ny andron’i Jesosy. Izy no niandraikitra ny filaminana tao anatiny sy teo ivelan’ny tempolin’i Jerosalema. Izy koa no nanara-maso ny fivavahana natao tao sy niandraikitra an’ireo mpiambina tao. Nanendry lehiben’ny mpitily izy mba hiandraikitra an’ireo mpitily, izay nanokatra ny vavahadin’ny tempoly ny maraina ary nanidy izany ny alina. Nataon’ireo lehiben’ny mpitily azo antoka fa tsy nisy olona niditra ny toerana tsy azo naleha. Izy ireo koa no niambina ny fitehirizana zava-tsarobidy tao amin’ny tempoly.

Nizara ho andiany 24 ny mpisorona sy ny Levita niasa tao amin’ny tempoly. Niasa nandritra ny herinandro ny andiany iray ary dimbiasan’ny hafa avy eo. Niasa indroa isan-taona àry ny andiany tsirairay ary samy nanana ny lehibeny.—1 Tantara 24:1-18.

Nanana fahefana ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly. Niray tetika tamin’ny lehiben’ny mpisorona izy ireo mba hamono an’i Jesosy. Nampiasa an’ireo mpiambina teo ambany fahefany izy ireo mba hisambotra azy.—Lioka 22:4, 52.

Milaza ny Matio 3:4 fa nihinana “valala sy tantelidia” i Jaona Mpanao Batisa. Fihinana ve ny valala tamin’izany?

Misy misalasala raha tena valala tokoa no nohanin’i Jaona. Resahin’izy ireo fa voan’ny hazo atao hoe hazo valala no noresahin’i Matio eo, na voankazodia, na karazan-trondro. Manondro karazana valala anefa ilay teny grika nampiasain’i Matio. Ny valala any an-tany efitra, izay manao andiany sy manimba voly, no tena fahita any Israely.—Joela 1:4, 7; Nahoma 3:15.

Sakafo matsiro ny valala ho an’ny Asyrianina sy ny Etiopianina fahiny. Mbola mihinana azy io izao ny Arabo mpifindrafindra monina sy ny Jiosy mipetraka any Yémen. Noheverina ho sakafon’ny mahantra izy io teo amin’ny Israely. Rehefa nesorina ny loha sy tongotra ary kibon’ilay valala, dia nohanina manta ny tratrany na natono na nahahy. Nasiana sira na nalona tamin’ny vinaingitra na tantely koa izy io indraindray. Mitovy tsiro amin’ny patsabe ny valala, hoy i Henri Daniel-Rops mpahay tantara.

Nety ho mora tamin’i Jaona ny nahazo valala, satria nitory tany an-tany efitra izy. (Marka 1:4) Azo antoka fa sakafo mahavelona ny valala miharo tantelidia, satria ny 75 isan-jatony dia proteinina daholo.

[Sary, pejy 28]

Mpanompo asyrianina mitondra valala sy ampongabendanitra

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny boky Sisa Tavela Tamin’i Ninive sy Babylona (1853, anglisy)